Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:36-41. Inona no zavatra telo diso eo amin’io sary io? Soraty eo ambany ny valin-teninao, ary lokoy ny sary.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Iza koa no anaran’i Tabita? Inona no dikan’ny anarany?

Jereo ny boky ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’, pejy 67.

Tia tena ve i Tabita? Hazavao.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:36, 39.

Tanteraka tamin’i Tabita ve ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 6:38? Nahoana? Ahoana no azonao anahafana azy?

Vakio ny Efesianina 4:28; Jakoba 2:14-17.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Asaina mieritreritra olona tiany homena zavatra ny tsirairay. Manamboara zavatra tsotsotra ho an’ilay olona avy eo, ohatra hoe karta na taratasy kely misy andinin-teny sy azo atao fanamarihana pejy.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

KARATRA ARA-BAIBOLY 7 PETERA

FANONTANIANA

A. Nahoana i Petera no nanomboka nilentika?

B. Marina sa diso: Tsy nanambady mihitsy i Petera.

D. Hoy i Petera sy ny apostoly hafa rehefa tsy navelan’ny mpitondra fivavahana hampianatra intsony: “Andriamanitra no mpitondra anay...”

[Tabilao]

4026 Talohan’i Taona 1 Taona 98

Kristy

Noforonina Niaina tamin’ny Vita ny fanoratana

i Adama taonjato ny Baiboly

voalohany

[Sarintany]

Nipetraka tany Betsaida sy Kapernaomy

GALILIA

Kapernaomy

Betsaida

Ranomasin’i Galilia

PETERA

MOMBA AZY

Mpanarato niasa mafy izy ary voalohandohany tamin’ny mpianatr’i Jesosy. Iray amin’ireo 12 lahy nofidin’i Jesosy ho apostoly, na iraka, izy. Betsaka kokoa noho ny an’ny apostoly hafa ny tenin’i Petera voarakitra ao amin’ireo Filazantsara efatra. Nampiasa azy imbetsaka i Jehovah mba hitory sy ‘hampahery ny rahalahiny.’—Lioka 22:32; Marka 3:13-19.

VALINY

A. Nisalasala izy.—Matio 14:28-31.

B. Diso.—Marka 1:29-31; Jaona 1:42; 1 Korintianina 9:5.

D. “... ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:18, 27-29.

Olona sy Tany

4. Antonia no anarako, ary valo taona aho. Mipetraka eto Silia, atỳ Amerika Atsimo, aho. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah eto Silia: 69 500 sa 96 500 sa 106 500?

5. Ataovy anaty boribory izay teboka mampiseho ny atỳ aminay. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Silia.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

● Any amin’ny pejy 23 ny valin’ny “NATAO HODINIHIN’NY MPIANAKAVY”

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Nandohalika i Petera rehefa nivavaka fa tsy nitsangana.

2. Akanjo namboarin’i Tabita no nasehon’ireo vehivavy maty vady fa tsy vilany tany.

3. Irery i Petera rehefa nivavaka fa tsy nisy olon-kafa tao amin’ilay efitra.

4. 69 500.

5. B.