Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Tranonkala Fifaneraserana?—Fizarana 1

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Tranonkala Fifaneraserana?—Fizarana 1

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Tranonkala Fifaneraserana?—Fizarana 1

“Mana-namana any an-tany hafa aho, ary ny tranonkala fifaneraserana no fomba tsara indrindra ahafahako mifandray amin-dry zareo. Tiako ny miresaka amin’izy ireo na dia any lavitra be any aza ry zareo.”—Soatiana, 17 taona. *

“Mandany fotoana fotsiny izay mampiasa tranonkala fifaneraserana. Ny kamo no mampiasa azy io. Ny mihaona mivantana ihany no tena tsara raha te ho mpinamana foana.”—Njaka, 19 taona.

IZA amin’izy ireo no mitovitovy hevitra aminao? Na ahoana na ahoana ny hevitrao, dia tena lasa be mpitia ny tranonkala fifaneraserana. * Eritrereto hoe 38 taona vao feno 50 tapitrisa ny isan’ny olona nampiasa radio, 13 taona vao feno 50 tapitrisa ny isan’ny mpijery tele, ary 4 taona vao feno 50 tapitrisa ny mpampiasa Internet. Herintaona monja anefa dia nahatratra 200 tapitrisa ny mpampiasa an’ilay tranonkala fifaneraserana atao hoe Facebook!

Mariho hoe marina na diso ity:

Ny ankizy latsaka ny 20 taona no tena mpampiasa tranonkala fifaneraserana. ․․․․․ Marina ․․․․․ Diso

Valiny: Diso. Efa ho ny roa ampahatelon’ireo manana kaonty amin’ny tranonkala fifaneraserana be mpampiasa indrindra no 25 taona na mihoatra. Ireo 55 taona mahery no tena nahabetsaka ny mpampiasa azy ireny, tamin’ny 2009.

Tanora an-tapitrisany no mampiasa tranonkala fifaneraserana, na izany aza. Ireny tranonkala ireny aza no tena tian’ny sasany hampiasaina rehefa hifampiresaka amin’ny hafa. Hoy i Haingo: “Novonoiko ny kaontiko nefa nosokafako indray, satria tsy nisy olona nifandray tamiko tamin’ny telefaonina mihitsy. Hoatran’ny hoe tsy misy miraharaha anao rehefa tsy ao amin’ny tranonkala fifaneraserana ianao.”

Inona no itiavan’ny olona an’ireny tranonkala ireny? Tsotra ny valiny: Efa natao hifandray amin’ny hafa ny olombelona. Izany anefa no tena asan’ireny tranonkala ireny. Diniho hoe nahoana ny olona maro no te hampiasa azy ireny.

1. Tsy manahirana.

“Mety ho sarotra ny mifandray foana amin’ny namana. Mora anefa izany raha hita ao amin’ny tranonkala iray izy rehetra.”—Sarah, 20 taona.

“Hoatran’ny hoe mahazo e-mail avy atỳ amiko daholo ny namako rehefa mametraka fanamarihana ao aho.”—Christine, 20 taona.

2. Taomin’ny namana.

“Be dia be no mangataka ahy hiditra ho anisan’ny lisitry ny namany. Tsy afaka anefa aho satria tsy manana kaonty akory.”—Nanie, 22 taona.

“Jerijeren’ny olona aho rehefa miteny hoe aleoko tsy manana kaonty. Hoatran’ny te hiteny ry zareo hoe ‘Fa mba olona inona koa ity?’ ”—Evah, 18 taona.

3. Haino aman-jery.

“Ataon’ny haino aman-jery izay hinoanao hoe tsy hana-namana ianao raha tsy mampiasa fitaovana isan-karazany ahafahana mifandray aminao. Hoatran’ny tsy olona anefa ianao raha tsy mana-namana. Tsy hisy dikany àry ianao raha tsy mampiasa tranonkala fifaneraserana.”—Koly, 18 taona.

