Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?
Manontany ny Tanora Hoe...
Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?
Inona no itovizan’izy telo ireto?
“Tiako be mihitsy ny mandefa hafatra. Io no zavatra tiako indrindra. Hilaza angamba ny olona hoe tsy manao afa-tsy mandefa hafatra aho.”—Jery. *
“Nividy tele hatao ao an’efitro i Neny, ka faly erỳ aho! Tsy natory anefa aho, fa nilaozako nijery tele nandritra ny alina. Naleoko nijery tele toy izay niaraka tamin’ny fianakaviako sy ny namako.”—Marinah.
“Na taiza aho na taiza ary na inona na inona nataoko, dia nieritreritra foana aho hoe nisy nanisy fanamarihana indray izao, ao amin’ilay tranonkala noforoniko. Tsy maintsy nijery Internet aho raha sendra taitra amin’ny alina. Nohavaoziko foana ny zavatra nampidiriko tao amin’ilay tranonkala.”—Anna.
Iza amin’izy telo ireo no hitanao hoe andevozin’ny fitaovana elektronika?
□ Jery □ Marinah □ Anna
TELE sy radio ihany angamba no fitaovana elektronika tena fampiasa tamin’ny ray aman-dreninao mbola tanora. Fitaovana nifampiresahana fotsiny ny telefaonina tamin’izany, ary nety ho niraikitra tamin’ny rindrina. Efa ntaolo be ve izany aminao? Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Anna: “Mbola tsy nivoatra ny teknolojia tamin’ny andron’i Dada sy Neny. Izao, hono, ry zareo vao hianatra hampiasa finday!”
Fitaovana kely omby paosy izao dia efa ahafahanao mandray antso, mihaino hira, mijery video, milalao, mandefa e-mail, maka sary, ary mampiasa Internet. Efa fahitanao ny ordinatera, finday, tele, ary Internet, ka mety hampiasa azy ireny foana ianao. Mety hihevitra anefa ny ray aman-dreninao fa andevozin’ireny ianao. Aza eritreretina hoe tsy mijery ny zava-misy izy ireo. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.”—Ohabolana 18:13.
Efa noeritreretinao ve hoe nahoana ny ray aman-dreninao no manahy? Jereo raha efa mitady handevozin’ny fitaovana elektronika ianao.
‘Efa andevoziny ve aho?’
Misy rakipahalalana milaza fa efa andevozin’ny zavatra iray ny olona iray raha “zatra manao an’ilay izy be loatra, ary tsy afaka mijanona na tsy te hijanona, na dia misy vokany ratsy aza ilay izy.” Andevozin’ny fitaovana
elektronika daholo àry ireo ankizy telo noresahina tetsy am-piandohana. Ary ianao? Diniho indray izay nolazain’ilay rakipahalalana, vakio ny tenin’ny ankizy eto ambany, ary jereo raha efa niteny na nanao toa azy ireo ianao. Valio ireo fanontaniana, avy eo.Be loatra. “Lany fotoana be nanaovana lalao video aho, ka tsy ampy torimaso. Niresaka momba an’ilay izy foana aho. Tsy dia nifandray tamin’ny tao an-trano aho, ary tsy afaka tao an-tsaiko ireo toerana tao amin’ilay lalao video, izay tsy nisy akory.”—Joelina.
Adiny firy isan’andro no hitanao fa antonony hampiasana fitaovana elektronika? ․․․․․
Adiny firy kosa, hoy ny ray aman-dreninao? ․․․․․
Adiny firy isan’andro no tena laninao handefasana hafatra, hijerena tele, hametrahana sary sy fanamarihana ao amin’ny Internet, hanaovana lalao video, ary ny toy izany? ․․․․․
Rehefa avy nandinika ny valin-teninao ianao, be loatra ve ny fotoana laninao hampiasana fitaovana elektronika?
□ Eny □ Tsia
Tsy afaka na tsy te hijanona. “Hitan’i Dada sy Neny mandefa hafatra foana aho. Be loatra, hono, ny fotoana laniko. Zara raha manao an’izany anefa aho, raha oharina amin’ny ankizy hafa. Raha ampitahaina amin’ny an’i Dada sy Neny aloha dia betsaka kokoa ny fotoana laniko e! Nefa hoatran’ny mampitaha paoma amin’ny voasary izany. Ry zareo ange 40 taona fa izaho 15 taona e!”—Jery.
Milaza ve ny ray aman-dreninao na ny namanao hoe lany fotoana be loatra amin’ny fitaovana elektronika ianao?
□ Eny □ Tsia
Tsy afaka na tsy te hifehy ny fampiasanao fitaovana elektronika ve ianao?
□ Eny □ Tsia
Vokany ratsy. “Mandefa hafatra foana ny namako, na dia rehefa mitondra fiara aza. Tena mampidi-doza izany!”—Julie.
