Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

 TOKO 11

Nihanazava ny Lalàn’Andriamanitra

Nihanazava ny Lalàn’Andriamanitra

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nampianarin’i Jesosy hanaraka ny lalàn’i Jehovah ny vahoakany

Efa tafiditra ao amin’ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy ve ianao?

1. Inona ilay zavatra nahavariana hitan’i Ezekiela?

ALAO sary an-tsaina hoe mahita tempoly ngezabe sady mamirapiratra ianao. Iny fa misy anjely mitondra anao mankao. Misy vavahady telo eo amin’ilay tempoly, ary misy zana-tohatra fito mankeo amin’ilay vavahady asainy hidiranao. Miakatra an’ilay tohatra ianao, dia gaga be rehefa tonga eo amin’ilay vavahady. Telopolo metatra ny haavony, ary misy efitra fiambenana eo amin’ny sisiny roa. Mahita andry maromaro koa ianao, ary hoatran’ny hazo palmie ny paoziny. Izany no nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela tao amin’ny fahitana iray, 2 500 taona lasa izay.—Ezek. 40:1-4, 10, 14, 16, 22; 41:20.

2. a) Inona ilay tempoly ara-panahy? (Jereo koa ny fanamarihana.) b) Inona no dikan’ireo vavahady sy hazo palmie ary efitra fiambenana?

2 Ilay tempoly ara-panahy no hitan’i Ezekiela tamin’izay. Notantarainy tamin’ny an-tsipiriany ny zavatra hitany, ka nahafeno toko sivy be izao. (Ezek. 40-48) Tsy inona io tempoly io fa ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanompoana azy. Misy dikany daholo ny zavatra ao, ary mahakasika antsika amin’izao andro farany izao. * Inona, ohatra, no dikan’ireo vavahady avo be? Mampahatsiahy antsika izy ireo fa avo lenta sy ara-drariny ny lalàn’i Jehovah, ary tsy maintsy manaraka azy ireny isika raha te hanompo azy. Izany koa no dikan’ireo hazo palmie. Oharin’ny Baiboly amin’ny hazo palmie, ohatra, ny olo-marina. (Sal. 92:12) Mila manao ny marina, izany hoe mankatò ny lalàn’i Jehovah, àry izay te hanompo azy. Ary ireo efitra fiambenana? Midika izy ireo hoe tsy afaka manompo an’i Jehovah ao amin’ilay tempoly tsara tarehy izay tsy mankatò ny lalàny, sady tsy hahazo fiainana mandrakizay.—Ezek. 44:9.

3. Nahoana ny Kristianina no mila diovina foana?

3 Tanteraka ve io fahitana io? Hitantsika tao amin’ny Toko 2 fa nasain’i Jehovah nanadio ny vahoakany i Kristy, tamin’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919. Mbola mitohy anefa izany hatramin’izao. Tian’i Kristy hankatò foana ny lalàn’i Jehovah mantsy ny vahoakany, ka ampiany foana. Toy ny hoe tao anaty fotaka ry zareo, tamin’izy ireo mbola anisan’ity tontolo ratsy ity. Efa nosintonin’i Jesosy niala tao ry zareo, nefa miezaka mafy foana i Satana misintona azy ireo hiverina ao. (Vakio ny 2 Petera 2:20-22.) Inona àry no  nataon’i Jesosy mba hampahadio foana ny tena Kristianina? Voalohany, nampiany hanaraka kokoa ny lalàn’i Jehovah izy ireo. Faharoa, nataony izay hampahadio foana ny fiangonana. Ary fahatelo, nampiany ny mpivady sy ny tanora ary ny ankizy.

Nampiana hanaraka kokoa ny lalàn’i Jehovah

4, 5. Inona ny tetika ampiasain’i Satana, ary mahomby ve izy?

