Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

 TOKO 15

Nitaky ny Zony ny Vahoakan’i Jehovah

Nitaky ny Zony ny Vahoakan’i Jehovah

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nangataka tany amin’ny fitsarana isika mba hekena ho fivavahana ara-dalàna sy havela hankatò an’i Jehovah

1, 2. a) Inona ny porofo fa anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’i Jehovah ianao? b) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mitaky ny zony any amin’ny manam-pahefana indraindray?

ANISAN’NY vahoakan’ny Fanjakan’i Jehovah ve ianao? Anisany ianao raha Vavolombelon’i Jehovah. Inona anefa ny porofo fa vahoakany ianao? Tsy hoe manana kara-panondro na taratasy manaporofo izany ianao. Ny zavatra ataonao mba hanompoana an’i Jehovah kosa no ahitana raha vahoakany ianao na tsia. Tsy hoe mino izay ampianariny fotsiny ianao, fa mankatò ny lalàn’ny Fanjakany koa. Hita eo amin’ny fiainanao isan’andro izany, ohatra hoe rehefa mitaiza ny zanakao ianao, ary na dia rehefa mitsabo tena aza.

2 Tena tiantsika ny mankatò ny lalàn’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa tsy mamela antsika hanao izany indraindray ny olona eto amin’ity tontolo ity. Misy mpitondra mitady hifehifehy antsika, ohatra, na mitady handrara ny fivavahantsika mihitsy. Mitaky ny zontsika any amin’ny manam-pahefana àry isika indraindray. Tsy vao izao ny vahoakan’i Jehovah no nanao an’izany, fa efa hatramin’ny taloha.

3. Inona ny ady mafy tsy maintsy nataon’ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny andron’i Estera?

3 Nisy ady mafy tsy maintsy nataon’ny vahoakan’i Jehovah, ohatra, tamin’ny andron’i Estera Mpanjaka. Nisy praiminisitra ratsy fanahy atao hoe Hamana mantsy nampirisika an’i Ahasoerosy, mpanjaka persianina, hoe aleo vonoina daholo ny Jiosy ao amin’ny fanjakany, satria “hafa noho ny an’ny vahoaka rehetra ny lalàny.” (Est. 3:8, 9, 13) Navelan’i Jehovah hovonoina ve ny vahoakany? Tsia! Nankany amin’ilay mpanjaka persianina i Estera sy Mordekay, mba hiangavy azy hiaro ny vahoakan’i Jehovah. Tena nanampy azy ireo i Jehovah tamin’izay.—Est. 9:20-22.

4. Inona no hojerentsika ato amin’ity toko ity?

4 Ary ahoana ny amin’izao andro izao? Efa hitantsika tao amin’ny Toko 14 fa misy manam-pahefana tsy tia Vavolombelon’i Jehovah indraindray. Mbola hijery zavatra hafa ataon’izy ireo isika ato amin’ity toko ity. Ataon’izy ireo, ohatra, izay hanafoanana ny fikambanantsika sy hisakanana antsika tsy hanompo an’i Jehovah. Teren’izy ireo handika ny lalàn’i Jehovah momba ny ra koa isika, ary tsy avelany hampianarina momba  an’i Jehovah ny zanatsika. Ho hitantsika fa niady mafy ny vahoakan’ilay Fanjakana mba havela hanompo an’i Jehovah sy hankatò azy, ary namaly soa azy ireo i Jehovah.

Nangataka mba hekena ho fivavahana ara-dalàna

5. Nahoana isika no mangataka mba hekena ho ara-dalàna ny fivavahantsika?

5 Mila mangataka alalana any amin’ny fitondrana ve isika vao mahazo manompo an’i Jehovah? Tsia! Mangataka alalana anefa isika, amin’izay tsy voasakantsakana rehefa mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe, rehefa manao pirinty sy manafatra boky sy gazety, ary rehefa mitory ny vaovao tsara. Efa voasoratra ara-dalàna any amin’ny fanjakana ny fivavahantsika, any amin’ny tany maro. Tsy voafehifehy be àry ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireny tany ireny, fa mitovy amin’ny fivavahana hafa efa ara-dalàna. Mbola misy fitondrana tsy mety manaiky antsika ho fivavahana ara-dalàna anefa. Misy koa mitady hifehifehy be antsika. Inona no ataontsika amin’izay?

