Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vovoka

Vovoka

VOVOKA

Piti-javatra faran’izay madinika sy maivana ka mora asavoanan’ny rivotra. Misy rivo-mahery mitsoka avy any an-tany efitra, any amin’ireo tany voaresaka ao amin’ny Baiboly. Matetika izy ireny no mahatonga tafiotram-bovoka, izay atahorana kokoa noho ny tafio-drivotra eny an-dranomasina. Misy karazany ny vovoka: Misy ny avy amin’ny fipoahan’ny volkano na ny afo na ny asa fambolena. Eo koa ny avy amin’ny zavamaniry, ohatra hoe ny vovobony, bobongolo, tsiratsiraka, ary potipotika voan-javamaniry. Misy indray ny avy amin’ny biby, na dia tsy mivantana aza. Lasa vovoka, ohatra, ny taim-biby maina, ny volom-biby madinika kely, ary ny bakteria. ʽAfar no teny hebreo adika matetika hoe vovoka, ary azo ilazana “tany” sy “lalotra tanimanga” koa izy io.—Ge 26:15; Le 14:41, 42.

Marina fa mety hanorisory ny vovoka. Avy amin’ny Mpamorona anefa izy io ary iankinan’ny ain’ny olona sy mampety tsara ny fiainany. Tena ilaina, ohatra, ny vovoka fa raha tsy izany tsy mivadika ho rano ny hamandoana, ka tsy hisy ny orana na ny zavona, izay tena mampitombo ny zavamaniry. Ny vovoka eny amin’ny habakabaka no manaparitaka ny taratra mahajambena avy amin’ny masoandro, ka tsy mivantana any amin’ny mason’ny olona sy ny biby etỳ an-tany izany taratra izany. Ireny vovoka ireny koa no mahatonga loko kanto rehefa harivariva mody masoandro iny.

Ny “vovoky ny tany” no nampiasain’ny Mpamorona hanaovana ny olombelona voalohany. (Ge 2:7; 1Ko 15:47, 48) Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama, ka nandidy toy izao i Jehovah: “Hiverina ho vovoka indray ianao.” (Ge 3:19) Nanozona an’ilay menarana tao Edena koa izy hoe: “Ny kibonao no handehananao, ary vovoka no hohaninao mandritra ny androm-piainanao.” Faminaniana lehibe izany!—Ge 3:14.

Marefo, mety maty, ary ambany. Ampiasaina an’ohatra ny vovoka indraindray, mba hilazana hoe marefo ny olombelona rehefa lasa tsy lavorary intsony. Izay matahotra an’Andriamanitra àry dia amindrany fo satria “tsaroany fa vovoka ihany” izy ireo. (Sl 103:13, 14; Ge 18:27) Ampiasaina hilazana ny olona mety maty koa ny vovoka, satria “miverina ho vovoka izy” rehefa maty. (Sl 104:29; Mpto 3:19, 20; 12:1, 7) Izany koa no antony iantsoana ny fasana hoe “vovoka”, indraindray. (Sl 22:29; 30:9) Mety hidika hoe fahambaniana ny hoe vovoky ny tany. Voalaza mantsy fa “manangana ny olona ambany hiala amin’ny vovoka” i Jehovah.—1Sa 2:8; Sl 113:7.

Olona na zavatra be dia be. Ampitahain’ny Soratra Masina amin’ny vovoka ny isan’ny olona na zavatra, rehefa tiana haseho hoe be dia be na tsy voaisa izany. Nampanantena an’i Abrama (Abrahama) àry Andriamanitra hoe: “Hataoko tahaka ny vovoka amin’ny tany ny taranakao.” (Ge 13:14, 16) Nampanantena toy izany an’i Jakoba koa i Jehovah. (Ge 28:10, 13, 14) Hoy i Balama momba an’ireo Israelita tany an-tany efitra: “Iza no mahisa ny vahoakan’i Jakoba, izay maro be toy ny vovoka, ary iza no mahisa ny ampahefatry ny Israely?” (No 23:10) Nataon’i Jehovah lasa maro be tokoa ny taranak’i Abrahama tamin’ny alalan’i Isaka sy Jakoba. Nomen’i Jehovah papelika be dia be ny vahoakany, tany an-tany efitra. Voalaza mantsy hoe: “Nandrotsahany sakafo be dia be toy ny vovoka izy ireo, dia voro-manidina maro be toy ny fasika any an-dranomasina.”—Sl 78:27; Ek 16:11-18; No 11:31, 32.

