Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanota Tamin’ny Fanahy Masina ve Ianao?

Nanota Tamin’ny Fanahy Masina ve Ianao?

Nanota Tamin’ny Fanahy Masina ve Ianao?

“Misy ota mahafaty.”—1 JAONA 5:16.

1, 2. Inona no manaporofo fa mety hanota amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Kristianina?

HOY ny vehivavy kristianina iray, any Alemaina: “Nieritreritra foana aho hoe nanota tamin’ny fanahy masina, ary nampiady saina ahy izany.” Mety hanota amin’io hery ampiasain’Andriamanitra io tokoa ve ny Kristianina iray?

2 Mety hitranga izany. Hoy mantsy i Jesosy Kristy: “Hahazoan’ny olona famelan-keloka ny karazana fahotana rehetra sy izay rehetra mety ho fanevatevana an’Andriamanitra, fa tsy hahazoana famelan-keloka kosa ny fanevatevana ny fanahy masina.” (Matio 12:31) Hoy koa ny Baiboly: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana fanamelohana kosa.” (Hebreo 10:26, 27) Nilaza koa ny apostoly Jaona hoe: “Misy ota mahafaty.” (1 Jaona 5:16) Iza anefa no mamaritra raha “ota mahafaty” no nataon’ny olona iray na tsia? Ilay nanao fahotana lehibe ve?

Ahazoana famelan-keloka ny fibebahana

3. Mety hanenina mafy noho ny fahotana nataontsika isika. Inona no mety ho dikan’izany?

3 I Jehovah no Mpitsara fara tampony, ary manao ny rariny foana izy. Tsy maintsy hampamoahina eo anatrehany isika rehetra. (Genesisy 18:25; Romanina 14:12) Izy no mamaritra raha tsy ahazoana famelan-keloka ny fahotana nataontsika. Izy irery koa no afaka manala ny fanahiny amintsika. (Salamo 51:11) Raha manenina mafy noho ny fahotana nataontsika anefa isika, dia mety hidika izany fa tena nibebaka isika. Inona anefa no atao hoe tena mibebaka?

4. a) Inona no atao hoe mibebaka? b) Nahoana ny Salamo 103:10-14 no tena mampahery?

4 Mibebaka ny olona iray, raha manenina noho ny ratsy nokasainy hatao na efa nataony, ary tsy manao izany intsony. Tena hampahery an’ireo olona nibebaka ity tenin’ny mpanao salamo ity: “Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika [i Jehovah], na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.”—Salamo 103:10-14.

5, 6. Inona no hevi-dehibe ao amin’ny 1 Jaona 3:19-22, ary inona no tian’i Jaona holazaina?

5 Mampahery koa ity tenin’ny apostoly Jaona ity: “Izao no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, ary izao no hanomezantsika toky ny fontsika eo anatrehany ny amin’izay rehetra mety hanamelohan’izy io antsika: Lehibe noho ny fontsika mantsy Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra. Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia afaka miteny amin’Andriamanitra amim-pieritreretana madio isika. Koa na inona na inona angatahintsika dia raisintsika avy aminy izany, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.”—1 Jaona 3:19-22.

6 Fantatsika fa “avy amin’ny marina isika”, satria tia an’ireo rahalahy ary tsy zatra manota. (Salamo 119:11) Raha mahatsiaro ho meloka isika, dia tokony hitadidy fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ Mamindra fo amintsika izy, satria fantany fa manana “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy” isika, sady miezaka manao ny sitrapony, ary miady mafy mba tsy hanota. (1 Petera 1:22) ‘Tsy hanameloka antsika ny fontsika’ raha matoky an’i Jehovah isika, sady tia an’ireo rahalahy, ary tsy manota an-tsitrapo. Ho afaka hiresaka “amin’Andriamanitra amim-pieritreretana madio” isika, ary hamaly antsika izy satria mitandrina ny didiny isika.

