Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

 TOKO 13

Niakatra Fitsarana ny Vahoakan’ilay Fanjakana

Niakatra Fitsarana ny Vahoakan’ilay Fanjakana

INONA NO HORESAHINA ATO?

Inona no nataon’ny manam-pahefana sasany mba hanakanana antsika tsy hitory?

1, 2. a) Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana, ary inona no nataon’ireo apostoly? b) Inona no nolazain’ny apostoly rehefa norarana tsy hitory?

TAONA 33 tamin’izay. Vao vita kelikely ny Pentekosta, ary mbola vaovao be ny fiangonana kristianina tany Jerosalema. Nieritreritra àry i Satana hoe mety tsara raha amin’izao izy vaovao be izao no tafihina, dia amin’izay rava. Tonga dia nataony izay handraran’ny mpitondra fivavahana ny asa fitoriana. Tsy natahotra anefa ny apostoly fa nitory foana, ka lehilahy sy vehivavy be dia be no lasa “nino ny Tompo.”—Asa. 4:18, 33; 5:14.

Faly ny apostoly satria “natao mendrika ny ho afa-baraka” noho ny anaran’i Jesosy

2 Tezitra be ny mpitondra fivavahana, ka nogadrainy ny apostoly rehetra. Nisy anjelin’i Jehovah nanokatra ny fonja anefa ny alin’iny, ka tafavoaka izy ireo. Vao maraina be, dia efa ireny indray ry zareo fa nitory! Nosamborina indray anefa izy ireo, satria efa norarana tsy hitory nefa mbola manao ihany. Nentina tany amin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy àry izy ireo. Tsy natahotra anefa ry zareo nilaza hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.” Vao mainka tezitra ny mpitondra fivavahana, ka “tiany hovonoina” izy ireo. Tamin’izay indrindra no nisy olona ambony sady mpampianatra lalàna atao hoe Gamaliela nampitandrina an’ilay fitsarana hoe: “Aza mitsabaka amin’izay ataon’ireo lehilahy ireo, fa avelao izy.” Nahagaga fa nanaiky ny teniny ilay fitsarana, ka nalefany ny apostoly. Vao afaka tany ny apostoly, dia vao mainka “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy.”—Asa. 5:17-21, 27-42; Ohab. 21:1, 30.

3, 4. a) Inona ny tetika ampiasain’i Satana hatramin’izao? b) Inona no horesahintsika ato amin’ity toko ity sy ireo toko roa manaraka?

3 Tamin’izay vao nisy manam-pahefana nandrara ny Kristianina tsy hitory, ka nampakatra fitsarana azy ireo. (Asa. 4:5-8; 16:20; 17:6, 7) Tsy nijanona hatreo anefa izany. Mbola ataon’i Satana foana izay handrarana antsika tsy hitory. Misy olona ampirisihiny hanendrikendrika antsika any amin’ny manam-pahefana, ohatra, hoe mpanakorontana vahoaka isika, na mpampirisika olona hikomy, na koa mpivarotra boky.  Ampakarintsika any amin’ny fitsarana ilay raharaha indraindray, rehefa hitantsika hoe izany no hevitra mety. Andeha àry isika hijery raharaha ara-pitsarana vitsivitsy sy ny didim-pitsarana navoaka tamin’izany. Ho hitanao fa mahasoa anao ireny didim-pitsarana ireny, ary nanampy antsika ‘hiaro ny vaovao tsara sy hanamafy orina azy io araka ny lalàna.’—Fil. 1:7.

4 Horesahintsika ato amin’ity toko ity hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah niakatra fitsarana, satria nitaky ny zony hitory. Ho hitantsika ao amin’ireo toko roa manaraka kosa hoe nisy niakatra fitsarana satria tsy nanaiky ho anisan’ity tontolo ity, sady te hanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana.

Mpanakorontana ve ny vahoakan’ilay Fanjakana?

5. Nahoana no nisy Vavolombelon’i Jehovah nosamborina tany Etazonia, taloha kelin’ny 1940, ary nieritreritra ny hanao inona ny rahalahy tany amin’ny foibe?

