Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA 2008-05-01

 Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Famahana Olana

Famahana Olana

Hoy rangahy: “Fa lasa aiza ny ankizy?”

Hoy ramatoa: “Lasa nandeha nividy akanjo ry zareo.”

Hoy rangahy: [Sosotra ka mampiaka-peo] “Nividy akanjo ahoana? Tsy vao tamin’ny iray volana ve ry zareo no nividy?”

Hoy ramatoa: [Malahelo sy mahatsiaro ho nomena tsiny, ka miaro tena] “Ka misy varo-boba ange e! Sady efa nanontany ahy ry zareo, dia navelako handeha.”

Hoy rangahy: [Misafoaka sady miteny mafy] “Tena tsy tiako mihitsy rehefa mandany vola ry zareo, nefa tsy miera amiko! Nahoana raha mba miteny amiko, fa tsy maimaika hanapa-kevitra hoatr’izany?”

INONA no olana mila vahan’izy mivady ireo, araka ny hevitrao? Hita fa sarotra amin’ilay rangahy ny mifehy ny hatezerany. Toa tsy mitovy hevitra izy mivady momba izay azon’ny zanany atao. Toa manana olana momba ny fifampiresahana koa izy ireo.

Tsy misy fanambadiana tonga lafatra. Hahita olana avokoa ny mpivady. Tsy maintsy mianatra mamaha izany izy ireo, na kely ilay olana na lehibe. Nahoana?

Satria ho lasa toy ny bara vy misakana ny fifampiresahana ny olana, raha tsy voavaha. Nilaza i Solomona mpanjaka hendry fa ‘tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka ny fifandirana’ sasany. (Ohabolana 18:19) Inona àry no azonao atao mba ho afaka hifampiresaka tsara kokoa ianareo mivady, rehefa misy ny olana?

Mampandeha tsara ny fanambadiana ny fifampiresahana, toy ny ra izay manome aina ny vatana. Tena ilaina anefa ny fitiavana sy ny fanajana mba hahafahan’ny mpivady hifampiresaka tsara, toy ny fo sy ny havokavoka izay ilaina mba hampikoriana tsara ny ra. (Efesianina 5:33) Ny fitiavana dia hahatonga ny mpivady hifantoka amin’ny famahana ny olana atrehiny, fa tsy amin’ny fahadisoana natao tamin’ny lasa sy ny ratram-po naterak’izany. (1 Korintianina 13:4, 5; 1 Petera 4:8) Mamela ny vadiny hiresaka amin-kalalahana ny mpivady mifanaja, ary miezaka hahatakatra izay tiana hambara, fa tsy mihaino fotsiny.

Fomba efatra hamahana olana

Diniho izay voalaza eto ambany, ary mariho fa afaka manampy anao mba hamaha olana amim-pitiavana sy amim-panajana ny toro lalan’ny Baiboly.

1. Manokàna fotoana hiresahana momba ilay olana.

“Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy ... ao ny andro anginana, ary ao ny  andro itenenana.” (Mpitoriteny 3:1, 7) Mety hahatezitra na hampalahelo mafy ny olana sasany, araka ny hita amin’ilay fifamaliana voaresaka etsy aloha. Izao atao raha mitranga izany: Mahaiza mifehy tena ka ajanòny aloha ilay resaka mba hisian’ny ‘fahanginana’, dieny mbola tsy misy misafoaka. Hiaro ny fifandraisanareo tsy ho simba be ianareo, raha manaraka ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky toha-drano; koa ajanòny izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.”—Ohabolana 17:14, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Ao koa anefa ny “andro itenenana.” Mitombo haingana toy ny ahidratsy mantsy ny olana, rehefa tsy raharahaina. Aza odiana tsy hita àry ilay izy, na heverina fa hiravona fotsiny amin’izao. Raha najanonao ny resaka nifanaovanareo momba ny olana iray, dia mifidiana fotoana mba hiresahana an’ilay izy indray, tsy ela aorian’izay. Ho fanajana ny vadinao izany, sady hanampy anareo hampihatra ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesianina 4:26) Mazava ho azy fa mila mitana ny teny nataonao ianao, ka hiresaka momba ilay olana rehefa tonga ny fotoana.