4 Te ho tsara fitondran-tena sy hanao ny tsara foana ny vahoakan’i Jehovah. Nahazo toromarika mazava kokoa momba izany àry izy ireo. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

5 Fijangajangana: Toy ny hoe fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny firaisana, ary ny mpivady ihany no nomeny azy io. Tsy zavatra ratsy izy io fa mahafinaritra. Miezaka manimba azy io anefa i Satana. Mitaona antsika hanao zavatra vetaveta na hijangajanga izy, mba ho tezitra amintsika i Jehovah. Efa tamin’ny andron’i Balama izy no nampiasa an’io tetika io. Tena nahomby izy tamin’izay, ka vao mainka mampiasa azy io hatramin’izao.—Nom. 25:1-3, 9; Apok. 2:14.

6. a) Inona ilay voady navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana? b) Nahoana ilay izy no tsy nisy nanao intsony tatỳ aoriana? (Jereo koa ny fanamarihana.)

6 Nisy voady nampirisihina hataon’ny vahoakan’i Jehovah àry tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1908. Anisan’izany ity: “Tsy hiadaladala mihitsy amin’ny lehilahy na vehivavy aho, na eny imason’olona izany na rehefa irery izahay.” * Tsy noterena hanao an’io voady io ny rahalahy sy anabavy. Be dia be anefa no nanao azy io, ary navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana mihitsy ny anarany. Nandaitra ihany ilay izy tamin’ny voalohany, nefa lasa fombafomba fotsiny tatỳ aoriana ka tsy nisy nanao intsony. Mbola nitandrina foana anefa ny vahoakan’i Jehovah, rehefa niaraka tamina lehilahy na vehivavy tsy mpifaninona aminy.

7. Inona ny olana noresahin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1935, ary inona no nasaina notadidin’ny vahoakan’Andriamanitra?

7 Tsy nijanona hatreo anefa i Satana, rehefa jerena Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1935. Voalaza tao fa nisy nihevitra hoe tsy maninona raha tsy manaraka ny lalàn’i Jehovah izy, satria efa mitory sy mampianatra. Nilaza mazava àry ilay gazety hoe: “Tadidio fa tsy hoe asaina mitory fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah. Solontenan’i Jehovah sy ny fanjakany koa izy ireo, ka tsy maintsy asehony amin’ny ataony izany.” Nanome torohevitra mazava momba ny fanambadiana sy ny firaisana ilay gazety avy eo. Nanampy ny vahoakan’Andriamanitra ‘handositra ny fijangajangana’ izany.—1 Kor. 6:18.

8. Nahoana Ny Tilikambo Fiambenana no nanazava imbetsaka ny tena dikan’ny hoe pôrneia?

8 Nohazavaina imbetsaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana koa tato ho ato ny tena dikan’ilay teny grika ao amin’ny Baiboly hoe pôrneia na fijangajangana. Tsy izay manao firaisana amin’olona tsy vadiny ihany no atao hoe mijangajanga, fa izay manao zavatra vetaveta hafa koa, anisan’izany ny zava-drehetra fanaon’ny mpivaro-tena. Tena ilaina izany fanazavana izany, satria be dia be izao no manao zavatra mamoafady.  Soa ihany fa ampianarin’i Kristy isika, ka tsy voatarika hanao an’ireny.—Vakio ny Efesianina 4:17-19.

9, 10. a) Inona koa no noresahin’ilay Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1935? b) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny toaka?

9 Toaka: Hoy ilay Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1935: “Misy avy misotro toaka nefa mandeha manompo na manao andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Rahoviana àry isika no mahazo misotro toaka, rehefa jerena ny Soratra Masina? Mety ve raha misotro be isika, ka lasa tsy mahavita tsara ny asa asain’ny Tompo ataontsika eo anivon’ny fandaminana?”

10 Noresahin’ilay gazety avy eo fa milaza ny Baiboly hoe azo atao ny misotro divay na toaka, raha tsy be loatra. Halan’Andriamanitra kosa ny olona mamo. (Sal. 104:14, 15; 1 Kor. 6:9, 10) Ary ahoana raha nisotro divay na toaka ny olona iray, nefa handeha hanompo na hanao andraikitra eo anivon’ny fiangonana? Efa ela no naverimberina tamin’ny vahoakan’i Jehovah ny nanjo ny zanak’i Arona roa lahy. Novonoin’i Jehovah ry zareo, satria nanolotra “afo tsy ara-dalàna” teo amin’ny alitara. Inona no nahatonga azy roa lahy hanao izany? Angamba nisotrosotro izy ireo talohan’izay. Vao maty mantsy ry zareo, dia namoaka didy i Jehovah hoe tsy tokony hisotro divay na toaka ny mpisorona rehefa manao asa masina. (Lev. 10:1, 2, 8-11) Mbola mankatò an’io toro lalana io isika, ka mitadidy hoe tsara kokoa raha tsy misotro toaka rehefa hanompo na hanao zavatra hafa mifandray amin’ny fivavahana amin’i Jehovah.

