Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

 TOKO FAHA-6

Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?

Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?
  • Manao ahoana isika rehefa maty?

  • Nahoana isika no maty?

  • Hampahery anao ve ny hahalala ny marina momba ny maty?

1-3. Inona ny fanontaniana apetraky ny olona momba ny maty, ary inona avy no lazain’ny fivavahana momba izany?

EFA ela ny olona no nieritreritra an’ireo fanontaniana lehibe ireo. Tena tokony ho fantatsika rehetra ny valin’ireo, na iza isika na iza, ary na aiza na aiza misy antsika.

2 Nianarantsika tao amin’ilay toko teo aloha hoe nahoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no hahazoana fiainana mandrakizay. Hitantsika koa fa efa nilaza ny Baiboly hoe “tsy hisy fahafatesana intsony” amin’ny hoavy. (Apokalypsy 21:4) Mbola mety ho faty daholo anefa isika amin’izao. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Fantatry ny velona fa ho faty izy.” (Mpitoriteny 9:5) Miezaka mba ho ela velona araka izay azo atao isika. Tiantsika ho fantatra ihany anefa hoe inona no mitranga amintsika rehefa maty isika.

3 Malahelo be isika rehefa misy havantsika maty. Mety hieritreritra isika hoe: ‘Mba lasa aiza izy ireny? Mijaly ve izy? Mitahy antsika ve izy? Mbola hahita azy ve isika indray andro any?’ Samy manana ny heviny momba an’izany ny fivavahana. Ny sasany mampianatra fa raha manao ny tsara, hono, ianao dia mankany an-danitra, fa raha manao ny ratsy kosa dia ampijalijalina any amin’ny afobe. Misy koa milaza fa mankany amin’ny razany any ankoatra ny maty. Ny sasany indray mampianatra hoe misy toerana hafa alehan’ny maty ka any izy no miandry fitsarana, ary homena vatana vaovao avy eo.

4. Inona ny hevitra itovizan’ny fivavahana maro momba ny fahafatesana?

 4 Ity hevitra ity no itovizan’ireo fampianarana rehetra ireo: Misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olombelona, ary misaraka amin’ny vatana izy io rehefa maty izy. Saika ny fivavahana rehetra hatramin’izay no milaza fa velona mandrakizay isika, sady afaka mahita sy mandre ary mieritreritra foana. Tsy mitombina izany satria tsy miasa intsony ny atidoha rehefa maty isika. Ny atidoha anefa no mibaiko ny maso sy ny sofina ary ny eritreritra. Tsy afaka mitadidy, na manana fihetseham-po, na mahita, na mandre, na mahatsapa zavatra intsony àry isika rehefa potika ny atidohantsika.

MANAO AHOANA MARINA NY MATY?

5, 6. Araka ny Baiboly, manao ahoana ny olona rehefa maty?

5 Fantatr’i Jehovah tsara izay mitranga amintsika rehefa maty isika. Izy mantsy no namorona ny atidoha, ary hazavainy ao amin’ny Baiboly hoe manao ahoana ny maty. Lazainy tsara ao hoe: Tsy misy intsony ny olona rehefa maty. Mifanohitra amin’ny fiainana ny fahafatesana. Tsy mahita, na mandre, na mieritreritra ny maty. Tsy misy zavatra tsy mety maty ao amintsika. Tsy manana fanahy tsy mety maty isika. *

Nankaiza ilay lelafo?

6 Rehefa avy nilaza i Solomona fa fantatry ny velona hoe ho faty izy, dia hoy izy: “Ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” Nanazava izy avy eo fa tsy afaka mitia na mankahala ny maty, ary “tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.” (Vakio ny Mpitoriteny 9:5, 6, 10.) Milaza koa ny Salamo 146:4 fa rehefa maty ny olona, dia “foana ny eritreriny.” Rehefa maty àry isika, dia maty tanteraka. Hoatran’ny afon-dabozia ny aintsika. Tsy mandeha na aiza na aiza ilay afo rehefa maty, fa tsy misy intsony fotsiny.

