Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no ho Tafavoaka Amin’ny Andron’i Jehovah?

Iza no ho Tafavoaka Amin’ny Andron’i Jehovah?

Iza no ho Tafavoaka Amin’ny Andron’i Jehovah?

“Avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy.”—MALAKIA 3:19.

1. Inona no nolazain’i Malakia momba ny famaranana ity tontolo ratsy ity?

NAHAZO tsindrimandry tamin’Andriamanitra i Malakia mpaminany, mba hanoratra momba ireo zava-mahatahotra hiseho tsy ho ela. Ho voakasik’izany daholo ny olona rehetra eto an-tany. Nilaza mialoha toy izao ny Malakia 3:19: “Indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany.” Ho rava tanteraka ve ity tontolo ratsy ity? Eny, ho toy ny hazo fongotra hatramin’ny fakany izy io, ka tsy afaka ny haniry intsony.

2. Inona no lazain’ny andinin-teny sasany momba ny andron’i Jehovah?

2 Mety hanontany ianao hoe: “Andro” inona io efa nolazain’i Malakia io? Io ihany ilay andro voaresaka ao amin’ny Isaia 13:9 hoe: “Indro, avy ny andron’i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.” Nilazalaza toy izao ny Zefania 1:15: “Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.”

“Ny fahoriana lehibe”

3. Inona ilay “andron’i Jehovah”?

3 Hisy “fahoriana lehibe” amin’ny “andron’i Jehovah”, rehefa ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ny faminanian’i Malakia. Nilaza mialoha toy izao i Jesosy: “Amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21) Eritrereto ny fahoriana efa hitan’ity tontolo ity, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1914. (Matio 24:7-12) Olona maherin’ny 50 tapitrisa, ohatra, no maty nandritra ny Ady Lehibe II fotsiny! Tsy hisy dikany anefa ireny fahoriana ireny raha oharina amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy. Hifarana amin’ny Hara-magedona io fahoriana lehibe io, izany hoe ny andron’i Jehovah. Ho tapitra hatreo ny andro faran’ity tontolo ratsy ity.—2 Timoty 3:1-5, 13; Apokalypsy 7:14; 16:14, 16.

4. Inona no ho efa nitranga rehefa hifarana ny andron’i Jehovah?

4 Ho efa fongotra ny tontolon’i Satana sy ny mpomba azy rehefa hifarana io andron’i Jehovah io. Ho ringana aloha ny fivavahan-diso rehetra. Avy eo, dia hihatra amin’ny tontolo ara-barotra sy ara-politikan’i Satana ny didim-pitsaran’i Jehovah. (Apokalypsy 17:12-14; 19:17, 18) Naminany toy izao i Ezekiela: “Ny volafotsiny dia hariany eny an-dàlambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko—ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Ezekiela 7:19) Hoy ny Zefania 1:14 momba io andro io: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.” Tokony ho tapa-kevitra àry isika hanao izay takin’Andriamanitra, rehefa heverina ny lazain’ny Baiboly momba ny andron’i Jehovah.

5. Inona no azon’ireo matahotra ny anaran’i Jehovah?

5 Rehefa voalaza izay hanjo ny tontolon’i Satana mandritra ny andron’i Jehovah, dia hoy i Jehovah ao amin’ny Malakia 3:20: “Hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tànany; ary hivoaka hianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy.” I Jesosy Kristy no “Masoandron’ny fahamarinana.” Izy no ‘fahazavana ara-panahin’izao tontolo izao.’ (Jaona 8:12) Miposaka avy aminy ny fanasitranana: fanasitranana ara-panahy aloha, izay azontsika dieny izao, ary fanasitranana ara-batana tanteraka ao amin’ny tontolo vaovao. Lazain’i Jehovah fa ireo sitrana dia “hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy” izay mientam-po sy faly fa nafahana.

