Joba 33:1-33
33 “Henoy anefa izao ny teniko, ry Joba, azafady indrindra;Henoy daholo izay lazaiko.
2 Mihainoa, azafady, fa hisoka-bava hiteny aho;Tsy maintsy hiteny ny lelako.*
3 Amin’ny fo madio no itenenako,+Ary izay fantatro no lazaiko amim-pahatsorana.
4 Ny fanahin’Andriamanitra no nanao ahy,+Ary ny fofonain’ilay Mahery Indrindra no nanome aina ahy.+
5 Valio aho raha azonao atao;Resaho amiko ny hevitrao, ka miomàna hiaro ny tenanao.
6 Fa hoatr’anao ihany aho eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra;Tanimanga koa no namolavolana ahy.+
7 Koa tsy tokony hatahotra be ahy ianao,Ary tsy tokony hanavesatra anao izay holazaiko.
8 Reko anefa izay nolazainao.Henoko foana ianao niteny hoe:
9 ‘Madio aho, tsy nandika lalàna;+Madio aho, tsy nanao fahadisoana.+
10 Mahita antony hanoherana ahy foana anefa Andriamanitra;Ataony toy ny fahavalony aho.+
11 Gejainy amin’ny gadra hazo* ny tongotro;Arahiny maso ny diako rehetra.’+
12 Tsy marina anefa izany teninao izany, ka hovaliako ianao:
Lehibe lavitra noho ny olombelona mety maty Andriamanitra.+
13 Nahoana ianao no mitaraina momba Azy?+
Satria ve hoe tsy nisy novaliany ny teninao?+
14 Fa tsy indray tsy indroa Andriamanitra no miteny,Nefa tsy misy miraharaha.
15 Miteny ao amin’ny nofy izy, na ao amin’ny fahitana amin’ny alina,+Rehefa renoky ny torimaso ny olona,Ka matory eo am-pandrianany.
16 Dia sokafany ny sofin’izy ireo,+Ary antitranteriny* amin’izy ireo ny toromarika omeny,
17 Mba hahatonga ny olona hiala amin’ny fanao ratsy,+Sy hiarovana azy tsy hirehareha.+
18 Miaro ny olona* tsy ho any an-davaka* Andriamanitra,+Miaro ny ainy tsy ho fatin’ny sabatra.*
19 Mananatra ny olona koa ny fanaintainany eo am-pandriananySy ny fijaliany tsy an-kiato noho ny taolany manakotsako,
20 Ka mankaloiloy azy* ny mofo,Ary tsy tiany na dia ny sakafo matsiro aza.+
21 Mihalany ny nofony ka tsy misy hojerena,Ary lasa mitrakitraky* izao ny taolany nefa tsy hita izany taloha.
22 Mihamanatona ny lavaka* izy;*Mihamanakaiky an’ireo mifofo ny ainy izy.*
23 Fa raha misy iraka* alefa any aminy,Mpiaro iray ao anatin’ny arivo,Mba hampahafantatra ny olona an’izay mahitsy,
24 Dia hiantra azy Andriamanitra, ka hilaza hoe:‘Aza avela ho lasa any an-davaka*+ izy!
Efa nahita vidim-panavotana aho!+
25 Aoka ho tsara* noho ny an’ny tanora ny nofony,+Ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.’+
26 Hitalaho amin’Andriamanitra+ izy, ka hahazo sitraka aminy,Dia hihorakoraka sy ho faly izy rehefa mahita ny tarehiny,Ary heken’Andriamanitra ho marina indray ny olombelona mety maty.
27 Hilaza* amin’ny olona izany lehilahy izany hoe:‘Efa nanota aho+ sady nanao ny tsy rariny,Nefa tsy nahazo an’izay sahaza ahy.*
28 Navotany tsy ho lasa any an-davaka* aho,*+Ka hahita ny mazava ny aiko.’
29 Ataon’Andriamanitra tokoa izany rehetra izany,Ataony indroa na intelo ho an’ny olona,
30 Mba hampiverina azy tsy ho any an-davaka,*Ka ho afaka hanazava azy ny hazavan’ny fiainana.+
31 Henoy ny teniko, ry Joba! Henoy aho.
Aoka ianao hangina, fa mbola hiteny aho.
32 Raha manan-kolazaina anefa ianao, dia valio aho.
Mitenena, fa te hanaporofo aho hoe manana ny marina ianao.
33 Raha tsy manan-kolazaina kosa ianao, dia mihainoa ahy;Aoka ianao hangina, fa hampianatra fahendrena anao aho.”
Fanamarihana
^ Abt: “ny lelako sy ny lanilaniko.”
^ Abt: “asiany tombo-kase.”
^ Na: “fitaovam-piadiana (lefom-pohy).”
^ Na: “am-pasana.”
^ Na: “ainy.”
^ Abt: “ny ainy.”
^ Na: “miharihary.”
^ Na: “fasana.”
^ Na: “ny ainy.”
^ Na: “ny ainy.”
^ Na: “anjely.”
^ Na: “am-pasana.”
^ Na: “salama kokoa.”
^ Abt: “Hihira.”
^ Na mety hoe “tsy nisy soa azoko tamin’izany.”
^ Na: “am-pasana.”
^ Na: “ny aiko.”
^ Na: “am-pasana.”