Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Hameno ny Tany ny Fahalalana An’Andriamanitra

Rehefa Hameno ny Tany ny Fahalalana An’Andriamanitra

Toko Faha-19

Rehefa Hameno ny Tany ny Fahalalana An’Andriamanitra

1, 2. Ahoana no nahasimba ny zavatra noforonin’i Jehovah?

ERITRERETO hoe misy mpanakanto malaza iray vao avy nahavita sary hosodoko faran’izay kanto iray. Mihevitra ara-drariny azy io ho tena tsara izy — sanganasa iray! Vetivety eo anefa dia misy rafy iray be fialonana manimba ilay izy. Mora azo fa mampalahelo mafy an’ilay mpanakanto izany. Dodona toy inona moa izy ny hahita an’ilay mpisompatra voahidy any am-ponja! Ary azonao alaina sary an-tsaina fa maniry mafy ny hamerenana amin’ny laoniny ny hakanton’ilay zava-bitany teo aloha ilay mpanakanto.

2 Toa an’io mpanakanto io, i Jehovah dia namorona sanganasa iray tamin’ny fanomanana ny tany sy tamin’ny fametrahana ny olombelona teo amboniny. Rehefa avy namorona ny lehilahy sy ny vehivavy izy, dia nanambara fa “tsara indrindra” ny asany rehetra teto an-tany. (Genesisy 1:31). I Adama sy i Eva dia zanak’Andriamanitra mihitsy, ary tia azy ireo izy. Nahazo sary an-tsaina hoavy sambatra sy be voninahitra ho azy ireo izy. Marina fa nitarika azy ireo hikomy i Satana, nefa tsy hoe simba ka tsy ho azo amboarina intsony ny zavatra noforonina mahatalanjon’Andriamanitra. — Genesisy 3:23, 24; 6:11, 12.

3. Inona no atao hoe “ny tena fiainana”?

3 Nanapa-kevitra ny handamin-javatra Andriamanitra. Iriny mafy ny hahita antsika hiaina araka ny fomba nikasany azy tany am-boalohany. Ny fiainantsika fohy sy feno zava-manahirana dia tsy “ny tena fiainana”, satria ratsy lavitra noho izay ao an-tsain’i Jehovah izy io. “Ny tena fiainana” izay tian’Andriamanitra ho antsika dia “fiainana mandrakizay” ao anatin’ny toe-piainana tonga lafatra. — 1 Timoty 6:12, 19.

4, 5. a) Ahoana no hahatanterahan’ny fanantenana Paradisa? b) Nahoana isika no tokony hieritreritra momba ny fanantenantsika ny amin’ny hoavy?

4 Mitondra andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny fahalalana an’Andriamanitra. (Jakoba 4:17). Eritrereto anefa ireo fitahiana ho azonao raha mampihatra izany fahalalana izany ianao ka miezaka hahatratra ny fiainana mandrakizay. Ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, i Jehovah Andriamanitra dia nandoko sary kanto iray ny amin’ny ho fiainana eto an-tany zary Paradisa efa antomotra aoka izany. Mazava ho azy fa amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika, dia tsy manompo an’Andriamanitra noho ny faniriana valisoa fotsiny akory isika. Manompo an’Andriamanitra isika satria tia azy. (Marka 12:29, 30). Ambonin’izany, dia tsy mahazo ny fiainana ho tambin’ny fanompoantsika an’i Jehovah isika. Ny fiainana mandrakizay dia fanomezan’Andriamanitra. (Romana 6:23). Hitondra soa ho antsika ny fisaintsainana momba izany fiainana izany, satria ny fanantenana Paradisa dia mampahatsiahy antsika ny amin’ny hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana i Jehovah — ilay ‘mpamaly soa feno fitiavana izay mazoto mitady azy’. (Hebreo 11:⁠6). Ny fanantenana izay mazava tsara ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika dia hanampy antsika hiaritra zava-tsarotra eo amin’ny tontolon’i Satana. — Jeremia 23:⁠20.

5 Andeha isika izao hampifantoka ny saintsika amin’ilay fanantenana miorina amin’ny Baiboly ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ho avy. Hanao ahoana ny fiainana rehefa hameno ny tany ny fahalalana an’Andriamanitra?

