Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MEY 2016

Miezaha Haneho Fitiavana Rehefa Mandamina Tsy Fifankahazoana

Miezaha Haneho Fitiavana Rehefa Mandamina Tsy Fifankahazoana

“Mihavàna tsara hatrany ianareo.”—MAR. 9:50.

HIRA: 39, 77

1, 2. Inona no hitantsika ao amin’ny Genesisy, ary nahoana isika no mila mandinika azy ireny?

FANTATRAO ve fa maromaro ny olona lazain’ny Baiboly hoe tsy nifankahazo na niady? Misy vitsivitsy amin’izany ao amin’ny Genesisy. Novonoin’i Kaina, ohatra, i Abela. (Gen. 4:3-8) I Lameka indray namono tovolahy iray namely azy. (Gen. 4:23) Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrahama (Abrama) sy Lota. (Gen. 13:5-7) Nataon’i Hagara tsinontsinona i Saraha (Saray), ka tezitra tamin’i Abrahama. (Gen. 16:3-6) Tia niady taman’olona i Ismaela, ka niady taminy koa ny olon-drehetra.—Gen. 16:12.

2 Nahoana ny Baiboly no mitantara an’ireny olana ireny? Tsy lavorary isika ka tsy mifankahazo indraindray. Hanampy antsika hahita àry ny tantara hoatr’ireny hoe nahoana isika no mila mitandro fihavanana foana, ary ahoana no anaovantsika an’izany. Tena nisy ireny olona ireny sy ny olana nahazo azy, ka mahasoa antsika ny mamaky ny tantarany. Ho hitantsika fa niezaka nitandro fihavanana ny sasany tamin’izy ireny, ka afaka manahaka azy isika. Ho fantatsika koa izay tokony hatao sy tsy tokony hatao.—Rom. 15:4.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Horesahina ato hoe nahoana isika no mila mifandamina  rehefa tsy mifankahazo, ary inona no hanampy antsika hahavita an’izany. Ho hitantsika koa hoe inona avy ny toro lalan’ny Baiboly azo ampiharina, mba hahatonga antsika hifandray tsara foana amin’ny hafa sy amin’i Jehovah.

NAHOANA ISIKA NO MILA MIFANDAMINA?

4. Inona no toe-tsaina niely eran’izao tontolo izao, ary inona no vokatr’izany?

4 I Satana no tena mahatonga ny olona hiady sy tsy hifankahazo. Nilaza mantsy izy tany Edena hoe tsy mila an’Andriamanitra ny olona sady izy ireo ihany no tokony hanapaka hoe inona no tsara ary inona no ratsy. Vitan’izy ireo, hono, izany. (Gen. 3:1-5) Iaraha-mahita ny voka-dratsin’izany. Samy te hanao izay tiany ny ankamaroan’ny olona, ka lasa mirehareha sy tia tena ary tia mifaninana. Mitovy hevitra amin’i Satana izy ireo, ka izay mahafinaritra azy no ataony fa tsy raharahainy izay vokatr’izany amin’ny hafa. Miteraka fifandirana izany toe-tsaina izany. Tadidio anefa hoe “izay mora tezitra mampisy fifandirana, ary izay mora misafoaka dia be fahadisoana.”—Ohab. 29:22.

5. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy mba handaminana tsy fifanarahana?

5 I Jesosy kosa nampianatra hoe tokony hitandro fihavanana foana isika, na dia toa voa mafy aza isika raha manao izany. Nilaza, ohatra, izy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra hoe ahoana no hatao mba handaminana tsy fifanarahana sy hisorohana an’izany. Nampirisika ny mpianany izy mba halemy fanahy, ho mpampihavana, tsy hitana lolompo, hifandamina haingana, ary ho tia ny fahavalony.—Mat. 5:5, 9, 22, 25, 44.

6, 7. a) Nahoana no tokony halamina haingana ny tsy fifankahazoana? b) Inona avy ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika rehetra?

6 Raha tsy miezaka hihavana amin’ny hafa isika, dia tsy hisy dikany ny fanompoantsika an’i Jehovah. Anisan’izany ny vavaka sy ny famonjena fivoriana ary ny fitoriana. (Mar. 11:25) Tsy ho lasa naman’Andriamanitra mihitsy isika, raha tsy mamela heloka.—Vakio ny Lioka 11:4; Efesianina 4:32.