Olona nanota tamin’ny fanahy masina

7. Inona no jeren’i Jehovah rehefa hamela heloka izy?

7 Inona no fahotana tsy ahazoana famelan-keloka? Andeha isika handinika ohatra ara-baiboly mba hamaliana izany. Tokony hampahery antsika ireo ohatra ireo, raha efa nibebaka isika nefa mbola malahelo ihany. Ho hitantsika fa tsy dia ilay fahotana natao loatra no tena jeren’i Jehovah rehefa hamela heloka izy. Jereny koa ny toe-pon’ilay olona sy ny antony nanaovany an’ilay fahotana, ary ny hoe niniana natao ve ilay izy sa tsia.

8. Nahoana ny mpitondra fivavahana jiosy sasany, no lazaina fa nanota tamin’ny fanahy masina?

8 Nanota tamin’ny fanahy masina ireo mpitondra fivavahana jiosy nanohitra an’i Jesosy Kristy. Fantatr’izy ireo fa ny fanahy masin’Andriamanitra no nahafahan’i Jesosy nanao fahagagana manome voninahitra an’i Jehovah. Nilaza anefa ireo fahavalon’i Kristy ireo fa avy amin’ny herin’i Satana Devoly izany. Nilaza i Jesosy fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona manevateva ny fanahy masina toy izany, “na eto amin’ity tontolo ity na any amin’ilay ho avy.”—Matio 12:22-32.

9. Inona no atao hoe manevateva, ary inona no nolazain’i Jesosy momba izany?

9 Ny hoe manevateva dia manaratsy, manala baraka, na manao teny mandratra. Manohitra an’i Jehovah izay manohitra ny fanahy masina, satria avy aminy io hery io. Tsy hahazo famelan-keloka izay manevateva ny fanahy masina nefa tsy mibebaka. Hita tamin’ny tenin’i Jesosy voalaza teo ambony, fa ireo minia manohitra ny fiasan’ny fanahy masina no tiany horesahina. Nanevateva ny fanahy masina ireo mpanohitra an’i Jesosy, satria ny fanahin’i Jehovah no nanome hery azy, nefa nolazain’izy ireo fa avy amin’ny Devoly izany. Hoy àry i Jesosy: ‘Na iza na iza manevateva ny fanahy masina, dia tsy hahazo famelan-keloka mihitsy na rahoviana na rahoviana, fa meloka noho ny ota mandrakizay izy.’—Marka 3:20-29.

10. Nahoana i Jodasy no nantsoin’i Jesosy hoe “zanaky ny fandringanana”?

10 Diniho koa izay nataon’i Jodasy Iskariota. Lasa tsy mendri-pitokisana intsony izy. Nangalarany ny tahiry tao amin’ny boatim-bola nasaina notazoniny. (Jaona 12:5, 6) Nankany amin’ireo mpitondra jiosy izy tatỳ aoriana, ary nilaza fa hatolony azy ireo i Jesosy raha omena farantsa volafotsy 30 izy. Nanenina i Jodasy rehefa avy namadika an’i Jesosy, kanefa tsy nibebaka mihitsy izy. Tsy mendrika ny hatsangana amin’ny maty àry i Jodasy, ka nantsoin’i Jesosy hoe “zanaky ny fandringanana.”—Jaona 17:12; Matio 26:14-16.

Olona tsy nanota tamin’ny fanahy masina

11-13. Inona no fahotana nataon’i Davida Mpanjaka? Inona no fampaherezana azontsika, rehefa dinihina ny fomba nandaminan’Andriamanitra an’ilay raharaha?

11 Mbola malahelo noho ny fahotana vitany ny Kristianina sasany, na dia efa nibebaka sy nahazo fanampiana avy tamin’ny anti-panahin’ny fiangonana aza. (Jakoba 5:14) Raha manjo anao koa izany, dia azo inoana fa hampahery anao ny tantaran’ireo olona nahazo famelan-keloka, voalaza ao amin’ny Soratra Masina.

