Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa Kristianina ny Azteky

Lasa Kristianina ny Azteky

Lasa Kristianina ny Azteky

“Lasa vovoka sy lavenona ny tempoly, potipotika ny sampy, ary may ireo boky masina. Mbola ao am-pon’ny Indianina [Azteky] foana anefa ireo andriamanitra nivavahan’izy ireo.” —Ny Kolontsaina Meksikanina Fahiny (alemà).

MIPETRAKA any Meksika ny Azteky. Mbola foko izy ireo tamin’ny taonjato faha-13, tamin’izy ireo nifindra monina tany. Lasa firenena lehibe toy ny Incas, any Peroa, anefa ny Azteky tatỳ aoriana. Nahuatl no fitenin’izy ireo. * Marina fa noravan’ny Espaniola i Tenochtitlán, renivohitry ny fanjakana azteky tamin’ny 1521, ka lasa zanataniny. Mbola misy iray tapitrisa sy sasany eo ho eo anefa no miteny nahuatl any amin’ny faritra 15 mahery, any Meksika. Izany no nahatonga ny sasantsasany amin’ny zavatra inoan’ny Azteky ho mbola voatazona hatramin’izao, araka ny voalazan’ilay boky terỳ aloha. Inona avy, ohatra, izany?

Fombafomba hafahafa

Ny fanaovana sorona olona angamba no tena mampahalaza ny Azteky. Nino izy ireo fa ho faty ny masoandro raha tsy omena fo sy ran’olombelona. Nilaza, ohatra, i Diego Durán, relijiozy espaniola, fa olona 80 000 mahery no natao sorona tamin’ny 1487. Nandritra ny efatra andro ilay izy no natao, tamin’ny fitokanana ny tempoly iray miendrika piramida, tany Tenochtitlán.

Tena naharikoriko an’ireo Espaniola izany. Gaga anefa izy ireo, satria maro tamin’ny fombafomban’ny Azteky no nitovy tamin’ny an’ny Katolika. Katolika mantsy ny ankamaroan’ny Espaniola. Nandray kominio, ohatra, ny Azteky, ka ny sarin’ireo andriamaniny natao tamin’ny katsaka no nohanin’izy ireo tamin’izany. Nohanin’izy ireo koa indraindray ny nofon’ny olona natao sorona. Nampiasa lakroa koa ny Azteky, nikonfesy, ary nanao batisa zazakely. Ny tena mahavariana anefa, dia samy mivavaka amin’ny virjiny na “Renin’ireo andriamanitra” ny Azteky sy ny Katolika. Ny Virjinin’i Guadalupe no ivavahan’ny Katolika. Tonantzin na hoe “Neny Kelinay” kosa no ivavahan’ny Azteky.

Tao amin’ny tempoly iray, tany an-tendrombohitra, ny Azteky no nivavaka tamin’i Tonantzin. Teo amin’io toerana io mihitsy anefa, hono, no niseho tamin’ny Azteky iray ilay Virjinin’i Guadalupe, tamin’ny 1531. Be dia be àry ny Azteky lasa Katolika. Nasiana toeram-pivavahana tamin’io virjiny io koa teo amin’io tendrombohitra io. Meksikanina ana hetsiny no mitsidika an’io toerana io isaky ny 12 Desambra, ary miteny nahuatl ny ankamaroan’izy ireo.

Manao fety isan-karazany ho an’ny olo-masina ny Azteky any an-tendrombohitra lavitra be. Maharitra andro maromaro na herinandro vitsivitsy mihitsy izy ireny indraindray. Hoy ny boky hoe Ny Fiainan’ny Azteky (espaniola): “Nampifangaroan’izy ireo ny fivavahana tamin’ireo olo-masin’ny Eglizy Katolika sy ny fombafomba fanaony, tamin’i Cortés mbola tsy nanjanaka azy ireo.” * Tena tia milalao ody koa ny Azteky. Mankany amin’ny mpanasitrana, ohatra, izy ireo rehefa marary. Manao fombafomba fidiovana sy sorona biby ilay mpanasitrana. Be dia be koa no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, na teny espaniola io na nahuatl. Lasa navakavahan’ny olona izy ireo, satria nahantra be sady tsy niala mihitsy tamin’ny fombafombany sy ny fiteniny.

