Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 20

Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?

Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?

Filan-kevi-pitantanana, taonjato voalohany

Mamaky taratasy avy amin’ny filan-kevi-pitantanana

Ny “apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema” no filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nisy fanapahan-kevitra lehibe tokony horaisina, dia izy ireo no nanao izany satria nisolo tena ny Kristianina voahosotra rehetra izy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:2) Nandinika ny Soratra Masina sy nangataka ny fanahy masina anefa aloha ry zareo, vao niara-nanapa-kevitra. (Asan’ny Apostoly 15:25) Izany koa no ataon’ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny.

Ampiasain’Andriamanitra hanao ny sitrapony izy ireo. Lehilahy voahosotra vitsivitsy ny Filan-kevi-pitantanana. Tena liana amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary mahay mandamina ny asa fitoriana sy mamaly fanontaniana ara-baiboly. Mivory isan-kerinandro izy ireo handinihana izay ilain’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia manome toromarika avy ao amin’ny Baiboly izy ireo. Ampitainy amin’ny alalan’ny taratasy na mpiandraikitra mpitety faritany, ohatra, ilay izy, ka lasa miray saina sy mitovy zavatra atao ny mpanompon’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 16:4, 5) Ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra ny sakafo ara-panahy, mampirisika ny olona hazoto hitory, ary manapa-kevitra raha azo omena andraikitra ny olona iray na tsia.

Manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina izy ireo. Eken’ny Filan-kevi-pitantanana fa i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao ary i Jesosy no Lohan’ny fiangonana. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 5:23) Mitady torohevitra avy amin’i Jehovah sy Jesosy àry izy ireo. Tsy mihevitra ny tenany ho mpitarika ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo. ‘Manaraka foana an’i Jesosy’ izy sy ny voahosotra hafa. (Apokalypsy 14:4) Faly ny Filan-kevi-pitantanana raha mivavaka ho azy ireo isika.

  • Iza no filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany?

  • Mitady foana ny tari-dalan’Andriamanitra ny Filan-kevi-pitantanana. Ahoana no ataony?