ANDRAMO IZAO: Manokàna fotoana isan-kerinandro mba hiresahana ny olana ao an-tokantranonareo. Mora mifanditra kokoa ny olona amin’ny fotoana sasany, ohatra hoe rehefa tonga avy miasa, na rehefa noana. Raha toy izany koa ianareo, dia mifanaraha mba tsy hiresaka olana amin’ireny fotoana ireny. Mifidiana kosa fotoana tsy dia mahasorena anareo.

2. Lazao amim-pahatsorana sy amim-panajana ny hevitrao.

Hoy ny Efesianina 4:25: “Milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.” Ny vadinao no namanao akaiky indrindra. Lazao aminy mazava tsara sy amim-pahatsorana àry ny fihetseham-ponao. Hoy i Mamisoa, * izay efa 26 taona nanambadiana: “Nanantena aho tamin’izahay vao nivady, fa tonga dia hahatakatra ny fihetseham-poko ny vadiko, rehefa misy olana mipoitra. Hitako anefa fa tsy afaka nanantena an’izany aho. Miezaka manazava tsara ny hevitro sy ny fihetseham-poko aho izao.”

Tadidio fa ny hampahafantatra ny hevitrao fotsiny no tanjonao rehefa miresaka olana, fa tsy ny handresy fahavalo. Mba hahavitana tsara an’izany, dia lazao hoe inona ilay heverinao fa olana, ary oviana ilay izy no nitranga. Hazavao koa hoe inona no vokany eo aminao. Raha mahasosotra anao, ohatra, ny korontana ataon’ny vadinao, dia afaka milaza amim-panajana ianao hoe: “Rehefa avelanao eny amin’ny tany eny ny akanjonao [olana] rehefa avy miasa ianao [oviana], dia lasa mieritreritra aho hoe angamba ianao tsy mankasitraka ny ezaka ataoko mba hikarakarana ny tranontsika [vokany].” Lazao aminy amin-katsaram-panahy avy eo izay vahaolana eritreretinao.

ANDRAMO IZAO: Soraty izay heverinao fa olana, sy ny vahaolana eritreretinao. Amin’izay dia hazava tsara ao an-tsainao ny hevitra tianao holazaina, rehefa hiresaka amin’ny vadinao ianao.

3. Mihainoa tsara, ary fantaro ny fihetseham-pon’ny vadinao.

Nanoratra i Jakoba mpianatra, fa tokony ho “mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, [ary] tsy ho mora tezitra” ny Kristianina. (Jakoba 1:19) Ny tena mampalahelo ny olona manambady, dia ny mahatsapa fa tsy azon’ny vadiny ny heviny sy ny fihetseham-pony momba ny olana iray. Ataovy àry izay tsy hahatonga ny vadinao hieritreritra toy izany!—Matio 7:12.

Hoy i Vahatra, izay efa 35 taona nanambadiana: “Mitebiteby aho rehefa misy olana resahinay, indrindra rehefa mihevitra aho fa tsy mahatakatra ny fomba fihevitro ny vadiko.” Niaiky toy izao i Dina, izay efa 20 taona nanambadiana: “Mitaraina matetika amin’ny vadiko aho hoe tsy tena mihaino ahy izy, rehefa misy olana resahinay.” Ahoana no andresena io olana io?

Aza tonga dia mihevitra hoe fantatrao ny hevitry ny vadinao sy ny fihetseham-pony. Hoy ny  Tenin’Andriamanitra: “Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” (Ohabolana 18:13) Anehoy fanajana ny vadinao, ka avelao izy hilaza ny heviny, ary aza tapahina ny teniny. Mba hahazoana antoka fa azonao izay nolazainy, dia avereno aminy amin’ny fomba hafa ny zavatra renao. Aza tezitra na maneso anefa. Raha diso fandray ny zavatra nolazainy ianao, dia avelao izy hanitsy izany. Aza mibodo resaka, fa mifandimbiasa mihaino na miteny. Aza mitsahatra manao izany, raha tsy efa samy manaiky hoe mahatakatra ny hevitra sy ny fihetseham-pon’ny andaniny avy ianareo.