12 Nanao fahotana lehibe i Davida Mpanjaka. Hitany nandro i Batseba, vadin’i Oria. Nasainy nentina tao an-dapa io vehivavy tsara tarehy io, ary nanao firaisana taminy izy. Rehefa reny fa bevohoka i Batseba, dia nanao tetika hanarontsaronana ny fahotany izy. Nataony izay hanaovan’i Oria firaisana tamin’i Batseba. Tsy nahomby anefa izany, ka nataony izay hahafaty an’i Oria tany an’ady. Nalainy ho vady i Batseba avy eo ary niteraka zazalahy, saingy maty ilay zaza.—2 Samoela 11:1-27.

13 Nalamin’i Jehovah ilay raharaha. Navelany ny helok’i Davida satria nibebaka izy. Tsaroan’Andriamanitra koa angamba ny fifanekena momba ilay Fanjakana, nataony tamin’i Davida. (2 Samoela 7:11-16; 12:7-14) Tsy maintsy ho nibebaka koa i Batseba matoa lasa renin’i Solomona Mpanjaka sady razamben’i Jesosy Kristy. (Matio 1:1, 6, 16) Raha nanota ianao ka nibebaka, dia tadidio fa voamarik’i Jehovah ny fiovana nataonao.

14. Nahoana ny tantaran’i Manase no manaporofo fa tena mamela heloka i Jehovah?

14 Tena mamela heloka i Jehovah, rehefa jerena ny tantaran’i Manase, mpanjakan’ny Joda. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Manase. Nanao alitara ho an’i Bala izy, ary nivavaka tamin’ireo zavatra “eny amin’ny lanitra.” Nanorina alitara ho an’ny andriamani-diso izy, teo amin’ny tokotany roa ivelan’ny tempoly. Nandoro ny zanany tao anaty afo izy, nampiroborobo ny asan’ny maizina, ary nampirisika ny mponin’i Joda sy Jerosalema “hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely.” Tsy nisy niraharaha koa ny fampitandreman’ny mpaminanin’Andriamanitra. Nentin’ny mpanjakan’i Asyria ho babo i Manase, tatỳ aoriana. Nibebaka sy nanetry tena izy tany, ary nivavaka tamin’Andriamanitra foana. Namela ny helony i Jehovah ary namerina azy ho mpanjaka tany Jerosalema indray. Nampandroso ny fivavahana marina izy nony tonga tany.—2 Tantara 33:2-17.

15. Nahoana ny zava-nitranga tamin’ny apostoly Petera no manaporofo fa tena mamela heloka i Jehovah?

15 Nanao fahotana lehibe koa ny apostoly Petera satria nanda an’i Jesosy. (Marka 14:30, 66-72) Tena nibebaka anefa izy ka navelan’i Jehovah ny helony. (Isaia 55:7; Lioka 22:62) Niharihary izany tamin’ny andro Pentekosta, izany hoe 50 andro tatỳ aoriana. Nomen’i Jehovah tombontsoa hitory momba an’i Jesosy izy tamin’io andro io, ary tena nanana fahasahiana. (Asan’ny Apostoly 2:14-36) Mamela ny helok’ireo Kristianina tena mibebaka koa Andriamanitra, ankehitriny. Hoy ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka.”—Salamo 130:3, 4.

Nahoana isika no tsy tokony hanahy be loatra?

16. Inona no tokony hatao mba hahazoana famelan-keloka?

16 Tsy tokony hanahy be loatra isika hoe nanota tamin’ny fanahy masina. Hitantsika teo mantsy fa tena mamela an’ireo mpanota nibebaka i Jehovah. Tokony hivavaka avy amin’ny fo isika. Raha nanota isika, dia azontsika atao ny mangataka famelan-keloka miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ny famindram-pon’i Jehovah, ny tsy fahalavorariantsika, ary ny tsy fivadihana efa nasehontsika hatramin’izay. Fantatsika fa tena tsara fanahy i Jehovah, ka matoky isika fa hamela ny helotsika izy raha mifona aminy isika.—Efesianina 1:7.

