Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

 TOKO 3

Nampahafantarin’i Jehovah ny Fikasany

Nampahafantarin’i Jehovah ny Fikasany

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely ny zavatra eritreretiny hatao, saingy ny olona matahotra azy ihany no nanazavany izany

1, 2. Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mampahafantatra ny fikasany?

MIRESAKA amin’ny zanany an’izay zavatra tokony ho fantatr’izy ireo ny ray aman-dreny tia zanaka. Tsy tonga dia miresaka zavatra be dia be anefa izy mivady, fa izay takatry ny sain’ny zanany ihany aloha.

2 Toy izany koa i Jehovah. Lazainy tsikelikely amintsika ny zavatra eritreretiny hatao ho antsika. Jereny tsara anefa aloha hoe efa azo lazaina ve ilay izy, izay vao ampahafantariny. Noresahin’i Jehovah tsikelikely, ohatra, ny marina momba ilay Fanjakana. Ahoana no nanaovany izany?

Nahoana no ilaina ny Fanjakan’ny Mesia?

3, 4. Inona ny porofo fa tsy mandahatra ny fiainan’ny olombelona i Jehovah?

3 Tsy nieritreritra hanangana an’io Fanjakana io i Jehovah tamin’ny voalohany. Navelany hifidy izay tiany hitondrana ny fiainany mantsy ny olona, ary tsy nandahatra mialoha izy hoe hikomy izy ireo. Ny fikasany ho an’ny olombelona no nolazainy tamin’i Adama sy Eva. Hoy izy: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Gen. 1:28) Natoron’i Jehovah azy ireo fotsiny koa izay tokony hataony sy tsy tokony hataony. (Gen. 2:16, 17) Afaka nifidy àry izy mivady sy ny taranany hoe hankatò azy foana sa tsia. Raha nankatò foana izy ireo, dia tsy ho nilaina ilay Fanjakana mba hanatanterahana an’ilay fikasan’Andriamanitra. Ho feno olona lavorary teto an-tany, sady ho nanompo an’i Jehovah daholo izy ireo.

4 Mampalahelo anefa fa nikomy tamin’i Jehovah i Satana sy Adama ary Eva. Vita hatreo àry ve ilay fikasan’i Jehovah? Tsia! Nitady hevitra hafa fotsiny izy mba hanatanterahana izany. Tsy toy ny fiara mantsy ny fikasany ka hoe raha vao misy hazo be manakana azy eo amin’ny arabe, dia efa tsy afaka manohy ny lalany ilay izy. Tsy maintsy tanteraka kosa izay lazain’i Jehovah, ary tsy misy mahasakana izany mihitsy. * (Vakio ny Isaia 55:11.) Raha misy zavatra manembantsembana azy, dia mitady hevitra hafa izy.  (Eks. 3:14, 15) Lazainy amin’ny mpanompony ilay izy avy eo, rehefa hitany hoe efa azo ampahafantarina.

5. Inona no nataon’i Jehovah rehefa nikomy i Satana sy Adama ary Eva?

5 Inona àry no nataon’i Jehovah rehefa nikomy i Satana sy Adama ary Eva? Hoatran’ny hoe tsy nisy azo nantenaina intsony ny olombelona tamin’izay. Tapa-kevitra àry i Jehovah fa hanangana ny Fanjakan’ny Mesia. Nanomboka nilaza izy hoe io no hampiasainy, mba hamerenana ny olona ho lavorary sy hanafoanana ny vokatry ny fikomian’i Satana. (Gen. 3:14-19; Mat. 25:34) Tsy tonga dia nampahafantariny daholo anefa ny momba an’io Fanjakana io.