Lasa nahalala ny marina ao amin’ny Baiboly izy ireo

Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika no niezaka nitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” tamin’ny olona rehetra. (Matio 24:14) Nanao fandaharana izy ireo nanomboka tamin’ny 2000, ka nitory tamin’ny teny nahuatl. Nasiana fivoriana ara-pivavahana koa tamin’io fiteny io, amin’izay tsy voatery mankany amin’ny fivoriana amin’ny teny espaniola intsony ny Azteky. Nandika boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny teny nahuatl koa ireo Vavolombelona. Nampianarina hamaky sy hanoratra amin’ny fiteniny koa ny Azteky. Nisy vokany ve izany ezaka izany?

Hoy ny vehivavy iray tamin’izy vao nandre lahateny ara-baiboly tamin’ny fiteniny: “Hoatran’ny hoe izao izahay vao tena mahazo ny zavatra nianaranay avy tao amin’ny Baiboly, nefa efa folo taona no nanatrika fivoriana. Tsy azonay tsara ilay izy taloha sady nankarary andoha, satria tamin’ny teny espaniola.” Toy izany koa i Juan. Enimpolo taona izy, ary efa valo taona izy sy ny vady aman-janany no nanatrika fivoriana tamin’ny teny espaniola. Nivory fotsiny anefa izy ireo dia izay. Tsy ampy herintaona akory anefa dia natao batisa izy, rehefa nianatra Baiboly tamin’ny teny nahuatl.

Hita amin’izany fa tsy tena azon’ny ankamaroan’ny olona ny zavatra nianarany, satria tamin’ny teny espaniola. Manampy azy ireo hahatakatra tsara ny marina lazain’ny Baiboly anefa ny fivoriana sy fivoriambe ary ny boky sy gazety amin’ny fiteniny. Lasa fantatr’izy ireo koa hoe inona ny andraikitry ny Kristianina.

Niatrika olana izy ireo

Voasedra izy ireo rehefa nandroso ara-panahy. Maro, ohatra, no nanery azy ireo handray anjara tamin’ny fety ara-pivavahana. Tsy navela hitory isan-trano koa izy ireo tany San Agustín Oapan, sao dia ho voataonan-dry zareo, hono, ny olona ka tsy hanome vola hanaovana fety intsony. Rehefa nitory àry i Florencio sy ny Vavolombelona azteky vitsivitsy, dia nosamborina ny telo tamin’izy ireo. Tsy ampy 20 minitra akory, dia efa nitangorona ny olona mba handinika izay hatao amin’izy ireo.

Hoy i Florencio: “Saika tonga dia novonoin-dry zareo izahay. Nisy nilaza hoe aleo izahay hafatotra dia hatsipy any anaty rano. Tany am-ponja izahay ny alin’iny. Saika hanampy anay ny Vavolombelona iray mpisolovava sy mpitory roa hafa ny ampitson’iny, nefa nogadraina koa ry zareo. Navoaka ihany anefa izahay tamin’ny farany, saingy tsy navela nijanona tao amin’ilay tanàna intsony.” Na izany aza, dia lasa nisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany herintaona tatỳ aoriana. Efa 50 teo ho eo ny mpivory tamin’izay, ary 17 no vita batisa.