17. Inona no tokony hatao raha nanota isika nefa tsy sahy mivavaka?

17 Ahoana raha nanota isika kanefa tsy sahy mivavaka, satria mihevitra fa simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah? Hoy i Jakoba mpianatra: “Aoka [ny olona toy izany] hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.”—Jakoba 5:14, 15.

18. Inona no manaporofo fa tsy voatery ho nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka ny olona voaroaka?

18 Voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona iray nanao ratsy, raha tsy mibebaka. Tsy midika anefa izany hoe nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka izy. Nisy voahosotra voaroaka teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, ka hoy i Paoly: “Ampy ho an’ilay olona izany fananarana mafy nataon’ny maro izany, ka mba tokony ho vonona hamela ny helony amin-katsaram-panahy kosa ianareo ka hampionona azy, sao ho difotry ny alahelo be loatra izy.” (2 Korintianina 2:6-8; 1 Korintianina 5:1-5) Ho afaka hifandray tsara amin’i Jehovah indray ny olona voaroaka, raha manaiky ny fanampian’ny anti-panahy sady manaporofo fa tena nibebaka. Tsy maintsy ‘mamoa voa mifanentana amin’ny fibebahana’ izy.—Lioka 3:8.

19. Inona no hanampy antsika “hatanjaka amin’ny finoana”?

19 Inona no mety hahatonga ny olona iray hieritreritra fa nanota tamin’ny fanahy masina izy? Tsy salama angamba izy, na mitaky be loatra amin’ny tenany. Mety hanampy azy ny vavaka sy ny fialan-tsasatra fanampiny. Manakivy antsika i Satana mba tsy hanompoantsika an’Andriamanitra intsony. Tsy tokony havelantsika handresy anefa izy. Azo antoka fa tsy tian’i Jehovah hisy ho very ny mpanompony, satria na ny ratsy fanahy aza tsy tiany ho faty. Raha manahy àry ianao sao nanota tamin’ny fanahy masina, dia tokony hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ireo andinin-teny mampahery ao amin’ny Salamo. Mila manatrika fivoriana tsy tapaka sy mitory ilay Fanjakana koa ianao. “Hatanjaka amin’ny finoana” ianao raha manao izany, ary tsy hanahy intsony hoe nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka.—Titosy 2:2.

20. Inona avy no fanontaniana mety hanampy ny olona iray hahita fa tsy nanota tamin’ny fanahy masina izy?

20 Tokony hanontany tena toy izao izay manahy sao nanota tamin’ny fanahy masina: ‘Nanevateva ny fanahy masina ve aho? Tena nibebaka ve aho? Mino ve aho fa mamela heloka Andriamanitra? Moa ve aho mpivadi-pinoana ka mandà ireo fanazavana vaovao omen’ny fandaminana?’ Mety ho tsapan’ilay olona fa tsy nanevateva ny fanahy masina izy, sady tsy lasa mpivadi-pinoana. Efa nibebaka koa izy ary mino fa mamela heloka i Jehovah. Midika izany fa tsy nanota tamin’ny fanahy masin’i Jehovah izy.

21. Inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Faly tokoa ny olona iray rehefa mahazo antoka fa tsy nanota tamin’ny fanahy masina izy! Mbola hiresaka momba ny fanahy masina ny lahatsoratra manaraka, ary mety hanampy anao hamaly fanontaniana toy ny hoe: ‘Tena tarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ve aho? Tena manana ny vokatry ny fanahy ve aho?’

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no milaza fa mety hanota amin’ny fanahy masina ny Kristianina?

• Inona no atao hoe mibebaka?

• Iza avy no nanota tamin’ny fanahy masina, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany?

• Inona no tokony hataon’ny olona iray, raha manahy izy sao nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Nanota tamin’ny fanahy masina ireo nilaza fa avy amin’i Satana ny hery nanaovan’i Jesosy fahagagana

[Sary, pejy 18]

Tsy nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka i Petera, na dia nanda an’i Jesosy aza