6. Inona no nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia, taoriana kelin’ny 1940?

6 Aostralia: Nilaza ny governora jeneralin’i Aostralia, taoriana kelin’ny 1940, fa ratsy ny zavatra ampianarintsika, satria mampirisika ny olona tsy handeha hiady. Norarana àry ny Vavolombelon’i Jehovah tany, ka lasa niafina rehefa nivory sy nitory. Nakatona ny Betela ary nalain’ny fitondrana ny Efitrano Fanjakana. Voarara na dia ny nanana ny boky sy gazetintsika fotsiny aza. Naharitra taona vitsivitsy izany. Faly anefa ny Vavolombelon’i Jehovah ny 14 Jona 1943, fa nofoanan’ny Fitsarana Avo tany Aostralia ilay fandrarana.

7, 8. Inona no nataon’ny vahoakan’i Jehovah tany Rosia, mba havela hanompo an’i Jehovah izy ireo?

7 Rosia: Fitondrana kominista no nanjaka tany Rosia taloha, ary voarara ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tsy voarara intsony anefa izy ireo tamin’ny 1991, ary nekena ho ara-dalàna tamin’ny 1992, rehefa rava ny Firaisana Sovietika. Lasa nitombo be ny Vavolombelon’i Jehovah tany, tsy ela taorian’izay, ka nialonan’ny olona, indrindra fa ny Eglizy Ortodoksa. Indimy isika, tamin’ny 1995 ka hatramin’ny 1998, no nisy nitory tany amin’ny fitsarana hoe mpanao ratsy. Tsy nisy porofo mihitsy anefa hoe marina izany. Novan’ireo olona tsy tia antsika indray àry ilay fiampangana tamin’ny 1998, saingy mbola nandresy ihany isika. Tsy neken-dry zareo anefa ilay didim-pitsarana, ka nampakariny fitsarana ambony ilay raharaha. Nivoaka ny didim-pitsarana tamin’ny Mey 2001, ary nampalahelo fa resy isika. Naverina ilay fitsarana, nanomboka tamin’ny Oktobra 2001. Nivoaka ny didim-pitsarana tamin’ny 2004 hoe voarara ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou, ary hofoanana ny fikambanan’izy ireo.

8 Nisy fanenjehana nivaivay taorian’izay. (Vakio ny 2 Timoty 3:12.) Nampijalin’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalaina an-keriny ny boky sy gazetin-dry zareo. Tsy nahazo  nanofa na nanorina trano hivoriana mihitsy koa izy ireo. Azo antoka fa kivy be ry zareo tamin’izany. Nampakarin’izy ireo tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina àry ilay raharaha tamin’ny 2001, ary mbola nampiany fanazavana hafa tamin’ny 2004. Nivoaka ny didim-pitsarana tamin’ny 2010. Hitan’ny Fitsarana Eoropeanina fa tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana tany Rosia, ka izany no nahatonga azy handrara ny fivavahan’izy ireo. Nofoanan’ilay fitsarana àry ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana rosianina, satria tsy nisy porofo hoe nanao zava-dratsy isika. Hitan’ny Fitsarana Eoropeanina koa fa tian’ny fitondrana hesorina tanteraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zony. Nanamafy àry ilay fitsarana fa zontsika ny manaraka ny fivavahantsika. Marina fa mbola misy manam-pahefana tsy miraharaha an’ilay didim-pitsarana any Rosia. Faly be anefa ny vahoakan’i Jehovah fa nandresy.

Titos Manoussakis (Jereo ny fehintsoratra 9)

9-11. Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy mba havela hanompo an’i Jehovah izy ireo, ary inona no vokany?

9 Gresy: Nanofa trano tany Heraklion, any Kreta, i Titos Manoussakis, tamin’ny 1983, mba hivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy. (Heb. 10:24, 25) Notorin’ny pretra ortodoksa iray tany amin’ny polisy anefa ry zareo, amin’izay tsy mivory ao amin’ilay trano intsony. Nahoana? Satria fotsiny tsy mitovy ny zavatra inoan’ny Ortodoksa sy ny antsika. Niakatra fitsarana àry ilay raharaha, ary nampangaina ho nahavita zavatra faran’izay ratsy i Titos Manoussakis sy ny rahalahy telo hafa. Nasaina nandoa lamandy ry zareo, ary voaheloka higadra roa volana. Nampakatra fitsarana ambony ry Titos, ary farany tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Tsy navela hanaraka izay fivavahana tiany mantsy izy ireo, nefa zony izany.

