Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Hisorohana ny Lozam-piarakodia

Fomba Hisorohana ny Lozam-piarakodia

Fomba Hisorohana ny Lozam-piarakodia

INONA no ho tonga ao an-tsainao raha toa ianao mandre feona pne midridroka, vy mifampikasoka mafy, fitaratra miparasaka, ary olona mikiakiaka? Fandre izany rehefa misy lozam-piarakodia. Milaza ny sampan-draharaha iray fa “tombanana ho 1 200 000 isan-taona no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana ary 50 000 000 no maratra”, maneran-tany.

Betsaka anefa ny loza ho voasoroka raha mitandrina sy misaina tsara isika. Andao hojerentsika ny fomba hanaovana izany.

Hafainganam-pandeha sy fehikibo fiarovana amin’ny loza ary fandefasana SMS

Mety hoheverinao ho ambany loatra ny fetran’ny hafainganam-pandeha amin’ny lalana sasany. Matetika anefa no tsy dia hanova zavatra firy ny fihoarana an’ilay fetra. Eritrereto, ohatra, hoe hanao dia 50 kilaometatra ianao ary 90 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehanao, nefa ampiakarinao ho 110 kilaometatra isan’ora izany. Enina minitra eo ho eo monja ny tombony ho azonao. Fotoana kely toy izany ve dia hisetranao loza?

Natao hiarovana amin’ny loza ny fehikibo amin’ny fiara. Milaza ny biraom-panjakana iray fa ireny fehikibo ireny no namonjy ain’olona 72 000 mahery, teo anelanelan’ny 2005 sy 2009, tany Etazonia fotsiny. Mahasolo ny fehikibo fiarovana amin’ny loza ve ny kitapon-drivotra (airbag)? Tsia. Hiaro anao bebe kokoa ny airbag raha manao fehikibo ianao. Tsy hisy ilana azy kosa izy io ary mety hampidi-doza aza, raha tsy manao fehikibo ianao. Anaovy foana àry ny fehikibo fiarovana amin’ny loza ary asaivo manao toy izany koa ny mpandeha. Izao koa: Aza mamaky na manoratra SMS mihitsy rehefa mitondra fiara.

Karazan-dalana sy fikojakojana fiara

Tsy dia mamikitra amin’ny lalana mando na be vovoka sy fasika ary vatokely ny pne. Tsy dia atahorana hibolisatra ny fiara rehefa hijanona, raha mandeha miadana kokoa. Tsara ny manana pne fitondra amin’ny lanezy, raha mpandeha amin’ny lalana misy lanezy ianao. Be kinifinifiny kokoa sady mamikitra kokoa amin’ny lalana ireny pne ireny.

Mampidi-doza foana ny sampanan-dalana. Izao no torohevitra nomen’ny manam-pahaizana iray: Aza tonga dia miditra sampanan-dalana raha vao mirehitra ny jiro maitso. Raha miandry kely ianao, dia tsy atahorana ho voadonan’izay fiara mety mbola handeha nefa efa tratran’ny jiro mena.

Tena ilaina ny mikojakoja fiara mba hisorohana loza. Eritrereto izay hitranga raha tsy miasa ny fihisatra. Tsy te hahita olana ny olona sasany ka miantso mpanamboatra fiara mahay mba hikojakoja tsy tapaka ny fiarany. Aleon’ny hafa kosa izy ihany no manao ny fikojakojana sasany. Na ahoana na ahoana, dia ataovy azo antoka hoe voara-maso sy voamboatra tsara ny fiaranao.

Fisotroan-toaka

Na mpamily mitandrina sy malina tsara aza dia atahorana hiharan-doza raha mitondra fiara rehefa avy misotro zava-pisotro misy alkaola. Olona 37 000 mahery no namoy ny ainy tamin’ny lozam-piarakodia tany Etazonia, tamin’ny 2008. Ny ampahatelon’ireo eo ho eo no maty noho ny nafitsoky ny mpamily nisotrosotro. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fomba familiana ny zava-pisotro misy alkaola nosotroinao, na dia kely fotsiny aza. Aleon’ny olona sasany tsy misotro mihitsy raha hitondra fiara izy.

Hiaro ny ainao sy ny ain’ny hafa ianao raha mankatò ny lalàn’ny fifamoivoizana, manao fehikibo fiarovana amin’ny loza, mikojakoja tsara ny fiaranao, ary tsy mitondra fiara rehefa avy nisotro zava-pisotro misy alkaola. Hisoroka loza ny mpamily raha manaraka an’ireo soso-kevitra ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 11]

AZA MITONDRA FIARA RAHA RENDREMANA

Hoy ny tompon’andraikitry ny fikambanana iray misahana ny torimaso, any Etazonia: “Tokony hotadidina fa mitovy ihany ny olona rendremana mitondra fiara sy ny mamo mitondra fiara.” Hita avy amin’izany fa mampidi-doza ny mitondra fiara raha rendremana. Ireto misy fomba amantarana raha mety aminao ny mitondra fiara: *

Tsy mahavita mifantoka, ary mipipika matetika na mavesatra ny maso

Tsy mahavita mitraka ela ny loha

Manoaka matetika

Manadino hoe firy kilaometatra izay no vita

Tsy mahita an’ireo fiviliana na takela-by

Miala amin’ny lalana tokony haleha, manakaiky loatra an’izay eo aloha, na manitsaka an’ireo marika famantarana sisin-dalana

Aleo hoentin’ny hafa ny fiara raha mitranga ireo, na mijanòna ary matoria kely. Aleo tara kely toy izay hampidi-doza ny ainao sy ny ain’ny hafa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Lisitra nomen’ny fikambanana iray misahana ny torimaso.