Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitory ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana’

‘Mitory ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana’

‘Mitory ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana’

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—MATIO 24:14.

Inona no dikan’izany? Nilaza i Lioka, mpanoratra Filazantsara, fa ‘nitety tanàna sy vohitra i Jesosy, ka nitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 8:1) Na i Jesosy aza niteny mihitsy hoe: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Nasainy nitety tanàna koa ny mpianany, mba hitory ny vaovao tsara. Hoy izy: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’—Asan’ny Apostoly 1:8; Lioka 10:1.

Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Tonga dia nanaraka ny tenin’i Jesosy izy ireo. ‘Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-trano.’ (Asan’ny Apostoly 5:42) Hoy i Neander, mpahay tantara: ‘Nanesoeso mihitsy aza i Celse, mpanoratra boky nanaratsy ny Kristianina. Nazoto nitory ny filazantsara mantsy na mpanenona volonondry io, na mpanao kiraro, na mpanao hoditra, ary na ny olona faran’izay tsotra sy tsy nahita fianarana aza.’ Hoy koa ny boky iray: ‘Tsy maintsy nitety ny faritra rehetra [ny Kristianina], ka nitory tamin’izay olona hitany, na teny an-dalambe na tao an-tanàna, na teny an-kalamanjana na tany an-tranon’olona. Nitory foana izy ireo na nandray ny olona na tsia. Nandeha hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra izy ireo.’

Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Hoy i David Watson, pasitera anglikanina: “Tsy dia zava-dehibe amin’ny eglizy ny mitory sy mampianatra, ka tsy mahagaga raha lasa tsy te hanompo an’Andriamanitra ny olona.” Niresaka momba ny Fiangonana Ara-pilazantsara sy ny Advantista ary ny fivavahana hafa koa i José Luis Pérez Guadalupe, ao amin’ilay bokiny hoe Nahoana no Mihena ny Katolika? (espaniola). Nilaza izy fa ‘tsy mba mitory isan-trano izy ireo, nefa ny Vavolombelon’i Jehovah manao an’izany foana.’

Tena marina koa ny tenin’i Jonathan Turley, manam-pahaizana, hoe: “Raha vao maheno hoe Vavolombelon’i Jehovah ny olona, dia ireo mpitory tonga tampotampoka any an-tranony no ao an-tsainy voalohany. Tsy hoe te hitaona olona fotsiny ry zareo, fa zava-dehibe aminy koa ilay izy mba hanatanjahany ny finoany.”

[Efajoro, pejy 9]

Iza no Tena Kristianina?

Iza no hitanao hoe tena Kristianina, raha jerena ireo zavatra dimy noresahin’i Jesosy tato? Na be dia be aza ny fivavahana milaza fa Kristianina, dia tadidio ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Matio 7:21) Tokony hofantarinao àry hoe iza no fivavahana manao ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe ny tena Kristianina. Tokony hiaraka amin’izy ireo koa ianao, amin’izay hahazo fitahiana mandrakizay rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Afaka manontany ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, raha te hahalala bebe kokoa momba an’io fanjakana io sy izay zavatra hataony.—Lioka 4:43.