Fantatra tsikelikely ny momba ilay Fanjakana

6. Inona no nolazain’i Jehovah, nefa inona no tsy mbola nolazainy?

6 Niresaka tamin’ny menarana iray i Jehovah tany Edena. Nilaza izy fa hisy ‘taranaka’ hanorotoro azy io. (Vakio ny Genesisy 3:15.) Izany no faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly. Tsy mbola nolazainy anefa tamin’izay hoe iza ilay taranaka, ary iza io menarana io. Efa 2 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana izy vao nanazava izany. *

7. Nahoana i Jehovah no nifidy an’i Abrahama? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 Nilaza i Jehovah tamin’izay fa ho avy amin’i Abrahama ilay taranaka nampanantenaina. I Abrahama no nofidiny satria ‘nihaino ny teniny.’ (Gen. 22:18) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ny olona manaja sy matahotra azy ihany no ilazan’i Jehovah ny fikasany.—Vakio ny Salamo 25:14.

8, 9. Inona no nampahafantarin’i Jehovah an’i Abrahama sy Jakoba?

8 Naman’i Jehovah koa i Abrahama, ka izy no nilazany voalohany hoe ho olombelona ilay taranaka. (Gen. 22:15-17; Jak. 2:23) Ahoana anefa no hanorotoroan’io olona io an’ilay menarana? Ary iza ilay menarana? Tatỳ aoriana i Jehovah vao nanome ny valin’ireo.

9 Nilaza i Jehovah tamin’izay fa ho avy amin’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama, ilay taranaka. Tsara homarihina fa tena nino an’Andriamanitra i Jakoba. (Gen. 28:13-22) Nampahafantarin’i Jehovah azy hoe ho avy amin’i Joda zanany lahy ilay taranaka. Nasain’i Jehovah naminany koa izy fa hahazo “tehim-panjakana” io taranaka io, izany hoe homena fahefana hanjaka, ary hankatò azy ny olon-drehetra. (Gen. 49:1, 10) Tamin’izay àry no nampahafantarin’i Jehovah fa ho mpanjaka ilay taranaka nampanantenaina.

10, 11. Inona no nampiavaka an’i Davida sy Daniela, ka nahatonga an’i Jehovah hampahafantatra ny fikasany tamin’izy ireo?

10 Nohazavain’i Jehovah bebe kokoa tamin’i Davida Mpanjaka, taranak’i Joda, ilay fikasany, 650 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nilaza i Jehovah fa “lehilahy sitraky ny fony” i Davida. (1 Sam. 13:14; 17:12; Asa. 13:22) Nanaja sy natahotra an’i Jehovah izy, ka nanao fifanekena taminy i Jehovah hoe hisy taranany hanjaka mandrakizay.—2 Sam. 7:8, 12-16.

 11 Nilaza i Jehovah, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, hoe rahoviana marina no ho tonga etỳ an-tany ilay taranaka. Ho Voahosotra na Mesia koa izy io. (Dan. 9:25) I Daniela no nilazan’i Jehovah an’io faminaniana io. ‘Tena tian’i Jehovah’ izy, satria tena nanaja azy sy nanompo azy foana.—Dan. 6:16; 9:22, 23.

12. Inona no nasaina nataon’i Daniela, ary nahoana?

12 Nampiasa mpaminany koa àry i Jehovah, mba hanoratra fanazavana be dia be momba an’ilay taranaka. Tsy tonga dia nohazavainy tamin’izy ireo daholo anefa ny zavatra nasainy nosoratana, satria mbola tsy fotoana hanazavana izany tamin’izay. Nasehony an’i Daniela tao amin’ny fahitana, ohatra, ny momba an’ilay Fanjakana, ary nasainy nosoratana avy eo. Nasainy nohazonin’i Daniela ho zava-miafina anefa izany ka nasiana tombo-kase, mandra-pahatongan’ny fotoana tiany hanazavana an’ilay izy. Amin’izay mantsy vao “hitombo be ny tena fahalalana” momba ny fikasan’Andriamanitra.—Dan. 12:4.