5 Tsy nahazo nitory ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia taloha kelin’ny 1940, raha tsy nangataka alalana tany amin’ny manam-pahefana. Tsy nety nanao izany anefa izy ireo, satria fantatr’izy ireo fa azon’ny fanjakana foanana foana ilay fahazoan-dalana. Baiko avy amin’i Jesosy koa ilay hoe mitory, ka tsy manan-jo hisakana azy ireo tsy hanao izany ny fanjakana. (Mar. 13:10) Inona no vokatr’izany? An-jatony ny mpitory nosamborin’ny polisy. Nieritreritra hampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny fitsarana àry ny rahalahy tany amin’ny foibe. Tian’izy ireo hoporofoina mantsy fa tsy rariny raha rarana tsy hitory ny Vavolombelon’i Jehovah, satria zony ny manao izay zavatra fanaon’ny fivavahany. Niakatra fitsarana tokoa àry izy ireo tamin’ny 1938, ary tena nisy vokany tsara ilay izy tatỳ aoriana. Aleo hojerentsika izay nitranga.

6, 7. Inona no nitranga tamin’i Newton sy ny vady aman-janany?

6 Nandeha nitory tany New Haven, any Connecticut, i Newton Cantwell, rahalahy 60 taona, sy Esther vadiny ny marainan’ny talata 26 Aprily 1938. Niaraka tamin’izy ireo ny zanany telo lahy atao hoe Henry sy Russell ary Jesse. Mpisava lalana manokana daholo izy dimy mianaka. Efa nampoizin’izy ireo hoe mety tsy ho tafody ry zareo ny harivan’io. Efa imbetsaka mantsy izy ireo no nosamborin’ny polisy, ka efa nanampo hoe mety ho voasambotra indray. Tsy nahakivy an-dry zareo anefa izany. Fiara roa no nentiny. Ny iray nisy boky sy gazety ary grafofaonina, ary i Newton no nitondra azy. Ilay iray kosa nisy fanamafisam-peo, ary i Henry no nitondra azy. Mbola vao 22 taona izy tamin’izay. Vao nitory kelikely anefa izy ireo, dia iny tokoa fa nisy polisy nisakana.

7 I Russell aloha no voasambotra. Vao 18 taona izy tamin’izay. Voasambotra koa avy eo i Newton sy Esther. Tazan’i Jesse avy eny lavitra hoe lasan’ny polisy izy telo mianaka. Tavela irery tao amin’ilay tanàna àry izy, satria i Henry mbola  nitory tany an-toeran-kafa. Lasa ihany anefa izy nitory niaraka tamin’ny grafofaonina. Nisy lehilahy katolika roa nanaiky hihaino azy. Nandefa lahatenin’ny Rahalahy Rutherford àry i Jesse. “Fahavalo” no lohatenin’ilay izy. Vao nihaino kelikely anefa ry zareo dia tezitra be, ka saika novonoiny i Jesse. Niala moramora àry izy, nefa voasambotra koa avy eo ary nigadra. Vao 16 taona i Jesse tamin’izay. Afaka madiodio i Esther, fa i Newton sy ny zanany kosa nigadra daholo. Nandoa lamandy anefa izy ireo, ka navoaka ny androtr’iny ihany, mandra-piandry ny fitsarana azy.

8. Nahoana i Jesse Cantwell no voaheloka ho mpanakorontana?

8 Tany New Haven ry Cantwell mianakavy no notsaraina, tamin’ny Septambra 1938. Voaheloka higadra i Newton sy Russell ary Jesse, satria nangata-bola tamin’olona, hono, nefa tsy nahazo alalana. Nampakarin’izy ireo tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Connecticut àry ilay raharaha. Voaheloka ho mpanakorontana anefa i Jesse tany. Tonga tany mantsy ireo lehilahy roa nitoriany, ary nanizingizina hoe nanaratsy ny fivavahany, hono, ilay lahateny nalefan’i Jesse sady nandrangitra azy ireo. Nampakarintsika tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina àry ilay raharaha. Io no fitsarana ambony indrindra any Etazonia.

9, 10. a) Inona ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 20 Mey 1940? b) Nahoana no mbola mahasoa ny mpitory any Etazonia io didim-pitsarana io?