10 Namoaka didim-pitsarana àry ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 1996, ary tsy nampoizin’ny fahavalontsika ilay izy. Nilaza ilay fitsarana hoe: ‘Azo sokajina ho “fivavahana fanta-bahoaka” ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa jerena ny lalàna any Gresy. Tsy mety àry ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana grika, satria nisakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanaraka ny fivavahany.’ Nohazavainy koa fa tsy anjaran’ny fitondrana grika ny “mitsara hoe mety na tsy mety ny zavatra ampianarin’ny fivavahana iray, na ny zavatra ataony mba hampahafantarana izany.” Tsy nosazina indray àry izy efa-dahy, ary lasa afaka manompo tsara an’i Jehovah.

11 Mbola nisy olana hafa anefa taorian’izay. Nisy eveka ortodoksa nanenjika ny Vavolombelona tany Kassandreia, any Gresy. Efa ho 12 taona ilay izy vao nilamina. Nanome rariny ny Vavolombelona mantsy ny Fitsarana Tampony any Gresy, tamin’ny 2012. Nilaza izy io fa afaka manaraka izay fivavahana tiany ny olona, araka ny lalàm-panorenana. Nohazavainy koa fa tsy marina ny hoe fivavahana vaovao ny  Vavolombelon’i Jehovah. Izany foana mantsy no iampangana azy ireo. Hoy ilay fitsarana: “Tsy misy izay tsy mahalala ny zavatra inoan’ny ‘Vavolombelon’i Jehovah’, ka rariny raha milaza ry zareo hoe fivavahana fanta-bahoaka.” Faly be ny Vavolombelona any Kassandreia, satria afaka mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo izao.

12, 13. Inona no nataon’ireo olona tsy tia antsika tany Frantsa, ary inona no vokany?

12 Frantsa: Nisy olona ‘nitetika ny hanisy ratsy’ antsika “amin’ny alalan’ny lalàna” tany, tamin’ny 1995 tany ho any. (Vakio ny Salamo 94:20.) Ahoana izany? Nanadihady momba ny vola miditra sy mivoaka amin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa ny mpitaky hetra. Inona no antony? Hoy ny minisitry ny teti-bola: ‘Raha hita hoe misy zavatra maizimaizina ataon’ilay fikambanana, dia mety hotorina any amin’ny fitsarana izy io, ka mety hosazina na halaina daholo ny fananany. Tsy hatanjaka intsony io fikambanana io amin’izay, na tsy ho afaka hiasa eto amintsika intsony.’ Tsy nahita zavatra tsy nety nataon’ilay fikambanana anefa ny mpitaky hetra, saingy mbola notereny handoa hetra ihany izy io sady vola be no notakiny. Fetsy ry zareo satria fantany hoe tsy hanan-tsafidy ny rahalahintsika fa tsy maintsy hanakatona ny Betela sy hivarotra ny trano misy azy io, mba handoavana izany. Tena mafy tamin’ny vahoakan’i Jehovah ilay izy, nefa tsy kivy ry zareo. Tsy rariny ny natao tamin’izy ireo, ka nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba hanoherana an’ilay izy. Nampakariny tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ilay raharaha tamin’ny 2005.

13 Nivoaka ny didim-pitsarana ny 30 Jona 2011. Voalaza tamin’izany fa manana zo hanaraka an’izay fivavahana tiany ny olona, ka tsy anjaran’ny fitondrana ny milaza hoe tsara na ratsy ilay fivavahana, na ny zavatra ataon’izy io mba hampahafantarana ny zavatra inoany, raha tsy hoe efa tena mampidi-doza angaha ilay izy. Nanazava koa ilay fitsarana fa ‘raha lany handoavana hetra ny vola azon’ilay fikambanana, dia tsy hanam-bola intsony izy io, ka tsy ho afaka hanome izay zavatra ilain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampandeha tsara ny fivavahan’izy ireo.’ Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny mpitsara rehetra tao amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Faly be ireo rahalahintsika fa naverin’ny fitondrana frantsay niaraka tamin’ny zanabola ilay hetra nalainy tamintsika. Nankatò ny didy navoakan’ny fitsarana koa ilay fitondrana, ka tsy nalainy indray ny trano misy ny Betela.