11. Inona no vokany rehefa nazava kokoa tamin’ny Kristianina izay lazain’ny Baiboly momba ny toaka?

11 Lasa nazava tamin’ny Kristianina koa tato ho ato hoe ratsy ny zatra misotro toaka. Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy izany. Mety ho rava mantsy ny tokantranon’ny olona mpisotro toaka, sady mety tsy hohajain’ny olona izy, ary mety tsy ho afaka hanompo an’i Jehovah intsony. Maro àry no nahavita tsy niankin-doha tamin’ny toaka intsony, ka lasa nahafinaritra indray ny fiainany. Be dia be koa no nahafehy tena, ka tsy lasa mpisotro toaka.

‘Ny Tompo ve dia ho maimbo sigara na hanisy zavatra maloto ao am-bavany?’—C. Russell

12. Ahoana no fahitan’ny Mpianatra ny Baiboly ny sigara sy paraky?

12 Sigara sy paraky: Efa ela ny tena Kristianina no nahalala fa ratsy ny mifoka sigara sy mihinam-paraky. Manaporofo izany ity zava-nitranga tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 ity. Rahalahy efa be taona atao hoe Charles Capen no nitantara azy, taona maro lasa izay. Nilaza izy fa nankany amin’ny foiben’ny Mpianatra ny Baiboly tany Pennsylvanie izy sy ny rahalahiny telo, tamin’izy 13 taona, ary nihaona tamin’i Russell teo amin’ny tohatra. Sambany i Charles Capen tamin’izay vao nahita azy, nefa tonga dia nanontaniany hoe: “F’angaha ’nareo mifoka sigara? Hoatran’ny misy maimbo sigara ‘zany!” Nilaza ry zareo fa tsy mifoka. Azon’izy ireo tsara àry tamin’izay ny hevitr’i Russell momba ny sigara. Nohazavain’i Russell tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1895 koa ny 2 Korintianina 7:1. Hoy izy: ‘Tsy manome  voninahitra an’Andriamanitra mihitsy izay Kristianina mifoka sigara na mihinam-paraky. Tsy hitako koa izay tombony azo amin’ireny. Ny Tompo ve, ohatra, dia ho maimbo sigara na hanisy zavatra maloto ao am-bavany?’

13. Inona ny fanazavana nivoaka tamin’ny 1973?

13 “Ahitra ratsy” no niantsoan’ilay Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1935 ny sigara sy paraky. Nilaza koa izy io fa izay mifoka sigara na mihinam-paraky, dia tsy mahazo miasa ao amin’ny Betela intsony, ary tsy ekena ho solontenan’ny fandaminana intsony ka tsy mahazo manao mpisava lalana na mpiandraikitra mpitety faritany. Mbola nisy fanazavana hafa koa tatỳ aoriana. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1973 fa tsy ohatra tsara eo anivon’ny fiangonana izay Vavolombelon’i Jehovah mifoka sigara sy mihinam-paraky. Mahafaty mantsy ireo fanao ireo, sady mandoto ny vatana. Tsy tia ny mpiara-belona aminy koa izay manao izany. Noroahina àry izay tsy nety niala tamin’ny sigara sy paraky. * Tena nodiovin’i Kristy tokoa ny Kristianina.