 9 Ny Rahalahy Hayden Covington no mpisolovavantsika tamin’izany. * I Charles Hughes kosa no Filohan’ny Fitsarana Tampony, ary nisy mpitsara valo niara-niasa taminy. Tamin’ny 29 Martsa 1940 izy ireo no nanomboka nandinika an’ilay raharaha. Nihaino tsara ny porofo nolazain’ny Rahalahy Covington ilay fitsarana. Mba niezaka nanaporofo koa ny mpisolovavan’i Connecticut hoe mpanakorontana isika. Nilaza taminy àry ny mpitsara iray hoe: “Raha tsy diso aho, dia tsy tian’ny olona koa i Kristy Jesosy, satria tsy tian-dry zareo ny zavatra notoriny, sa tsy izany?” Namaly ilay mpisolovava hoe: “Izany mihitsy, fa raha tsy diso koa aho, dia nofaizin’ny olona izy satria mbola nitory an’ilay izy ihany nefa efa tsy tian’ny olona ilay izy. Sa tsy izay moa no resahin’ny Baiboly?” Voafatotry ny teniny ilay mpisolovava! Tsy tonga saina mihitsy izy hoe izy ihany dia efa niaiky hoe mitovy amin’i Jesosy isika satria tsy tian’ny olona ny zavatra torintsika, ary mitovy amin’ireo olona namono an’i Jesosy ny fitsarana any Connecticut satria nanasazy antsika. Namoaka didim-pitsarana àry ny Fitsarana Tampony tamin’ny 20 Mey 1940 hoe ny Vavolombelon’i Jehovah no manana ny rariny.

Rahalahy sy anabavy avy nandresy tao amin’ny fitsarana. Hayden Covington (aloha afovoany), Glen How (ankavia)

10 Tena nisy vokany tsara io didim-pitsarana io. Vao mainka mantsy ilay izy nanamafy hoe zon’ny olona ny manao izay zavatra fanaon’ny fivavahany, ka tsy mahazo manakana azy ny manam-pahefana. Nilaza koa ilay fitsarana fa ‘tsy atahorana hanakorontana vahoaka mihitsy’ i Jesse, rehefa jerena izay nataony. Voaporofo àry fa tsy mpanakorontana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nandresy izy ireo! Mbola mahasoa azy ireo io didim-pitsarana io hatramin’izao. Hoy ny rahalahy iray mpisolovava: ‘Tsy voafehifehy be intsony izahay, fa afaka mitory ny vaovao tsara eny amin’ny manodidina anay foana. Tsy matahotra hosakanan’ny manam-pahefana intsony izahay.’

Mitaona olona hikomy amin’ny fitondrana ve isika?

Henatra ho An’i Kanada ny Fankahalan’i Québec An’Andriamanitra sy Kristy ary ny Fahafahana

11. Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kanada, ary nahoana?

11 Nijaly be koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kanada, taoriana kelin’ny 1940. Tsy navelan’ny fitondrana hitory mantsy izy ireo. Namoaka trakta nampahafantatra izany àry izy ireo tamin’ny 1946, ary nozarainy nandritra ny 16 andro ilay izy. Efatra pejy ilay trakta, ary nitondra ny lohateny hoe Henatra ho An’i Kanada ny Fankahalan’i Québec An’Andriamanitra sy Kristy ary ny Fahafahana (frantsay). Notanisaina tao ny zava-drehetra nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitarika ny vahoaka hihetraketraka tamin’izy ireo, ohatra, ny mpitondra fivavahana tany Québec. Ny polisy koa tetsy andaniny nampijalijaly azy ireo. Hoy ilay trakta: “Misy Vavolombelon’i Jehovah voasambotra foana, nefa tsy nandika lalàna akory. Efa 800 eo ho eo ny fiampangana azy ireo any Montréal.”

12. a) Ahoana no nandraisan’ny olona an’ilay trakta? b) Inona no niampangana antsika? (Jereo koa ny fanamarihana.)

 12 Tezitra be i Maurice Duplessis, praiminisitr’i Québec, rehefa avy namaky an’ilay trakta, ka nilaza fa hanao “ady tsy misy indrafo” amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niray tetika taminy ny Kardinaly Villeneuve. Nampangaina ho “mampirisika ny olona hikomy amin’ny fitondrana” izay mpitory tratra nizara an’ilay trakta. * Tsy hitahita akory dia lasa 1 600 ny fitoriana antsika tany amin’ny fitsarana. Hoy ny anabavy iray mpisava lalana: “Imbetsaka loatra izahay no voasambotra ka tsy voaisa intsony.”