4. Fianarana.

“Mampiasa tranonkala fifaneraserana ny mpampianatra anay. Mametraka fanamarihana ao ny sasany rehefa hisy laza adina. Raha misy tsy azoko koa, ohatra, amin’ny matematika, dia anoratako ilay mpampianatra ary valiany ao amin’ilay tranonkala aho.”—Marina, 17 taona.

5. Asa.

“Mampiasa tranonkala fifaneraserana ny olona mitady asa, mba hifandraisana amin’ny hafa. Izany no ahitan’ny sasany asa.”—Anja, 20 taona.

“Misy tranonkala fifaneraserana ampiasaiko amin’ny asako. Azon’ny mpanjifa jerena ao izay tetikasa ataoko.”—Rado, 21 taona.

Tokony hampiasa tranonkala fifaneraserana ve ianao? Miankina amin’ny ray aman-dreninao izany raha mbola mipetraka ao an-trano ianao. * (Ohabolana 6:20) Tokony hankatò ny ray aman-dreninao ianao raha tsy mamela anao hanana kaonty izy ireo.—Efesianina 6:1.

Mamela ny zanany hampiasa tranonkala fifaneraserana kosa ny ray aman-dreny sasany, ary manara-maso azy. Midikiditra amin’ny fiainany ve izy ireo amin’izany? Tsy izany mihitsy! Rariny raha manahy izy ireo satria fitaovana tena mahery vaika ny tranonkala fifaneraserana. Izao mantsy: Mitovy amin’ny zavatra hafa ampiasana Internet ihany izy io ka mety hampidi-doza. Ahoana no hisorohanao an’izany loza izany, raha avelan’ny ray aman-dreninao hampiasa an’ireny tranonkala ireny ianao?

Mitandrema!

Azo lazaina hoe toy ny mitondra fiara ny olona mampiasa Internet. Voamarikao angamba fa tsy hoe mpamily mitandrina tsara daholo izay manana fahazoan-dalana hitondra fiara. Olona maro aza no tratran’ny loza mahatsiravina satria tsy nitandrina na tsy niraharaha.

Toy izany koa ny olona mampiasa Internet. Ao ny mitandrina ary ao ny tsy mivaky loha. Mety hampidi-doza ny tranonkala fifaneraserana, ka matoky anao ny ray aman-dreninao matoa ianao avelany hanana kaonty ao. Mitandrina tsara àry ve ianao? Asehonao ve fa ‘hendry sy mahay misaina’ ianao?—Ohabolana 3:21.

Misy zavatra maromaro mila tandremanao tsara. Hodinihintsika izao izay tokony hohazoninao ho tsiambaratelo sy ny fotoananao. Horesahina ao amin’ny “Manontany ny Tanora” ao amin’ny laharana manaraka kosa ny momba ny lazanao sy ny namanao.

NY TSIAMBARATELONAO

Tsy mieritreritra ny hanafina ny momba anao mihitsy angamba ianao rehefa mampiasa tranonkala fifaneraserana. Tsy ny hifankahalalana amin’ny olona tokoa ve moa no tanjona? Mety hidiran-doza anefa ianao raha tsy mitandrina.

Eritrereto hoe misy vola be any aminao. Haderaderanao amin’ny olona eny an-dalana ve ilay izy rehefa miaraka amin’ny namanao ianao? Ho hadalana izany satria toy ny miantso mpangalatra. Hafeninao tsara kosa ilay vola be raha hendry ianao.

Mitovy amin’izany vola be izany ny fanazavana momba anao. Jereo àry ny lisitra eto ambany. Mariho eo izay fanazavana tsy tianao ho hitan’ny olona tsy fantatrao.

․․․․․ ny adiresin’ny tranonao

․․․․․ ny adiresy e-mail-nao

․․․․․ ny sekoly ianaranao

․․․․․ ny fotoana ijanonanao ao an-trano

․․․․․ ny fotoana tsy isian’ny olona ao an-tranonareo

․․․․․ ny sarinao

․․․․․ ny hevitrao

․․․․․ ny zavatra tianao sy mahaliana anao

Azo inoana fa tsy tianao ho fantatr’izao olona rehetra izao ny sasany amin’ireo voatanisa ireo, na dia faran’izay tia mifandray amin’ny olona aza ianao. Tsy tandrintandrin’ny tanora sy olon-dehibe maro akory anefa fa nampahafantatra an’izany tamin’ny olona tsy fantany izy. Ahoana no azo isorohana an’izany?