14. Inona ny didy nomen’i Jehovah momba ny ra, ary inona no nahatonga ny fampidiran-dra ho lasa fanao eran-tany?

14 Fampidiran-dra: Efa tamin’ny andron’i Noa Andriamanitra no nilaza fa tsy azo atao ny mihinan-dra. Nilaza an’izany koa izy tao amin’ny Lalàna nomeny ny Israelita, ary mbola naveriny tamin’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany hoe: ‘Fadio ny ra.’ (Asa. 15:20, 29; Gen. 9:4; Lev. 7:26) Hain’i Satana anefa ny nitarika ny olona tsy hankatò an’io didy io. Nanandrana nampiditra ra tamin’ny olona ny dokotera tamin’ny taonjato faha-19. Vao mainka nazoto nanao azy io ry zareo tatỳ aoriana, rehefa hitany hoe inona ny sokajin-dra mety amin’ny olona iray. Nanomboka nitahiry ra koa ny hopitaly tamin’ny 1937. Vao mainka nirongatra ny fampidiran-dra tamin’ny Ady Lehibe II, ary tsy ela dia lasa fanao eran-tany.

15, 16. a) Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa asaina hampidiran-dra izy ireo? b) Inona avy no nataon’ny fandaminana mba hanampiana azy ireo amin’izany, ary inona no vokany?

15 Efa tamin’ny 1944 Ny Tilikambo Fiambenana no nilaza fa toy ny mihinana ra ihany ny olona ampidiran-dra. Nohamafisina sy nohazavaina bebe kokoa izany tamin’ny 1945. Nisy fanontaniana maromaro novaliana koa tao amin’ny gazetintsika tamin’ny 1951, mba hanampiana ny vahoakan’Andriamanitra hahay hiresaka amin’ny dokotera. Tsy nanaiky hampidiran-dra mihitsy àry ny mpanara-dia an’i Kristy eran-tany. Mampalahelo fa matetika izy ireo no lasa halan’ny olona sy esoiny ary enjehiny noho izany. Nanampy azy ireo foana anefa i Kristy. Nikaroka bebe kokoa momba ny fampidiran-dra ny fandaminana, ka namoaka bokikely sy lahatsoratra manazava izany amin’ny an-tsipiriany.

16 Nisy anti-panahy nirahina ho any amin’ny hopitaly, nanomboka tamin’ny 1979, mba hanazava amin’ny dokotera hoe nahoana isika no tsy manaiky hampidiran-dra, inona no lazain’ny Baiboly momba izany, ary inona avy ny fitsaboana  azo asolo ny fampidiran-dra. Nampiofanina hanao izany ny anti-panahy tany amin’ny tanàna 39 tany Etazonia, tamin’ny 1980. Nanangana Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly koa ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana, ary lasa misy an’io komity io eran-tany. Nody ventiny ve ny rano nantsakaina? Eny! Dokotera sy mpandidy ary anestezista an’aliny izao no manaja ny safidintsika, ka tsy mampiditra ra amintsika. Mihabetsaka koa ny hopitaly mampirisika ny marary tsy hampidiran-dra. Misy aza milaza mihitsy hoe izany no fitsaboana tsara indrindra. Tena faly isika satria arovan’i Kristy mba tsy ho voaloton’i Satana.—Vakio ny Efesianina 5:25-27.

Mihabetsaka ny hopitaly mampirisika ny marary tsy hampidiran-dra. Misy aza milaza mihitsy hoe izany no fitsaboana tsara indrindra

17. Inona no hataontsika raha mahafaly antsika izay ataon’i Kristy mba hanadiovana ny vahoakany?

17 Faly ve ianao satria manadio ny vahoakany i Kristy, ka mampianatra azy ireo hankatò ny lalàn’i Jehovah? Tadidio foana àry fa miezaka mafy i Satana mitarika antsika tsy hankatò ny lalàn’Andriamanitra, satria tiany ho tezitra amintsika i Jehovah sy Jesosy. Te hiaro antsika ny fandaminan’i Jehovah, ka mampitandrina sy mampahatsiahy antsika foana hoe inona avy ny fanaon’ity tontolo ity tsy tokony hataontsika. Enga anie isika hihaino sy hampihatra foana an’ireny torohevitra ireny, satria mahasoa antsika izany.—Ohab. 19:20.