13. Iza no niakatra fitsarana voalohany, ary inona ny didy nivoaka tamin’ilay izy?

13 Anisan’ny niharan’ny zavatra noresahina tao amin’ilay trakta ny rahalahy iray atao hoe Aimé Boucher sy ny zanany vavy roa, atao hoe Gisèle sy Lucille. Tany atsimon’ny Tanànan’i Québec izy ireo no nipetraka. Nanetry tena sy nalemy fanahy ny Rahalahy Boucher. Tantsaha izy, ary indraindray ihany vao nankany an-tanàn-dehibe sady amin’izay nandeha sarety. Tsy irony karazan’olona mpanakorontana irony àry izy telo mianaka. Rehefa nizara an’ilay trakta teny an-tanànany anefa ry zareo, dia nampangaina hoe nampirisika olona hikomy. Ry zareo àry no niakatra fitsarana voalohany tamin’ny 1947. Vao 18 taona i Gisèle tamin’izay, ary 11 taona i Lucille. Tsy tia Vavolombelona ilay mpitsara, ka tsy nety nanaiky mihitsy hoe tsy diso ry Boucher, na dia efa voaporofo aza izany. Naleony kosa nanohana ny hevitry ny mpisolovavan’ilay tanàna hoe mampirisika ny olona hifankahala ilay trakta nozarain-dry Boucher. Nitantara ny tena zava-misy fotsiny anefa ilay trakta. Raha tsorina àry, dia te hilaza ilay mpitsara hoe meloka izay milaza ny marina. Voaheloka higadra i Aimé sy Gisèle, ary na i Lucille kely aza nigadra roa andro. Nampakarintsika tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Kanada àry ilay raharaha. Io no fitsarana ambony indrindra any.

14. Inona no nataon’ny mpitory tany Québec, na dia nampijalina aza?

14 Vao mainka nampijalin’ny olona ny mpitory tany Québec. Sahy nitory momba ilay Fanjakana foana anefa izy ireo, ary matetika izany no nisy vokany tena tsara. Tsy nisy afa-tsy 300 ny Vavolombelona tany, tamin’ny vao nozaraina ilay trakta. Lasa 1 000 anefa izy ireo, efa-taona taorian’izay! *

15, 16. a) Inona ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampon’i Kanada? b) Inona no vokatr’izany tamin’ny mpitory tany Kanada sy ny olon-kafa?

15 Niakatra Fitsarana Tampony ry Aimé Boucher, tamin’ny Jona 1950. Mpitsara sivy no tao amin’ilay fitsarana, ary ny Rahalahy Glen How no mpisolovavantsika. Nivoaka ny didim-pitsarana ny 18 Desambra 1950 hoe afaka madiodio ry zareo. Nohazavain’ny Rahalahy How teo anatrehan’ny fitsarana mantsy fa ny atao hoe “mitaona olona hikomy amin’ny fitondrana”, dia hoe mampirisika ny olona hirotaka sy hanongam-panjakana. “Tsy nampirisika ny olona hanao an’ireo mihitsy anefa” ilay trakta, hoy izy, “fa nilaza ny marina fotsiny, ary tsy raran’ny lalàna izany.” Niaiky àry ilay fitsarana fa marina ny teniny. Hoy ny Rahalahy How: “Tena hitako tamin’iny hoe nataon’i Jehovah nandresy izahay.” *

 16 Tena nandresy tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra! Nisy fiampangana hafa 122 koa mantsy lasa tsy nanan-kery intsony, rehefa nivoaka ilay didim-pitsarana. Lasa mahazo miteny an’izay zavatra hitany hoe tsy mety ataon’ny fanjakana koa ny mponin’i Kanada sy ny firenena maromaro miteny anglisy (Commonwealth Britanika). Tsy vitan’izay fa tsy nahomby ny tetiky ny mpitondra fivavahana sy ny fitondrana tany Québec, mba hifehifehezana antsika. *

Mpivarotra boky ve ny vahoakan’ilay Fanjakana?