6. Inona ilay fankalazam-pandresena hataon’ny mpanompon’i Jehovah?

6 Hanao ahoana ireo tsy miraharaha izay takin’i Jehovah? Hoy ny Malakia 3:21: “Hohitsahinareo [mpanompon’Andriamanitra] ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo izy amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Tsy handray anjara amin’ny fandringanana ny tontolon’i Satana ny olombelona mpivavaka amin’Andriamanitra. ‘Hanitsaka ny ratsy fanahy’ amin’ny heviny an’ohatra kosa izy ireo, rehefa handray anjara amin’ny fankalazam-pandresena aorian’ny andron’i Jehovah. Nisy fankalazana lehibe taorian’ny nandringanana an’i Farao sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 15:1-21) Hisy fankalazam-pandresena toy izany koa, aorian’ny hanesorana an’i Satana sy ny tontolony mandritra ny fahoriana lehibe. Hihiaka toy izao ireo olona mahatoky tsy maty mandritra ny andron’i Jehovah: “Aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.” (Isaia 25:9) Hisy firavoravoana tokoa amin’izany rehefa ho voamarina ny zon’i Jehovah hitondra ary ho voadio ny tany ka hanjary fonenam-piadanana!

Manahaka ny Isiraely ny Kristianisma Anarana

7, 8. Lazalazao ny fahasalamana ara-panahin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Malakia.

7 Ireo manompo azy ihany no ankasitrahan’i Jehovah. Tsy nisy hafa tamin’izany koa tamin’i Malakia nanoratra ny bokiny. Nisy sisa tamin’ny Isiraely tafaverina tany amin’ny taniny tamin’ny 537 al.f.i., rehefa avy babo 70 taona tany Babylona. Nanomboka nivadi-pinoana sy nanao ratsy anefa ny Isiraely nandritra ny taonjato nanaraka. Nanala baraka ny anaran’i Jehovah ny ankamaroany. Tsy niraharaha ny lalàny marina izy ireo sady nandoto ny tempoliny tamin’ny fanaterana biby jamba sy mandringa ary marary. Nisaraka tamin’ny vadin’ny fahatanorany koa izy ireo.

8 Koa hoy i Jehovah taminy: “Hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy to sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ny karamany mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy . . . Fa Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:5, 6) Hoy anefa i Jehovah tamin’ireo naniry hiala tamin’ny lalan-dratsiny: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho.”—Malakia 3:7.

9. Inona no fahatanterahana voalohan’ny faminanian’i Malakia?

9 Tanteraka tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. koa ireo teny ireo. Nisy sisa tamin’ny Jiosy nanompo an’i Jehovah ka tonga anisan’ny “firenena” vaovao voaforon’ny Kristianina voahosotry ny fanahy. Nisy Jentilisa koa tao amin’io firenena io tatỳ aoriana. Nanda an’i Jesosy anefa ny ankamaroan’ny Isiraely ara-nofo, ka hoy i Jesosy taminy: “Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (Matio 23:38; 1 Korintiana 16:22) Tonga tamin’ny Isiraely ara-nofo ny ‘andro nandoro toy ny fatana fandoroana’ tamin’ny taona 70 am.f.i., araka ny efa nambaran’ny Malakia 3:19. Rava i Jerosalema sy ny tempoliny. Voalaza fa maherin’ny iray tapitrisa ny olona maty noho ny mosary, fiadiana fahefana, ary fanafihan’ny tafika romanina. Afa-nandositra izany fahoriana izany anefa ireo nanompo an’i Jehovah.—Marka 13:14-20.

10. Amin’ny lafiny inona no anahafan’ny ankamaroan’ny olona sy ny mpitondra fivavahana, ny Isiraely tamin’ny taonjato voalohany?

10 Manahaka ny firenen’ny Isiraely tamin’ny taonjato voalohany ny olona amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny Kristianisma Anarana. Aleon’ny mpitondra sy ny ankamaroan’ny vahoaka eo anivon’izy io ny zavatra ara-pivavahana inoany, toy izay ny fahamarinan’Andriamanitra nampianarin’i Jesosy. Ny mpitondra fivavahana no tena meloka. Tsy mety mampiasa ny anaran’i Jehovah izy ireo, ary manaisotra azy io mihitsy tsy ho ao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboliny. Manala baraka an’i Jehovah izy ireo satria mampianatra zavatra tsy ao amin’ny Soratra Masina fa avy amin’ny mpanompo sampy. Ampianarin’izy ireo, ohatra, ny momba ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe, ny Andriamanitra telo izay iray, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary ny evolisiona. Tsy omeny an’i Jehovah àry ny dera tokony ho azy, toy ny nataon’ny mpisorona tamin’ny andron’i Malakia.

