Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toerana Iarovana Biby sy Zavamaniry

Toerana Iarovana Biby sy Zavamaniry

Toerana Iarovana Biby sy Zavamaniry

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

VAO mainka tandindomin-doza izao ny biby sy zavamaniry eran-tany. Misy mpahay siansa milaza fa biby sy zavamaniry an’arivony no lany tamingana, isan-taona. Soa ihany fa eo ireo tandavan-tendrombohitra, izay iarovana biby sy zavamaniry maro. Mbola tandindomin-doza ihany anefa ny zavaboary any amin’ireny toerana ireny, noho ny fandotoana sy ny zavatra ataon-dRaolombelona. Izany no hita any Eoropa, izay anisan’ny faritra be mponina indrindra eto an-tany.

Manasaraka an’i Frantsa amin’i Espaina ny tandavan-tendrombohitra Pyrénées. Misy valan-javaboary maromaro ao, ary any no iarovana an’ireo biby sy zavamaniry fahita any an-toerana. Maro no mitsidika azy ireny, satria te hahita an’ireo zavaboary atahorana ho lany tamingana. Andeha hojerentsika ny sasany amin’ireny biby sy zavamaniry ireny.

Biby sy zavamaniry atahorana ho lany tamingana

Voninkazo. Eny an-tendrombohitra (any amin’ny 1 500 metatra) no anirian’ny sasany amin’ny voninkazo tsara tarehy indrindra, anisan’izany ny voninkazo gentiane (1) miaraka amin’ireo felany toy ny lakolosy kely mangamanga. Maniry miaraka amin’ny hazo eny ambanimbany amin’ilay tehezan-tendrombohitra kosa ireo orkide atao hoe sabot de Vénus (2). An-jatony amin’ireo mpitia zavaboary no mitsidika an’io toerana io, isan-taona. Ambenana mandritra ny adiny 14 isan’andro àry ilay toerana, sao misy manimba na manongotra ireo voninkazo sarobidy ireo.

Lolo. Toerana ialokalofan’ny lolo mareva-doko koa ilay tandavan-tendrombohitra feno ahi-maitso sy voninkazodia. Manidintsidina eny akaikin’ny voninkazo be tsilo eny ny lolo lehibe atao hoe apollon (3), izay misy pentimpentina mena midorehitra. Eny amin’ireo voninkazo madinika kosa no falehan’ireo lolo mangamanga sy ireo mivolombarahina (4). Tonga hatreny amin’ireo tehezan-tendrombohitra avo kokoa ny karazana lolo hafa.

Biby. Nikarenjy tany amin’ny faritra maro nanerana an’i Eoropa ny karazana biby vaventy mampinono, fahiny. Nohazain’ny olona anefa izy ireny, ary efa ho lany tamingana ny sasany. Any amin’ny farany avaratr’i Eoropa, na any amin’ny tandavan-tendrombohitra vitsivitsy ihany sisa no ahitana amboadia, orsa, sakadia (5), ombidia, ary osidia (6). Feno bibidia tokoa ireny tendrombohitra ireny fahiny, ary mampahatsiahy an’izany ny fahitana an’ireo biby tsara tarehy ao amin’ireo tahirin-javaboarin’i Pyrénées. Asa raha mba ho voaro ihany ireo biby ireo, na ho lany tamingana koa. Manahy ny amin’izany ny mpitsidika sasany.

Afaka matoky anefa isika fa miahy an’ireo bibidia fahita any an-tendrombohitra i Jehovah, ilay Mpamorona. “Azy [mantsy] ny tampon-tendrombohitra.” (Salamo 95:4) Izao no lazainy ao amin’ny salamo iray: “Ahy ny bibidia rehetra any an’ala, sy ny biby eny amin’ireo tendrombohitra arivo. Fantatro tsara ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra.” (Salamo 50:10, 11) Mikarakara ny tany sy ny zavaboary eo aminy i Jehovah, ka azontsika antoka fa tsy havelany ho lany tamingana ireo biby monina eny an-tendrombohitra.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16, 17]

1 Gentiane

2 Sabot de Vénus

3 Lolo apollon

4 Lolo mivolombarahina

5 Sakadia

6 Osidia

[Sary nahazoan-dalana]

La Cuniacha