 Ataon’i Jesosy izay hampahadio foana ny fiangonana

18. Iza ihany no eken’i Jehovah hanompo ao amin’ny tempoliny, raha jerena ilay fahitan’i Ezekiela?

18 Hojerentsika izao ilay zavatra faharoa nataon’i Jesosy. Nataony izay hampahadio ny fiangonana. Nahoana? Satria misy olona tsy mitana ny teny nataony eo anivon’izy io. Nanaiky hankatò ny lalàn’i Jehovah ry zareo sady nanokan-tena ho azy, nefa niova tatỳ aoriana. Tsy nety nanaraka ny lalàn’i Jehovah intsony izy ireo. Ahoana no hatao amin’ny olona toy izany? Tadidinao angamba ireo vavahady avo be tao amin’ilay tempoly hitan’i Ezekiela. Misy efitra fiambenana eo amin’izy ireo. Midika izany fa misy mpiambina eo amin’ireo vavahady ireo, ka tsy avelany miditra ao izay “tsy voafora fo.” (Ezek. 44:9) Tsy ny olon-drehetra àry no eken’i Jehovah hanompo azy miaraka amin’ny tena Kristianina, fa izay miezaka manaraka ny lalàny ihany.

19, 20. a) Ahoana no nanampian’i Kristy tsikelikely ny vahoakany hahafantatra izay tokony hatao rehefa misy manao fahotana lehibe? b) Nahoana no roahina izay tsy mibebaka?

19 Efa tamin’ny 1892 Ny Tilikambo Fiambenana no nilaza fa ‘tsy maintsy roahina tsy ho Kristianina intsony izay mandà, mivantana na an-kolaka, fa nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny olon-drehetra i Kristy.’ (Vakio ny 2 Jaona 10.) Nilaza koa ilay bokintsika hoe Ny Zavaboary Vaovao (anglisy) tamin’ny 1904, fa tena atahorana hanao ratsy koa ny fiangonana raha avela ao ny olona manao ratsy nefa tsy mibebaka. Ny fiangonana manontolo tamin’izany no nasaina nitsara an’izay nanao fahotana lehibe. Nantsoina hoe “fitsaran’ny fiangonana” ilay izy, saingy indraindray ihany vao nisy. Novana izany tatỳ aoriana. Nanazava Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1944 fa ny anti-panahy ihany no tokony hitsara an’izay nanao fahotana lehibe. Navoaka tamin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1952 koa hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly tokony harahina rehefa manao izany. Nasongadina tao koa fa tokony hadio foana ny fiangonana, ka izay no tena antony iray androahana an’izay tsy mibebaka.

20 Vao mainka nataon’i Kristy nazava kokoa taorian’izay hoe ahoana no atao rehefa misy manao fahotana lehibe. Ampiofanina tsara izao ny anti-panahy mba hanahaka an’i Jehovah ka hanao ny rariny, nefa koa hamindra fo raha mbola azo atao. Lasa mazava tsara amintsika koa hoe nahoana no tsy maintsy roahina izay tsy mibebaka. Antony telo, fara fahakeliny, no anaovana izany: 1) Mba tsy ho afa-baraka ny anaran’i Jehovah, 2) mba tsy hanahaka an’ilay olona nanao fahotana lehibe ny fiangonana, ary 3) mba hanampiana an’ilay olona hibebaka.

21. Nahoana no mandray soa ny fiangonana rehefa roahina izay tsy mibebaka?

21 Mandray soa àry ny fiangonana rehefa roahina izay tsy mibebaka. Marina izany rehefa jerena ny zava-nisy tany Israely fahiny. Matetika no lasa nanahaka an’ilay nanao ratsy ny Israelita. Lasa be loatra aza ny mpanao ratsy indraindray, ka vitsy kely sisa ny olona tena tia an’i Jehovah sy te hanao ny  tsara. Lasa nanala baraka ny anaran’i Jehovah àry ilay firenena manontolo, ka tsy nankasitrahany intsony. (Jer. 7:23-28) Marina aloha fa tsy firenena iray intsony izao ny vahoakan’i Jehovah, fa olona an-tapitrisany eran-tany, ary mankatò tsara azy daholo izy ireo. Tonga dia esorina tsy ho ao amin’ny fiangonana anefa izay tsy mety mibebaka. Raha mbola avela ao mantsy izy, dia mety hataon’i Satana “fiadiana” hitaomana olon-kafa. Roahina àry izy, mba hadio foana ny fiangonana manontolo sady hahazo sitraka amin’i Jehovah foana, ka ho tanteraka ny Isaia 54:17 hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.” Sarotra ny andraikitry ny anti-panahy rehefa jerena izany rehetra izany, satria izy ireo no asain’i Jehovah mitsara ny olona nanao fahotana lehibe. Manohana azy ireo foana àry ve ianao?

