Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA AOGOSITRA 2009

 Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Mahaiza Mitantam-bola

Mahaiza Mitantam-bola

Hoy rangahy: “Hoatran’ny mandanilany vola amin-javatra tsisy dikany i Lalao * vadiko. Zavatra tsy ilainay akory indraindray no vidìny. Toa tsy hainy mihitsy izany mitsitsy vola izany! Asa izay hahazo anay raha misy hilana vola tampoka. Raha vao misy vola any aminy, dia tsy maintsy laniny!”

Hoy ramatoa: “Tsy dia mahay mitsitsy vola angamba aho. Tsy mahalala vidin-javatra mihitsy anefa ny vadiko, na vidin-tsakafo izany, na zavatra hafa ilaina ato an-trano. Izaho foana no ato an-trano, ary fantatro izay ilainay ka vidiko na dia hampifamaly anay indray aza izany.”

NY VOLA no anisan’ny manahirana ny mpivady indrindra ny miresaka azy. Tsy mahagaga raha io no anisan’ny tena mampiady ny mpivady.

Mpivady maro no tsy manan-tsaina afa-tsy vola, ka mety hiady saina sy hifamaly ary ho rera-po. Simba koa na dia ny fifandraisany amin’Andriamanitra aza. (1 Timoty 6:9, 10) Voatery manao asa amboniny ny ray aman-dreny tsy mahay mitantam-bola, ka tsy akaikin’ny fony intsony ny zanany sy ny vadiny, ary tsy afaka mifanohana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy mianakavy. Mampianatra ny zanany ho tia vola koa izy ireo amin’izany.

Eken’ny Baiboly hoe ‘fiarovana ny vola.’ (Mpitoriteny 7:12) Mila miezaka hahay hitantam-bola sy hahay hiresaka vola amin’ny vadinao anefa ianao, raha tianao hiaro ny tokantranonao ny vola. * Tsy voatery hampifamaly ny mpivady ny miresaka momba ny vola, fa mety hampifanatona azy aza.

Nahoana anefa ny vola no miteraka olana maro be eo amin’ny mpivady? Inona no azonao atao mba hahita vahaolana ianareo mivady, fa tsy hiady, rehefa miresaka vola?

Inona avy no mahatonga ny olana?

Tsy dia ny vola loatra no tena mampiady ny mpivady rehefa miresaka vola, fa ny tsy fatokisana sy ny tahotra. Raha manontany ny vadiny, ohatra, ny lehilahy iray hoe ahoana sy ahoana avy no nahalany ny vola, dia mety ho tsy matoky ny fahaizan’ny vadiny mitantam-bola izy, raha ny marina. Mitaraina koa angamba ny vehivavy iray hoe tsy dia mitsitsy vola ny vadiny. Raha ny tena izy anefa, dia mety ho matahotra izy hoe tsy mba mitsinjo vodiandro merika ny vadiny.

Mampisy olana eo amin’ny mpivady koa ny zavatra niainany tamin’ny lasa. Hoy i Jao, valo taona nanambadiana: “Avy amin’ny fianakaviana mahay mitantam-bola ny vadiko, ka tsy mba matahotra hoatr’ahy. Ny dadanay kosa mpiboboka toaka sy tsy maty afo ary tsy an’asa ela be, ka matetika izahay no nihafy. Lasa natahotra mafy ny hidi-trosa àry aho. Io tahotro io indraindray no mahatonga ahy hasiaka amin’ny vadiko amin’ny resaka vola.” Na inona na inona   olana eo aminareo, dia misy zavatra azonareo atao mba tsy handrava ny tokantranonareo ny resaka vola, fa hampaharitra azy kosa. Inona avy izany?

Inona no zava-dehibe aminao? Ny vola sa ny fanambadiana?

Torohevitra efatra

Tsy boky momba ny fitantanam-bola ny Baiboly, nefa ahitana torohevitra tsara afaka manampy ny mpivady hisoroka olana ara-bola. Nahoana raha dinihina ny torohevitry ny Baiboly, ka andramana ireo soso-kevitra eto ambany?