“Tsy nanao afa-tsy niantso sy nandefa hafatra aho, tamin’izaho vao nahazo finday. Lasa tsy nifandray tsara tamin’ny fianakaviako aho, ary na tamin’ny namako sasany aza. Voamariko izao fa rehefa miaraka amin’ny namako aho ary miresaka, dia tapahiny foana ny teniko ary hoy ry zareo: ‘Andraso kely fa mila mandefa hafatra aho.’ Izany no anisan’ny tsy nifandraisako be tamin-dry zareo.”—Soa.
Mamaky na mandefa hafatra ve ianao, rehefa mitondra fiara na mianatra ao an-dakilasy?
□ Eny □ Tsia
Tapahinao foana ve ny resakao amin’ny fianakavianao na ny namanao, satria mila mamaly antso na hafatra na e-mail ianao?
□ Eny □ Tsia
Tsy ampy torimaso ve ianao na tsy mifantoka rehefa mianatra, noho ny fampiasanao fitaovana elektronika?
□ Eny □ Tsia
Ahoana no hahaizana mandanjalanja?
Saintsaino ireo fanontaniana efatra manaraka, raha mampiasa fitaovana elektronika toy ny ordinatera, na finday, na zavatra hafa ianao. Ho voaro sy hahay hifehy tena ianao, raha manaraka an’ireo torohevitry ny Baiboly sy ny toro lalana tsotra voalaza eo.
1. Hanaovana inona ilay izy? “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.”—Filipianina 4:8.
Mifandraisa foana amin’ny namanao sy ny mpianakavinao, ary miresaha vaovao sy hevitra mampahery.—Ohabolana 25:25; Efesianina 4:29.
Aza mifosa, na mandefa sary sy hafatra vetaveta, na mijery raki-tsary na fandaharana ahitana olona maloto fitondran-tena.—Kolosianina 3:5; 1 Petera 4:15.
2. Isaky ny inona no ampiasaiko ilay izy? “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”—Mpitoriteny 3:1.
Fero ny fotoana holaninao hiantsoana sy handraisana antso, handefasana sy hamaliana hafatra, hijerena fandaharana, na hilalaovana. Manehoa fanajana, ka piho ny fitaovana ampiasainao rehefa misy zava-dehibe atrehinao, toy ny fotoam-pivavahana. Afaka mamaly hafatra foana ianao aorian’izay.
Aza avela hanelingelina anao ny fitaovana elektronika, amin’ny fotoana natokanao hiarahana Efesianina 5:15-17; Filipianina 2:4.
amin’ny namanao sy ny fianakavianao, na hianarana, na hanaovana zavatra mifandray amin’ny fivavahana.—3. Ifaneraserako amin’iza ilay izy? “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.
Ampiasao ny fitaovana elektronika mba hifandraisana tsara kokoa amin’ny olona mampirisika anao hanana fahazarana tsara.—Ohabolana 22:17.
Aza mamita-tena. Ho lasa toy ny an’ny olona ifandraisanao ny fitsipika arahinao sy ny fiteninao ary ny fisainanao. Mety ho olona mifanoratra aminao izany, na olona ao amin’ny tele, video, na Internet.—Ohabolana 13:20.
4. Adiny firy no laniko amin’ilay izy? ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.
Soraty foana ny habetsahan’ny fotoana laninao hampiasana fitaovana elektronika.
Aza atao tsinontsinona ny tenin’ny namanao na ny torohevitry ny ray aman-dreninao, raha milaza izy ireo fa be loatra ny fotoana laninao amin’izany.—Ohabolana 26:12.
Ilaina àry ny mahay mandanjalanja rehefa mampiasa fitaovana elektronika. Marina mihitsy ity tenin’i Joelina ity: “Mahafinaritra ny fitaovana elektronika saingy vetivety ihany. Tsy navelako hanakana ahy tsy hifandray amin’ny fianakaviako sy ny namako ny teknolojia.”
Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.
[Efajoro/Sary, pejy 25]
NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO
“Hoy foana i Dada sy Neny: ‘Tokony haraikitra amin’ny tananao mihitsy iny finday iny, raha izao fampiasanao azy izao.’ Nihomehy aho tamin’ny voalohany, nefa hitako hoe tsy nivazivazy ry zareo. Ferako izao ny fotoana andefasako hafatra ka faly kokoa aho.”
“Hoatran’ny hoe nila nijery hafatra tamin’ny Internet foana aho taloha, isaky ny afaka nijery Internet. Tsy noraharahaiko ny devoarako sy ny fianarana hafa. Tena maivamaivana anefa aho izao rehefa tsy nanao an’izany intsony. Tsapako hoe nila nahay nandanjalanja aho.”