AORIAN’NY HARAMAGEDONA — TANY ZARY PARADISA

6. Inona no atao hoe Haramagedona, ary hidika ho inona ho an’ny olombelona izy io?

6 Araka ny naseho teo aloha, tsy ho ela i Jehovah Andriamanitra dia handringana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Mihamanatona haingana an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe Hara-magedona, na Haramagedona, itỳ tontolo itỳ. Io teny io dia mety hahatonga ny olona sasany hieritreritra fandripahana niokleary, ateraky ny firenena miady, nefa tsy izany velively ny Haramagedona. Araka ny asehon’ny Apokalypsy 16:14-16, ny Haramagedona dia “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Izy io dia ady mahakasika “ny mpanjaka amin’izao tontolo izao”, na ireo firenena. Tsy ho ela ilay Zanak’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjaka voatendry, dia hitaingin-tsoavaly ka hiroso amin’ny ady. Azo antoka tanteraka ny ho fiafarana. Hofoanana izay rehetra manohitra ny Fanjakan’Andriamanitra sy anisan’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. Ireo izay tsy mivadika amin’i Jehovah ihany no ho tafita velona. — Apokalypsy 7:9, 14; 19:11-21.

7. Aiza no hisy an’i Satana sy ireo demoniany mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ary amin’ny ahoana izany no hitondra soa ho an’ny olombelona?

7 Alao sary an-tsaina hoe tafita velona amin’io loza amin’antambo io ianao. Hanao ahoana ny fiainana eto an-tany ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra? (2 Petera 3:13). Tsy mila manombantombana isika, satria efa milaza amintsika momba izany ny Baiboly, ary mampientana izay lazainy. Ianarantsika fa i Satana sy ireo demoniany dia hatao tsy ho afa-miasa, hogadraina ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa izay tsy hahafahany hihetsika mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy. Tsy hamitsaka avy ao ambadika intsony ireo zavaboary ratsy sy feno haratsiam-panahy ireo, ka hoe hikotrika zava-manahirana sy hiezaka hampirisika antsika hanao zavatra tsy hampiseho fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra. Fahamaivamaivanana re izany! — Apokalypsy 20:1-3.

8, 9. Ao amin’ny tontolo vaovao, inona no hanjo ny fahoriana sy ny aretina ary ny fandrosoana ho amin’ny fahanterana?

8 Amin’ny farany, dia hanjavona avokoa ny karazan’aretina rehetra. (Isaia 33:24). Ny mandringa amin’izay dia hitsangana, handeha, hihazakazaka ary handihy amin’ny tongony salama sy matanjaka. Rehefa avy niaina nandritra ny taona maro tao anatin’ilay fahanginana nisy azy ny marenina, dia handre ireo feo falifaly hanodidina azy. Ny jamba dia ho zendana hahita tontolo henika loko sy bikan-javatra fatratra aoka izany haka endrika eo anoloan’ny masony. (Isaia 35:5, 6). Ela ny ela ka hahita ny endrik’ireo olon-tiany izy ireo! Angamba ny fahitany amin’izay dia hanjavona vetivety monja noho ny ranomasom-pifaliana.

9 Eritrereto kely fotsiny! Tsy hisy solomaso intsony, tsy hisy hazo fitehenana sy tehina intsony, tsy hisy fanafody intsony, tsy hisy toeram-pitsaboana nify sy hopitaly intsony! Tsy hanaisotra ny fahasambarana amin’ny olona intsony mihitsy ny aretina ara-pihetseham-po sy ny fahaketrahana. Tsy hisy fahazazana hampahorin’ny aretina intsony. Hofafana tsy hisy intsony ireo fahasimbana ateraky ny fandrosoana ho amin’ny fahanterana. (Joba 33:25). Hanjary salama kokoa sy matanjaka kokoa isika. Isa-maraina isika dia hifoha avy amin’ny torimaso tamin’ny alina namelombelona, hanana tanjaka nohavaozina, ho feno hery ary tsy hahandry ny andro vaovao iray hisian’ny fiainana velombelona sy ny asa mahafa-po.