Mbola misy Vavolombelona tsy avelan’ny manam-pahefana sasany hanao ny sitrapon’i Jehovah. Mivavaha foana àry ho azy ireo

14. Inona no azonao atao mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy tsy avelan’ny manam-pahefana hanao ny sitrapon’i Jehovah?

14 Hitantsika teo fa mbola misy Vavolombelona tsy avelan’ny manam-pahefana sasany hanao ny sitrapon’i Jehovah. Mitaky ny zony àry izy ireo, toy ny nataon’i Estera sy Mordekay. (Est. 4:13-16) Inona kosa no azonao atao mba hanampiana azy ireo? Mivavaha foana ho azy. (Vakio ny Jakoba 5:16.)  Tena mamaly ny vavaka toy izany i Jehovah matoa isika nandresy imbetsaka tany amin’ny fitsarana.—Heb. 13:18, 19.

Tsy nanaiky handika ny lalàn’i Jehovah momba ny ra

15. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tsy manaiky hampidiran-dra?

15 Hitantsika tao amin’ny Toko 11 fa milaza mazava tsara ny Soratra Masina hoe tokony hifady ny ra isika. (Gen. 9:5, 6; Lev. 17:11; vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29.) Tsy manaiky hampidiran-dra àry ny vahoakan’ilay Fanjakana, na dia fanaon’ny olona aza izany. Na izany aza, dia tiantsika raha tsaboina tsara araka izay azo atao isika sy ny fianakaviantsika. Maro ny fitsarana tampony manaiky fa zon’ny olona ny mifidy izay fitsaboana tiany, arakaraka izay mety amin’ny eritreriny sy ny zavatra inoany. Misy fitsarana tsy manaiky an’izany anefa any amin’ny tany sasany, ka sahirana be indraindray ny vahoakan’i Jehovah any rehefa mitsabo tena.

16, 17. Inona ny tsy rariny natao tamin’ny anabavy iray tany Japon, ary inona ny porofo fa novalian’i Jehovah ny vavaka nataony?

16 Japon: Nila nodidiana ny anabavy iray 63 taona atao hoe Misae Takeda, ary tena sarotra ilay izy. Efa nohazavainy tsara tamin’ny dokotera fa tsy hampidiran-dra izy. Henony anefa, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, hoe nampidiran-dra ihany izy. Tezitra be izy satria natao tsinontsinona sady nofitahina. Nitory tany amin’ny fitsarana àry izy, tamin’ny Jona 1993. Tena tsotra sy malefaka fiteny io anabavy io, nefa tena be herim-po sy tsy nivadika mihitsy. Nahavita nanazava ny zavatra ninoany teo anatrehan’ny fitsarana nandritra ny adiny iray mahery izy, na dia reraka be aza. Be dia be ny olona nanatrika an’ilay izy, nefa tsy natahotra mihitsy izy niteny. Mbola tonga nanazava ny heviny tany amin’ny fitsarana izy, iray volana talohan’ny nahafatesany. Tena modely ho antsika izy. Nilaza ny Anabavy Takeda fa nivavaka foana tamin’i Jehovah izy, mba hanampy azy handresy. Natoky koa izy fa hamaly ny vavaka nataony i Jehovah. Izany tokoa ve no nitranga?

17 Namoaka didim-pitsarana ny Fitsarana Tampony any Japon ny 29 Febroary 2000, telo taona taorian’ny nahafatesan’ny Anabavy Takeda. Nanome rariny azy ilay fitsarana, ary nilaza fa tsy tokony ho nampidirana ra izy satria efa nanazava tsara hoe tsy ekeny izany. Nanazava koa ilay fitsarana fa “zon’ny olona ny mifidy” izay fitsaboana tiany, ka “tsy maintsy hajaina izany.” Soa ihany fa niady hatramin’ny farany ny Anabavy Takeda, mba hekena ny zony hifidy izay fitsaboana mety amin’ny eritreriny sy mifanaraka amin’izay zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Tsy matahotra intsony mantsy izao ny Vavolombelona any hoe hoterena hampidiran-dra.