17. Inona no lazain’ny fitondrana sasany momba antsika?

17 Tsy ‘nivarotra ny tenin’Andriamanitra’ ny Kristianina voalohany. Toy izany koa isika. (Vakio ny 2 Korintianina 2:17.) Misy fitondrana milaza anefa hoe mpivarotra boky isika fa tsy mpitory teny fotsiny, ka tokony hanaraka ny lalàna momba ny varotra. Nisy tamintsika aza niakatra fitsarana mihitsy noho izany. Andeha isika handinika izay nitranga.

18, 19. Inona no nataon’ny manam-pahefana tany Danemark mba hisakanana antsika tsy hitory intsony?

18 Danemark: Namoaka lalàna ny fanjakana ny 1 Oktobra 1932 hoe tsy azo atao ny mivarotra boky na gazety, raha tsy mangataka alalana any amin-dry zareo. Tsy nanao izany anefa ny mpitory. Nisy Vavolombelona dimy nitory tany Roskilde ny ampitson’io. Telopolo kilaometatra mahery any andrefan’i Copenhague, renivohitr’i Danemark, io tanàna io. Voasambotra ny iray tamin’izy ireo, satria nivarotra boky, hono, nefa tsy nahazo alalana akory. August Lehmann no anarany.

19 Niakatra fitsarana tany Roskilde i Lehmann ny 19 Desambra 1932. Nanaiky izy hoe nitondra boky tany an-tranon’olona, saingy nohazavainy fa tsy ny hivarotra an’ilay izy no tanjony. Niombon-kevitra taminy ilay fitsarana. Hoy izy io: ‘Mahavelon-tena tsara ilay voampanga. Tsy mahazo tombony koa izy rehefa mizara boky, sady tsy mieritreritra ny haka tombony. Izy aza no mamoaka vola avy any am-paosiny mba handehanana mitety trano.’ Nivoaka àry ny didim-pitsarana hoe tsy “varotra” ilay nataon’i Lehmann. Tsy nijanona hatreo anefa ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah. Nampakarin-dry zareo tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Danemark ilay raharaha, satria tsy tiany hitory intsony ny Vavolombelona nanerana an’i Danemark. (Sal. 94:20) Inona no nataon’ireo rahalahintsika?

20. Inona ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampon’i Danemark, ary inona no nataon’ny rahalahintsika ho setrin’izany?

20 Niezaka nitory bebe kokoa ny mpitory eran’i Danemark, herinandro talohan’ny nitsarana an’i Lehmann. Nivoaka ny didim-pitsarana ny talata 3 Oktobra 1933, ary nitovy hevitra tamin’ny fitsarana tany Roskilde ilay Fitsarana Tampony. Nilaza izy io hoe tsy nandika lalàna i Lehmann. Tsy mila mangataka alalana àry ny Vavolombelona rehefa mitory. Niaiky ry zareo fa i Jehovah no nahatonga izany, ka vao  mainka izy ireo nazoto nitory. Tsy nisakantsakana azy ireo intsony ny fitondrana taorian’izay.

Vavolombelon’i Jehovah be herim-po tany Danemark, taorian’ny 1930

21, 22. Inona ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina?

21 Etazonia: Mpisava lalana i Robert Murdock. Nitory tany Jeannette, any akaikin’ny Pittsburgh, any Pennsylvanie, izy sy ny mpitory fito, ny alahady 25 Febroary 1940. Nosamborina anefa izy ireo tamin’izay, ary notsaraina. Diso, hono, izy ireo satria tsy nandoa vola tany amin’ny fanjakana mba hahazoana alalana hizara boky. Nampakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina àry ilay raharaha.

22 Nivoaka ny didim-pitsarana ny 3 Mey 1943, ka voalaza fa tsy diso ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ilay fitsarana fa tsy tokony hangataka alalana isika, satria zontsika ny mizara boky sy gazety, araka ny lalàm-panorenana. Nofoanan’ilay fitsarana àry ny lalàna navoakan’ny tanànan’i Jeannette, satria “manakantsakana ny olona tsy hamoaka boky sy gazety, sy tsy hanao izay zavatra asain’ny fivavahany atao.” Nilaza ny mpitsara iray atao hoe William Douglas fa ‘tsy mizara boky fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitety trano, fa mitory teny koa. Tsy tokony hosakantsakanana àry ry zareo, satria mitovy amin’ny olona mivavaka any am-piangonana sy mitory teny eny ambony polipitra ihany.’