10. Asa inona no hanendrena an’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona mba hataony?

10 Hisy asa mahafaly be dia be hataon’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona. Hanova ny tany ho paradisa izy ireo. Hesorina avokoa izay soritra rehetra tavela amin’ny fandehan-javatra tranainy niharan’ny fandotoana. Saha sy zaridaina no hisolo toerana ny faritanàna mahantra sy tany simba. Samy hanana trano mampiadana sy mahafinaritra ny rehetra. (Isaia 65:21). Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hitombo ireo faritra ho toy ny paradisa eto an-tany ireo, ary hikambana mandra-pahatratran’ny tany manontolo ny fari-pitsipiky ny hakanto nofaritan’ny Mpamorona tany amin’ny sahan’i Edena. Hahafa-po toy inona moa ny handray anjara amin’izany asa famerenana amin’ny laoniny izany!

11. Hanao ahoana ny fifandraisan’ny olombelona amin’ny tontolo iainana eto an-tany sy ny biby amin’ny hoavy?

11 Izany rehetra izany dia hatao eo ambany tari-dalan’Andriamanitra mba tsy hahasimba ny tontolo iainana. Hihavana ny olombelona sy ny biby. Tsy hamono azy ireo amin’ny fomba tsy mifaditra ovana ny olombelona, fa hanohy indray ny fitantanana ny tany amim-pahaiza-mandray andraikitra kosa, ka hikarakara tsara azy ireo. Alao sary an-tsaina ny amboadia sy ny zanak’ondry, ny liona sy ny zanak’omby miara-mihinana — ary ireo biby fiompy dia mahatsiaro ho voaro tanteraka. Na dia ny ankizy kely aza tsy hanan-javatra hatahorana avy amin’ireo biby dia, no sady tsy ho voakorontan’ny olona lozabe sy tsy mifaditra ovana ny filaminan’ilay tontolo vaovao. (Isaia 11:6-8). Ho tontolo vaovao handry feizay toy inona moa izany!

HO VOAOVA NY OLOMBELONA

12. Amin’ny ahoana ny Isaia 11:⁠9 no mahita fahatanterahana amin’izao andro izao, ary ahoana no hahatanterahan’izy io ao amin’ny Paradisa?

12 Milaza amintsika ny antony tsy hisian’ny fanimbana eto amin’ny tany manontolo ny Isaia 11:⁠9. Hoy izy ao: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Mahakasika ny olombelona izany, satria ny biby tsy afaka mandray “ny fahalalana an’i Jehovah” ka hanao fiovana, satria tapahin’ny fahaizan-javatra voajanahary izy ireo. Ny fahalalana ny Mpamorona antsika anefa dia tena manova ny olona. Tsy isalasalana fa efa nanao fiovana sasany ny tenanao, ho vokatry ny fampiharanao ny fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Olona an-tapitrisany maro no nanao izany. Noho izany, dia efa nanomboka ny fahatanterahan’io faminaniana io eo amin’ireo izay manompo an’i Jehovah. Kanefa, izy io koa dia manondro ny fotoana rehefa hanala eo aminy izay lafin-toetra rehetra toy ny an’ny biby na feno herisetra ny olona, ka ho tonga olona tia fihavanana mandrakizay.

13. Fandaharam-pampianarana inona no hatao eto an-tany?

13 Hahatalanjona toy inona moa amin’izay rehefa hameno ny tany ny fahalalana an’Andriamanitra! Hisy fandaharam-pampianarana lehibe eo ambany fitarihan-dalan’i Jesosy Kristy Mpanjaka sy ireo mpiara-manapaka aminy 144 000. Hisy “horonana” vaovao hampiasaina amin’izay. Miharihary fa ireo dia toromarik’Andriamanitra vita an-tsoratra, izay ho fototry ny fampianarana an’ireo mponin’ny tany. (Apokalypsy 20:12, NW ). Ny olombelona dia hianatra, tsy ny ady, fa ny fiadanana. Ireo fitaovam-piadiana mandrava rehetra dia tsy hisy intsony mandrakizay. (Salamo 46:⁠9). Ireo mponin’ilay tontolo vaovao dia hampianarina hitondra ireo olombelona hafa amim-pitiavana sy fanajana ary fahamendrehana.

