Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona any Amin’ny Firenena Rehetra’

‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona any Amin’ny Firenena Rehetra’

‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’—MAT. 28:19, 20.

HIRA: 141, 97

1, 2. Inona avy ny fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika rehefa mamaky ny Matio 24:14 isika?

NY FITORIANA no tena ahalalana ny Vavolombelon’i Jehovah. Vitsy ihany no handa an’izany, na ireo manaiky ny hafatra torintsika izany, na ireo mpanohitra be. Mety ho nisy olona nitorianao aza nilaza hoe tsy ekeny ny zavatra inoantsika, nefa manaja antsika izy noho isika mazoto mitory. Fantatsika fa nilaza i Jesosy hoe hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Mat. 24:14) Ahoana anefa no ahalalantsika fa manatanteraka an’io faminaniana io ny fitoriana ataontsika? Mirehareha ve isika raha milaza fa isika no manao an’io asa io?

2 Maro ny fivavahana mihevitra fa mitory ny Filazantsara na ny vaovao tsara izy ireo. Tsy izany anefa no tena ataony. Ao am-piangonana fotsiny izy ireo matetika no mitory teny, na ao amin’ny tele sy Internet, na izy ireo miantso olona hijoro ho vavolombelona. Misy koa milaza hoe efa manao asa soa izy, na manampy ny olona amin’ny fitsaboana sy fanabeazana. Izany ve anefa no asain’i Jesosy ataon’ny mpianany?

3. Inona ny zavatra efatra tsy maintsy ataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy, araka ny Matio 28:19, 20?

3 Tokony hiandry ny olona hanatona azy ireo fotsiny ve ny mpianatr’i Jesosy? Tsia! Hoy izy tamin’ny mpianany an-jatony, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa. ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Mat. 28:19, 20) Misy zavatra tsy maintsy atao resahiny eo. Mila manao mpianatra isika, manao batisa azy ireo, ary mampianatra azy ireo. Inona anefa no tsy maintsy atao voalohany? Hoy i Jesosy: “Mandehana”! Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza hoe: “Adidin’ny mpino tsirairay ny ‘mandeha’, na mila miampita arabe izy amin’izany, na mila miampita ranomasina.”—Mat. 10:7; Lioka 10:3.

4. Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa ho lasa “mpanarato olona” ny mpianany?

4 Ny fitoriana ataon’ny mpanara-dia azy tsirairay ve no tian’i Jesosy horesahina, sa ny fitoriana ataon’izy rehetra? Tsy hahavita hitory any amin’ny “firenena rehetra” raha olona iray, fa mila olona maro voalamina tsara. Izany no tian’i Jesosy hambara rehefa nanasa ny mpianany izy mba ho lasa “mpanarato olona.” (Vakio ny Matio 4:18-22.) Tsy mpanjono mampiasa fintana no tiany horesahina, ka hoe miandry fotsiny an’ireo trondro hihinana jono. Fanjonoana amin’ny harato kosa ilay izy. Mitaky ezaka be izany ary indraindray aza tsy maintsy ifarimbonan’ny olona maro.—Lioka 5:1-11.

5. Inona ny fanontaniana mila valiana, ary nahoana?

5 Iza àry no mitory ny vaovao tsara, araka ilay faminanian’i Jesosy? Mila mamaly an’ireto fanontaniana efatra ireto isika mba hahalalantsika an’izany:

  • Inona ilay hafatra tokony hotorina?

  • Inona no antony tokony hitoriana?

  • Ahoana no fomba tokony hitoriana?

  • Hatraiza no tokony hitoriana ary mandra-pahoviana?

Ho fantatsika hoe iza no manao an’io asa mamonjy aina io, rehefa voavaly ireo. Vao mainka koa isika ho tapa-kevitra hanao azy io foana.—1 Tim. 4:16.

INONA ILAY HAFATRA TOKONY HOTORINA?