 IZAY NOLAZAIN’I JESOSY MOMBA NY FAHAFATESANA

7. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny inona ny fahafatesana?

7 Nohazavain’i Jesosy Kristy hoe manao ahoana ny maty. Rehefa maty, ohatra, i Lazarosy dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Matory i Lazarosy namantsika.” Tsy azon’ny mpianany ny tiany holazaina. Nihevitra izy ireo hoe narary i Lazarosy ka natory. Nanazava àry i Jesosy hoe: “Maty i Lazarosy.” (Vakio ny Jaona 11:11-14.) Nampitahain’i Jesosy tamin’ny torimaso ny fahafatesana. Sady tsy tany an-danitra i Lazarosy no tsy tany amin’ny afobe. Tsy niaraka tamin’ny anjely na ny razana koa izy, ary tsy nomena vatana vaovao. Maty izy, toy ny hoe olona matory tsy mahatsiaro tena sady tsy manonofy. Misy andinin-teny hafa koa mampitaha ny fahafatesana amin’ny torimaso. Rehefa nanangana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty, ohatra, i Jesosy dia nilaza hoe: “Tsy maty izy fa matory.” (Lioka 8:52, 53) Nilaza koa i Davida fa “renoky ny torimasom-pahafatesana” ny maty.—Salamo 13:3.

Noforonin’i Jehovah mba ho velona mandrakizay eto an-tany ny olona

8. Inona no manaporofo fa tsy nataon’Andriamanitra ho faty mihitsy isika?

8 Efa nataon’Andriamanitra ho faty mihitsy ve ny olona? Tsia! Noforoniny hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo. Efa nianarantsika fa napetrany tao amin’ny zaridaina tsara tarehy ny mpivady voalohany. Nataony salama tsara izy ireo, ary zavatra tsara ihany no tiany ho azy ireo. Mazava ho azy fa tsy tian’ny ray aman-dreny hihantitra sy ho faty ny zanany. Tian’i Jehovah koa ny zanany, ary tiany ho sambatra mandrakizay eto an-tany. Milaza ny Baiboly fa efa nataon’i Jehovah “tao am-pon’ny olombelona” ny mandrakizay. (Mpitoriteny 3:11) Midika izany fa te ho velona mandrakizay  isika, satria efa izay no namoronany antsika. Nanao zavatra izy mba hanatanterahana an’izany faniriantsika izany.

NAHOANA NY OLONA NO MATY?

9. Inona ny zavatra tsy navelan’i Jehovah nataon’i Adama, ary nahoana no tsy sarotra ny nankatò an’izany?

9 Nahoana àry ny olona no maty? Tsy maintsy jerentsika aloha izay nitranga teto an-tany, tamin’ny andron’i Adama  sy Eva. Hoy ny Baiboly: “Nampanirin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny tany ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana.” (Genesisy 2:9) Nisy zavatra iray tsy navelan’i Jehovah natao anefa. Hoy izy tamin’i Adama: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:16, 17) Tsy sarotra ny nankatò an’io didy io. Be dia be mantsy ny voankazo azon’i Adama sy Eva nohanina. Raha nankatò izy ireo, dia hita hoe nankasitraka an’i Jehovah noho ny zavatra tsara rehetra nomena azy, anisan’izany ny aina lavorary. Hita tamin’izany koa hoe nanaja ny fahefan’ilay Rainy any an-danitra izy ireo, sady te hahazo ny tari-dalany.

10, 11. a) Inona no nahatonga an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’Andriamanitra? b) Nahoana no fahotana lehibe ny nataon’izy mivady?

10 Indrisy anefa fa nifidy ny tsy hankatò an’i Jehovah izy mivady. Nampiasa menarana i Satana mba hanontaniana an’i Eva hoe: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?” Dia hoy i Eva: “Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay. Fa hoy kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo afovoan’ny zaridaina: ‘Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.’”—Genesisy 3:1-3.

