Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy Inona Marina Andriamanitra?

Toy Inona Marina Andriamanitra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Toy Inona Marina Andriamanitra?

HOY ny Baiboly: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” Milaza amintsika ny marina momba an’Andriamanitra ireo teny ireo, dia ny hoe fanahy izy. (Jaona 4:19-24) Resahin’ny Baiboly ho toy ny olona koa izy, ary Jehovah no anarany.—Salamo 83:18.

Toy inona marina Andriamanitra? Mahavery hevitra ny sasany io fanontaniana io, rehefa mamaky Baiboly izy ireo. Fanahy tsy hita maso Andriamanitra. Nahoana àry ny andininy maro be ao amin’ny Baiboly no milaza an’Andriamanitra ho manana maso, sofina, orona, fo, sandry, tanana, rantsantanana, ary tongotra? * Misy koa milaza fa mitovy bika amin’olombelona Andriamanitra, satria lazain’ny Baiboly fa noforonina araka ny endriny ny olombelona. Hazava amintsika izany raha dinihintsika tsara ny Baiboly.—Genesisy 1:26.

Nahoana no lazaina ho toy ny olona Andriamanitra?

Milaza ireo mpanoratra Baiboly, izay notarihin’ny fanahy masina, fa toy ny olona Andriamanitra. Tiany ho takatsika mantsy hoe toy inona marina Andriamanitra. Hita amin’ny teny nampiasain’izy ireo fa tsy ampy hilazana tsara an’i Jehovah Andriamanitra ny tenin’olombelona. Tiany ho azon’ny sain’ny olona ny mombamomba an’Andriamanitra. Tsy midika anefa izany hoe tokony horaisina ara-bakiteny izy ireny. Tsy azo raisina ara-bakiteny koa mantsy ny filazan’ny Baiboly an’Andriamanitra ho toy ny “Vatolampy” na “masoandro” na “ampinga.”—Deoteronomia 32:4; Salamo 84:11.

Lazain’ny Baiboly fa noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona, satria hita kely eo amin’ny olombelona ireo toetra tonga lafatr’i Jehovah. Tsy midika anefa izany hoe fanahy tsy hita maso ny olombelona, na hoe mitovy bika amintsika Andriamanitra.

Lahy sa vavy Andriamanitra?

Lazaina ho manana toetoetran’olombelona Andriamanitra, nefa tsy azo raisina ara-bakiteny izany. Tsy ara-bakiteny koa àry ny firesahana azy ho lehilahy. Ny zavaboary hita maso ihany no misy lahy sy vavy, ary ny tenin’olombelona no milaza zavatra ho toy ny lahy na vavy. Hita avy amin’izany fa voafetra ny tenin’olombelona, ka tsy ampy hilazana tsara an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

Lazain’ny Baiboly hoe ‘Raintsika’ Andriamanitra. Manampy antsika izany hahatakatra, fa toy ny ray be fitiavana sy miaro ary mikarakara ny ankohonany ilay Mpamorona antsika. (Matio 6:9) Tsy midika anefa izany hoe tokony hoheverintsika ho lahy na vavy izy sy ireo anjely any an-danitra. Tsy misy lahy sy vavy izy ireo. Milaza ny Baiboly fa ireo voantso hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, dia tsy manantena ny mbola ho lehilahy na vehivavy. Nampahatsiahy azy ireo ny apostoly Paoly, fa ‘tsy misy lahy na vavy’ izy ireo rehefa homem-boninahitra ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra. Oharina amin’ny “ampakarina” koa izy ireo, izany hoe vadin’ny Zanak’ondry, dia i Jesosy Kristy. Hita avy amin’izany rehetra izany fa tsy tokony horaisina ara-bakiteny ny firesahana an’Andriamanitra ho toy ny olona. Marina koa izany raha ny amin’i Jesosy Zanany lahitokana sy ny anjely.—Galatianina 3:26, 28; Apokalypsy 21:9; 1 Jaona 3:1, 2.

Mahafantatra tsara ny anjara asan’ny lehilahy ireo mpanoratra Baiboly, ka lazainy ho toy ny lehilahy Andriamanitra. Hitan’izy ireo mantsy fa azo ilazana tsara an’i Jehovah, izay tia sy miahy an’ireo zanany eto an-tany, ny lehilahy manatanteraka tsara ny anjara asany.—Malakia 3:17; Matio 5:45; Lioka 11:11-13.

Ny toetran’Andriamanitra lehibe indrindra

Fanahy ilay Mpanjaka fara tampony, nefa tsy mba mihatakataka na manafina ny maha izy azy, fa mampahafantatra ny momba azy. Marina fa fanahy izy. Tsy vato misakana ho an’ny olona tso-po anefa izany, satria azony atao tsara ny mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra, ny heriny, ny fahendreny, ary ny fitiavany ny rariny. Ireo no toetrany, izay hita eo amin’ny zavatra noforoniny.—Romanina 1:19-21.

Azo fintinina amin’ny hoe fitiavana anefa ny toetran’Andriamanitra. Tena miavaka io toetrany lehibe indrindra io, ka lazaina fa izy mihitsy no fitiavana. (1 Jaona 4:8) Voafaoka ao anatin’io toetrany io koa ny toetrany hafa, toy ny famindram-po, famelan-keloka, ary faharetana. (Eksodosy 34:6; Salamo 103:8-14; Isaia 55:7; Romanina 5:8) Andriamanitra fitiavana tokoa i Jehovah, ary manasa antsika olombelona hanatona azy.—Jaona 4:23.

[Fanamarihana ambany pejy]

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Iza no anaran’Andriamanitra?—Salamo 83:18.

▪ Hita eo amin’ny inona ireo toetran’Andriamanitra?—Romanina 1:19-21.

▪ Inona no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra?—1 Jaona 4:8.