23. Nahoana no mbola ilaina hatramin’izao ireo didim-pitsarana tamin’ny 1943?

 23 Tena niavaka iny didim-pitsarana iny, satria nanamafy hoe tsy mpivarotra isika fa mpitory teny. Raharaha 13 no notsaraina tany amin’ny Fitsarana Tampony tamin’io 3 Mey 1943 io, ary nandresy isika tamin’ny 12 tamin’ireo. Tena nilaina tatỳ aoriana ny didim-pitsarana rehetra nivoaka tamin’io, satria ireny fotsiny no nampiasaina isaky ny nisy nitady hisakana antsika tsy hitory, na isan-trano izany na any an-toeran-kafa.

‘Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay’

24. Inona no ataontsika rehefa mandrara antsika tsy hitory ny fitondrana?

24 Tena faly isika rehefa avelan’ny fitondrana hitory ny vaovao tsara. Misy fitondrana miteny mivantana amintsika anefa indraindray hoe tsy mahazo mitory mihitsy isika. Inona no ataontsika amin’izay? Manahaka ny apostoly isika, ka ‘Andriamanitra no ankatoavintsika fa tsy olona.’ (Asa. 5:29; Mat. 28:19, 20) Mitory foana ihany àry isika, fa mitady hevitra hafa fotsiny hiresahana amin’olona. Tsy mianina amin’izany anefa isika, fa mampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana koa. Ireto misy ohatra roa:

25, 26. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Nikaragoà no nankany amin’ny Fitsarana Tampony, ary inona no vokany?

25 Nikaragoà: Misionera ny Rahalahy Donovan Munsterman sady mpikarakara ny sampana. Voantso tany amin’ny Kapiteny Arnoldo García izy ny 19 Novambra 1952. Izy io no lehiben’ny Biraom-panjakana Miandraikitra ny Fifindra-monina tany Managoà, renivohitr’i Nikaragoà. Nilaza taminy ilay kapiteny fa “tsy mahazo mitory ny zavatra inoany intsony” ny Vavolombelon’i Jehovah any Nikaragoà, “sady tsy mahazo mitaona olona hanaraka ny fivavahany.” Nanazava ilay kapiteny hoe tsy nahazo alalana hitory izy ireo sady misy  miampanga hoe Kominista. Fa iza no niampanga azy ireo? Ny mpitondra fivavahana katolika.

Fivoriambe tany Nikaragoà, nandritra an’ilay fandrarana

26 Niezaka nifampiraharaha avy hatrany tamin’ny minisiteran’ny fivavahana sy ny Prezidà Anastasio Somoza García ny Rahalahy Munsterman, fa tsy nisy vokany. Nitady hevitra hafa hanompoana an’i Jehovah àry ny mpitory. Tsy nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana intsony izy ireo fa tany an-toeran-kafa, ary vitsivitsy ihany no niara-nivory. Mbola nitory foana ry zareo, saingy tsy nitory teny an-dalana intsony. Nangataka tamin’ny Fitsarana Tampon’i Nikaragoà koa anefa izy ireo, mba hanafoana an’ilay fandrarana. Lasa resa-be tamin’ny gazety ilay izy, ka nanaiky handinika an’ilay raharaha ny Fitsarana Tampony. Nivoaka àry ny didim-pitsarana ny 19 Jona 1953. Nilaza ilay fitsarana fa tsy tokony hosakanana tsy hitory ny Vavolombelon’i Jehovah, satria zony ny maneho hevitra sy manao izay eritreretiny fa mety ary miresaka amin’olona ny zavatra inoany, araka ny lalàm-panorenana. Nilaza koa izy io fa tokony hiezaka hifandray tsara amin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny fitondrana.

27. Nahoana no nahagaga ny mponin’i Nikaragoà ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony, ary ahoana no nandraisan’ireo rahalahy an’ilay izy?