Nampiasa mpaminany toa an’i Daniela i Jehovah, mba hanoratra fanazavana be dia be momba ny Fanjakan’ny Mesia

Nanazava ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy

13. a) Iza ilay taranaka? b) Inona no nolazain’i Jesosy ka manampy antsika hahatakatra ny Genesisy 3:15?

13 Nolazain’i Jehovah mazava tsara tatỳ aoriana fa i Jesosy ilay taranaka. Izy ilay taranak’i Davida ho lasa Mpanjaka. (Lioka 1:30-33; 3:21, 22) Toy ny hoe nahita hazavana lehibe ny olombelona, rehefa nanomboka nitory i Jesosy, satria lasa nahatakatra kokoa ny fikasan’Andriamanitra izy ireo. (Mat. 4:13-17) Lasa nazava, ohatra, fa ny Devoly ilay “menarana” resahin’ny Genesisy 3:14, 15, satria nilaza i Jesosy fa “mpamono olona hatrany am-piandohana” ny Devoly sady “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Nampahafantarin’i Jesosy an’i Jaona koa tatỳ aoriana fa i Satana Devoly “ilay menarana tany am-boalohany.” * (Vakio ny Apokalypsy 1:1; 12:9.) Nolazainy koa hoe ahoana no hanorotoroany an’i Satana, mba hahatanteraka ny Genesisy 3:15.—Apok. 20:7-10.

14-16. Nahazo tsara foana an’izay nolazain’i Jesosy ve ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany? Manomeza ohatra.

14 Niresaka foana momba an’ilay Fanjakana i Jesosy, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 1. Tsy nolazainy tamin’ny mpianany daholo anefa ny zava-drehetra tian-dry zareo ho fantatra. Nisy tsipiriany noresahiny ihany, saingy efa tatỳ aoriana be vao nanomboka azon’izy ireo izany.

15 Nohazavain’i Jesosy mazava tsara, ohatra, tamin’ny taona 33 hoe olona avy eto an-tany no hiara-manjaka aminy, ary ho lasa fanahy any an-danitra izy ireo. Tsy tonga dia azon’ny mpianany anefa ny tiany holazaina. (Dan. 7:18; Jaona 14:2-5) Nanao fanoharana koa i Jesosy, tamin’io taona io, mba hanazavana fa ela be aorian’ny hahatongavany any an-danitra izy vao hanjaka. (Mat. 25:14, 19;  Lioka 19:11, 12) Tsy azon’ny mpianany koa anefa izany, ka nanontaniany i Jesosy rehefa nitsangana tamin’ny maty hoe: “Izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” Naleon’i Jesosy anefa tsy nanazava na inona na inona intsony tamin’izay. (Asa. 1:6, 7) Nampianatra koa i Jesosy fa hanana “ondry hafa” izy, ankoatra an’ireo “ondry vitsy” hiara-manjaka aminy. (Jaona 10:16; Lioka 12:32) Efa ela be taorian’ny nanjakan’ny Mesia tamin’ny 1914, vao azon’ny mpanara-dia azy tsara ny tiany holazaina tamin’izany.

16 Be dia be ny zavatra azon’i Jesosy noresahina tamin’ny mpianany, tamin’izy tetỳ an-tany, saingy naleony tsy nolazaina satria fantany hoe mbola tsy zakan’ny sain’izy ireo. (Jaona 16:12) Na izany aza, dia efa nahalala zavatra maro momba ilay Fanjakana ny Kristianina voalohany. Mbola tsy tamin’izay anefa ny fotoana tian’i Jehovah hampahafantarana ny marina rehetra momba an’io Fanjakana io.

‘Hitombo be ny tena fahalalana amin’ny farany’

17. Inona no tokony hataontsika raha te hahatakatra ny fikasan’Andriamanitra isika? Inona anefa no tokony hotadidintsika?

