Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Misaotra Anareo Aho Amin’ireny Lahatsoratra Ireny!”

“Misaotra Anareo Aho Amin’ireny Lahatsoratra Ireny!”

“Misaotra Anareo Aho Amin’ireny Lahatsoratra Ireny!”

● Olona maro maneran-tany no mankasitraka ny “Natao Hodinihin’ny Mpianakavy”, any amin’ny pejy 30 sy 31 amin’ny Mifohaza! tsirairay. Mampiana-javatra sy mahafinaritra ny mpianakavy ireo sary sy fanontaniana, ireo karatra ara-baiboly asaina hetezana sy tehirizina, ireo sary asaina tadiavin’ny ankizy, ary ireo zavatra asaina ataon’ny mpianakavy. Diniho ireto tenin’olona ireto:

“Ampianariko Baiboly an-taratasy ny zafikeliko roa lahy, izay samy 12 taona. Asaiko fenoin’izy ireo ny ‘Natao Hodinihin’ny Mpianakavy’ ary asaiko averiny atỳ amiko avy eo. Hitako hoe tena tian’izy ireo ny fianaranay. Afaka manazava bebe kokoa momba an’ireo foto-kevitra dinihina ao aho rehefa manoratra ho azy ireo. Misaotra anareo aho amin’ireny lahatsoratra ireny!”

V. C., Etazonia

“Vao haingana, dia nilaza tamiko ny zanako dimy taona fa te hanao an’ilay ‘Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?’ izy, talohan’ny hatory. Nitady iray aho, ary niresaka momba an’ilay sary izahay. Nohenoiny tsara aho rehefa namaky an’ilay tantara avy ao amin’ny Baiboly. Mila ho isak’alina izao izy no te hianatra. Misaotra anareo amin’ny fonay manontolo izahay mianakavy fa nanampy ny zanakay ho tia Baiboly ianareo.”

M. F., Frantsa

“Nihaona tamin’i David, 12 taona, sy Jennifer, 6 taona, aho, teny amin’ny faran’ny bisy. Hitan’ny dadan’izy dahy hoe mizara Mifohaza! amin’ny mpandeha aho, ka navelany hanatona ahy izy ireo. Nanomboka namaky an’ireo gazety i David sy ny dadany, fa izahay sy Jennifer kely kosa niaraka nijery sy nianatra momba an’ireo sary mahafinaritra sy ireo sarina biby sy vorona. Noresahinay ny momba an’ireo zavatra tsara tarehy noforonin’i Jehovah Andriamanitra mba hankafizintsika. Nandramanay notadiavina ireo sary eo amin’ilay hoe ‘Ho An’ny Ankizy’, rehefa teo amin’ny pejy 31 izahay. Notadiaviko ilay sary voalohany, nefa navadik’i Jennifer haingana ireo pejy ary vetivety kely dia hitany ilay sary. Mbola izy koa no voalohany nahita an’ireo sary faharoa sy fahatelo. Tsy nanaiky izy raha tsy notadiavinay daholo ireo sary ho an’ny ankizy, tao amin’ny gazety folo samihafa! Nangataka gazety roa fanampiny i Jennifer tamin’ny farany mba hoentiny eny amin’ny dadany sy ny zokiny. Rehefa nandeha aho dia nisaotra ahy izy telo mianaka noho ireo gazety faran’izay tsara ireo.”

M. C., Ekoatera