1. Miezaha ho tony rehefa miresaka vola.

‘Hendry izay mila hevitra amin’ny hafa.’ (Ohabolana 13:10) Mety hahasaikatra anao ny mila hevitra amin’olona eo amin’ny resaka vola, indrindra raha amin’ny vadinao. Fahendrena anefa ny hianaranao miresaka an’io raharaha lehibe io. Nahoana, ohatra, raha hazavaina amin’ny vadinao hoe nisy heriny teo amin’ny fiheveranao ny vola ny fomba nanabeazan’ny ray aman-dreninao anao? Izany koa no mety ho namolavola ny fisainan’ny vadinao, ka miezaha hahatakatra ny fomba fiheviny.

Tsy voatery hiandry ny hisian’ny olana ianao vao hiresaka vola amin’ny vadinao. Hoy ny Baiboly: “Hiara-mandeha ve ny olon-droa, raha tsy efa nifanao fotoana?” (Amosa 3:3) Ahoana no ampiharana izany? Asio fotoana hiresahana momba ny vola, dia ho azonao kokoa ny fihevitry ny vadinao, ka hihena ny fifamaliana.

ANDRAMO IZAO: Asio fotoana raikitra mba hiresahana ny fomba hitantanana ny volanareo. Ny andro voalohany amin’ny volana angamba izany, na andro iray isan-kerinandro. Ataovy fohy ny resaka, angamba fahefatr’adiny na latsaka, ary kendreo ho amin’ny fotoana mahafalifaly anareo mivady. Mifanaraha mba tsy hiresaka vola mihitsy amin’ny fotoana sasany, ohatra hoe rehefa misakafo na miara-miala voly amin’ny ankizy.

2. Mifanaraha hoe ahoana no tokony hiheverana ny karama.

“Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romanina 12:10) Ahoana no anomezanao voninahitra ny vadinao, raha ianao irery no mampidi-bola? Hevero ho volanareo ao an-trano ny karamanao, fa tsy anao samirery.—1 Timoty 5:8.

Samy mikarama kosa ve ianareo mivady? Manome voninahitra ny vadinao ianao raha lazainao aminy ny karamanao sy izay vola misimisy nampiasainao. Raha misy afeninao ireo, dia azo antoka fa tsy dia hatoky anao intsony ny vadinao, ary ho simba ny fifandraisanareo. Tsy voatery hanontany ny vadinao ianao isaky ny misy vola kely hampiasainao. Asehonao anefa fa zava-dehibe aminao ny hevitry ny vadinao, raha miresaka aminy ianao rehefa handany vola misimisy.

ANDRAMO IZAO: Mifanaraha hoe ohatrinona ny vola azonareo lanina nefa tsy voatery hierana. Iray na roa alina ariary angamba, na tarehimarika hafa. Anontanio foana ny vadinao raha vao mihoatra an’io ny vola kasainao holanina.

3. Ataovy an-tsoratra ny vola miditra sy mivoaka.

“Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohabolana 21:5) Mandamina mialoha ny fiainanareo ianareo sady tsy mandanilany foana, raha manao teti-bola. Hoy i Noro, dimy taona nanambadiana: “Tena gaga ianao rehefa hitanao eo amin’ny taratasy ny vola miditra sy mivoaka. Iaraha-mahita eo ny zava-misy, ka atao ahoana indray ny mbola hifamaly?”

Tsy voatery hohasarotina ny fanaovana teti-bola. Hoy i Martin, 26 taona nanambadiana sady manan-janaka roa: “Valopy no nampiasainay tamin’ny voalohany. Ataonay ao anaty valopy samy hafa ny vola hilaina mandritra ny herinandro. Tao ny valopy ho an’ny volan-tsakafo, ny ho an’ny fialam-boly, ary hatramin’ny valopy ho an’ny fihetezana aza. Raha tsy ampy ny vola ao amin’ny valopy iray, dia maka ao amin’ny iray izahay, nefa ezahinay averina haingana araka izay azo atao foana iny vola iny.” Ahoana raha mahalana ianao vao mampiasa lelavola, satria any amin’ny banky ny volanao?  Tena ilaina ny manao teti-bola sy ny manara-maso ny vola laninao.