11. Inona no ataon’ny fivavahan’ity tontolo ity ka mampiseho izay tena tompoiny?

11 Rehefa nanomboka ny andro farany tamin’ny 1914, dia nasehon’ny fivavahan’ity tontolo ity, izay tarihin’ireo mihambo ho Kristianina, hoe iza no tena notompoiny. Nampirisihiny handeha hiady ny mpiangona tao aminy nandritra ny ady lehibe voalohany sy faharoa, na dia hamono mpiray finoana taminy aza. Lazain’ny Tenin’Andriamanitra mazava tsara hoe iza ireo mankatò an’i Jehovah sy ireo tsy mankatò azy: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,—tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny.”—1 Jaona 3:10-12.

Manatanteraka ny faminaniana

12, 13. Inona avy ireo faminaniana tanterahin’ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny androntsika?

12 Taloha kelin’ny nifaranan’ny Ady Lehibe I, tamin’ny 1918, dia takatry ny mpanompon’i Jehovah fa nomelohin’Andriamanitra ny Kristianisma Anarana sy ny fivavahan-diso hafa rehetra. Nasaina toy izao ireo olona tso-po nanomboka teo: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” (Apokalypsy 18:4, 5) Nanomboka voadio tanteraka tamin’ny fivavahan-diso ireo naniry hanompo an’i Jehovah. Nanomboka nitory naneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana efa niorina koa izy ireo. Io ilay asa tsy maintsy vitaina alohan’ny hifaranan’ity tontolo ratsy ity.—Matio 24:14.

13 Nanao izany izy ireo mba hanatanterahana ny faminanian’ny Malakia 3:23. Hoy i Jehovah ao: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra.” Tanteraka voalohany io faminaniana io teo amin’ny asan’i Jaona Mpanao Batisa, izay nifanitsy tamin’i Elia. Asa toy ny an’i Elia no nataon’i Jaona, rehefa nataony batisa ny Jiosy nibebaka noho ny nanotany tamin’ny faneken’ny Lalàna. Mihoatra noho izany aza fa mpialoha lalana ny Mesia i Jaona. Vao fahatanterahana voalohany ny faminanian’i Malakia ihany anefa ny asan’i Jaona. Rehefa nilaza an’i Jaona ho Elia faharoa i Jesosy, dia nampiseho fa mbola hisy asan’i “Elia” amin’ny hoavy.—Matio 17:11, 12.

14. Inona no asa lehibe tsy maintsy atao, alohan’ny hifaranan’ity tontolo ity?

14 Nasehon’ny faminanian’i Malakia fa ho tontosa io asan’i Elia io, alohan’ny “andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra.” Hamarana an’io andro io ny Hara-magedona, adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha manatona haingana. Midika izany fa hisy asa mifanandrify amin’ny an’i Elia hatao alohan’ny faran’ity tontolo ratsy ity, sy ny Fanjakan’Andriamanitra Arivo Taona tantanan’i Jesosy Kristy. Araka io faminaniana io, dia marisika hatrany ireo mifanitsy amin’i Elia ankehitriny mamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio, alohan’ny handringanan’i Jehovah ity tontolo ratsy ity. Manandratra hatrany ny anaran’i Jehovah koa izy ireo sady mampianatra ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona toy ny ondry. Manotrona azy ireo ny Kristianina hafa an-tapitrisa manantena ny ho eto an-tany.

Mitahy ny mpanompony i Jehovah

15. Ahoana no itadidian’i Jehovah ny mpanompony?

15 Mitahy ny mpanompony i Jehovah. Hoy ny Malakia 3:16: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” Toy ny hoe nosoratan’Andriamanitra tao amin’ny boky, ny anaran’ireo hotsarovany sy homeny ny fiainana mandrakizay, nanomboka hatramin’i Abela. Hoy i Jehovah amin’izy ireny: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, . . . raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.”—Malakia 3:10.

16, 17. Ahoana no itahian’i Jehovah ny vahoakany sy ny asany?