17 Nilaza tamin’i Daniela i Jehovah fa maro no “handinika lalina” amin’ny “fotoanan’ny farany”, ka “hitombo be ny tena fahalalana” momba ny fikasan’Andriamanitra. (Dan. 12:4) Tsy maintsy mandinika tsara ny Baiboly àry isika raha te hahatakatra ny marina momba ilay Fanjakana. Tadidio koa anefa fa mila an’i Jehovah hanampy antsika isika vao tena hahazo izany.—Vakio ny Matio 13:11.

18. Ahoana no ahitana fa manam-pinoana sy manetry tena ny vahoakan’i Jehovah?

18 Nanampy ny vahoakany tokoa i Jehovah, ka nampahafantariny azy ireo tsikelikely ny marina momba ilay Fanjakana, talohan’ny 1914. Mbola manao izany izy amin’izao andro farany izao. Ho hitantsika ao amin’ny Toko 4  sy 5 fa imbetsaka ny vahoakan’Andriamanitra no tsy maintsy nanitsy ny zavatra ninoany, nanomboka tamin’ny 1914 tany ho any. Diso hevitra mantsy izy ireo indraindray. Midika ve izany fa tsy nanampy azy ireo i Jehovah? Tsia! Mbola tena nanampy azy ireo izy satria manam-pinoana sy manetry tena izy ireo. Tian’i Jehovah ny olona matahotra azy rehefa manana an’ireo toetra ireo. (Heb. 11:6; Jak. 4:6) Manam-pinoana ny vahoakan’i Jehovah, ka matoky fa ho tanteraka daholo izay nampanantenainy. Manetry tena koa izy ireo, ka miaiky hoe tsy azony tsara indraindray ireny fampanantenana ireny. Izao, ohatra, no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1925: “Ny Tompo ihany no afaka manazava ny Teniny, ka izy ihany no hanazava izany amin’ny vahoakany amin’ny fotoana hitany hoe mety. Izy koa no mifidy hoe ahoana no hanazavany an’ilay izy.”

‘Ny Tompo ihany no hanazava ny Teniny amin’ny vahoakany amin’ny fotoana hitany hoe mety. Izy koa no mifidy hoe ahoana no hanazavany an’ilay izy’

19. Inona no ataon’i Jehovah mazava amintsika, ary nahoana?

19 Rehefa nanjaka ilay Fanjakana tamin’ny 1914, dia mbola tsy azon’ny vahoakan’i Jehovah tsara hoe ahoana no hahatanterahan’ireo faminaniana momba azy io. (1 Kor. 13:9, 10, 12) Tena tsy andrin’izy ireo izay hahatanterahan’ireny faminaniana ireny, ka lasa diso ny fahazoany an’ilay izy indraindray. Nanoro hevitra toy izao àry ilay Tilikambo Fiambenana tetsy aloha: “Aleo isika tsy tonga dia milaza hoe azontsika tsara ny faminaniana iray, raha tsy efa tena tanteraka ilay izy na efa manomboka tanteraka.” Hita hoe marina izany, rehefa nandeha ny fotoana. Efa tena akaiky izao ny farany, ka be dia be ny faminaniana momba ilay Fanjakana tanteraka na manomboka tanteraka. Ataon’i Jehovah mazava kokoa amintsika izy ireny, satria manetry tena sy manaiky hahitsy isika. Tena mitombo be tokoa ny fahalalantsika!

 Inona no tsapanao rehefa misy fanazavana vaovao?

20, 21. Nanao ahoana ny Kristianina voalohany rehefa nahitsy ny zavatra ninoan’izy ireo?