Nasaina handray anjara tamin’ny fety teo an-tanànany koa i Alberto, any Coapala. Tsy nanaiky anefa izy ka nogadraina. Novorina àry ny fokonolona, ary nisy niantsoantso hoe tokony hahantona izy. Amin’izay, hono, matahotra ireo mitady hanaraka ny fivavahany ka tsy hanao ny fombafomban-dry zareo intsony. Nanandrana nanafaka an’i Alberto ny mpitory sasany saingy nosamborina koa. Rehefa vita ilay fety vao navoaka izy ireo, izany hoe herinandro tatỳ aoriana. Nisy nanohitra foana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy maintsy nangataka fanampiana tamin’ny manam-pahefana ambony. Nisy didy navoaka àry mba tsy hanenjehana azy ireo intsony. Mahaliana fa tsy ela taorian’izay, dia nianatra Baiboly sy natao batisa ny lehilahy iray tena mpanenjika be. Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny nahuatl izao any Coapala.

Masaka hojinjaina ny vokatra

Maro ny Vavolombelona nianatra teny nahuatl, rehefa nahita hoe mety ho be dia be ny Azteky hianatra Baiboly. Nisy olana anefa. Saro-kenatra be ny Azteky sady tsy dia sahy mampiasa ny fiteniny, satria avakavahan’ny olona. Misy tenim-paritra isan-karazany koa ny teny nahuatl.

Nianatra teny nahuatl ihany anefa, ohatra, i Sonia, mpitory manontolo andro. Hoy izy, rehefa nanazava ny antony: “Misy Azteky 6 000 nifindra monina mba hitady asa etỳ akaikinay. Mipetraka ao amin’ny toby iray misy mpiambina izy ireo, ary mijaly be sady hambanin’ny olona. Mampalahelo ahy ry zareo, satria olona mba nanana ny maha izy azy taloha. Sady avy tamin’izy ireo koa ange ny kolontsainay e! Efa 20 taona no nitorianay tamin’izy ireo, fa tamin’ny teny espaniola. Tsy azony tsara anefa ilay izy dia tsy nahaliana azy. Vao nahay kely ny fitenin’izy ireo anefa aho, dia liana be ry zareo. Nitangoronany mihitsy aza aho. Nifanaraka tamin’ny vehivavy iray aho hoe raha ampianariny teny nahuatl aho, dia hampianariko mamaky teny sy manoratra izy. ‘Ilay vehivavy mahay miteny nahuatl’ izao no iantsoan-dry zareo ahy. Hoatran’ny hoe misionera atỳ amin’ny taniko aho!” Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao any amin’io toerana io.

Miezaka mianatra teny nahuatl koa i Maricela, mpitory manontolo andro. Nampianatra Baiboly an’i Félix, izay 70 taona, izy. Nataony tamin’ny teny espaniola izany tamin’ny voalohany, fa navadiny tamin’ny teny nahuatl, rehefa nahaihay an’io fiteny io izy. Nanohina ny fony ny tenin’i Félix hoe: “Mihaino ve i Jehovah raha miresaka aminy amin’ny teny nahuatl aho?” Faly i Félix hoe azon’i Jehovah ny fiteny rehetra. Mivory foana izy na dia tsy maintsy mandeha an-tongotra adiny iray sy sasany aza. Efa vita batisa koa izy. Hoy i Maricela: “Faly be aho miaraka amin’ireo anjely mitory ny vaovao tsara amin’ny olona rehetra.”—Apokalypsy 14:6, 7.

Efa “masaka hojinjaina” tokoa ny vokatra any amin’ny faritra misy ny Azteky. (Jaona 4:35) Enga anie i Jehovah ka hanasa foana ny olona avy amin’ny firenena rehetra mba hianatra ny lalany, anisan’izany ny Azteky.—Isaia 2:2, 3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Iray amin’ireo teny uto-aztec ny nahuatl, ka anisan’ny foko mampiasa azy io ny Hopi sy Shoshone ary Comanche any Amerika Avaratra.

^ feh. 8 I Cortés ilay miaramila espaniola nandresy an’i Tenochtitlán, tamin’ny 1521.

[Sarintany, pejy 13]

(Jereo ny gazety)

MEXICO

ISAN’NY AZTEKY ISAKY NY FARITRA

150 000

LATSAKA NY 1 000