11 Hoy i Satana: “Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:4, 5) Tian’i Satana hino i Eva hoe hahasoa azy ny mihinana an’ilay voankazo. Te hilaza i Satana hoe manana zo hanao izay tiany i Eva, ka afaka manapa-kevitra irery hoe inona no tsara ary inona no ratsy. Nolazain’i Satana fa nandainga koa i Jehovah rehefa nilaza hoe mahafaty ny mihinana an’ilay  voankazo. Nino an’i Satana i Eva. Naka tamin’ilay voankazo àry izy ka nihinana. Nomeny koa ny vadiny avy eo, dia nihinana. Fantatr’izy mivady tsara izay nataony. Fantany fa izay nolazain’Andriamanitra hoe aza atao mihitsy no nataony. Nazava be ilay didy ary tsy sarotra ny nankatò azy. Tena nanao fanahy iniana tsy nankatò àry izy mivady, rehefa nihinana an’ilay voankazo. Nanao tsinontsinona an’ilay Rainy any an-danitra sy ny fahefany izy ireo, ka tsy afa-tsiny mihitsy.

12. Inona ny ohatra manampy antsika hahatakatra an’izay tsapan’i Jehovah, rehefa tsy nankatò azy i Adama sy Eva?

12 Inona, ohatra, no tsapanao raha tsy mankatò anao ny zanakao, ka sady tsy manaja anao izy no tsy tia anao? Azo  antoka fa halahelo be ianao. Ianao mantsy no nitaiza sy nikarakara azy. Alao sary an-tsaina àry hoe inona no tsapan’i Jehovah rehefa samy tsy nankatò azy i Adama sy Eva.

Vovoka no namoronana an’i Adama, ary niverina ho amin’ny vovoka izy

13. Inona no nolazain’i Jehovah fa hitranga amin’i Adama rehefa ho faty izy, ary inona ny dikan’izany?

13 Tsy misy antony tokony hamelan’i Jehovah an’i Adama sy Eva ho velona mandrakizay, rehefa tsy nankatò izy ireo. Maty izy ireo, araka ny efa nolazainy. Lasa tsy nisy intsony i Adama sy Eva, fa tsy hoe nankany ankoatra. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Satria hoy i Jehovah tamin’i Adama rehefa tsy nankatò izy: ‘Hiverina amin’ny tany ianao, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.’ (Genesisy 3:19) Vovoka no namoronan’Andriamanitra an’i Adama. (Genesisy 2:7) Tsy nisy izy talohan’ny namoronana azy. Rehefa nilaza àry i Jehovah hoe hiverina amin’ny vovoka i Adama, dia midika izany hoe tsy hisy intsony indray izy. Tsy hanana aina toy ilay vovoka namoronana azy i Adama.

14. Nahoana isika no maty?

14 Mbola tokony ho velona hatramin’izao i Adama sy Eva, raha tsy nanota. Maty anefa izy ireo, satria nifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra. Maty koa isika, satria namindra ota sy fahafatesana tamintsika taranany rehetra i Adama. (Vakio ny Romanina 5:12.) Hoatran’ny aretina manaranaka ny ota, ka tsy misy afa-miala aminy. Fahafatesana foana no vokany. Fahavalo ny fahafatesana, fa tsy namana. (1 Korintianina 15:26) Soa ihany i Jehovah fa nanome vidim-panavotana, mba hamonjena antsika amin’io fahavalo mahatsiravina io!

MAHASOA NY MAHALALA NY MARINA MOMBA NY MATY

15. Nahoana no mampahery ny mahalala ny marina momba ny maty?

15 Tena mampahery ny mahalala izay ampianarin’ny Baiboly momba ny maty. Hitantsika mantsy fa tsy mijaly  na malahelo ny maty. Tsy misy antony atahorana azy ireny koa, satria tsy afaka manisy ratsy antsika izy. Tsy mila ampiana izy, sady tsy afaka manampy antsika. Tsy afaka miresaka aminy isika, ary izy koa tsy afaka miresaka amintsika. Maro anefa ny mpitondra fivavahana milaza fa afaka manampy an’ireny olona maty ireny, hono, izy ireo. Mino azy ireo ny olona ka manome vola azy. Isika anefa izao mahalala ny marina momba ny maty, ka tsy voafitak’ireny mpampianatra lainga ireny.