7 Mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika tsirairay hoe tena tia mamela heloka sy tia fihavanana ve isika sa tsia. Eritrereto hoe: ‘Mamela tanteraka ny heloky ny mpiray finoana amiko ve aho? Mahafinaritra ahy ve ny miaraka amin-dry zareo?’ Asain’i Jehovah mamela heloka mantsy ny mpanompony. Raha hitanao àry hoe mbola mila miezaka ianao, dia mivavaha amin’ilay Raintsika any an-danitra mba hanampy anao. Azo antoka fa hihaino sy hamaly ny vavaka ataonao izy, raha manetry tena toy izany ianao.—1 Jaona 5:14, 15.

SAO DIA AZO TSY RAHARAHAINA ILAY IZY?

8, 9. Inona no tokony hataontsika raha nisy nampahatezitra antsika?

8 Tsy lavorary ny olona rehetra ka tsy maintsy hisy hiteny na hanao zavatra hampahatezitra antsika, na ho ela na ho haingana. Tsy azo ialana izany. (Mpito. 7:20; Mat. 18:7) Inona àry no hataonao amin’izay? Diniho ity zava-nitranga ity: Nisy fiaraha-mikorana indray mandeha, ary niarahaba rahalahy roa ny anabavy iray. Sosotra tamin’ny zavatra nolazain’ilay anabavy ilay rahalahy iray, ka nanakiana azy rehefa izy roa lahy irery no teo. Nilaza anefa ilay rahalahy iray hoe efa 40 taona izay ilay anabavy no nanompo an’i Jehovah sady tsy nivadika mihitsy na dia niaritra ny mafy aza. Nilaza koa izy fa tsy ratsy saina ilay anabavy. Nieritreritra kely an’izany ilay rahalahy iray, dia niteny hoe: “Marina izany!” Tsy noraharahainy intsony àry ilay zavatra nampahatezitra azy.

9 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ianao ihany no mifidy hoe inona no hataonao rehefa misy olona nahasosotra anao.  Miezaka manadino an’izay fahadisoana kely natao taminy ny olona be fitiavana. (Vakio ny Ohabolana 10:12; 1 Petera 4:8.) Mahazo “voninahitra” eo anatrehan’i Jehovah ianao, raha “mamela fahadisoana.” (Ohab. 19:11; Mpito. 7:9) Raha misy olona hoatran’ny ratsy fanahy taminao àry, na hoatran’ny tsy nanaja anao, dia mieritrereta aloha hoe: ‘Maninona moa raha tsy raharahaiko fotsiny ilay izy e? Sao dia tsy tokony hitariko be ilay izy?’

10. a) Nanao ahoana ny anabavy iray rehefa nisy nanakiana? b) Inona ny andinin-teny nanampy azy tsy halahelo intsony?

10 Ary raha misy manakiana antsika? Mety ho sarotra ny tsy hiraharaha an’izany. Eritrereto, ohatra, izay nanjo an’i Lucy. Mpisava lalana izy, ary nisy nilaza fa tsy manao tsara ny fanompoany izy sady tsy mahay mampiasa ny fotoanany. Nalahelo i Lucy, ka nangataka torohevitra tamin’ny rahalahy matotra. Hoy izy: “Nomen’izy ireo torohevitra avy ao amin’ny Baiboly aho, mba hanampiana ahy tsy hifantoka be amin’izay lazain’ny olona, fa amin’izay eritreretin’i Jehovah momba ahy. Izany mantsy no tena zava-dehibe.” Nampahery an’i Lucy ny Matio 6:1-4. (Vakio.) Nampahatsiahy azy mantsy ireo andininy ireo hoe ny hampifaly an’i Jehovah no tokony ho tanjony. Hoy izy: “Faly foana aho na dia misy manakiana aza ny fanompoako, satria fantatro hoe efa miezaka mafy aho mba hankasitrahan’i Jehovah.” Tsy noraharahain’i Lucy intsony taorian’izay ny tenin’ireo nanakiana azy.

ARY RAHA TSY AZO AVELA AMIN’IZAO ILAY IZY?