ANDRAMO IZAO: Soraty izay fandaniana rehetra tsy miovaova. Mifanaraha hoe ohatrinona ny vola hotehirizina. Ataovy lisitra indray ireo fandaniana miovaova, toy ny sakafo sy jiro ary telefaonina. Diniho, avy eo, ny vola tena laninareo nandritra ny volana maromaro. Ahitsio arakaraka izany ny fiainanareo mba tsy hidiran-trosa.

4. Mifanaraha ny amin’izay tokony hataon’ny tsirairay.

“Tsara ny roa noho ny iray, satria be kokoa ny zava-bita rehefa miara-miasa.” (Mpitoriteny 4:9, 10, Dikan-tenin’ny Taonjato Vaovao, anglisy) Ho an’ny tokantrano sasany, dia ny lehilahy no mitantam-bola. Afaka manao izany tsara kosa ny vehivavy, any amin’ny tokantrano sasany. (Ohabolana 31:10-28) Aleon’ny mpivady maro anefa miara-miasa. Hoy i Solo, 21 taona nanambadiana: “Ny vadiko no mikarakara ny faktiora sy ny fandaniana madinika. Izaho kosa no mikarakara ny hetra sy ny hofan-trano ary ny vola hafa tokony haloa. Mifampiresaka foana izahay, ary miara-miasa.” Na ahoana na ahoana, ny zava-dehibe dia ny fahaizanareo miara-miasa.

ANDRAMO IZAO: Fantaro izay manavanana sy manavia anao sy ny vadinao, ka iaraho midinika hoe iza no hanao an’izao na izao. Diniho indray ilay izy rehefa afaka volana vitsivitsy, ka aoka ho vonona hanao fanitsiana ianareo. Ho tianareo angamba indraindray ny hampifamadika ny andraikitrareo, mba hahatonga anao hankasitraka ny ataon’ny vadinao, toy ny fandoavana faktiora na fiantsenana.

Ny tena ao ambadiky ny resaka vola

Tsy voatery hampihena ny fitiavana ny resaka vola. Nahatsapa ny fahamarinan’izany i Nivo, dimy taona nanambadiana. Hoy izy: “Nianatra niresaka tamim-pahatsorana momba ny vola izahay mivady. Mahay miara-miasa izahay izao, ary vao mainka mifankatia.”

Rehefa miara-midinika ny fomba hitantanana ny vola ny mpivady, dia mitovy ny zavatra antenainy sy ny nofinofiny. Hita amin’izany koa fa te hampaharitra ny fanambadiany izy. Manaja ny hevitry ny vadinao sy ny fihetseham-pony ianao, raha manontany azy aloha vao mandany vola misimisy. Asehonao fa matoky ny vadinao ianao, raha avelanao handany vola hatramin’ny fetra nifanarahana izy nefa tsy voatery hiera aminao. Ireo no antoky ny tena fifankatiavana. Azo antoka fa mbola zava-dehibe noho ny vola ny fifankatiavan’ny mpivady. Tena tokony hampiady àry ve ny vola?

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

^ feh. 7 Milaza ny Baiboly fa “ny lehilahy no lohan’ny vadiny.” Ny lehilahy àry no tena tompon’andraikitra ny amin’ny hampiasana ny vola ao an-tokantrano. Tokony ho hita amin’ny fomba hitondrany ny vadiny anefa fa be fitiavana sy tsy tia tena izy.—Efesianina 5:23, 25.

ERITRERETO IZAO:

  • Oviana no farany niresahanay mivady momba ny vola ka samy tony izahay?
  • Inona no azoko lazaina na atao mba hampisehoako fa ankasitrahako ny vadiko satria manampy anay mianakavy amin’ny fivelomana?

Fanampim-panazavana

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

Tian’i Jehovah ho sambatra ny fianakaviana. Jereo ato ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny mpivady, ray aman-dreny, ary zanaka.