16 Tena tahin’i Jehovah tokoa ireo manompo azy. Amin’ny fomba ahoana? Ampiany, ohatra, izy ireo mba hahatakatra ny fikasany. (Ohabolana 4:18; Daniela 12:10) Ataony mahazo vokatra mahatalanjona koa izy ireo eo amin’ny asa fitoriany. Olona tso-po maro be no manatevin-daharana azy ireo ao amin’ny fivavahana marina. Izy rehetra ireny dia mahaforona ny “olona betsaka avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny . . . niantso tamin’ny feo mahery . . . nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:9, 10) Niseho tamin’ny fomba mahavariana izany olona betsaka izany. Miisa enina tapitrisa mahery izao ireo mazoto manompo an’i Jehovah, eo anivon’ny fiangonana maherin’ny 93 000 eran-tany!

17 Mitahy ny Vavolombelony koa i Jehovah satria izy ireo no manana boky sy gazety ara-baiboly miely patrana indrindra hatramin’izao. Gazety 90 tapitrisa izao no vokarina isam-bolana: Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny 144, ary ny Mifohaza! amin’ny fiteny 87. Nahatratra 107 tapitrisa mahery tamin’ny fiteny 117, no nozaraina tamin’ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoaka tamin’ny 1968. Nahatratra 81 tapitrisa mahery tamin’ny fiteny 131, ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, navoaka tamin’ny 1982. Maherin’ny 85 tapitrisa amin’ny fiteny 154 hatramin’izao no natao pirinty tamin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoaka tamin’ny 1995. Miisa 150 tapitrisa amin’ny fiteny 244 hatramin’izao no voazara tamin’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, navoaka tamin’ny 1996.

18. Nahoana no miroborobo ara-panahy isika na dia toherina aza?

18 Misy izany firoboroboana ara-panahy izany na dia eo aza ny fanoherana faran’izay mafy sy maharitra ataon’ny tontolon’i Satana. Marina tokoa ny Isaia 54:17 manao hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.” Tena mampahery ny mpanompon’i Jehovah mihitsy ny mahalala fa tanteraka amin’izy ireo amin’ny ambaratonga lehibe ny Malakia 3:17 hoe: “Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”

Faly manompo an’i Jehovah

19. Inona no tsy mampitovy an’ireo manompo an’i Jehovah amin’ireo tsy manao izany?

19 Vao mainka miharihary ny tsy fitovian’ny mpanompon’i Jehovah mahatoky sy ny olona eo anivon’ny tontolon’i Satana, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Nilaza mialoha toy izao ny Malakia 3:18: “Ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” Iray amin’ireo zavatra maro be tsy itovian’izy ireo, ny fifaliana lehibe tsapan’ireo manompo an’i Jehovah. Anisan’ny antony miteraka izany ny fanantenana tsara dia tsara ananan’izy ireo. Matoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo rehefa milaza izy hoe: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho.”—Isaia 65:17, 18; Salamo 37:10, 11, 29; Apokalypsy 21:4, 5.

20. Nahoana isika no vahoaka faly?

20 Inoantsika ny fampanantenan’i Jehovah hoe ho tafavoaka amin’ilay androny lehibe ny vahoakany tsy mivadika, ary hampidiriny ao amin’ny tontolo vaovao. (Zefania 2:3; Apokalypsy 7:13, 14) Mety hisy amin’izy ireo ho faty alohan’ny hiavian’io andro io, noho ny fahanterana na ny aretina, na ny voina. Manome toky anefa i Jehovah fa hanangana azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay izy. (Jaona 5:28, 29; Titosy 1:2) Koa na manan-java-manahirana aza isika rehetra eo an-tokonan’ny andron’i Jehovah, dia manana antony maro isika mba ho ny vahoaka faly indrindra.

Ahoana no Havalinao?

• Inona ilay “andron’i Jehovah”?

• Inona no mampitovy ny fivavahan’ity tontolo ity sy ny Isiraely fahiny?

• Inona avy no faminaniana tanterahin’ny mpanompon’i Jehovah?

• Ahoana no itahian’i Jehovah ny vahoakany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

‘Nodorana toy ny fatana fandoroana’ i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany

[Sary, pejy 23]

Manome izay ilain’ny mpanompony i Jehovah

[Sary, pejy 24]

Tena faly ny mpanompon’i Jehovah satria manana fanantenana tsara dia tsara