Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Daholo ve ny Fivavahana Rehetra?

Tsara Daholo ve ny Fivavahana Rehetra?

MARO be ny fivavahana ankehitriny. Hita tamin’ny fanadihadiana vao haingana fa misy fivavahana lehibe 19 sy fivavahana madinika 10 000 eo ho eo eran-tany. Maro noho ny hatramin’izay ny fivavahana azo isafidianana. Zava-dehibe àry ve ny fivavahana fidinao?

Misy milaza hoe toy ny lalana samihafa mankany an-tampon’ny tendrombohitra iray ny fivavahana, ka tsy mampaninona izay handehananao, satria samy tonga any daholo. Mihevitra ireny olona ireny fa iray ihany ny Andriamanitra, ka ahafahana manatona azy daholo ny fivavahana rehetra.

Lalana samihafa ahafahana manatona an’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?

Inona no nolazain’i Jesosy Kristy momba izany? Anisan’ny mpampianatra nohajaina indrindra mantsy izy, teo amin’ny resaka fivavahana. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo.” Nahoana? “Fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”—Matio 7:13, 14, Fandikan-teny Protestanta.

Tena nilaza ve i Jesosy fa misy fivavahana “mankany amin’ny fahaverezana”? Sa nilaza izy hoe izay tsy mino an’Andriamanitra ihany no eo amin’ilay lalana malalaka, fa izay mpino kosa eo amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana, na inona na inona fivavahany?

Rehefa avy nilaza i Jesosy fa tsy misy afa-tsy lalana roa, dia hoy izy: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.” (Matio 7:15, Prot.) Hoy izy avy eo: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Matio 7:21, Fandikan-teny Katolika) Mpivavaka ny olona iray fa tsy hoe tsy mpino, matoa lazaina hoe mpaminany, na miantso an’i Jesosy hoe “Tompo.” Mazava àry ny fampitandreman’i Jesosy: Tsy voatery ho tsara ny fivavahana rehetra, ary tsy izay rehetra mampianatra eo anivon’ny fivavahana no azo itokisana.

Azo atao ve ny mahita an’ilay lalana tery?

Toy ny sarintany ny Baiboly, ka afaka manampy ny olona hahita ny lalana mety, izany hoe ny fivavahana tsara

Tsy lalana samihafa ahafahana manatona an’Andriamanitra ny fivavahana rehetra. Ahoana àry no ahitana an’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana, ao anatin’ireo fivavahana an’arivony ireo? Aoka atao hoe very ao amin’ny tanàn-dehibe iray ianao, ka manontany olona. Manizingizina ny olona iray fa tokony hiantsinanana ianao. Ny iray indray mampirisika anao hiankandrefana. Ny iray kosa milaza fa tsy mampaninona izay lalana hitanao hoe mety. Farany, dia misy olona iray mamoaka sarintany marina tsara, ary manoro anao ny lalana tena izy. Omeny anao ilay sarintany avy eo, mba hojerenao eny an-dalana. Tsy matoky kokoa ve ianao amin’izay hoe ho tonga any amin’ilay toerana halehanao?

Mila sarintany an’ohatra koa isika rehefa hifidy ny fivavahana tena mety. Inona izany “sarintany” izany? Ny Baiboly. Izao tokoa no voalazan’izy io: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.”—2 Timoty 3:16, Prot.

Angamba manana Baiboly amin’ny fiteninao ianao. Azonao ampiasaina ho toy ny sarintany izany mba hitari-dalana anao hahita an’izay fivavahana tsara. Mamoaka Baiboly marina tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mpampanonta an’ity gazety ity. Tsy inona izany fa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Raha tsy Vavolombelon’i Jehovah anefa ianao, dia mety ho tianao ny hampiasa Baiboly hafa, eo am-pandinihana hoe tsara sa tsia ny fivavahana iray. Baiboly fampiasan’ny fivavahana samihafa àry no ampiasaina ato amin’ity lahatsoratra ity sy ireo lahatsoratra telo manaraka.

Ampitahao amin’izay lazain’ny Baiboly ny zavatra fantatrao, rehefa mamaky an’ireo lahatsoratra manaraka ianao. Tadidio foana koa izay nolazain’i Jesosy mahakasika ny fomba hamantarana hoe tsara sa tsia ny fivavahana iray. Hoy mantsy izy: “Ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.” (Matio 7:17, 18, Kat.) Andeha isika handinika ny telo amin’ireo voa tsara lazain’ny Baiboly hoe ahafantarana ny “hazo tsara.”