16. Hevi-diso avy amin’iza no ampianarin’ny fivavahana maro, ary inona no ataony?

16 Mitovy amin’izay ampianarin’ny Baiboly ve ny zavatra ampianarin’ny fivavahanao momba ny maty? Mifanohitra amin’izany ny zavatra ampianarin’ny ankamaroan’ny fivavahana. Nahoana? Satria misy hevi-diso avy amin’i Satana ny zavatra ampianarin’izy ireny. Mampiasa ny fivavahan-diso izy, mba hahatonga ny olona hino hoe mbola velona any ankoatra ny maty. Lainga izany, ary mbola mampianatra lainga hafa koa izy, amin’izay ny olona tsy mifandray amin’Andriamanitra. Nahoana isika no milaza izany?

17. Nahoana no manala baraka an’i Jehovah ilay fampianarana hoe hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe ny olona ratsy?

17 Efa hitantsika fa misy fivavahana mampianatra hoe hampijalijalina mandrakizay any amin’ny afobe izay manao ratsy. Manala baraka an’Andriamanitra izany fampianarana izany. Andriamanitra fitiavana mantsy i Jehovah, ka tsy hampijaly olona hoatr’izany mihitsy. (Vakio ny 1 Jaona 4:8.) Ahoana ny fihetseham-ponao raha misy olona mandoro ny tanan’ny zanany mba hanasaziana azy, satria hoe maditra izy? Hanaja an’izany olona izany ve ianao? Tsy te hahafantatra azy akory angamba ianao. Hilaza angamba ianao hoe olona tsy mifaditrovana izany. Tian’i Satana hino anefa isika hoe mampijaly ny olona mandrakizay doria ao anaty afo i Jehovah.

18. Inona no mahatonga ny olona hivavaka amin’ny maty?

 18 Misy fivavahana koa ampiasain’i Satana mba hampianatra hoe lasa fanahy ny olona rehefa maty, ka tsy maintsy hajaina sy omena voninahitra. Mety ho lasa namana, hono, ireny maty ireny, na mety ho lasa fahavalo manangatra. Be dia be no mino an’izany lainga izany. Lasa matahotra ny maty izy ireo, ka manome voninahitra azy sy mivavaka aminy. Ny Baiboly anefa mampianatra fa matory ny maty, ary i Jehovah ihany no tokony hivavahana, satria izy no tena Andriamanitra sy Mpamorona ary Mpamelona antsika.—Apokalypsy 4:11.

19. Inona ny fampianaran’ny Baiboly ho azontsika, rehefa mahalala ny marina momba ny maty isika?

19 Tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso ianao, raha mahalala ny marina momba ny maty. Ho azonao tsara koa ny fampianaran’ny Baiboly hafa. Raha hainao, ohatra, fa tsy mankany ankoatra ny maty, dia ho azonao kokoa ilay fampanantenana hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona.

20. Inona ny fanontaniana hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

20 Taloha ela be, dia nanontany an’izao ilay lehilahy tsara fanahy atao hoe Joba: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?” (Joba 14:14) Azo fohazina tokoa ve ny olona matory ao amin’ny fahafatesana? Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka fa tena mampahery izay ampianarin’ny Baiboly momba an’izany.

^ feh. 5 Manazava ny teny hoe “fanahy” ny Fanazavana Fanampiny, “Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona?

Fanampim-panazavana

Inona no Atao hoe Afobe? Toerana Fampijaliana Mandrakizay ve Izy Io?

Ampijalijalina any amin’ny afobe mirehitra ve ny ratsy fanahy? Izany ve no sazy vokatry ny fahotana? Vakio ato ny valiny ara-baiboly.