27 Gaga be ny mponin’i Nikaragoà hoe niaro ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony. Nahoana? To teny be ny mpitondra fivavahana tany, ka tsy sahy nanohitra azy ireo mihitsy ny fitsarana talohan’izay. Nanjakazaka be koa ny mpitondra, ka mahalana be vao sahy nanafoana ny didy navoakan’izy ireo ny fitsarana. Niaiky àry ny rahalahintsika tany fa nampian’i Jesosy Mpanjaka izy ireo sady nazoto nitory, matoa nandresy.—Asa. 1:8.

28, 29. Inona ny fiovana lehibe tany Zaïre, tamin’ny 1986?

28 Zaïre (Repoblika Demokratikan’i Congo): Nahatratra 35 000 teo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1985 tany ho any. Nitombo foana ny mpitory, ka nisy trano vaovao naorina mba hatao Betela. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena koa tany Kinshasa renivohitra ny Desambra 1985, ary 32 000 ny mpanatrika. Nisy fiovana lehibe anefa taorian’izay.

29 Misionera tany Zaïre tamin’izany i Marcel Filteau, rahalahy avy any Québec, any Kanada. Efa anisan’ny niaritra an’ilay fanenjehana tany Québec izy. Hoy izy: “Nahazo taratasy ny sampan’i Zaïre tamin’ny 12 Martsa 1986 hoe tsy ekena ho ara-dalàna intsony ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Ny Prezidà Mobutu Sese Seko no nanao sonia an’ilay izy.

30. Inona no nanahiran-tsaina ny Komitin’ny Sampana, ary inona ny fanapahan-kevitr’izy ireo?

30 Nisy fanambarana tao amin’ny radio ny ampitson’iny hoe: ‘Tsy hisy an’izany Vavolombelon’i Jehovah izany intsony eto Zaïre manomboka izao.’ Tsy ela taorian’izay, dia nisy namotika ny Efitrano Fanjakana, ary nisy nangalatra ny entan’ny rahalahintsika. Nosamborina sy nogadraina koa ry zareo, ary nampijalina. Nogadraina hatramin’ny ankizikely aza!  Nalain’ny fanjakana ny fananan’ny fandaminana ny 12 Oktobra 1988, ary mpitandro filaminana no lasa nipetraka tao amin’ny Betela. Nangataka tamin’ny Prezidà Mobutu ny sampan’i Zaïre mba hanafoana an’ilay didy navoakany, saingy tsy nahazo valiny mihitsy. Sahiran-tsaina àry ny Komitin’ny Sampana hoe hitory any amin’ny Fitsarana Tampony, sa hiandry kely aloha. Misionera tany i Timothy Holmes tamin’izay, ary izy no mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba hahalala izay tokony hatao sy hahay hanapa-kevitra.” Hitan’izy ireo avy eo hoe tsara kokoa raha miandry kely. Naleon’izy ireo àry nampahery ny rahalahy sy anabavy, sy nitady hevitra hafa mba hitoriana.

“Hitanay mihitsy tamin’ireny hoe mahay manova zavatra i Jehovah”

31, 32. Inona ny didim-pitsarana niavaka navoakan’ny Fitsarana Tampon’i Zaïre, ary inona no vokany?

31 Nandeha teny ny fotoana. Lasa tsy dia nenjehina intsony ny Vavolombelona, ary lasa nanaja kokoa ny zon’olombelona ny manam-pahefana. Hitan’ny Komitin’ny Sampana àry hoe mety amin’izay raha mangataka amin’ny Fitsarana Tampon’i Zaïre izy ireo mba hanafoana an’ilay fandrarana. Nahagaga fa nanaiky handinika an’ilay fangatahana ilay fitsarana. Nivoaka àry ny didim-pitsarana ny 8 Janoary 1993, izany hoe efa ho fito taona taorian’ilay didy navoakan’ilay prezidà. Voalaza tamin’ilay izy hoe tsy rariny ny nataon’ny fitondrana, ka foana ilay fandrarana. Eritrereto ange izany e! Sahin’ny mpitsara ny nanafoana an’ilay didy, na dia mety hamoy ny ainy aza izy ireo noho izany. Hoy ny Rahalahy Holmes: “Hitanay mihitsy tamin’ireny hoe mahay manova zavatra i Jehovah.” (Dan. 2:21) Tsapan-dry zareo fa i Jesosy  mihitsy no nanoro hoe inona no tokony hatao, ary rahoviana no hatao ilay izy. Tena nampahery azy ireo izany!