6. Nahoana ianao no matoky fa mitory ny hafatra asain’i Jesosy torina ny Vavolombelon’i Jehovah?

6 Vakio ny Lioka 4:43. Nitory “ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra” i Jesosy, ary tiany hanao an’izany koa ny mpianany. Iza àry no mitory an’izany any amin’ny “firenena rehetra”? Mazava ho azy fa ny Vavolombelon’i Jehovah ihany. Na ny olona sasany tsy tia antsika aza manaiky an’izany. Nisy pretra iray, ohatra, nilaza tamin’ny Vavolombelona iray fa efa nipetraka tany amin’ny firenena maro izy, ary niresaka tamin’ny Vavolombelona tany. Nanontaniany, hono, ry zareo hoe inona no hafatra toriny. Hoy izy: “Hita mihitsy hoe vendrana be ry zareo, satria samy namaly daholo hoe: ‘Ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.’” Tsy “vendrana” mihitsy anefa ireo Vavolombelona ireo fa miray saina, ary tokony ho hoatr’izany ny tena Kristianina. (1 Kor. 1:10) Ny Fanjakan’Andriamanitra koa no tena resahin’ny gazety zarain’izy ireo, dia Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Misy amin’ny fiteny 254 io gazety io izao, ary efa ho 59 tapitrisa isaky ny laharana no atao pirinty. Io no gazety miely indrindra eran-tany.

7. Inona no manaporofo fa tsy mitory ny hafatra asain’i Jesosy torina ny mpitondra fivavahana?

7 Tsy mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Mety hiresaka momba azy io ihany izy ireo, saingy lazainy fa ao am-po fotsiny izy io. (Lioka 17:21) Tsy ampahafantarin’izy ireo hoe tena fitondram-panjakana izy io ary i Jesosy Kristy no Mpanjakany. Tsy resahiny koa hoe io Fanjakana io no hamaha ny olana rehetra, ary kely sisa izy io dia hanafoana ny faharatsiana rehetra. (Apok. 19:11-21) Rehefa Krismasy sy Paka izy ireo no tena mahatsiaro an’i Jesosy. Toa tsy fantany hoe inona no hataon’i Jesosy rehefa hitondra ny tany izy. Tsy azon’izy ireo hoe inona ilay hafatra tokony hotorina. Mahagaga àry ve raha tsy fantany koa ny antony tokony hitoriana?

INONA NO ANTONY TOKONY HITORIANA?

8. Inona no tsy tokony hatao tanjona rehefa mitory?

8 Tsy ny hanangona vola na ny hanorina trano ngezabe sy tsara tarehy no antony tokony hitoriana. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Mat. 10:8) Tsy tokony hatao fitadiavam-bola àry ny Tenin’Andriamanitra. (2 Kor. 2:17) Tsy mety raha atao itadiavana tombony ny fitoriana. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:33-35.) Mazava ny toro lalana nomen’i Jesosy. Mbola variana manangom-bola ihany anefa ny ankamaroan’ny fivavahana, mba tsy hampikatona ny fiangonany. Karamaina mantsy ny olona maro ampiasain’izy ireo, anisan’izany ny mpitondra fivavahana. Lasa manan-karena be mihitsy aza ny mpitondra fivavahana maro ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.—Apok. 17:4, 5.

9. Inona no manaporofo fa tsy mitady tombony ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory?

9 Ary isika Vavolombelon’i Jehovah? Tsy mitanty rakitra isika, na any amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivoriambe. Avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo ny vola ampiasaintsika amin’ny fitoriana. (2 Kor. 9:7) Efa ho 2 000 tapitrisa anefa ny ora lanintsika nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny taon-dasa, ary nitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana sivy tapitrisa mahery isika isam-bolana. Tsy karamaina isika sady isika ihany no miantoka an’izay lany. Hoy ny mpanao fikarohana iray rehefa niresaka momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah: ‘Ny hitory sy hampianatra no tena tanjon’izy ireo. Tsy mandany vola be izy ireo, satria tsy misy mpitondra fivavahana karamaina ao aminy.’ Inona àry no antony itoriantsika? Manao an’io asa io an-tsitrapo isika, satria tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika. Tanteraka ny Salamo 110:3. (Vakio.)

