Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy ve ny Milalao Ody?

Ratsy ve ny Milalao Ody?

Ratsy ve ny Milalao Ody?

Mbola kely i Barbara, * dia efa nahita sy naheno zavatra hafahafa foana. Tena nino izy hoe nifandray taminy ny havany efa maty. Namaky boky momba ny asan’ny maizina izy sy ny vadiny tatỳ aoriana, ary lasa nahay namaky karatra ry zareo. Hitany tamin’ireo karatra, indray mandeha, hoe hahazo vola be ry zareo, dia nahazo tokoa izy mivady rehefa nanao raharaham-barotra. Hitany tao indray tatỳ aoriana fa hisy olon-dratsy ho tonga ao an-tranony. Niseho tao amin’ireo karatra koa izay tokony hataony mba hiarovan-tena.

HOATRAN’NY hoe tsy tena fanao amin’izao intsony ny asan’ny maizina, nefa mbola be dia be raha ny marina ny olona liana amin’izany. Olona maro, ohatra, eran-tany no manao ody fiaro na mankany amin’ny mpimasy mba hamantarany ny hoaviny. Izao no voalazan’ny lahatsoratra hoe “Ny Ordinatera sy i Losifera”, ao amin’ny gazetiboky alemà iray: “Vao mainka liana amin’ny filalaovana ody ny olona noho ny Internet.”

Fantatrao ve fa miresaka momba ny asan’ny maizina ny Baiboly? Mety hahagaga anao ny zavatra lazainy ao.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Izao no lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita fahiny: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.’ (Deoteronomia 18:10-12) Nahoana no tena mankahala ny asan’ny maizina i Jehovah?

Hita avy tamin’ilay tantara tetsy aloha fa maro no mino hoe afaka mifandray ny velona sy ny maty, ary ny olona maty no miresaka amin’ny mpilalao ody. Ny fivavahana no tena mahatonga ny olona hino an’izany. Ampianarin’izy ireo mantsy fa lasa fanahy ny olona rehefa maty. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘tsy mahalala na inona na inona ny maty.’ (Mpitoriteny 9:5) Toy ny olona matory be izy ireny, ka tsy mahalala mihitsy izay mitranga manodidina azy. * (Matio 9:18, 24; Jaona 11:11-14) Raha tsy afaka miresaka intsony àry ny olona maty, iza izany ireny fanahy miresaka amin’ny olona ireny?

Iza ireo fanahy miresaka amin’ny olona?

Tantaraina ao amin’ny Marka 1:23, 24 fa efa nisy fanahy ratsy niresaka tamin’i Jesosy. Nilaza io fanahy io hoe: ‘Fantatro tsara ange ianao e!’ Azo antoka àry fa mahafantatra tsara anao koa ny fanahy ratsy. Ary ianao, mba fantatrao ve izy ireny?

Namorona anjely maro be Andriamanitra, talohan’ny nanaovany ny olombelona. Zanak’Andriamanitra izy ireny, ary tsy hita maso na hoe fanahy. (Joba 38:4-7) Mbola ambony lavitra noho ny olona izy ireny. (Hebreo 2:6, 7) Mahery sady marani-tsaina be koa ny anjely, ary nataon’Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony. Hoy ny Salamo 103:20: “Derao i Jehovah, ry anjeliny mahery dia mahery, izay manatanteraka ny baikony.”

Milaza ny Baiboly fa tonga dia nifandray tamin’ny olombelona ny anjely sasany, nefa tsy nasain’Andriamanitra nanao izany. Ilay anjely namitaka an’i Eva no nanao an’izany voalohany. Tiany hivadika amin’ilay Andriamanitra Mpamorona mantsy i Adama sy Eva. Lasa mpanendrikendrika sy mpanohitra an’Andriamanitra àry io anjely io ka nantsoina hoe Satana Devoly.—Genesisy 3:1-6.

Nisy anjely hafa koa tatỳ aoriana “nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra, ka niova ho olombelona. Te hiaraka tamin’ny vehivavy tsara tarehy tetỳ an-tany mantsy izy ireo. (Joda 6; Genesisy 6:1, 2) Lasa “feno herisetra” ny tany, satria nampijalijaly olona ireny anjely ireny sy ny zanany. Efa fantatrao angamba fa noringanin’Andriamanitra tamin’ny Safodrano ireny zanak’anjely ireny sy ny olon-dratsy hafa tamin’izany.—Genesisy 6:3, 4, 11-13.

Voatery niova ho fanahy indray ny anjely ratsy rehefa tonga ilay Safodrano. Tsy navelan’Andriamanitra hiverina tany an-danitra anefa izy ireo, ka toy ny hoe nataony tao “an-davaka maizim-be.” (2 Petera 2:4, 5) Antsoin’ny Baiboly hoe “demonia” izy ireny. (Jakoba 2:19) Ny anjely ratsy àry no ifandraisan’ny olona manao asan’ny maizina.

