Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 24

Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?

Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?

Népal

Togo

Grande-Bretagne

Mamoaka boky sy gazety ary Baiboly an-jatony tapitrisa isan-taona izahay, ary zarainay maimaim-poana izany. Manorina sy mikojakoja Efitrano Fanjakana sy Betela koa izahay. Tsy vitan’izay fa manampy tra-boina sy manome fanampiana an’ireo Betelita sy misionera be dia be izahay. Mety ho lasa saina àry ianao hoe aiza no ahitanay vola anaovana izany.

Tsy mitaky rakitra na adidy na ampahafolon-karena izahay. Tsy mitaky vola amin’ny olona izahay, na dia ilana vola be aza ny asa fitoriana ataonay. Milaza Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1879 fa i Jehovah no mpanohana anay, ka “tsy hangataka na hiangavy olona hanohana” anay mihitsy izahay. Dia tena tsy mangataka tokoa izahay.—Matio 10:8.

Manome vola an-tsitrapo izahay. Maro no mankasitraka ny asa fitoriana sy fampianarana ataonay ka manome vola. Izahay Vavolombelon’i Jehovah mihitsy koa anefa no mampiasa ny volanay, ny fotoananay, ny herinay, ary ny fanananay mba hanaovana izany eran-tany. (1 Tantara 29:9) Misy boaty ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe, ka afaka mandrotsaka vola ao izay te hanome. Azo atao koa ny miditra ao amin’ny jw.org raha te hanao fanomezana. Avy amin’ny olona tsotsotra ny ankamaroan’ny vola azo, hoatran’ilay voalazan’ny Lioka 21:1-4. Resahina ao fa nisy vehivavy maty vady sy nahantra kely nandrotsaka vola madinika roa tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly. Afaka mizatra ‘manokana vola’ hatao fanomezana an-tsitrapo àry ny tsirairay.—1 Korintianina 16:2; 2 Korintianina 9:7.

Betsaka ny olona te ‘hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy ananany’, ka mino izahay fa hampirisika azy ireny hanohana foana ny asan’ilay Fanjakana izy. (Ohabolana 3:9) Ho tanteraka amin’izay ny sitrapony.

  • Inona no tsy itovizanay amin’ny fivavahana hafa?

  • Ampiasaina amin’inona avy ny vola omentsika?