AHOANA NO FOMBA TOKONY HITORIANA?

Mitory any amin’izay rehetra ahitana olona isika (Fehintsoratra 10)

10. Ahoana no nataon’i Jesosy sy ny mpianany rehefa nitory?

10 Ahoana no nataon’i Jesosy sy ny mpianany rehefa nitory ny vaovao tsara? Nankeny amin’izay toerana mety hahitana olona izy ireo, ohatra hoe teny an-tsena. Nitety trano koa izy ireo mba hitady an’izay mendrika. (Mat. 10:11; Lioka 8:1; Asa. 5:42; 20:20) Afaka nitory tamin’ny olona tsy an-kanavaka àry izy ireo.

11, 12. Inona no tsy mampitovy ny ezaka ataon’ny fivavahana hafa mba hitoriana sy ny ezaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

11 Manao hoatr’izany ve ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina? Tsy mitory ny ankamaroan’ny mpivavaka ao amin’izy ireny, fa ny mpitondra fivavahana no karamainy. Ny mpitondra fivavahana indray tsy ‘manarato olona’, izany hoe tsy mitady “trondro” vaovao, fa ataony fotsiny izay hitazonana an’izay efa azony. Marina fa mampirisika ny olona hitory ihany izy ireny indraindray. Izao, ohatra, no nosoratan’ny Papa Jean-Paul II, tamin’ny taona 2001: ‘Efa imbetsaka aho no nampirisika anareo hitory ny Filazantsara, ary mbola mampirisika anareo hanao an’izany indray aho izao. Tsy maintsy miezaka isika mba hazoto toa an’i Paoly, izay niteny hoe: “Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho.”’ Nilaza koa ny papa fa tsy olona vitsivitsy efa niofana ihany no tokony hitory, fa “ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra.” Vitsy anefa no nanaraka ny teniny.

12 Ary ny Vavolombelon’i Jehovah? Izy ireo irery no mitory hoe efa Mpanjaka i Jesosy nanomboka tamin’ny 1914. Mankatò ny tenin’i Jesosy izy ireo, ka tena zava-dehibe aminy ny fitoriana. (Mar. 13:10) Hoy ny boky Andrin’ny Finoana: Fiangonana Amerikanina sy ny Mpanohana Azy (anglisy): “Ny asa fitoriana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah vaindohan-draharaha, alohan’ny zavatra hafa rehetra.” Niresaka ny zavatra nolazain’ny Vavolombelona iray koa ny mpanoratra an’io boky io, ka nilaza hoe: “Miezaka manampy izy ireo raha sendra olona tsy manan-kohanina, manirery, na marary. ... Tsy hadinony mihitsy anefa fa ny asany lehibe indrindra, dia ny hitory an’ilay hafatra ara-baiboly hoe efa ho tonga ny faran’ity tontolo ity, ary tena ilaina ny famonjena.” Mbola mitory an’izany hafatra izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny fomba fiasan’i Jesosy sy ny mpianany no arahiny.

HATRAIZA NO TOKONY HITORIANA ARY MANDRA-PAHOVIANA?

13. Hatraiza no tokony hitoriana?

13 Hatao eran-tany ny fitoriana. Nilaza mantsy i Jesosy fa hotorina “maneran-tany” ny vaovao tsara. (Mat. 24:14) Nilaza koa izy fa tokony hatao mpianatra “ny olona any amin’ny firenena rehetra.”Mat. 28:19, 20.