Nahazo voninahitra ilay Andriamanitra namorona ny fianakaviana

22, 23. a) Inona no voamaritsika rehefa mamaky ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah taoriana kelin’ny taona 1900 isika? b) Inona ny porofo fa tsy tena nahay nandanjalanja ry zareo?

22 Hojerentsika izao ny zavatra fahatelo nataon’i Jesosy. Nampiany hanatsara ny tokantranony ny mpivady. Fa nahoana? Rehefa mamaky ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah taoriana kelin’ny taona 1900 isika, dia voamaritsika fa tena nazoto nanompo ry zareo sady nahafoy tena. Tsy nisy natakalony ny fanompoana an’i Jehovah. Tena tsara izany, saingy hita hoe tsy tena nahay nandanjalanja ry zareo.

23 Be dia be ny rahalahy tsy nody tany amin’ny vady aman-janany raha tsy volana maromaro, satria notendrena hitsidika fiangonana na hanao andraikitra hafa. Nohizingizinina koa hoe tsy dia tsara ny manambady, nefa tsy tena milaza an’izany akory ny Soratra Masina. Tsy dia nomena torohevitra firy koa ny mpivady hoe inona no azony atao mba hahasambatra ny tokantranony. Efa niova anefa izany rehetra izany ankehitriny.

Tsy tokony hanaiky hanao andraikitra eo anivon’ny fandaminana ny olona iray, raha atahorana ho lasa an-tsirambina ny fianakaviany

24. Inona no nataon’i Kristy mba hanampiana ny vahoakan’i Jehovah hikarakara tsara ny fianakaviany?

24 Ampianarina antsika izao fa tsy tokony hanaiky hanao andraikitra eo anivon’ny fandaminana ny olona iray, raha atahorana ho lasa an-tsirambina ny fianakaviany. (Vakio ny 1 Timoty 5:8.) Ataon’i Kristy foana koa izay hahazoantsika torohevitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. (Efes. 3:14, 15) Mahasoa izy ireny sady tsy sarotra arahina. Namoaka an’ilay boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra, ohatra, ny fandaminana, tamin’ny 1978, ary avy eo Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, tamin’ny 1996. Misy lahatsoratra be dia be natao hanampiana ny mpivady hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly koa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana.

25-27. Inona avy no nataon’i Kristy mba hanampiana ny tanora sy ny ankizy?

25 Ary ahoana ny amin’ny tanora sy ankizy? Efa ela ny fandaminan’i Jehovah no namoaka lahatsoratra ho azy ireo.  Vitsivitsy ihany izany taloha fa lasa be dia be tato ho ato, sady misy foana. Nisy lahatsoratra hoe “Fianarana Baiboly ho An’ny Tanora”, ohatra, tao amin’ny Fotoam-pahasambarana, tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1921. Nivoaka koa ilay bokikely hoe Fotoam-pahasambarana ABC (anglisy) tamin’ny 1920 sy ilay boky hoe Ankizy (anglisy) tamin’ny 1941. Ireto koa nisy boky hafa navoaka taorian’ny 1970: Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe, Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, ary Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Lasa nisy lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora” koa tao amin’ny Mifohaza!, nanomboka tamin’ny 1982. Natao boky izy ireny tamin’ny 1989, ary Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa no lohateniny.

Fivoriambe tany Alemaina. Faly be ny ankizy nahazo an’ilay bokikely hoe Andao Hianatra Baiboly!