14. Amin’ny ahoana ny tany no ho hafa rehefa ho fianakaviana tafaray iray ihany ny olombelona?

14 Ho tonga fianakaviana tafaray iray ihany ny olombelona. Tsy hisy fefy ho an’ny firaisan-tsaina sy ny firahalahiana. (Salamo 133:1-3). Tsy hisy tranon’iza na iza ho voatery hidiana amin’ny lakile mba tsy hidiran’ny mpangalatra. Hanjaka ao am-pon’ny rehetra sy ao amin’ny trano rehetra ary amin’ny faritra rehetra amin’ny tany ny fiadanana. — Mika 4:⁠4.

NY FITSANGANANA AMIN’NY MATY HAHAFALY

15. Antokon’olona roa iza avy no hatsangana amin’ny maty eto an-tany?

15 Mandritra izany Fanjakana Arivo Taona izany, dia hitranga ny fitsanganana amin’ny maty. Ireo izay nanota an-tsitrapo tamin’ny fanahy masina, na hery miasan’Andriamanitra, ka nanao zavatra nifanohitra tamin’ny fiasan’izy io na ny fitarihan’izy io ka tsy nibebaka, dia tsy hatsangana amin’ny maty. (Matio 23:15, 33; Hebreo 6:4-6). Mazava ho azy, fa Andriamanitra no hanapa-kevitra hoe iza no nanota toy izany. Nefa misy antokon’olona roa miavaka hatsangana amin’ny maty — “ny marina sy ny tsy marina”. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Koa satria hisy filaharana araka ny tokony ho izy, dia araka ny azon’ny saina ekena ny hanatsoahana hevitra fa ny voalohany harahabaina tonga soa indray eo amin’ny fiainana eto an-tany dia ny marina, ireo izay nanompo an’i Jehovah tamin’ny tsy fivadihana. — Hebreo 11:35-39.

16. a) Iza no ho anisan’ny “marina” hitsangana amin’ny maty eto an-tany? b) Olo-nahatoky tamin’ny andro fahiny iza avy no tianao ho hita indrindra, ary nahoana?

16 Tsy hahare vaovao momba ny ady sy ny loza ary ny fahafatesana ireo mpanompon’i Jehovah, fa handray tatitra mahatalanjona momba ny fitsanganana amin’ny maty kosa. Hampientana ny hahafantatra momba ny fiverenan’ny lehilahy sy vehivavy nahatoky toa an’i Abela, i Enoka, i Noa, i Abrahama, i Saraha, i Joba, i Mosesy, i Rahaba, i Rota, i Davida, i Elia ary i Estera. Zava-misy ara-tantara mandrisika toy inona moa no hatolotr’izy ireo, rehefa hanome ny tsipirian’ireo zava-nanodidina ny fitantarana ara-baiboly maro izy ireo! Tsy isalasalana fa izy ireo mbamin’ireo marina maty amin’ny fotoana vao haingana kokoa dia ho dodona tsy misy hafa amin’izany koa hahafantatra momba ny niafaran’ny fandehan-javatr’i Satana sy ny fomba nanamasinan’i Jehovah ny anarany masina sy nanamarinany ny fiandrianany.

17. Fanampiana inona no homen’ireo olo-mahatoky ho an’ny hafa izay hitsangana amin’ny maty?

17 Fanampiana toy inona moa no hoentin’ireo olo-mahatoky ireo mandritra ny ambaratonga manaraka amin’ny fitsanganana amin’ny maty, rehefa hafahana amin’ny fatoran’ny fahafatesana “ny tsy marina” an’arivo tapitrisany maro! Tsy nanana fahafahana hahafantatra an’i Jehovah mihitsy ny ankamaroan’ny olombelona. ‘Nanajamba ny sain’izy ireo’ i Satana. (2 Korintiana 4:⁠4). Ho voakosoka anefa ny asan’ny Devoly. Hiverina ho eo amin’ny tany kanto sy mandry feizay ny tsy marina. Hiarahaba tonga soa azy ireo ny vahoaka iray izay ho voalamina tsara mba hampianatra azy ireo momba an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, Zanany manjaka. Rehefa hanjary hahalala sy ho tia ny Mpamorona azy, ireo olona an’arivo tapitrisany maro hitsangana amin’ny maty, dia hameno ny tany amin’ny fomba mbola tsy nisy toa azy ny fahalalana an’i Jehovah.