11, 12. a) Inona no tokony hataonao raha fantatrao fa misy mpiara-manompo “manana alahelo aminao”? b) Inona no ianarantsika avy amin’i Abrahama? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jak. 3:2) Ahoana raha fantatrao hoe misy rahalahy tezitra tamin’ny zavatra nataonao na nolazainao? Hoy i Jesosy: ‘Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.’ (Mat. 5:23, 24) Araho io torohevitra io ka miresaha amin’ilay rahalahy. Inona no tokony ho tanjonao? Ny hiaiky ny fahadisoanao sy hamitram-pihavanana, fa tsy ny hanaporofo hoe izy koa mba diso. Tena zava-dehibe mantsy ny mihavana tsara amin’ny mpiara-manompo.

12 Tena azo atao ny mihavana foana amin’ny hafa. Mampiseho an’izany ny tantaran’i Abrahama sy Lota zana-drahalahiny. Nifanditra ny mpiandry ny biby fiompin’izy ireo, angamba satria tsy ampy ny kijana. Samy nanana biby fiompy be dia be mantsy izy mianaka. Te hitandro fihavanana i Abrahama, ka nilazany i Lota hoe tsara raha misaraka ry zareo. I Lota no nasainy nifidy voalohany an’izay faritra tiany hipetrahan’izy mianakavy. (Gen. 13:1, 2, 5-9) Tena ohatra tsara i Abrahama! Tsy nitady izay hahasoa azy izy, fa nitandro fihavanana. Matiantoka ve anefa izy satria tsara fanahy? Tsia! Nampanantena azy i Jehovah taoriana kelin’izay fa hahazo fitahiana be dia be izy. (Gen. 13:14-17) Marina fa mety ho matiantoka isika noho isika miezaka haneho fitiavana rehefa mandamina tsy fifankahazoana. Hotahin’i Jehovah anefa isika raha manao izany. [1]

13. Inona no nataon’ny mpiandraikitra iray rehefa nisy nasiaka taminy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

13 Diniho koa ity zava-nitranga ity: Niova ny mpiandraikitra ny sampan’asa  anankiray tany amin’ny fivoriambe iray. Nitelefaonina rahalahy iray izy mba hanontany sao izy afaka manao asa an-tsitrapo. Niteny zavatra mahasosotra be dia be anefa ilay rahalahy, ary notapahiny ilay antso. Mbola sosotra tamin’ilay mpiandraikitra taloha mantsy izy. Tsy tezitra ilay mpiandraikitra vaovao, nefa koa tsy nieritreritra hoe havelany amin’izao fotsiny ilay olana. Niantso indray àry izy afaka adiny iray, ka nilaza fa tsara raha mihaona ry zareo dia mandamina an’ilay olana. Nihaona tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, herinandro tatỳ aoriana. Nivavaka aloha ry zareo, dia niresaka nandritra ny adiny iray. Nitantara ny zava-nitranga ilay rahalahy, ary nihaino sy nangoraka azy ilay mpiandraikitra sady niresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly. Nihavana tsara izy ireo taorian’izay. Nanao asa an-tsitrapo ilay rahalahy, ary nisaotra an’ilay mpiandraikitra satria tsara fanahy sy tony foana izy rehefa niresaka taminy.

RAHOVIANA NO TOKONY HORESAHINA AMIN’NY ANTI-PANAHY ILAY OLANA?

14, 15. a) Rahoviana isika no tokony hampihatra ny Matio 18:15-17? b) Inona ireo dingana telo noresahin’i Jesosy, ary inona no tanjona rehefa manao an’ireo?

14 Ireo olona roa tsy mifankahazo ihany amin’ny ankapobeny dia efa mahalamina an’ilay olana, sady izy ireo ihany koa no tokony hanao an’izany. Nilaza anefa i Jesosy fa mety hilaina ny mangataka fanampiana indraindray. (Vakio ny Matio 18:15-17.) Misy dingana telo tsy maintsy atao amin’izany: Rehefa avy niresaka tamin’ilay rahalahy ianao fa tsy nety nihaino anao izy, dia mila mitondra vavolombelona ianao. Raha mbola tsy voalamina ilay izy, dia mila resahina amin’ny anti-panahy. Ahoana anefa raha tsy mety mihaino an’ireo koa izy? Tokony hatao “toy ny olon’izao tontolo izao  sy toy ny mpamory hetra” izy, izany hoe horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana. Tsy adiady kely àry no tian’i Jesosy horesahina tamin’ilay hoe “raha manota ny rahalahinao.” Fahadisoana lehibe ilay izy matoa mahavoaroaka, saingy ianareo ihany dia efa afaka mandamina an’ilay izy. Nisoloky angamba ilay rahalahy, na nanendrikendrika anao ka nanala baraka anao. Amin’ny fahotana hoatr’izany ihany vao tokony harahina ireo dingana telo nolazain’i Jesosy. Tsy tafiditra amin’izany kosa ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny fivadiham-pinoana, ny fanompoan-tsampy, ary ny fahotana lehibe hafa. Ny anti-panahy mantsy no tsy maintsy mandamina an’ireo.