20 Ahoana no hataonao rehefa ahitsin’i Jehovah ny fahamarinana nianarantsika? Manam-pinoana sy manetry tena ve ianao, ka manaiky an’ilay fanitsiana? Tena nila nanao izany ny Kristianina voalohany. Aoka hatao hoe Kristianina tamin’izany fotoana izany ianao, ary Jiosy. Tena mankatò ny Lalàn’i Mosesy ianao, sady mirehareha erỳ hoe ny firenenao no nofidin’i Jehovah ho vahoakany. Nahazo taratasy avy any amin’ny apostoly Paoly anefa ianao hoe tsy ilaina intsony ny mankatò an’io lalàna io. Voalaza ao koa hoe efa tsy ny firenenao intsony no vahoaka nofidin’Andriamanitra, fa firenena atao hoe Israely ara-panahy. Ary tsy Jiosy ihany no ao anatin’izy io fa misy hafa firenena koa. (Rom. 10:12; 11:17-24; Gal. 6:15, 16; Kol. 2:13, 14) I Jehovah no nampanoratra an’izany an’i Paoly. Inona àry no hataonao?

21 Nanetry tena ny Kristianina sasany, ka nanaiky an’ilay fanazavana vaovao. Notahin’i Jehovah àry izy ireo. (Asa. 13:48) Ny hafa kosa tezitra satria tsy te hiala amin’ny mahazatra. (Gal. 5:7-12) Nila niova izy ireo raha mbola tiany ny hiara-manjaka amin’i Kristy.—2 Pet. 2:1.

22. Inona no vokany eo aminao rehefa mahazo fanazavana vaovao isika?

22 Nahitsin’i Jehovah ny zavatra fantatsika momba ilay Fanjakana, tato ho ato. Nampianariny antsika, ohatra, hoe rahoviana marina no havahana ny ondry sy ny osy, izany hoe ny vahoakan’ilay Fanjakana sy ny olona tsy mety manohana azy io. Nampahafantariny antsika koa hoe rahoviana no ho voangona daholo ny 144 000, inona no dikan’ireo fanoharana momba ilay Fanjakana, ary rahoviana no ho any an-danitra ny voahosotra farany. * Inona no vokatr’izany rehetra izany teo aminao? Vao mainka ve ianao nanam-pinoana? Miaiky ve ianao fa porofo izany hoe mbola ampianarin’i Jehovah foana izay manetry tena? Mbola hahasoa anao koa ny toko manaraka, satria vao mainka hanampy anao hatoky hoe ampahafantarin’i Jehovah tsikelikely an’izay matahotra azy ny fikasany.

^ feh. 4 Avy amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “tonga ho” ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Matoa àry nataony hoe Jehovah ny anarany, dia te hanome toky antsika izy fa ataony foana izay hahatonga ny fampanantenany ho tanteraka. Jereo ilay hoe “Inona no Dikan’ny Anaran’Andriamanitra?”, ao amin’ny pejy 43.

^ feh. 6 Marina fa hoatran’ny hoe lava be loatra izany fotoana niandrasan’i Jehovah izany ho antsika amin’izao andro izao. Vetivety ihany anefa izany tamin’izany, satria ela velona be ny olona, ka taranaka vitsivitsy ihany no nifandimby tao anatin’ilay 2 000 taona. Mbola velona, ohatra, i Adama rehefa teraka i Lameka, rain’i Noa. I Lameka kosa mbola nahita an’i Sema zanak’i Noa, ary i Sema nahita an’i Abrahama.—Gen. 5:5, 31; 9:29; 11:10, 11; 25:7.

^ feh. 13 Im-18 fotsiny no hita ao amin’ny Soratra Hebreo ny hoe “Satana”, fa in-30 mahery ao amin’ny Soratra Grika. Ny Mesia mantsy aloha no tena nila nampahafantarina tao amin’ny Soratra Hebreo. Rehefa tonga tetỳ an-tany kosa ny Mesia, dia izy indray no nampiharihary hoe iza i Satana. Izany no mahatonga ny Soratra Grika hiresaka imbetsaka an’i Satana.

^ feh. 22 Misy an’ireo fanazavana vaovao ireo ato amin’ireto Tilikambo Fiambenana ireto: 15 Oktobra 1995, pejy 23-28; 15 Janoary 2008, pejy 20-24; 15 Jolay 2008, pejy 17-21; 15 Jolay 2013, pejy 9-14.