Pablo Albarracini (Jereo ny fehintsoratra 18 ka hatramin’ny 20)

18-20. a) Ahoana no fiheveran’ny Fitsarana Tampon’i Arzantina ny karatra FMF? b) Ahoana no ampisehoantsika fa mankatò an’i Kristy isika?

18 Arzantina: Mety hisy aretina na loza hahazo antsika, ka mety tsy hahatsiaro tena isika. Tsy ho afaka hiresaka amin’ny dokotera isika amin’izay. Tsara foana àry raha mitondra an’ilay karatra hoe Fanomezan-dalana Momba ny  Fitsaboana (FMF) isika. Izany no nataon’i Pablo Albarracini. Voatifitra im-be dia be izy tamin’ny Mey 2012, satria sendra teo amin’ny toerana iray saika nisy nandroba. Nampidirina hopitaly àry izy. Very ra be anefa izy, ka nilaza ny dokotera hoe tokony hampidiran-dra. Tsy nahatsiaro tena izy tamin’izay, ka tsy afaka nilaza ny heviny. Soa ihany fa nisy karatra FMF tany aminy. Efa efa-taona mahery izy no nameno tsara sy nanao sonia an’ilay izy. Nanaiky hanaraka izay voalazan’ilay karatra ny dokotera. Tsy Vavolombelon’i Jehovah anefa ny dadan’i Pablo, ka nangataka tany amin’ny fitsarana hoe aleo hampidiran-dra ihany izy. Nahazo alalana tamin’ny fitsarana àry ilay dadany.

19 Nangataka tany amin’ny fitsarana haingana ny vadin’i Pablo sy ny mpisolovavany, mba hofoanana ny fangatahan’ilay dadany. Nofoanan’ny fitsarana ambony ilay izy, ora vitsivitsy taorian’izay, ary nilaza izy io hoe tokony harahina izay nosoratan’i Pablo tao amin’ilay karatra. Nampakarin’ny dadany tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Arzantina àry ilay raharaha. Nilaza anefa io fitsarana io fa ‘hita hoe efa nieritreritra tsara i Pablo talohan’ny namenoany an’ilay karatra, ary tsy nisy nanery azy hanao izany fa izay mihitsy no safidiny.’ Nilaza koa ilay fitsarana hoe: ‘Zon’ny olon-dehibe salama saina tsara ny manao taratasy mialoha hoe inona no tiany sy tsy tiany hatao aminy, raha sendra marary izy. Tokony hanaja ny safidiny izay dokotera mitsabo azy.’

Efa nameno karatra Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana ve ianao?

20 Sitrana soa aman-tsara i Pablo. Faly izy mivady hoe soa ihany fa nameno an’ilay karatra FMF i Pablo. Zavatra tsotra ilay nataony, nefa tena nilaina. Nasehony tamin’izany koa hoe mankatò an’i Kristy Mpanjaka izy. Ary ianao? Efa nameno an’io karatra io ve ianao sy ny vady aman-janakao?

April Cadoreth (Jereo ny fehintsoratra 21 ka hatramin’ny 24)

21-24. a) Inona no nahatonga ny Fitsarana Tampon’i Kanada hanasongadina ny zon’ny ankizy tsy ampy taona? b) Inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’ny tantaran’i April?

21 Kanada: Matetika ny fitsarana any Kanada no manaiky fa zon’ny ray aman-dreny ny mifidy izay fitsaboana hitany hoe tena mety amin’ny zanany. Efa namoaka didim-pitsarana mihitsy aza ny fitsarana sasany hoe tokony havela hifidy izay fitsaboana tiany ny ankizy raha efa matotra tsara, na dia mbola tsy ampy taona aza. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i April Cadoreth. Nampidirina hopitaly izy, tamin’izy 14 taona, satria nandeha ra be tany anatiny. Efa nameno karatra FMF izy volana vitsivitsy talohan’io, ary nisy soratra mazava tsara tao hoe tsy hampidiran-dra mihitsy izy, na dia efa atahorana ho faty aza. Tsy niraharaha an’ilay izy anefa ny dokoterany, fa nangataka tany amin’ny fitsarana mba hampiditra ra aminy. Nahazo alalana izy, ka nampidirany ra i April. Nilaza i April fa toy ny hoe novetavetaina izy tamin’izay.

