Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ambinina ny Lain’ny Marina”

“Ambinina ny Lain’ny Marina”

“Ambinina ny Lain’ny Marina”

‘HORAVANA ny tranon’ny ratsy fanahy’, rehefa hamarana ny tontolo ratsin’i Satana ny Hara-magedona. Hanao ahoana kosa ny “lain’ny marina”? ‘Hambinina’ na hiroborobo izany, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.—Ohabolana 14:11.

‘Hofongorana amin’ny tany ny ratsy fanahy, ary ny mpivadika hongotana.’ Mbola miara-miaina amin’izy ireo anefa ny mahitsy, mandra-pahatongan’izany. (Ohabolana 2:21, 22) Afaka hiroborobo ve ny marina ao anatin’izany toe-javatra izany? Asehon’ny Ohabolana toko faha-14, andininy 1 ka hatramin’ny 11, fa hilamina sy hahafa-po ihany ny fiainantsika, na dia ankehitriny aza, raha avelantsika hitari-dalana antsika eo amin’izay lazaintsika sy ataontsika ny fahendrena.

Manatanjaka ankohonana ny fahendrena

Manazava i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny, fa mety hahatonga ny ankohonany ho sambatra na tsia, ny vehivavy. Hoy izy: “Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.” (Ohabolana 14:1) Ahoana no ampiharan’ny vehivavy hendry an’izany? Mankatò an’Andriamanitra izy ka manaja ny loham-pianakaviana. (1 Korintianina 11:3) Tsy misy vokany eo aminy ilay toe-tsain’izao tontolo izaon’i Satana tsy tia miankina. (Efesianina 2:2) Manaiky ny vadiny izy, ary milaza zavatra tsara momba azy, ka mampitombo ny fanajan’ny hafa azy. Mazoto mampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra sy ny fiainana koa izy. Miasa mafy izy mba hahasoa ny ankohonany, ary ataony mahafinaritra sy mahate honina ny tokantranony. Mahay mitantana izy ka hita hoe malina sy mahay mitsitsy. Hanana fiainana mahafa-po sy milamina ny ankohonan’ny vehivavy tena hendry.

Tsy mankatò ny tenin’Andriamanitra mba hanaja ny loham-pianakaviana kosa ny vehivavy adala. Tsy misalasala mihitsy izy milaza zava-dratsy momba ny vadiny. Tsy mahay mitsitsy izy, fa mandany ny volan’ny fianakaviana, izay nisasarana mafy. Mandanilany fotoana koa izy, ka tsy madio sady tsy milamina ny tranony, ary mijaly ny zanany. Mandrava ny tranony tokoa ny vehivavy adala.

Ahoana anefa no amaritana, raha hendry ny olona iray na adala? Hoy ny Ohabolana 14:2: “Mandeha mahitsy izay matahotra an’i Jehovah; fa mivily làlana kosa izay maniratsira Azy.” Matahotra an’ilay Andriamanitra marina ny olona mahitsy, ary ny “fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” (Salamo 111:10) Fantatry ny tena hendry, fa ny adidiny dia ny ‘hatahotra ilay Andriamanitra marina sy hitandrina ny didiny.’ (Mpitoriteny 12:13) Tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fahamarinana kosa, ny fitondran-tenan’ny adala. Tsy mahitsy ny lalany. Manamavo an’Andriamanitra izy, ary mihevitra hoe: “Tsy misy Andriamanitra.”—Salamo 14:1.

Manehoa fahendrena amin’izay lazainao

Inona kosa no azo lazaina momba ny tenin’ny olona matahotra an’i Jehovah, sy ny an’izay manamavo azy? Hoy ilay mpanjaka: “Eo am-bavan’ny adala misy tsorakazon’ny fiavonavonana; fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.” (Ohabolana 14:3) Sady tsy tia fihavanana ny adala no tsy mahay mandefitra, satria tsy manana ny fahendrena avy any ambony. Fahendrena avy eto an-tany sy araka ny nofo, ary araka ny demonia no mitarika ny diany. Milaza teny mampiady sy feno avonavona izy. Miteraka fahasahiranana be ho azy sy ho an’ny hafa ny fireharehan’ny vavany.—Jakoba 3:13-18.

Miaro ny hendry kosa ny molony, ka mahatonga azy ho afa-po sy sambatra. Amin’ny fomba ahoana? Hoy ny Soratra Masina: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18) Tsy manao teny tsy voahevitra na maneso ny hendry. Mieritreritra tsara izy vao mamaly. (Ohabolana 15:28) Manasitrana ny teny voadinika tsara ataony, ka mampahery ny kivy sy mamelombelona ny nampahorina. Tsy mahasosotra ny teniny, fa mahatsara fihavanana sy mampitony.

Manehoa fahendrena amin’izay ataonao

Milaza ohabolana mahaliana indray izao i Solomona. Toa mampiseho ny ilana hijery ny tombony sy ny fatiantoka alohan’ny hanaovan-javatra izy io. Hoy izy: “Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; fa be ny fitomboan-karena azo amin’ny herin’ny omby.”Ohabolana 14:4.