Marina fa ilaina ny fanetren-tena sy ny faharetana, mba hihainoana tsara ny vadinao sy hahatakarana ny heviny. Raha ianao anefa no voalohany manome voninahitra azy toy izany, dia ho vonona hanome voninahitra anao koa izy.—Matio 7:2; Romanina 12:10.

ANDRAMO IZAO: Rehefa mamerina ny fanazavana nomen’ny vadinao ianao, dia aza mamerina fotsiny ny teniny. Miezaha kosa hilaza amin-katsaram-panahy hoe ahoana no fahazoanao ny teniny sy ny fihetseham-pony.—1 Petera 3:8.

4. Mitadiava vahaolana ekenareo.

Hoy ny Mpitoriteny 4:9, 10: “Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany. Raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.” Vitsy ihany ny olana azon’ny mpivady vahana, raha toa ka tsy miara-miasa sy tsy mifanohana izy ireo.

Marina fa ny lehilahy no notendren’i Jehovah ho loham-pianakaviana. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 5:23) Tsy midika anefa izany hoe manana zo hanao jadona izy. Tsy manapa-kevitra samirery ny lehilahy hendry. Hoy i Davida, izay efa 20 taona nanambadiana: “Miezaka mitady marimaritra iraisana amin’ny vadiko aho, ary fanapahan-kevitra ho azonay mivady tanterahina no raisiko.” Hoy koa i Tanya, izay efa fito taona nanambadiana: “Ilay izy tsy hoe iza no diso ary iza no marina. Misy hevitra samy hafa fotsiny indraindray mahakasika ny fomba hamahana ny olana. Hitako fa ny fandeferana sy ny fahaiza-mandanjalanja no ahitana fahombiazana.”

ANDRAMO IZAO: Mba hahafahanareo hiara-miasa, dia samia manoratra vahaolana betsaka araka izay hitanareo. Rehefa tsy mahita intsony ianareo, dia iaraho midinika ireo vahaolana ireo, ary izay ekenareo mivady no ampiharo. Avy eo dia mifidiana fotoana amin’ny hoavy tsy ho ela, mba hijerena raha narahina ilay fanapahan-kevitra, ary koa raha nahomby ilay izy na tsia.

Miaraha miasa, fa aza samy maka ho azy

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny zioga ny fanambadiana. (Matio 19:6) Ny zioga dia hazo natao hampiraisana biby roa, mba hahafahany hiara-manatontosa asa iray. Rehefa tsy miara-miasa izy ireo dia tsy mahavita zavatra firy, sady mankarary ny vozony ilay zioga. Afaka mitarika enta-mavesatra na miasa tany kosa izy ireo, rehefa miara-miasa.

Toy izany koa fa mety hahasorena ny mpivady ny ziogan’ny fanambadiana, raha tsy mahay miara-miasa izy ireo. Raha miezaka mifanampy kosa izy ireo, dia saika ny olana rehetra no ho voavahany, sady betsaka ny zavatra tsara ho vitany. Niresaka momba izany i Kiady, lehilahy manana tokantrano sambatra. Hoy izy: “Efa 25 taona izao izahay mivady no nahavita namaha ny olana mahazo anay, satria nifampiresaka tamim-pahatsorana, nahay niombom-pihetseham-po, nangataka fanampiana tamin’i Jehovah, ary nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.” Nahoana raha manao toy izany koa?

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no olana tena tiako horesahina amin’ny vadiko?

  • Ahoana no ahafahako mahazo tsara ny tena fihetseham-pony momba ilay izy?

  • Inona no olana mety hipoitra, raha manizingizina foana aho fa ny hevitro no tsy maintsy arahina?

^ feh. 17 Novana ny anarana sasany.

 

Fanampim-panazavana

Miantehera Amin’Andriamanitra

Misy fanontaniana tsotra anankiroa ato hanampy anao hanatsara ny fanambadianao.