22 Nampakarin’i April sy ny ray aman-dreniny fitsarana ilay raharaha, ary lasa tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Kanada,  roa taona tatỳ aoriana. Niezaka nanazava i April hoe tsy nety ilay zavatra natao taminy, raha jerena ny lalàm-panorenana. Nilaza anefa ilay fitsarana fa tena araka ny lalàm-panorenana ilay izy. Na izany aza, dia nanome rariny azy ilay fitsarana, ka nilaza fa manan-jo hilaza ny heviny ny tanora iray raha efa matotra, na dia mbola tsy ampy taona aza. Hoy ilay fitsarana: “Tokony havela hilaza izay fitsaboana tiany ny tanora latsaka ny 16 taona, ary havela hanazava ny antony [16 taona ny ankizy any Kanada dia efa atao hoe ampy taona]. Ho hita eo amin’izay raha efa matotra izy sady tsy nisy nanery azy.” Arakarak’izay no hanekena an’ilay fitsaboana tiany na tsia.

23 Niavaka io didim-pitsarana io, satria nasongadina tamin’izany fa manana ny zony ny tanora, araka ny lalàm-panorenana, na dia mbola tsy ampy taona aza. Talohan’izay mantsy, dia nahazo nanome alalana ny dokotera ny fitsarana hoe izay fitsaboana hitany fa mahasoa an’ilay ankizy no hatao. Rehefa nivoaka anefa io didim-pitsarana io, dia tsy nahazo  nanao an’izany intsony ny fitsarana fa tsy maintsy nanontany ny hevitr’ilay ankizy aloha. Raha hita hoe matotra ilay ankizy sady tsy noteren’iza na iza, dia arahina ny heviny.

“Faly be aho fa mba afaka nanao izay kely vitako hanamasinana ny anaran’Andriamanitra sy hanaporofoana hoe mpandainga i Satana”

24 Nilaza i April fa tsy matiantoka izy niady teny amin’ny fitsarana nandritra ny telo taona. Hoy izy: “Faly be aho fa mba afaka nanao izay kely vitako hanamasinana ny anaran’Andriamanitra sy hanaporofoana hoe mpandainga i Satana.” Mpisava lalana izao i April, ary salama tsara. Hita avy amin’ny tantarany fa mahavita tsy mivadika, na dia ny tanora tsy ampy taona aza, ka afaka manaporofo hoe anisan’ny vahoakan’ilay Fanjakana.—Mat. 21:16.

Tiantsika hampianarina momba an’i Jehovah ny zanatsika

25, 26. Inona no mety hitranga rehefa misaraka ny mpivady?

25 Tokony hampianarina ny lalàn’i Jehovah ny ankizy, ary ny ray aman-dreny no asain’i Jehovah manao izany. (Deot. 6:6-8; Efes. 6:4) Tena tsy mora izany. Vao mainka sarotra anefa ilay izy raha nisaraka ilay ray aman-dreny, indrindra raha tsy Vavolombelona ny iray amin’izy ireo. Mety te hampianatra ny zanany ny lalàn’i Jehovah, ohatra, ilay ray na reny Vavolombelona, nefa mety tsy hanaiky an’izany ilay tsy Vavolombelona. Tsy vitan’izay fa mila mitadidy ilay Vavolombelona hoe mbola manan-jo hifanerasera amin’ilay zanany sy hampianatra azy koa ilay tsy Vavolombelona, na dia efa nisaraka aza izy mivady.

26 Mety hangataka any amin’ny fitsarana ilay ray na reny tsy Vavolombelona hoe aleo any aminy no hipetraka ny zanany. Tsy tiany ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mantsy ilay ankizy. Misy, ohatra, milaza fa mampijaly ankizy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mahazo manao aniversera sy fety mantsy, hono, ny zanaka Vavolombelona, ary tsy mahazo ampidiran-dra na dia efa ho faty aza. Soa ihany anefa fa izay tena hahasoa an’ilay zaza no jeren’ny ankamaroan’ny fitsarana, fa tsy ny fivavahan’ny rainy na ny reniny.

27, 28. Inona ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampon’i Ohio?