Tokony ho hainao tsara ny momba an’ireo fiarovana ny tsiambaratelo ary hampiasainao, raha avelan’ny ray aman-dreninao hampiasa tranonkala fifaneraserana ianao. Aza manantena hoe ilay tranonkala no hanao izany. Mety ho betsaka tsy araka ny nieritreretanao azy no ho afaka hahita sy hanoratra eo amin’ny pejinao, raha tsy kitihinao ny firafitr’izy io. Izany no nahatonga an’i Alisoa hanova ny firafitry ny pejiny. Izay tena namany ihany amin’izay no hahita ny fanamarihany. Hoy izy: “Nana-namana tsy fantatro akory ny namako sasany. Tsy tiako hamaky ny mombamomba ahy ireny olona tsy fantatro ireny.”

Mila mitandrina ianao na dia ny namanao akaiky ihany aza no ifampiresahanao. Hoy i Ialy, 21 taona: “Mety ho zatra mahazo fanamarihana avy amin’ny namanao ianao, ka lasa miresaka be loatra momba anao satria te hahazo fanamarihana foana.”

Tadidio foana fa tsy miafina tanteraka ny zavatra ataonao amin’ny Internet. Nahoana? Hoy i Gwenn O’Keeffe ao amin’ilay bokiny momba ny Internet: “Mitahiry an’izay atao ao aminy ny tranonkala lehibe maro. Tsy voafafa tanteraka izay nataontsika tao. Tokony hotadidina foana hoe misy kopian’izany any ho any. Adala isika raha tsy mino an’izany.”

NY FOTOANANAO

Tsy ny momba anao ihany no mitovy amin’ny vola be fa ny fotoananao koa. Tokony hoeritreretinao àry ny fotoana holaninao. (Mpitoriteny 3:1) Iray amin’ireo olana lehibe rehefa mampiasa Internet izany. Olana koa izany rehefa mampiasa tranonkala fifaneraserana. *

“Matetika aho no miteny hoe ‘Vetivety fotsiny aho no hampiasa Internet.’ Mbola eo foana anefa aho rehefa afaka adiny iray.”—Amanda, 18 taona.

“Isaky ny avy nianatra aho, dia lany fotoana be nijery ny fanamarihan’ny olona momba an’izay napetrako tao sy nijery an’izay napetrak’izy ireo. Lasa adalan’izany aho.”—Fy, 16 taona.

“Afaka nampiasa an’ilay tranonkala avy tao amin’ny findaiko aho, ka nijery an’izany foana, na handeha hianatra na tany am-pianarana na rehefa hody. Notohiziko teo amin’ny ordinatera izany rehefa tao an-trano. Lasa adalan’ilay izy aho, nefa tsy te hiala.”—Riana, 17 taona.

Eritrereto àry izay fotoana holaninao isan’andro eo amin’ny tranonkala fifaneraserana, raha avelan’ny ray aman-dreninao hampiasa ianao, ary ezaho arahina izany. Mariho ny fotoana laninao mandritra ny iray volana ary jereo raha tsy mihoatra an’ilay fotoana noeritreretinao. Tadidio fa sarobidy ny fotoananao. Aza avela handany ny fotoananao àry ny tranonkala fifaneraserana. Sady misy zavatra lehibe noho io ange e!—Efesianina 5:15, 16; Filipianina 1:10.

Misy zavatra ataon’ny tanora sasany mba tsy hahalany fotoana azy ireo. Diniho ireto:

“Novonoiko ny kaontiko ka nanam-potoana be aho. Afaka aho! Nosokafako indray ny kaontiko, ary nahafehy tena tsara aho. Tsy mijery an’ilay izy aho mandritra ny andro maromaro, ary hadinoko mihitsy aza ny fisiany indraindray. Hovonoiko fotsiny ny kaontiko, raha vao mitady hanahirana ahy.”—Alisoa, 19 taona.