Inona no tanjon’ny demonia?

Voalohany, tian’izy ireo tsy hanompo an’i Jehovah ny olombelona, ka ireny mpanao asan’ny maizina ireny no ampiasainy. Milaza fa manana hery na fahaizana manokana izy ireny, nefa fandrebirebena fotsiny izany mba hahatonga ny olona tsy hahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy tsy hifandray aminy.

Faharoa, tadiavin’ny demonia sy i Satana, filohan’izy ireo, hivavaka aminy ny olona. Hita tamin’ilay fakam-panahy nataon’i Satana tamin’i Jesosy izany. Nilaza izy fa homeny an’i Jesosy ny “fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Dia inona anefa no takalony? Nilaza izy fa mila ‘miankohoka indray mandeha eo anatrehany i Jesosy.’ Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy anefa i Jesosy.—Matio 4:8-10.

Tsy dia miresaka mivantana hoatr’izany intsony izao ny fanahy ratsy. Mampiasa zavatra hoatran’ny tsy mampidi-doza kosa izy mba hamandrihana olona. Anisan’izany ny tononandro sy famakiana karatra ary fijerena felatanana. Aza manaiky ho voafitaka anefa, satria tsy hoe zavatra tsotra fotsiny ifandraisana amin’ny fanahy ireny. Ataon’ny fanahy ratsy liana be amin’ireny ny olona, amin’izay tsy manompo an’i Jehovah. Raha vao lasa manompo an’i Jehovah anefa ireny olona ireny, dia matetika no ampijalijaliny. Ahoana àry no hialanao amin’ny fanahy ratsy?

Ahoana no hialanao amin’ny fanahy ratsy?

Tadidio fa fahavalon’Andriamanitra ireny fanahy miresaka amin’ny olombelona ireny, ka horinganiny mandrakizay. (Joda 6) Mandainga izy ireo sady misandoka ho fanahin’ny olona maty. Andeha hatao hoe nisy olona iray ninamana be taminao. Tatỳ aoriana vao fantatrao hoe mpisandoka fotsiny izy, ka ny hametaveta anao no tanjony. Mety hanao ahoana re ny fihetseham-ponao e? Fantaro anefa fa mbola mampidi-doza be noho izany ny mifandray amin’ny demonia, ka mila miezaka be ianao mba hialana aminy. Inona àry no azonao atao?

Nifandray tamin’ny fanahy ratsy ny mponina sasany tany Efesosy fahiny. Fantany anefa tatỳ aoriana fa raran’ny Baiboly ny asan’ny maizina. Nodorany daholo teo imason’ny olona rehetra àry ny bokiny momba izany, na dia lafo be aza. (Asan’ny Apostoly 19:19, 20) Misy zavatra maro azo ifandraisana amin’ny asan’ny maizina koa ankehitriny, ankoatra ny boky. Anisan’izany ny zavatra hita amin’ny tele na fitaovana elektronika hafa. Aza mijery na manao zavatra misy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy mihitsy àry!

Tadidinao ve ilay mpivady terỳ aloha? Nasehon’ireo karatra fa hisy olon-dratsy ho avy ao amin-dry zareo, ka tsy tokony hihaino azy ireo na handray zavatra avy aminy mihitsy ry zareo. Nisy olona tonga tokoa tao an-tranony. I Connie sy Gudrun, Vavolombelon’i Jehovah, ilay izy. Nitory ny vaovao tsara momba an’Andriamanitra anefa ry zareo ka nanaiky hihaino ihany i Barbara sy ny vadiny. Nolazain’i Connie sy Gudrun azy ireo koa izay lazain’ny Baiboly momba ny asan’ny maizina. Lasa nianatra Baiboly foana àry izy ireo.

Tsy ela dia nanapa-kevitra izy mivady hoe tsy hifandray amin’ny demonia intsony. Nohazavain’ireo mpitory anefa fa tsy ho faly amin’izany ny demonia. Izany tokoa no nitranga satria nampijalin’ny demonia izy mivady. Natahotra foana izy ireo isan’alina raha tsy efa nifindra trano. Natoky tanteraka an’ity voalazan’ny Filipianina 4:13 ity izy ireo: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” Notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’izy mivady ka tsy nampijalin’ny demonia intsony izy ireo. Tena miombon-kevitra amin’ilay voalazan’ny Salamo 121:2 koa izy ireo hoe: ‘Avy amin’i Jehovah no ahazoana fanampiana.’ Sambatra erỳ izao izy roa manompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.

Hoy ny Baiboly amin’ireo maniry hotahin’i Jehovah: “Maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:7, 8) Afaka manampy anao hiala amin’ny demonia izy, sady tena hanao izany raha izay no fanirianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ireo anarana.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Tsy afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ny olona manao asan’ny maizina

[Teny notsongaina, pejy 22]

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—JAKOBA 4:8