27 Etazonia: Nisy mpivady manan-janaka hoe Bobby. Nisaraka anefa ry zareo, ka nitaraina tany amin’ny fitsarana ilay rangahy hoe hijaly ilay zaza raha ilay reniny no hitaiza azy. Vavolombelon’i Jehovah ny renin’ilay zaza, ary Jennifer Pater no anarany. Nitovy hevitra tamin’ilay rangahy ny fitsarana, ka namoaka didy hoe izy no hitaiza an’i Bobby. Nahazo nitsidika an-janany ihany i Jennifer, saingy nilazana fa tsy mahazo “mampianatra azy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy na mampiasa tetika hafa hampahafantarana azy an’izany.” Te hilaza an-kolaka ilay fitsarana fa tsy mahazo miresaka amin’ilay zanany momba ny Baiboly i Jennifer! Azonao an-tsaina angamba ny alahelony. Kivy be izy nefa niezaka niandry an’i Jehovah handamina an’ilay olana. Hoy izy: “Tsy nanary ahy mihitsy i Jehovah.” Nampakatra an’ilay raharaha  tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Ohio ny mpisolovavan’i Jennifer tamin’ny 1992, ary nanampy azy tamin’izany ny fandaminana.

28 Namoaka didim-pitsarana ny Fitsarana Tampon’i Ohio hoe tsy nety ilay didim-pitsarana teo aloha. Nilaza ilay Fitsarana Tampony fa “zon’ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany ny zavatra inoany sy izay heveriny hoe mety sy tsy mety.” Nohazavain’ilay fitsarana koa fa tsy tokony ho arakaraka ny fivavahan’ilay ray na reny no itsarana hoe iza amin’izy roa no asaina mitaiza an’ilay zaza. Hafa indray raha nahita porofo ny fitsarana hoe manimba ny sain’ilay zaza na mampijaly azy ilay fivavahana. Tsy nisy porofo nanamarina an’izany anefa.

Maro ny fitsarana nanome alalana ny ray na reny Vavolombelona hitaiza ny zanany

29-31. Nahoana i Anita no tsy navela hitaiza ny zanany intsony, ary inona ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony?

29 Danemark: Nitovitovy tamin’ny olana nahazo an’i Jennifer ny nanjo an’i Anita Hansen, anabavy iray manan-janaka fito taona atao hoe Amanda. Nivoaka ny didim-pitsarana tamin’ny taona 2000 hoe i Anita no hitaiza an’i Amanda. Nampakarin’ny dadan’i Amanda tany amin’ny fitsarana ambony anefa ilay raharaha, ka lasa izy indray no nasaina nitaiza an’ilay zaza. Nilaza ilay fitsarana fa misy zavatra maromaro tsy itovizan’izy mivady hevitra satria samy hafa ny fivavahany, ka tsara kokoa raha ny hevitr’ilay ray no arahina. Tsy  nahazo nitaiza ny zanany intsony àry i Anita, satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah!

30 Niady saina be i Anita indraindray, ka tsy hitany izay holazaina rehefa nivavaka izy. Namaky ny Romanina 8:26, 27 anefa izy, ary tena nampahery azy izany. Hoy izy: “Lasa tadidiko foana hoe azon’i Jehovah ny tiako holazaina. Nahita ny nanjo ahy izy, sady nanampy ahy foana.”—Vakio ny Salamo 32:8; Isaia 41:10.

31 Nampakarin’i Anita tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Danemark ilay raharaha. Hoy io fitsarana io tao amin’ny didim-pitsarana navoakany: ‘Tokony hojerena tsara aloha hoe inona no tena mahasoa an’ilay zaza. Tokony hodinihina koa hoe ahoana no hataon’ilay ray rehefa tsy mifanaraka izy roa, ary ahoana no hataon’ilay reny. Arakarak’izay no hanapahana hevitra hoe ilay ray sa ilay reny no avela hitaiza an’ilay zaza. Tsy tokony hampidirina amin’ilay resaka mihitsy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny zavatra ataony sy tsy ataony.’ Hitan’ilay fitsarana fa i Anita no tena mahay mitaiza, ka nasainy notezainy indray i Amanda. Faly be izy!

32. Inona no nolazain’ny Fitsarana Eoropeanina, mba hanampiana ny ray aman-dreny iharan’ny tsy rariny satria Vavolombelon’i Jehovah?