[Sary]
Jovarny
Mariah
[Efajoro, pejy 26]
“NANDEVOZIN’NY TRANONKALA FIFANERASERANA AHO”
“Nifindra trano izahay, taona vitsy lasa izay. Te hifandray tamin’ny namako foana aho, ka nasain-dry zareo niditra tao amin’ny tranonkala iray ifampijerena sary. Hoatran’ny hevitra tsara ilay izy. Izay olom-pantatro ihany no nifandraisako fa tsy ny olona tsy fantatro, ka tsy hitako izay naharatsy azy.
“Tsy nisy olana tamin’ny voalohany. Indray mandeha isan-kerinandro aho no nijery ny sarin’ny namako sy nametraka fanamarihana teo ary namaky ny fanamarihan’izy ireo teo amin’ny sariko. Lasa te hanao an’ilay izy foana anefa aho. Tsy tandrintandriko akory hoe tao amin’ilay tranonkala foana aho. Hitan’ny naman’ny namako aho hoe tao foana, ka nasain’izy ireo ho namany. Ny ankizy koa moa rehefa miteny hoe mahafinaritra ilay olona, dia manaiky ianao. Tsy hitahita akory dia efa 50 ny namanao ao amin’ilay tranonkala.
“Vetivety dia lasa te ho ao amin’ny Internet foana aho. Mbola ao aho, dia efa mieritreritra sahady hoe rahoviana indray no ho afaka hiverina ao, sy hoe mila mametraka sary vaovao. Mamaky fanamarihana ao aho, mametraka video, ka tsy hitahita akory dia mandeha be ny fotoana.
“Herintaona sy tapany teo ho eo vao hitako hoe nandevoziny aho. Hentitra be aho izao amin’ny fampiasana Internet. Miezaka mifanerasera mivantana amin’ny olona fantatro hoe mitovy fitsipi-pitondran-tena amiko aho. Tsy azon’ny namako sasany hoe nahoana aho no niova. Izaho kosa nandray fianarana avy tamin’izay niainako.”—Eliane, 18 taona.
[Efajoro, pejy 26]
ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO
Mety tsy hampoizinao izay holazain’ny ray aman-dreninao momba ny fialam-boly, rehefa miresaka aminy ianao. Hoy ny ankizivavy atao hoe Meva: “Nilaza i Dada fa ratsy ny hira tao amin’ilay CD-ko. Nasaiko niara-nihaino tamiko an’ilay CD manontolo àry izy ka nanaiky. Nilaza izy avy eo fa tsy nisy zavatra ratsy tao amin’ilay izy!”
Soraty eto izay fanontaniana tianao hapetraka amin’ny ray aman-dreninao momba ny fitaovana elektronika.
[Efajoro, pejy 27]
HO AN’NY RAY AMAN-DRENY
Mandany fotoana be loatra eo amin’ny Internet ve ny zanakao, na mandefa sy mandray hafatra be loatra? Aleony ve mihaino hira, toy izay hiresaka aminao? Inona àry no azonao atao?
Halainao fotsiny ve ilay fitaovana? Aza tonga dia heverina ho ratsy daholo rehefa fitaovana elektronika. Na ianao koa aza angamba mba mampiasa fitaovana elektronika tsy nisy tamin’ny andron’ny ray aman-dreninao. Aza alaina ilay fitaovana, raha tsy hoe misy antony lehibe hakanao azy. Nahoana kosa raha manararaotra mampianatra ny zanakao hampiasa amim-pahendrena an’ilay izy sy hahay handanjalanja? Ahoana no anaovana izany?
Miresaha amin’ny zanakao. Voalohany, lazao izay mampanahy anao. Faharoa, henoy izy. (Ohabolana 18:13) Fahatelo, mitadiava vahaolana azo ampiharina. Aza matahotra mametra fitsipika hentitra, nefa mahaiza mandanjalanja. (Filipianina 4:5) Hoy ihany i Eliane: “Nametraka fitsipika ny ray aman-dreniko fa tsy naka ny telefaoniko, rehefa tsy nahay nandanjalanja tamin’ny resaka fandefasana hafatra aho. Nanampy ahy hahay handanjalanja izany, na dia rehefa tsy nanara-maso ahy aza ry zareo.”
Ahoana raha miaro tena ny zanakao? Aza mieritreritra hoe tsy noraharahainy ny torohevitrao. Manàna faharetana ary omeo fotoana hieritreretana izy. Mety ho efa mitovy hevitra aminao izy ary vonona hiova. Maro ny tanora mitovy hevitra amin’i Henintsoa, izay nilaza hoe: “Tezitra aho tamin’ny voalohany rehefa nolazain’i Dada sy Neny hoe andevozin’ny ordinaterako. Takatro anefa fa marina ny azy ireo, rehefa nieritreritra tsara aho.”
[Sary, pejy 27]
Voafehinao ve ny fitaovana elektronika, sa ianao no feheziny?