Hoy ny boky iray rehefa manazava ny hevitr’io ohabolana io: “Ny hoe foana ny fihinanam-bilona dia midika fa tsy misy omby hofahanana, ka noho izany, dia tsy hisy ny fahasahiranana manadio sy mikarakara biby, ary hihena ny vola lany. Foana anefa izany toa ‘tombony’ izany, araka ny and[ininy] 4b, izay te hilaza fa tsy ho be ny vokatra raha tsy mampiasa omby.” Tsy maintsy mifidy amim-pahendrena àry ilay tantsaha.

Moa ve tsy mihatra koa io toro lalana ao amin’ny Ohabolana io, rehefa te hiova asa, na hifidy trano ipetrahana, na hividy zavatra lafo isika? Mandinika tsara ny ho tombony sy ny ho fatiantoka ny hendry, ary manombana tsara raha tokony hatao sy handaniam-bola izany na tsia.

Vavolombelona hendry

Hoy koa i Solomona: “Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.” (Ohabolana 14:5) Tena mitondra voka-dratsy ny laingan’ny vavolombelona mandainga. Notoraham-bato ho faty i Nabota Jezirelita, satria nisy lehilahy roa tena ratsy fanahy niampanga lainga azy. (1 Mpanjaka 21:7-13) Ary tsy Vavolombelona nandainga ve no niampanga an’i Jesosy, ka nahatonga azy ho faty? (Matio 26:59-61) Vavolombelona nandainga koa no niampanga an’i Stefana, mpianatr’i Jesosy voalohany novonoina noho ny finoany.—Asan’ny Apostoly 6:10, 11.

Mety tsy ho tratra aloha ny mpandainga, amin’izao fotoana izao. Diniho anefa ny hoaviny. Milaza ny Baiboly fa halan’i Jehovah ny “mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina.” (Ohabolana 6:16-19) Ny farihy mirehitra afo sy solifara, na fahafatesana faharoa, no anjaran’izany olona izany miaraka amin’ny mpamono olona, sy ny mpijangajanga, ary ny mpanompo sampy.—Apokalypsy 21:8.

Tsy mandainga mihitsy ny vavolombelona mahatoky rehefa misy mampianiana azy. Ny marina foana no lazainy. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy hilaza ny zava-drehetra amin’ireo maniry hanisy ratsy ny vahoakan’i Jehovah izy. Nisy zavatra sasany tsy nolazain’i Abrahama sy Isaka tamin’ireo tsy nanompo an’i Jehovah. (Genesisy 12:10-19; 20:1-18; 26:1-10) Lalana hafa koa no natoron-dRahaba an’ireo mpanompon’ny mpanjaka. (Josoa 2:1-7) I Jesosy Kristy koa aza tsy nilaza ny zava-drehetra rehefa hitany fa mety hitondra voka-dratsy izany. (Jaona 7:1-10) Hoy izy: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny vatosoanareo.” Fa nahoana? “Sao ... hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.”—Matio 7:6.

‘Mora ny mahazo fahalalana’

Manam-pahendrena ve ny olona rehetra? Hoy ny Ohabolana 14:6: “Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.” Mety hitady fahendrena ny mpaniratsira, fa tsy hahita ny tena fahendrena. Hamavoiny izay momba an’Andriamanitra ka tsy hahazo ilay fototry ny fahendrena izy, dia ny fahalalana tsara an’ilay Andriamanitra marina. Misakana azy tsy hianatra momba an’Andriamanitra sy tsy hahazo fahendrena ny avonavona. (Ohabolana 11:2) Inona no mba nanosika azy hitady fahendrena? Tsy mamaly izany ny Ohabolana. Angamba izy nanao izany mba hiheverana azy ho hendry.

“Mora” ho an’ny kinga saina kosa ny “mahazo fahalalana.” Ny hakingan-tsaina dia faritana hoe “fahaizan’ny saina mahazo hevitra”, “fahatakaran’ny saina ny fifandraisana misy eo amin’ny tsipirian-javatra amin’ilay zavatra amin’ny ankapobeny.” Fahaizana mampifandray ireo lafiny maro samihafa amin’ny foto-kevitra iray izy io, ary fahaiza-mahatakatra azy ireo amin’ny fitambarany fa tsy misaratsaraka. Milaza àry io ohabolana io, fa mora ho an’ny olona manana izany fahaizana izany ny mahazo fahalalana.

