Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mampahafantatra ny Anaran’Andriamanitra’

‘Mampahafantatra ny Anaran’Andriamanitra’

‘Mampahafantatra ny Anaran’Andriamanitra’

‘Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.’—JAONA 17:6, 26.

Inona no dikan’izany? Te hampahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy ka nampiasa azy io rehefa nitory. Tsy maintsy ho nanonona ny anaran’Andriamanitra koa izy rehefa namaky ny Soratra Masina. (Lioka 4:16-21) Nampianariny hivavaka toy izao aza ny mpanara-dia azy: “Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!”—Lioka 11:2.

Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Nilaza tamin’ny anti-panahy tany Jerosalema ny apostoly Petera fa naka olona “hitondra ny anarany” Andriamanitra, ka ireo no nampahafantatra ny anarany. (Asan’ny Apostoly 15:14) Nitory koa ny apostoly sy ny namany hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Asan’ny Apostoly 2:21; Romanina 10:13) Nampiasa ny anaran’Andriamanitra koa izy ireo tao amin’ny boky nosoratany. Manaporofo izany, ohatra, ny Tôsefta, ilay fitambaran-dalàna jiosy vita tamin’ny taona 300 tany ho any. Izao no voalaza ao: ‘Nodoran’ny mpanohitra ny bokin’ny mpitory ny Filazantsara sy ny bokin’ny minim [na Kristianina jiosy], izay nisy ny Anaran’Andriamanitra.’

Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Miresaka momba ny anaran’Andriamanitra ny Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara ao amin’ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Eksodosy 3:15. Izao no voalaza ao: “Nanomboka tamin’ny taonjato faha-4 tal J.K. ny Jiosy no nizatra tsy nanonona io anarana io intsony (mba tsy hanonontononana azy foana, jereo 20.7), fa nanao hoe ny TOMPO matetika, na nanolo azy tamin’ny fomba fiteny hafa toy ny hoe Ny Lanitra, ny Anarana, ny Voninahitra ets. Koa rehefa misy anarana hoe YHWH * ny rijan-teny hebreo masôretika, dia ny TOMPO no nandikana azy ato amin’ity DIEM ity.” Vao haingana koa, ohatra, ny Vatikana no nilaza tamin’ny eveka katolika hoe ‘tsy tokony hampiasaina na hotononina ilay anaran’Andriamanitra hoe Iaveh [na Jehovah] rehefa mihira sy mivavaka.’

Iza àry ankehitriny no mampiasa sy mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra? Nipetraka tany Kirghizistan i Sergey. Tamin’izy 15 taona no nahalala voalohany hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Sendra reny tamin’ny filma ilay izy. Tsy naheno olona nampiasa an’io anarana io intsony anefa izy nandritra ny folo taona teo ho eo. Nifindra tany Etazonia izy tatỳ aoriana. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory tao an-tranony, ka nampiseho azy ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. Faly be izy hoe hay misy mampiasa ihany ilay hoe Jehovah. Mahaliana koa fa izao no andikan’ny diksionera Webster (anglisy) ny hoe Jehovah Andriamanitra: “Ilay andriamanitra avo indrindra eken’ny Vavolombelon’i Jehovah sy hany ivavahany.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 “Jehovah” no andikana an’io anaran’Andriamanitra io amin’ny teny malagasy.