Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mitantam-bola

Mahaiza Mitantam-bola

Mahaiza Mitantam-bola

MILAZA ny 1 Timoty 6:10 fa ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra.’ Misy tokoa ny olona tia vola ka tsy manao afa-tsy izay hahazoam-bola be. Efa tafahoatra mihitsy aza ny an’ny sasany, ka mahita faisana izy avy eo. Mahasoa antsika anefa ny vola raha haintsika ny mitantana azy. Na ny Baiboly aza milaza fa “mahavaha olana maro ny vola.”—Mpitoriteny 10:19, Baiboly Masina—Dikan-teny Mora Vakina (anglisy).

Tsy mpanoro hevitra momba ny vola ny Baiboly, nefa misy torohevitra hanampy anao hahay hitantam-bola ao. Ireto misy soso-kevitra dimy fanomen’ny mpanolo-tsaina momba ny vola. Mifanaraka amin’ny torohevitry ny Baiboly izy ireto.

Manaova tahiry. Nampianarina ny Israelita fa ilaina ny manao tahiry. Nasaina nitahiry ny ampahafolon’ny fananany izy ireo isan-taona, mba hampiasaina amin’ny fety. (Deoteronomia 14:22-27) Nampirisika ny Kristianina voalohany ny apostoly Paoly, mba hanokana vola isan-kerinandro hanampiana ny mpiray finoana nahantra. (1 Korintianina 16:1, 2) Mampirisika ny olona hanao tahiry koa ankehitriny ny mpanolo-tsaina momba ny vola. Manaova àry tahiry. Raha vao mandray karama ianao, dia atero any amin’ny banky na toerana hafa izay vola tianao hatao tahiry. Tsy halaim-panahy haka an’ilay izy ianao amin’izay.

Tsinjarao ny volanao. Tena hevitra mety io. Raha voatsinjaranao tsara mantsy ny volanao, dia ho hainao hoe mankaiza avy ilay izy. Hahay hitsitsy koa ianao, ka ho afaka hanao tahiry. Fantaro foana hoe ohatrinona ny vola miditra aminao, ary aza lanina daholo. Alohan’ny hividianan-javatra, dia mieritrereta raha tena ilainao ilay izy na tsia. Nampirisika ny mpihaino azy i Jesosy mba ‘hanao kajy an’izay ho lany.’ (Lioka 14:28) Manoro hevitra antsika koa ny Baiboly mba tsy hitrosa raha tsy tena ilaina.—Ohabolana 22:7.

Tsinjovy ny hoavy. Mahaiza mitsinjo ny vodiandro ho merika. Raha te hindram-bola hividianana trano, ohatra, ianao, dia aleo tsy mindrana vola be, mba ho kelikely ny zana-bola haloanao. Tsara koa ny raim-pianakaviana raha manao fifanekem-piantohana (assurance), mba hitsinjovana ny ankohonany raha sanatria misy aretina na voina. Tsinjovy dieny izao koa hoe inona no hivelomanao rahatrizay tsy miasa intsony ianao. Hoy ny Ohabolana 21:5: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”

Mianara. Aza variana mitady vola fa mianara zavatra hafa. Mianara koa mitandrina fahasalamana sy manamboatra saina. Tena hahasoa anao izany. Mianara foana na dia efa be taona aza. Milaza ny Baiboly fa tena ilaina ny “fahendrena sy ny fahaiza-misaina”, ka tokony hiezaka hanana an’ireo foana isika.—Ohabolana 3:21, 22; Mpitoriteny 10:10.

Mahaiza mianina. Hita tamin’ny fanadihadiana maro, fa ny olona miaraka matetika amin’ny fianakaviany sy ny namany no sambatra kokoa, noho ny olona variana mitady vola. Mampalahelo fa tia vola loatra ny olona sasany, ka tsy mahay mandanjalanja intsony. Efa manana izay ilainy mantsy izy, nefa mbola tsy ampy azy izany. Misy zavatra hafa tena ilaintsika ve anefa ankoatra ny sakafo sy fitafiana ary trano? Tsia. Izany no mahatonga ny Baiboly hiteny hoe: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Mahaiza àry mianina. Tsy ho lasa tia vola ianao amin’izay, ka tsy ho tototry ny olana.

Tena fototry ny karazan-javatra ratsy maro ny fitiavam-bola. Ho variana loatra mitady vola ianao raha tsy mitandrina. Raha mahay mianina kosa ianao, ka mitantana tsara izay anananao, dia hanam-potoana hanaovan-javatra mahasoa kokoa. Ho afaka hifandray tsara amin’ny fianakavianao sy ny namanao ary Andriamanitra ianao. Marina fa mety mbola ho sahiran-tsaina amin’ny vola ihany ianao indraindray. Hitohy mandrakizay ve anefa izany? Ary mbola ho foana ihany ve ny fahantrana? Vakio ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Fantaro foana hoe ohatrinona ny vola miditra aminao, ary aza lanina daholo

[Teny notsongaina, pejy 5]

Alohan’ny hividianan-javatra, dia mieritrereta raha tena ilainao ilay izy na tsia

[Teny notsongaina, pejy 6]

Misy zavatra hafa tena ilaintsika ve ankoatra ny sakafo sy fitafiana ary trano? Tsia

[Efajoro/Sary, pejy 7]

AMPIANARO HITANTAM-BOLA NY ZANAKAO

Maro be izao ny olona sahirana ara-bola, ka mampirisika ny ray aman-dreny ny manam-pahaizana mba hampianatra ny ankizy hitantam-bola, dieny mbola kely izy ireo. Anontanio ange ny ankizy hoe ahoana no ahazoana vola e! Hamaly ny ankamaroany hoe: “Mangataka amin’i Dada fotsiny”, na hoe: “Mankany amin’ny banky fotsiny.” Tsara ampianarinao azy anefa fa tsy voatery hisy vola azo ampiasaina foana, ka tsy mety raha vidina daholo izay tiana. Ampianaro hitsitsy sy hanao tahiry koa izy. Tsy ho bokan-trosa izy amin’izay any aoriana any, ka hilamin-tsaina. Tsy voatery hiasa mafy koa izy mba handoavana trosa. Ireto misy soso-kevitra hanampy anao:

1. Aoka ianao ho modely. Tsy izay lazainao loatra no arahin’ny ankizy, fa izay ataonao.

2. Fero ny vola holanina rehefa hividy zavatra. Lazao hoe ohatrinona ny vola azonareo lanina. Miezaha avy eo mitana ny teninao.

3. Avelao izy hianatra hitantam-bola. Mahazo vola aminao ve izy, sa efa mikarama? Atoroy azy ny fomba fitantanam-bola. Avelao izy avy eo hianatra hanao izany.

4. Ampianaro halala-tanana izy. Ampirisiho ho tia mizara izy, ary indrindra hanokana vola tsy tapaka ho an’Andriamanitra.