32 Tany hafa any Eoropa: Tsy voalamin’ny fitsarana ao amin’ny tany iray indraindray ilay olana, ka tonga hatrany amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Indroa ny Fitsarana Eoropeanina no nahamarika fa tsy navelan’ny fitsarana sasany hitaiza ny zanany ilay ray na reny Vavolombelona, satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah izy. Namoaka didim-pitsarana àry ny Fitsarana Eoropeanina hoe: “Tsy mety raha manisy tombo sy hala eo amin’ny olona roa ny mpitsara, satria fotsiny hoe tsy azoazony ny fivavahan’ny iray amin’izy ireo.” Faly be ny anabavy iray rehefa nivoaka io didim-pitsarana io. Hoy mantsy izy: “Marary be mihitsy ny fonao rehefa ampangaina ianao hoe mampijaly ny zanakao, nefa ianao mba te hampianatra azy ny lalàn’i Jehovah fotsiny, satria izay no hitanao hoe tena hahasoa azy.”

33. Inona no tokony hataon’ny ray na reny Vavolombelona, araka ny Filipianina 4:5?

33 Miezaka mafy hahay handanjalanja koa anefa ny ray na reny Vavolombelona, rehefa mitaky ny zony hampianatra Baiboly ny zanany. (Vakio ny Filipianina 4:5.) Marina fa faly izy hoe manana zo hampianatra ny zanany. Manaiky koa anefa izy fa manana zo hifanerasera sy hanabe an’ilay zaza ilay ray na reny tsy Vavolombelona, raha te hanao izany. Na izany aza, dia tokony hataony tsara ny andraikiny amin’ilay zanany. Nahoana?

34. Inona no ianaran’ny ray aman-dreny avy amin’izay nataon’ny Jiosy tamin’ny andron’i Nehemia?

34 Diniho izay nataon’ny Jiosy tamin’ny andron’i Nehemia. Niasa mafy izy ireo mba hanamboarana ny mandan’i Jerosalema. Nanana fahavalo be dia be mantsy ry zareo, ka io manda io no hiaro azy sy ny fianakaviany. Nampirisika azy ireo i Nehemia hoe: “Miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo  lahy sy ny zanakareo vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.” (Neh. 4:14) Toy izany koa fa miezaka mafy ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampianatra Baiboly ny zanany. Be dia be mantsy ny olona mitaona ny ankizy tsy hankatò an’i Jehovah, na any am-pianarana izany na eny an-tanànany. Na ao an-trano aza izy ireo dia efa mety ho voataona hanao ratsy, ohatra hoe rehefa mijery tele na Internet. Ry ray aman-dreny, tadidio foana hoe tsy matiantoka ianareo raha miezaka mafy manampy ny zanakareo ho lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika.

Manampy ny vahoakany foana i Jehovah

35, 36. Inona no vokany rehefa nitaky ny zontsika tany amin’ny fitsarana isika, ary tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

35 Notahin’i Jehovah ny vahoakany rehefa niezaka nitaky ny zony hanompo azy. Matetika, ohatra, no lasa nahalala ny zavatra inoan’izy ireo ny olona tany amin’ny fitsarana sy ny olon-kafa. (Rom. 1:8) Mahasoa ny olona tsy Vavolombelona koa ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ireny fitsarana ireny, satria miaro ny zony. Tsy mitaky ny hanovana ny lalàna ao amin’ny tany misy antsika anefa isika, na te hanizingizina hoe isika no manana ny marina. Mampakatra fitsarana kosa isika, satria te hampandroso ny fivavahana amin’i Jehovah, sady te ‘hanamafy orina azy io araka ny lalàna.’—Vakio ny Filipianina 1:7.

36 Niady mafy tany amin’ny fitsarana ny mpanompon’i Jehovah sasany, mba ho afaka hanompo tsara azy. Tena nino izy ireo fa hanampy azy foana i Jehovah. Tahafo àry izy ireo, ary matokia fa hanampy antsika foana koa i Jehovah sady hanome hery antsika, mba hahavitantsika izay asainy atao.—Isaia 54:17.

Fanampim-panazavana

Miaro ny Lazany Ilay Vahoaka Tia Fihavanana

Ahoana no niarovan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia ny lazany?