14, 15. Inona no manaporofo hoe mitory maneran-tany araka ny nolazain’i Jesosy isika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

14 Mitory maneran-tany araka ny nolazain’i Jesosy tokoa ve isika Vavolombelon’i Jehovah? Diniho izao: Misy 600 000 eo ho eo ny mpitondra fivavahana any Etazonia, fa 1 200 000 eo ho eo kosa ny Vavolombelon’i Jehovah any. Manana mompera 400 000 mahery ny Fivavahana Katolika eran-tany. Valo tapitrisa eo ho eo kosa isika Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ny tany 240 isika. Tena betsaka ny fitoriana vitantsika, ary manome voninahitra sy dera ho an’i Jehovah izany.—Sal. 34:1; 51:15.

15 Te hitory ny vaovao tsara amin’ny olona betsaka araka izay azo atao isika, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Mandika sy manao pirinty boky ara-baiboly àry isika, ary tena miavaka ny asa vitantsika amin’izany. An-tapitrisany ny boky, gazety, taratasy mivalona, ary taratasy fanasana amin’ny fivoriambe sy Fahatsiarovana efa nozaraintsika maimaim-poana. Namoaka boky samihafa tamin’ny fiteny 700 mahery koa isika. Efa 200 tapitrisa mahery Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nataontsika pirinty, tamin’ny fiteny 130 mahery. Nisy 4 500 tapitrisa teo ho eo ny zavatra nataontsika pirinty, tamin’ny herintaona. Amin’ny fiteny 750 mahery koa ny tranonkalantsika. Misy fivavahana hafa mahavita asa miavaka hoatr’izany ve?

16. Ahoana no ahalalana fa manana ny fanahin’Andriamanitra isika Vavolombelon’i Jehovah?

16 Mandra-pahoviana no tokony hotorina ilay vaovao tsara? Nilaza i Jesosy fa hitohy mandritra ny andro farany ilay fitoriana, ary aorian’izay “vao ho tonga ny farany.” Iza àry no fivavahana mitory foana ny vaovao tsara mandritra an’izao andro farany izao? Mety hilaza ny olona itoriantsika hoe: ‘Ekenay hoe mahavita an’ilay asa ianareo, fa izahay manana ny fanahy masina.’ Mahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra anefa isika matoa mbola maharitra mitory. (Asa. 1:8; 1 Pet. 4:14) Manandrana mitory tsy tapaka hoatr’antsika ny fivavahana hafa, fa tsy mahavita. Misy koa manao asa misionera, saingy mandritra ny fotoana voafetra ary avy eo miverina amin’ny fiainana mahazatra azy. Mitory isan-trano mihitsy aza ny sasany, saingy zavatra hafa no toriny fa tsy ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Hita amin’izany fa tsy manohy an’ilay asa natombok’i Kristy izy ireo.

IZA NO TENA MITORY NY VAOVAO TSARA?

17, 18. a) Nahoana isika no matoky fa isika Vavolombelon’i Jehovah no mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? b) Nahoana isika no mahavita mitory foana?

17 Iza àry no tena mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? Tsy misalasala isika mamaly hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah!” Nahoana? Satria ny hafatra asain’i Jesosy torina no torintsika, dia ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mety tsara koa ny fomba anaovantsika an’ilay fitoriana, satria manatona ny olona isika. Tsara ny antony mandrisika antsika hitory. Fitiavana mantsy no mahatonga antsika hanao izany fa tsy vola. Mitory eran-tany isika, ka afaka mandre an’ilay hafatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, na inona na inona fiteniny. Hitory foana koa isika mandra-pahatongan’ny farany.

18 Tena mahagaga ny zava-bitan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro farany izao. Ahoana no ahavitan’izy ireo an’izany? Hoy ny apostoly Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Fil. 4:13) Enga anie àry isika rehetra hahazo hery avy amin’ilay Raintsika be fitiavana. Hanao izay tsara indrindra vitantsika isika, ka hanatanteraka tsara ny fanompoantsika.—2 Tim. 4:5.