Nampiasaina rehefa nanasazy. “Toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana” no fiheveran’Andriamanitra an’ireo firenena, satria tsinontsinona raha oharina aminy. (Is 40:15) Tena mahery sy mahatalanjona i Jehovah, ary hita izany rehefa namely iray monja tamin’ireny firenena ireny (Ejipta) tamin’ny loza maro izy. Rehefa hanomboka ny loza fahatelo, dia nasain’Andriamanitra nilaza tamin’i Arona i Mosesy mba ‘hanatsotra ilay tanany nitana tehina ary hokapohiny ny vovo-tany. Dia nankamin’ny olona sy ny biby ny moka.’ Namely an’i Ejipta manontolo io loza io. Nanao toy izany koa ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina, fa tsy nahavita ka voatery niaiky hoe: “Rantsantanan’Andriamanitra ity!”—Ek 8:16-19.

Na ny Israelita aza nilazana koa fa raha mandika ny didin’Andriamanitra izy ireo dia hisy ozona maro hanjo azy, anisan’izany ny hain-tany. Voalaza mantsy hoe: “Fasika sy vovoka no ranonorana harotsak’i Jehovah eo amin’ny taninao, ary hilatsaka avy any an-danitra izany mandra-pahalany ringana anao.”—De 28:15, 24.

Nampiasaina rehefa nisaona sy naetry. Nisaona sy nalahelo an’i Jerosalema ny anti-panahiny rehefa noravan’ny Babylonianina izy io, tamin’ny 607 T.K. Nitombina teo amin’ny tany izy ireo sady nangina, ary ‘nasian’izy ireo vovoka ny lohany.’ (Ft 2:10) Taona maro talohan’izay, dia nampiasa an’i Isaia i Jehovah ka niteny tamin’i Babylona mba hidina avy eny amin’ny seza fiandrianany. Hoy izy: “Midìna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry Babylona zanakavavy virjiny. Mipetraha amin’ny tany, eo amin’izay tsy misy seza fiandrianana, ry zanakavavin’ny Kaldeanina.” (Is 47:1) Naetry tokoa i Babylona tamin’ny 539 T.K. rehefa resin’ny Medianina sy Persianina. Ho rava koa i Babylona Lehibe, ary voalaza fa ny kapitenin-tsambo, mpandeha sambo, tantsambo, ary izay rehetra mivelona amin’ny ranomasina dia hanipy vovoka eo amin’ny lohany sy halahelo azy.—Ap 18:17-19.

Heviny hafa. Ampifandraisin’ny Soratra Masina amin’ny fibebahana koa ny vovoka. Hoy, ohatra, i Joba: “Tsoahako ny teniko, ary mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” Tsapany mantsy fa niteniteny foana izy rehefa nanamarina ny tenany teo anatrehan’Andriamanitra.—Jb 42:1, 3, 6.

Nasaina ‘nilelaka ny vovoka’ ny fahavalo. Midika izany fa resy izy ireo ary nanaiky tanteraka ny fahefan’ireo mpandresy. (Sl 72:9; Mi 7:16, 17) Ahoana no nampisehoan’ny olona fahiny fa tena tsy tiany ny olona iray? Nanipy vovoka teny amin’ny rivotra na teny amin’io olona io izy. Rehefa misy vonoan’olona any amin’ny faritra sasany any Azia, dia fanaon’izay mitaky ny rariny ny manipy vovoka eny amin’ilay mpamono olona. “Nanipy vovoka teny amin’ny rivotra” koa ny vahoaka romotra tany Jerosalema, rehefa nandre ny zavatra sasany nolazain’i Paoly, mba hampisehoana fa tezitra taminy izy ireo. Tezitra tsy amin’antony anefa izy ireo. Nampahafantariny an’ilay mpitari-tafika tamin’izany fomba izany sy tamin’izay nolazainy fa tena halany i Paoly. (As 22:22-24) “Nanipy vovoka be dia be” koa i Simey satria tsy nankasitrahany ny fanjakan’i Davida. ‘Nandeha tandrifin’i Davida izy mba hanozona azy, sady nitora-bato azy foana.’—2Sa 16:5-13.

Inona no nasain’i Jesosy Kristy nataon’ny mpianany rehefa nisy olona tsy nandray na tsy nihaino azy ireo? Nasainy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony izy ireo, rehefa niala tao amin’izany trano na tanàna izany “mba ho vavolombelona hiampanga azy.” Midika izany fa hiala moramora fotsiny izy ireo ary havelany kosa Andriamanitra hamaly an’izay tao amin’ilay trano na ilay tanàna.—Mt 10:11-15; Lk 9:5; 10:10-12; As 13:50, 51.