Salamo 111:1-10

  • Derao i Jehovah fa lehibe ny asany

    • Masina sy mendrika hatahorana ny anaran’i Jehovah (9)

    • Ny fahatahorana an’i Jehovah no fahendrena (10)

111  Derao i Jah!*+ א [Alefa] Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho+ב [Beta]Rehefa mivory miaraka amin’ireo manao izay mahitsy sy rehefa eo anivon’ny fiangonana. ג [Gimela]  2  Lehibe ny asan’i Jehovah;+ד [Daleta]Mianatra momba azy ireny izay rehetra mankafy an’ireny.+ ה [He]  3  Heni-kaja sady mahavariana ny zavatra ataony,ו [Vao]Ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+ ז [Zaina]  4  Ataony izay hahatsiarovana+ ny zavatra mahatalanjona nataony. ח [Heta] Mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah.+ ט [Teta]  5  Omeny hanina ireo matahotra azy.+ י [Yôda] Tsaroany mandrakizay ny fifanekena nataony.+ כ [Kafa]  6  Naharihariny tamin’ny vahoakany ny fahagagana nataony,ל [Lameda]Rehefa nomeny azy ireo ny lovan’ireo firenena.+ מ [Mema]  7  Marina sy ara-drariny ny asan’ny tanany;+נ [Nona]Azo atokisana ny didiny rehetra.+ ס [Sameka]  8  Azo ianteherana* foana ireny, amin’izao ka hatrany amin’ny mandrakizay;ע [Aina]Tamin’ny fahamarinana sy fahitsiana+ no nanaovana azy ireny. פ [Pe]  9  Nanavotra ny vahoakany izy.+ צ [Tsade] Namoaka didy izy hoe haharitra mandrakizay ilay fifanekena nataony. ק [Kôfa] Masina sy mendrika hatahorana+ ny anarany. ר [Resa] 10  Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena.+ ש [Sina] Tena lalin-tsaina+ izay rehetra mankatò ny didiny.* ת [Tao] Hoderaina mandrakizay izy.

Fanamarihana

Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Miantra.”
Na: “Tsara fototra.”
Abt: “an’ireny.”