26 Lasa manana boky Manontany ny Tanora roa izao isika. Misy an’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora” koa ao amin’ny tranonkalantsika jw.org. Misy zavatra ho an’ny tanora sy ny ankizy koa ao, anisan’izany ireto: Karatra ara-baiboly, kilalao ara-baiboly, kilalaon-tsary, video, ary tantara an-tsary.  Na ny ankizikely telo taona no ho midina aza mba mahazo ny anjarany koa. Misy an’ilay lahatsoratra hoe “Andao Hianatra Baiboly!” koa mantsy ao. Manana an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe koa isika. Hita mihitsy hoe tsy niova i Kristy fa mbola tia ankizy foana, toy ny tamin’ny taonjato voalohany. (Mar. 10:13-16) Tiany hahatsapa izy ireny hoe voakarakara tsara sy tena tiana.

27 Tian’i Jesosy ho voaro koa ny ankizy. Vao mainka tia manao zavatra mamoafady mantsy ity tontolo ity, ka mihabetsaka foana ny mpametaveta ankizy. Namoaka toromarika mazava sy mivantana àry ny fandaminana, mba hanampiana ny ray aman-dreny hiaro ny zanany amin’izany. *

28. a) Inona no tokony hataontsika raha te hanompo ao amin’ilay tempoly hitan’i Ezekiela isika? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

28 Tsy mahafaly anao ve ny mahita hoe mbola manadio ny vahoakany foana i Kristy hatramin’izao? Ampianariny hankatò ny lalàn’i Jehovah izy ireo, ary ataony izay hahatakaran’izy ireo fa mahasoa izany. Eritrereto indray ilay tempoly sy ireo vavahady avo be tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Marina fa tsy toerana hita maso izy io, fa tempoly ara-panahy. Tena misy ve anefa izy io aminao? Tsy hoe rehefa mivory na mamaky Baiboly na mitory ianao, dia efa azo lazaina hoe miditra ao. Misy mantsy manao an’ireo ihany fa mihatsaravelatsihy fotsiny. Mbola tsy azo lazaina hoe manompo ao amin’ny tempolin’i Jehovah ny olona toy izany. Tsy ampy àry ny mivory sy mamaky Baiboly ary mitory. Ilaina koa ny mankatò ny lalàn’i Jehovah sy tsy mihatsaravelatsihy rehefa manompo azy. Raha manao izany ianao, dia efa tafiditra ao amin’io toerana faran’izay masina io. Aza miala ao intsony àry! Io no fandaharana ataon’i Jehovah Andriamanitra mba hanompoana azy. Miezaha foana koa hanahaka an’ilay Andriamanitra masina, ka ankatoavy foana ny lalàny!

^ feh. 2 Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1999 hoe fahitana momba ny fivavahana marina naverina tamin’ny laoniny ilay hitan’i Ezekiela, ary tanteraka amin’izao andro farany izao izy io. Efa ela ny bokintsika no niresaka an’izany. Nohazavaina tao amin’ny boky Fanamarinana (anglisy), Boky Faha-2, tamin’ny 1932, ohatra, fa tanteraka amin’izao andro izao ireo faminaniana hoe hiverina any amin’ny taniny ny Israelita babo tany an-tany hafa. Tsy ilay Israely any Palestina anefa no hiverina, fa ny Israely ara-panahy. Nohazavaina tao koa fa ny fivavahana marina no hiverina amin’ny laoniny.

^ feh. 6 Voalaza tao amin’ilay voady koa hoe: ‘Havelako hidanadana foana ny varavarana raha sendra tavela irery miaraka amina vehivavy na lehilahy ao amin’ny efitra iray aho, raha tsy hoe vadiko na havako akaiky angaha izy.’ Novakina isan’andro tamin’ny Fotoam-pivavahana Maraina tao amin’ny Betela izany, nandritra ny taona maro.

^ feh. 13 Tsy ny mifoka sigara sy mihinana paraky ihany no tsy mety, fa ny mamboly paraky koa.

^ feh. 27 Jereo, ohatra, ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, toko 32, sy ny Mifohaza! Oktobra 2007, pejy 3-11.

Fanampim-panazavana

Nahoana no Tsy Maintsy Masina Isika?

Tsy azonao na mankaleo anao ve ny bokin’ny Levitikosy? Misy lesona sarobidy afaka manampy anao mba ho masina ao.