18. Inona, araka ny hevitrao, no ho tsapanao rehefa hiarahaba tonga soa an’ireo olo-malalanao hitsangana amin’ny maty ianao?

18 Hafaliana toy inona moa no hoentin’ny fitsanganana amin’ny maty ao am-pontsika! Iza moa no tsy nijaly noho ny fahafatesana, ilay fahavalontsika? Eny tokoa, iza moa no tsy nahatsiaro ho torotoro fo aoka izany fony rava ny fatoram-pitiavana na fisakaizana iray rehefa naka ny ain’ny olon-tiana iray ny aretina, ny fahanterana, ny voina na ny herisetra? Alao sary an-tsaina àry ny ho fifaliana amin’ny fifankahitana indray ao amin’ny Paradisa. Reny sy ray, zanakalahy sy zanakavavy, sakaiza sy havana, dia samy hifampiantsampy, hihomehy sy hitomany noho ny hafaliana.

FAHATANTERAHANA REHEFA ELA NY ELA!

19. Fahagagana inona no hitranga mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?

19 Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona manontolo, dia hisy fahagagana mahatalanjona hitranga. Ho an’ny olombelona, dia izany angamba no ho lafiny hampientana indrindra amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hitarika ny Zanany i Jehovah mba hampihatra ireo soa avy amin’ny sorom-panavotana amin’ny lehilahy sy ny vehivavy mahatoky sy mankato tsirairay. Amin’izany fomba izany, dia ho voaesotra ny fahotana rehetra ary hasandratra ho amin’ny fahatanterahana ny olombelona. — 1 Jaona 2:⁠2; Apokalypsy 21:1-4.

20. a) Inona no ho dikan’ny hoe tanteraka? b) Rahoviana ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona sy ireo hitsangana amin’ny maty no hanomboka hiaina amin’ny heviny feno indrindra?

20 Fahatanterahana! Inona no ho dikan’izany? Izany dia hidika ho fiverenana ho amin’ilay fiainana nananan’i Adama sy i Eva talohan’ny nanotan’izy ireo tamin’i Jehovah Andriamanitra. Eo amin’ny ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ara-pitondran-tena, ara-panahy — amin’ny fomba rehetra azo alaina sary an-tsaina — ny olombelona tanteraka dia hahatratra amin’ny fomba feno ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Hitovy tsy misy hafa ve anefa ny olona rehetra? Tsy izany velively! Ireo zavatra noforonin’i Jehovah rehetra — ny hazo, ny voninkazo, ny biby — dia samy mampianatra antsika fa tia aoka izany ny karazan-javatra maro samihafa izy. Hanana toetra sy talenta samy hafa ny olombelona tanteraka. Hankafy ny fiainana araka ny nikasan’Andriamanitra azy ny tsirairay. Hoy ny Apokalypsy 20:5: “Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona.” Toa an’ilay vahoaka betsaka ho tafita velona amin’ny Haramagedona, ireo hitsangana amin’ny maty dia hanjary ho velona amin’ny heviny feno rehefa hahatratra ny fahatanterahana tsy hisy fahotana izy ireo.

21. a) Inona no hitranga amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy? b) Inona no hanjo an’i Satana sy an’izay rehetra hiandany aminy, amin’ny farany?

21 Hiatrika fitsapana farany iray ny olombelona tanteraka. Amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, dia hafahana mandritra ny fotoana fohy avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana sy ireo demoniany ary homena lalana hanao ezaka farany mba hampialana ny olona amin’i Jehovah. Hisy hametraka ny fanirian-dratsiny alohan’ny fitiavana an’Andriamanitra, nefa hohafohezina io fikomiana io. Handringana an’ireny olona tia tena ireny miaraka amin’i Satana sy ireo demoniany rehetra, i Jehovah. Tsy hisy mandrakizay intsony amin’izay ny mpanao ratsy rehetra. — Apokalypsy 20:7-10.

