Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Mey 2016

Mila mampiasa ny feon’ny fieritreretany nozarina hanaraka ny Baiboly ny Kristianina, rehefa mifampiraharaha amin’ny mpiasam-panjakana

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no hahafantaran’ny Kristianina raha mety na tsia ny manolotra fanomezana na falimpo ho an’ny mpiasam-panjakana?

Misy zavatra maromaro mila dinihina. Tsy maintsy manao ny marina ny Kristianina. Tokony hankatò ny lalàna ao amin’ny tany misy azy izy ireo, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah izany. (Mat. 22:21; Rom. 13:1, 2; Heb. 13:18) Miezaka izy ireo mba hanaja ny kolontsain’ny hafa sy tsy hanafintohina olona, ary ho ‘tia ny namany tahaka ny tenany.’ (Mat. 22:39; Rom. 12:17, 18; 1 Tes. 4:11, 12) Mampihatra an’ireo toro lalana ireo ny Kristianina any amin’ny tany samy hafa, ka ireo no manampy azy hahafantatra raha mety na tsia ny manolotra falimpo.

Tsy mila manome zavatra ho an’ny mpiasam-panjakana ny olona any amin’ny firenena maro, rehefa hikarakara an’izay zavatra ananany zo. Karamain’ny fanjakana mantsy ireny mpiasa ireny, ka tsy mangataka na manantena zavatra hafa ankoatra ny karamany. Any amin’ny tany maro koa, dia tena raran’ny lalàna tsy hangataka na handray vola na fanomezana ny mpiasam-panjakana, rehefa manao ny asany. Tsy mahazo manao an’izany izy na dia tsy misy fandikan-dalàna aza amin’ilay zavatra ampanaovina azy. Heverina ho kolikoly mantsy ilay fanomezana, na inona na inona vokatr’ilay izy. Mazava be àry hoe tsy mety amin’ny Kristianina ny manolotra fanomezana na falimpo ho an’ny mpiasam-panjakana, any amin’ireny tany ireny.

Tsy misy lalàna toy izany kosa any an-tany hafa, na misy ihany fa tsy sarotiny be amin’ilay izy ny manam-pahefana. Hafa mihitsy àry ny toe-tsain’ny mpiasam-panjakana any. Misy, ohatra, manararaotra ny fahefany, ka tsy manao ny asany mihitsy raha tsy mahazo vola na zavatra hafa. Anisan’izany ny mpanoratra fanambadiana sy ny mpanome taratasy fahazoan-dalana hanorina ary ireo mpiasan’ny birao fandoavan-ketra. Raha tsy “manome kely” ianao, dia ataony sahirana be vao mahazo an’izay tadiavinao, na dia zonao aza ny hahazo an’ilay izy. Mety tsy homeny anao mihitsy aza ilay izy. Nisy tatitra nilaza hoe tsy mamonjy trano may ny mpamono afo any amin’ny tany iray, raha tsy efa mahazo vola be.

Tsara indraindray ny manome zavatra kely ho fankasitrahana ny fanampiana antsika, na dia zontsika aza ny nahazo an’ilay fanampiana

 Mihevitra ny olona sasany any amin’ny tany be kolikoly toy izany hoe tsy maintsy “manome kely” izy vao mahazo an’izay zavatra ananany zo. Mety hihevitra àry ny Kristianina any hoe sarany fanampiny tsy maintsy aloany ilay vola. Mila mitandrina anefa izy ireo. Mety tsy ho hainy tsara intsony mantsy ny hanavaka hoe inona no eken’Andriamanitra sy tsy ekeny. Tsy mitovy ny hoe manome falimpo ho fankasitrahana ny asa natao sady anananao zo, sy ny hoe manome vola mba hampanaovana zavatra voararan’ny lalàna. Misy, ohatra, olona manome vola ho an’ny mpiasam-panjakana, satria te hahazo zavatra tsy ananany zo. Misy koa manome vola kely ho an’ny polisy na manam-pahefana hafa, satria tsy te handoa ny lamandy tokony haloany. Mazava ho azy fa samy tsy mety na ny manome vola na ny manaiky handray vola toy izany. Samy tsy ara-drariny izany.—Eks. 23:8; Deot. 16:19; Ohab. 17:23.

Manazatra ny feon’ny fieritreretany mba hanaraka ny Baiboly ny Kristianina matotra. Tsy mety amin’ny ankamaroan’izy ireo àry ny “manome kely” rehefa misy mpiasam-panjakana mangataka an’izany. Mihevitra izy ireo fa raha manao an’izany izy, dia toy ny hoe tsy mampaninona azy ny kolikoly, na toy ny hoe mampirisika ny hafa hanao kolikoly izy. Tsy manome mihitsy àry izy rehefa misy mangataka vola na zavatra hafa.