“Vonoiko ny kaontiko ary sokafako indray rehefa afaka volana maromaro. Izany no ataoko raha vao hitako hoe mitady handany fotoana be loatra amin’ilay izy aho. Tsy miraiki-po be amin’ilay izy, toy ny taloha, intsony aho. Hajanoko ilay izy rehefa vita izay ilako azy.”—Seheno, 22 taona.

Tsara hotadidina

Misy zavatra hafa mila dinihina koa momba ny tranonkala fifaneraserana. Mba hahitana an’izany, dia asio ✔ eo akaikin’izay heverinao hoe valiny marina.

Inona no tena ataon’ny tranonkala fifaneraserana?

A) ․․․․․ mitady vola.

B) ․․․․․ mampifandray olona.

D) ․․․․․ mampiala voly.

Mety ho sarotra inoana ny hoe ilay A no valiny, nefa dia izany no marina. Ny hitady vola no tena tanjon’ny tranonkala fifaneraserana. Te hahazo tombony izy ireo, indrindra fa amin’ny alalan’ny dokam-barotra. Tian’ny mpanao dokam-barotra ireo tranonkala be mpampiasa, satria maro kokoa no hahita ny zavatra atolony. Hahita dokam-barotra betsaka kokoa ianao sy izay mampiasa an’ilay tranonkala, arakaraka ny hijanonanareo ela ao.

Tsara ny hahafantaranao an’izany. Ho takatrao amin’izay fa tsy ho maty antoka ilay tranonkala raha be loatra ny olona iresahanao ny momba anao, na be loatra ny fotoana laninao ao. Ireo mpanao dokam-barotra no hahazo tombony. Tandrintandremo àry izay fanazavana homenao momba anao ary jereo tsara ny fotoana laninao, raha hampiasa tranonkala fifaneraserana ihany ianao.

AO AMIN’NY “MANONTANY NY TANORA” MANARAKA...

Nahoana no misy vokany eo amin’ny lazanao sy ny namanao ny tranonkala fifaneraserana?

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 5 Toerana ao amin’ny Internet ny tranonkala fifaneraserana, ary afaka mifandray amin’ny alalan’izy io ny mpinamana maromaro manana kaonty ao.

^ feh. 24 Tsy mampirisika na manakana ny fampiasana tranonkala iray manokana ny Mifohaza! Tsy tokony hanao zavatra mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly anefa ny Kristianina rehefa mampiasa Internet.—1 Timoty 1:5, 19.

^ feh. 47 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny “Manontany ny Tanora Hoe... Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?”, ao amin’ny Mifohaza! Janoary 2011. Mariho ilay efajoro eo amin’ny pejy 26 hoe “Nandevozin’ny Tranonkala Fifaneraserana Aho.”

[Teny notsongaina, pejy 25]

Afaka 38 taona vao nahatratra 50 tapitrisa ny isan’ny olona nampiasa radio

[Teny notsongaina, pejy 25]

Herintaona monja dia nahatratra 200 tapitrisa mahery ny mpampiasa an’ilay tranonkala fifaneraserana atao hoe Facebook

[Efajoro, pejy 27]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Resaho amin’ny ray aman-dreninao hoe inona no tena tsy tokony horesahina ao amin’ny Internet ary nahoana. Inona avy no mety hampidi-doza raha lazaina ao? Asaivo manoro hevitra anao koa izy ireo mba hahaizanao mandanjalanja ny fifampiresahana ao amin’ny Internet sy ny fifampiresahana mivantana. Misy fanitsiana tian’izy ireo hataonao ve?

[Sary, pejy 26]

Betsaka tsy araka ny iheveranao azy no mahita an’izay ataonao ao amin’ny tranonkala fifaneraserana

[Sary, pejy 27]

Toy ny vola ny fotoana. Tsy hanana hampiasaina intsony ianao rehefa tena hila izany, raha laninao teo amin’ny toerana iray daholo izany