INONA NO HATAONAO?

22. Inona no antenainao hatao ao amin’ny Paradisa?

22 Hivelatra eo anoloan’ireo izay tia an’i Jehovah Andriamanitra ka honina eto amin’ny tany zary Paradisa, ny mandrakizay. Zara raha afaka maka sary an-tsaina ny hafalian’izy ireo isika, ary ianao koa dia afaka mahazo izany. Ny mozika, ny zava-kanto, ny asa tanana — ny zava-bitan’ny olombelona lavorary dia hihoatra lavitra ny asa tsara indrindran’ireo olo-mahay malaza indrindra tamin’ilay tontolo tranainy! Rehefa dinihina tokoa, dia ho tanteraka ny olombelona ary hanana fotoana tsy hisy fetrany eo anoloany. Alao sary an-tsaina izay ho azonao atao amin’ny maha-olombelona tanteraka anao. Eritrereto koa izay hianaranao sy ireo olombelona hafa momba ny zavatra noforonin’i Jehovah — manomboka amin’ireo vahindanitra an’arivo tapitrisany maro manerana izao rehetra izao ka hatramin’ireo sombiny bitika indrindra ao anatin’ny ataoma. Ny zavatra rehetra ho vitan’ny olombelona dia hitondra faharavoana fanampiny ho an’ny fon’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. — Salamo 150:1-6.

23. Nahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa no tsy hanjary hanorisory na oviana na oviana?

23 Tsy hanorisory ny fiainana amin’izay. Hihamahaliana hatrany izy io arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Tsy misy farany tokoa mantsy amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. (Romana 11:33). Mandritra ny mandrakizay manontolo, dia hisy foana zavatra hafa hianarana sy faritra vaovao hozahana. (Mpitoriteny 3:11). Ary eo am-panohizanao mianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra, dia tsy hitsahatra ny hiaina ianao — tsy taona vitsivitsy monja, fa mandrakizay! — Salamo 22:⁠26.

24, 25. Nahoana ianao izao no tokony hiaina mifanaraka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra?

24 Tsy mendrika izay ezaka na sorona rehetra ataonao ve ny hoavy haharavoravo eto an-tany zary paradisa? Mazava ho azy fa eny! Nanolotra anao ny fanalahidin’izany hoavy faran’izay kanto izany i Jehovah. Izany fanalahidy izany dia ny fahalalana an’Andriamanitra. Hampiasa azy io ve ianao?

25 Raha tia an’i Jehovah ianao, dia ho ravoravo hanao ny sitrapony. (1 Jaona 5:⁠3). Eo am-panarahanao izany lalana izany, dia fitahiana toy inona moa no ho hitanao! Raha mampihatra ny fahalalana an’Andriamanitra ianao, dia afaka mitondra fiainana sambatra kokoa ho anao izy io, na dia eto amin’itỳ tontolo feno zava-manahirana itỳ aza. Ary ireo valisoa ho avy dia goavana, satria izy io no fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay! Izao no fotoana mety hanaovanao zavatra. Aoka ianao ho tapa-kevitra hiaina mifanaraka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Asehoy ny fitiavanao an’i Jehovah. Manomeza voninahitra ny anarany masina ary porofoy fa mpandainga i Satana. I Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fahendrena sy ny fahalalana marina, indray kosa dia hifaly noho ny aminao, ao am-pony izay lehibe sy feno fitiavana. (Jeremia 31:⁠3; Zefania 3:17, NW ). Ary ho tia anao mandrakizay izy!

TSAPAO NY FAHALALANAO

Inona no atao hoe “ny tena fiainana”?

Aorian’ny Haramagedona, inona moa no hitranga eto an-tany?

Iza no hatsangana amin’ny maty eto an-tany?

Ahoana no hahatongavan’ny olombelona amin’ny fahatanterahana sy hotsapaina amin’ny farany?

Inona no fanantenanao momba ny Paradisa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 188, 189]

Moa ve ianao manantena ny hiaina ao amin’ny Paradisa, rehefa hameno ny tany ny fahalalana an’Andriamanitra?