Angamba mila miverimberina miresaka aminy ianao, mba hanampy azy hanao ny tsara indray (Fehintsoratra 15)

15 Te hampianatra antsika i Jesosy hoe tokony hanampy ny rahalahintsika isika ary haneho fitiavana rehefa manao izany. (Mat. 18:12-14) Ireo olona roa tsy mifankahazo aloha no tokony hiezaka hifandamina, fa tsy hampiditra olon-kafa. Angamba mila miverimberina miresaka aminy ianao, fa tsy indray mandeha fotsiny. Raha mbola tsy milamina ilay izy aorian’izay, dia miresaha indray aminy miaraka amin’izay vavolombelona nahita azy nanao an’ilay fahadisoana na olon-kafa afaka manaporofo an’ilay izy. Raha voalamina ilay olana, dia “hahatafaverina ny rahalahinao ianao”, izany hoe hanampy azy hanao ny tsara indray. Raha efa niezaka imbetsaka nanampy azy anefa ianao fa tsy nisy vokany ilay izy, dia amin’izay ianao vao tokony hiresaka amin’ny anti-panahy.

16. Nahoana no azo lazaina hoe mahasoa ilay torohevitr’i Jesosy ary maneho fitiavana isika raha mampihatra an’ilay izy?

16 Mahafinaritra anefa fa indraindray ihany vao ilaina ampiharina ireo dingana telo ao amin’ny Matio 18:15-17. Midika izany fa matetika no miaiky ny fahadisoany ilay olona ary mandamina an’ilay olana, ka tsy mila roahina. Mety ho efa namela ny helony koa ilay olona tezitra taminy, satria tsapany hoe tsy misy antony tokony hampahatezitra azy intsony. Hitantsika amin’ilay torohevitr’i Jesosy anefa hoe tsy tokony ho maika hiresaka amin’ny anti-panahy isika rehefa misy tsy fifankahazoana. Tsy tokony hiditra amin’ilay izy ny anti-panahy, raha tsy efa nanao an’ilay dingana voalohany sy faharoa ilay olona sady misy porofo manamarina tsara an’izay nitranga.

17. Inona no fitahiana ho azontsika raha ‘mitady fihavanana’ isika?

17 Tsy lavorary isika rehetra ka tsy maintsy hampahatezitra ny hafa foana, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Marina ny voalazan’ny Jakoba 3:2 hoe: “Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, mahafehy ny tenany manontolo koa.” Mila miezaka mafy ‘mitady fihavanana’ sy ‘mitandro izany’ isika, raha te handamina tsy fifankahazoana. (Sal. 34:14) Hifandray tsara amin’ny mpiray finoana amintsika isika, sady hahatonga ny fiangonana hiray saina, raha tia fihavanana. (Sal. 133:1-3) Hifandray tsara amin’i Jehovah, “ilay Andriamanitry ny fiadanana”, koa isika, ary izany no zava-dehibe indrindra. (Rom. 15:33) Hahazo an’ireo fitahiana ireo izay miezaka maneho fitiavana rehefa mandamina tsy fifankahazoana.

^ [1] (fehintsoratra 12) Misy olon-kafa koa resahin’ny Baiboly hoe niezaka nitandro fihavanana foana. Anisan’izany i Jakoba, tamin’i Esao niady taminy (Gen. 27:41-45; 33:1-11), i Josefa, rehefa nifandray tamin’ny rahalahiny (Gen. 45:1-15), ary i Gideona, rehefa nila ady taminy ny Efraimita. (Mpits. 8:1-3) Mahalala tantara hafa hoatr’izany koa angamba ianao.