Eken’ny Kristianina matotra hoe manao tsolotra izy raha manome vola na zavatra hafa, mba hampanaovana zavatra tsy ara-dalàna. Tsy mitovy anefa ny zava-misy any amin’ny tany sasany sy ny zavatra mety hanafintohina. Misy àry manome vola kely mba ho fankasitrahana ny zavatra natao sy ananany zo, na mba tsy ho ela loatra vao ho azony ny zavatra tadiaviny. Misy indray manome fanomezana ho an’ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy, rehefa avy nitsabo tena maimaim-poana tany amin’ny hopitalim-panjakana. Te hankasitraka azy ireny mantsy izy. Rehefa vita ny fikarakarana azy vao manao an’izany izy, mba tsy hisy hihevitra hoe tsolotra ilay izy, na hoe tiany hiangarana izy.

Tsy ho voadinika ato daholo ny zavatra mety hitranga any amin’ny tany tsirairay. Tokony hiezaka hanana feon’ny fieritreretana madio foana anefa ny Kristianina, na inona na inona fanao any amin’ny tany misy azy. (Rom. 14:1-6) Tsy tokony hanao zavatra voararan’ny lalàna izy ireo. (Rom. 13:1-7) Tsy tokony hanala baraka ny anaran’i Jehovah na hanafintohina olona izy ireo, amin’izay rehetra ataony. (Mat. 6:9; 1 Kor. 10:32) Tokony ho hita amin’ny fanapahan-keviny hoe tia ny mpiara-belona aminy izy.—Mar. 12:31.

 Ahoana no azon’ny fiangonana ampisehoana ny fifaliany rehefa ampandrenesina hoe misy olona voaray indray?

Misy fanoharana miavaka nolazain’i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-15. Momba ny lehilahy iray nanana ondry 100 ilay izy. Very ny ondriny iray ka nilaozany ireo ondry 99, ary lasa izy nitady an’ilay iray tany an-tany efitra “mandra-pahitany azy.” Hoy i Jesosy avy eo: ‘Nataony teo an-tsorony ilay izy rehefa hitany, sady niravoravo izy. Dia novoriny ny namany sy ny mpiara-monina aminy rehefa tonga tany an-tranony izy, ka nilazany hoe: “Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay ondriko very.”’ Hoy àry i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana mihoatra noho izany any an-danitra ny amin’ny mpanota anankiray mibebaka noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo izay tsy mila mibebaka.”—Lioka 15:4-7.

Hita amin’ny teny manodidina fa te hanitsy an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo i Jesosy rehefa nilaza an’io fanoharana io. Nanakiana azy mantsy izy ireo noho izy niaraka tamin’ny mpamory hetra sy mpanota. (Lioka 15:1-3) Nilaza i Jesosy fa faly ny any an-danitra rehefa misy mpanota iray mibebaka. Mety hieritreritra àry isika hoe: ‘Koa raha ny any an-danitra aza faly rehefa misy mpanota mibebaka sy miova ary “manitsy ny lalan-kalehany”, tsy tokony mba hifaly koa ve ny etỳ an-tany?’—Heb. 12:13.

Tena faly isika rehefa misy olona voaray indray. Marina fa mbola tokony hasehony hoe tsy mivadika izy. Efa nibebaka anefa izy matoa voaray, ka faly isika. Rehefa misy olona ampandrenesin’ny anti-panahy hoe voaray indray àry, dia mahazo mitehaka ny mpanatrika raha tiany. Tokony hampiseho fanajana anefa ilay izy.

Inona no mety ho nampihetsika ny rano tao amin’ny dobon’i Betesda, tany Jerosalema?

Nino ny mponina sasany tao Jerosalema, tamin’ny andron’i Jesosy, hoe mahasitrana ny rano ao amin’ny dobon’i Betesda rehefa “mihetsika.” (Jaona 5:1-7) Betsaka àry ny olona te ho sitrana ka nitangorona teo amin’izy io.

Hitan’ny mpikaroka hoe fanaovan’ny Jiosy fombafomba fidiovana ilay dobon’i Betesda. Nisy dobo fitehirizan-drano nifanila tamin’io dobo io, ka avy tao ny rano tao aminy. Hita tamin’ny fikarohana fa nisy rafitra vato nanasaraka an’ireo dobo ireo, ary nisy faritra azo nosokafana teo amin’ilay izy. Teo ny rano no nivoaka ka nanaraka lakan-drano iray, ary tonga tao amin’ny fanambanin’ny dobon’i Betesda. Azo antoka fa nihetsika ny rano teny an-tampon’ilay dobo rehefa nibosesika ny rano.

Lazain’ny Baiboly sasany, ao amin’ny Jaona 5:4, hoe anjely no nampihetsika an’ilay rano. Tsy misy an’io andininy io anefa ao amin’ny Baiboly sora-tanana grika tranainy, izay tena hajain’ny olona. Tsy hita ao amin’ny Kôdeksa Sinaiticus natao tamin’ny taonjato fahefatra, ohatra, izy io. Teo amin’ny dobon’i Betesda i Jesosy no nanasitrana lehilahy iray narary nandritra ny 38 taona. Sitrana teo no ho eo izy nefa tsy niroboka tao amin’ilay rano.