Diniho ny fomba nianaranao ny fahamarinana ara-baiboly. Azo inoana fa ny fampianarana fototra momba an’Andriamanitra sy ny fampanantenany ary ny Zanany no fahamarinana nianaranao voalohany tao. Tsipirian-javatra tsy dia mifandray no nahatakaranao azy ireny, tamin’ny voalohany. Nanomboka nampifandray azy ireny anefa ianao, rehefa nanohy nianatra. Hitanao tsara àry, avy eo, ny fifandraisan’ireo tsipiriany samihafa, amin’ny fikasan’i Jehovah ankapobe momba ny olombelona sy ny tany. Lasa mirindra sy mifandray tsara ireo fahamarinana ara-baiboly, ao an-tsainao. Mora kokoa aminao izao ny mianatra sy mitadidy tsipirian-javatra vaovao, satria hainao ny mampifandray azy ireny amin’izay efa fantatrao.

Nampitandrina ny amin’ny olona tsy hanoro antsika ny fahalalana ilay mpanjaka hendry. Hoy izy: “Mialà eo anatrehan’ny olona adala, fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.” (Ohabolana 14:7) Tsy manana ny tena fahalalana ny adala. Tsy mamoaka fahalalana ny molony. Toroana hevitra àry isika mba hanalavitra azy ireny, satria izay “misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”—Ohabolana 13:20.

Hoy ihany i Solomona: “Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ny mahira-tsaina; fa fitaka ny hadalan’ny adala.” (Ohabolana 14:8) Mihevitra izay ataony ny hendry. Mandinika tsara ny safidy manoloana azy izy, ary manombana ny mety ho vokany. Mifidy amim-pahendrena ny lalany izy. Ary ny adala? Mifidy lalan-dratsy izy, nefa mihevitra hoe fantany izay ataony, sady nanao ny safidy tsara indrindra izy. Namitaka azy ny hadalany.

Manehoa fahendrena rehefa mifandray amin’ny hafa

Mihavana tsara amin’ny hafa ny olona tarihin’ny fahendrena. Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ny adala [mihomehy ny ota, “Fandikan-teny Katolika” ]; fa ao amin’ny marina no misy fankasitrahana.” (Ohabolana 14:9) Tsy manaiky ho diso na mba mahatsapa nenina mihitsy ny adala. Ihomehezany fotsiny izany. Tsy mihavana tsara amin’ny mpianakaviny sy amin’ny olon-kafa koa izy, noho izy “miavonavona ka tsy vonona hanonitra ny tsy mety nataony.” (Ny Baiboly Anglisy Vaovao) Vonona hizaka ny kileman’ny hafa ny marina. Vonona hiala tsiny sy hanonitra ny tsy mety nataony koa izy. Milamina ny fifandraisany amin’ny olon-kafa, satria tia fihavanana izy.—Hebreo 12:14.

Nasehon’i Solomona avy eo, fa voafetra ihany ny zavatra azon’ny olona atao ho an’ny hafa. Hoy izy: “Ny fo no mahalala ny fangidian’ny alahelony; ary tsy raharahan’ny olon-kafa ny hafaliany.” (Ohabolana 14:10) Voavoakantsika tsara amin’olon-kafa foana ve ny fihetseham-pontsika lalina indrindra, na alahelo io na hafaliana, ary voalazantsika tsara aminy ve izay tena tsapantsika? Misy afaka mahatakatra tsara foana izay tena tsapan’ny hafa ve? Tsia no valiny.

Diniho, ohatra, ny faniriana hamono tena. Tsy mahalaza tsara amin’ny mpianakaviny, na ny namany, ny fihetseham-pony mazàna ny olona te hamono tena. Ary tsy voatery hisy hahatsikaritra foana ny famantarana fihetseham-po toy izany. Tsy tokony hanamelo-tena isika, raha tsy nahamarika izany, ka tsy afaka nanampy azy. Izao koa no ianarantsika avy amin’io ohabolana io: Voafetra ihany ny fampiononana azon’ny olona omena, na dia mety hampahery antsika aza ny mitodika any amin’ny namana iray mahay miara-miory. Mety ho i Jehovah irery ihany angamba no azontsika ianteherana eo am-piatrehana ny olana sasany.

“Fananana sy harena no ao an-tranony”

Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ravana ny tranon’ny ratsy fanahy; fa ambinina ny lain’ny marina.” (Ohabolana 14:11) Toa ambinina ny ratsy fanahy eto amin’ity tontolo ity, sady mety hipetraka ao amin’ny trano tsara tarehy. Hahasoa azy ve anefa izany raha ho faty izy? (Salamo 37:10) Mety ho tsotra dia tsotra kosa ny tranon’ny marina. Hoy anefa ny Salamo 112:3: “Fananana sy harena no ao an-tranony.” Inona avy moa izany?

Hahazo ‘harena sy voninahitra’, izay miaraka foana amin’ny fahendrena, isika raha avelantsika hitari-dalana antsika eo amin’ny teny sy fihetsitsika ny fahendrena. (Ohabolana 8:18) Anisan’izany ‘harena sy voninahitra’ izany ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ary ny fiainana sambatra sy milamina. Ambinina tokoa ny “lain’ny marina”, na dia ankehitriny aza.

[Sary, pejy 27]

Manatanjaka ny ankohonany ny vehivavy hendry

[Sary, pejy 28]

“Ny lelan’ny marina dia fanasitranana”