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, satria efa afaka manompo tsara an’i Jehovah

32 Lasa afaka nampiditra misionera tany Zaïre àry ny biraon’ny sampana, afaka nanorina Betela vaovao, ary afaka nanafatra boky sy gazety. * Tena faly isika mpanompon’i Jehovah eran-tany, satria hitantsika hoe tena mamonjy antsika izy.—Isaia 52:10.

“Jehovah no mpanampy ahy”

33. Nahoana no mampahery antsika ny nandinika an’ireo raharaha ara-pitsarana tato?

33 Nilaza i Jesosy hoe: “Izaho hanome anareo vava sy fahendrena izay tsy hain’ny fahavalo rehetra resena na toherina.” (Vakio ny Lioka 21:12-15.) Tanteraka tokoa izany. Nandresy imbetsaka mantsy isika teny amin’ny fitsarana. Nisy mpitsara sahy nanome rariny antsika, ohatra, indraindray, tsy nisy hafa tamin’i Gamaliela tamin’ny taonjato voalohany. Nataon’i Jehovah tsy nahomby ny mpanohitra antsika. (Vakio ny Isaia 54:17.) Tsy misy mahasakana antsika tsy hitory mihitsy àry, satria izy no naniraka antsika hanao izany.

34. Nahoana no mahagaga hoe nandresy foana isika teny amin’ny fitsarana, ary manaporofo inona izany? (Jereo koa ilay hoe “ Didim-pitsarana Nahasoa ny Mpitory Ilay Fanjakana.”)

34 Mahagaga hoe nandresy foana isika, nefa isika tsy olona ambony sady tsy dia misongadina be. Tsy mifidy koa isika rehefa misy fifidianana, sady tsy manao politika na mila ranondranony amin’ny mpanao politika. Lazain’ny olona fa ‘tsy nahita fianarana sady olon-tsotra’ koa matetika ny rahalahintsika miakatra fitsarana. (Asa. 4:13) Tsy hisy tombony ho azon’ny fitsarana mihitsy àry raha miaro antsika ry zareo, rehefa manohitra antsika ny fivavahana hafa sy ny fitondrana. Efa imbetsaka anefa ny fitsarana no nanome rariny antsika. Porofo izany fa ‘eo ambany mason’Andriamanitra isika ary tafaray amin’i Kristy.’ (2 Kor. 2:17) Miaiky toa an’ny apostoly Paoly àry isika hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”—Heb. 13:6.

^ feh. 9 Nantsoina hoe Cantwell miady amin’ny Fanjakan’i Connecticut io raharaha io, ary tamin’io ny Rahalahy Hayden Covington no niaro voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina. Mbola nisy raharaha 42 hafa nokarakarainy koa tany, taorian’izay. Maty tamin’ny 1978 izy. Efa 90 taona kosa i Dorothy vadiny, ary mbola mpisava lalana.

^ feh. 12 Lalàna nivoaka tamin’ny 1606 no nampiharina tamin’izany. Voalaza tao amin’io lalàna io fa azon’ny mpitsara atao ny manameloka olona iray raha hita hoe mampiady olona ny zavatra noteneniny, na dia marina aza.

^ feh. 14 Nisy mpanompo manontolo andro 164 tany Québec tamin’ny 1950, ka rahalahy sy anabavy avy nanao Sekolin’i Gileada ny 63 tamin’ireo. Nanaiky ho any izy ireo, na dia efa fantany aza hoe nampijalina ny Vavolombelona tany.

^ feh. 15 Mpisolovava be herim-po ny Rahalahy Glen How, ary tena nahay niaro ny Vavolombelon’i Jehovah. An-jatony ny raharaha ara-pitsarana efa nokarakarainy tany Kanada sy tany an-toeran-kafa, tamin’ny 1943 ka hatramin’ny 2003.

^ feh. 16 Misy fanazavana bebe kokoa ao amin’ny boky Mpitory, pejy 688-690.

^ feh. 32 Naleon’ny sampana nanorina Betela vaovao tany an-toeran-kafa, na dia niala tao amin’ilay Betela taloha aza ny mpitandro filaminana nony farany.