Ho Ren’Andriamanitra ve ny Vavaka Ataoko?
Manontany Ny Tanora Hoe...
Ho Ren’Andriamanitra ve ny Vavaka Ataoko?
“Miresaka momba ny zavatra rehetra amin’i Jehovah aho satria namako izy ary fantatro koa fa hanampy ahy izy raha manana olana aho.”—Andrea.
MATOKY i Andrea fa ren’i Jehovah ny vavaka ataony. Tsy ny tanora rehetra anefa no toy izany. Mihevitra ny tenany ho lavitra loatra an’Andriamanitra ny tanora sasany. Mety tsy hino loatra izy ireo hoe miahy azy ireo Andriamanitra ka hamaly ny vavaka ataony.
Inona no fanalahidin’ny vavaka mahomby? Ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah. Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Hatoky Anao izay mahafantatra ny anaranao.” (Sal. 9:10) Ary ianao? Mahafantatra tsara an’i Jehovah ve ianao ka matoky azy rehefa mivavaka? Alohan’ny hanohizanao ny vakiteny dia andramo valiana ireo fanontaniana eo amin’ilay hoe “Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?” Firy no voavalinao?
FANTATRAO TSARA VE ANDRIAMANITRA? Valiny, pejy 27
1. Iza no anaran’Andriamanitra, ary inona no dikan’io anarana io?
2. Inona avy ireo toetran’ Andriamanitra fototra efatra voalazan’ny Baiboly?
3. Inona no fomba lehibe indrindra nanehoan’Andriamanitra fitiavana ny taranak’ olombelona?
4. Ahoana no ahafahantsika mankafy fisakaizana amin’Andriamanitra?
5. Ahoana moa no tokony ho fihetsitsika rehefa mivavaka?
Afaka namaly ny sasany tamin’ireo fanontaniana ve ianao na dia mbola tsy namaky ny tohin’ity lahatsoratra ity aza? Raha izany, dia efa mahafantatra an’Andriamanitra tsara kokoa noho ny olona maro ianao. Mety hampiseho anefa ny valin-teninao fa mila mianatra ny hahafantatra azy tsaratsara kokoa ianao. (Jaona 17:3) Alohan’izay anefa, dia mariho ny sasantsasany amin’izay ampianarin’ny Baiboly mahakasika ilay “Mpihaino vavaka”.—Salamo 65:2.
Olona tena misy i Jehovah
Voalohany, dia mampahafantatra antsika ny Baiboly fa tsy hoe hery tsy manana ny maha izy azy akory Andriamanitra. Olona ara-panahy kosa izy, ary Jehovah no anarany. (Salamo 83:18) Ny dikan’io anarana io amin’ny teny hebreo dia hoe “Mahatonga izy”. Mahatonga ny fikasany ho tanteraka foana izy. Tsy afaka manao izany raha fitambaran-kery tsy manana ny maha izy azy! Afaka matoky àry ianao rehefa mivavaka fa tsy hery manjavozavo na rivotra no iresahanao, fa ilay Andriamanitra izay sady mihaino no mamaly vavaka kosa.—Efesiana 3:20.
Nilaza toy izao àry ilay zazavavy atao hoe Diana: “Fantatro fa mihaino ahy foana i Jehovah na aiza na aiza misy ahy.” Tokony ho tena misy aminao i Jehovah, mba hananana fatokiana toy izany! “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy”, hoy ny Baiboly.—Loharanom-pahendrena sy hery
Tena afaka manampy antsika Andriamanitra satria tsy takatry ny saina ny heriny, ary tsy voafetra. Hita taratra amin’izao rehetra izao midadasika sady be tsipiriany izany. Milaza ny Baiboly fa mahafantatra ny anaran’ny kintana rehetra i Jehovah, eny fa na dia miisa an’arivo tapitrisany maro aza izy ireny! Ambonin’izany, dia izy no loharanon’ny hery rehetra ao anatin’ireny kintana ireny. (Isaia 40:25, 26) Tsy mahavariana ve izany? Na mahagaga toy inona aza anefa izany, dia milaza ny Baiboly fa “vao ny sisintsisin’ny alehany ihany” ireny!—Joba 26:14.
Hevero koa ny fahendrena tsy hita lany ananan’i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “lalina indrindra” ny fisainany. (Salamo 92:5) Izy no namorona ny olombelona, ka noho izany, dia mahafantatra antsika tsara kokoa noho isika. (Salamo 100:3) Tsy misy fetra ny fahaizany satria efa nisy “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay”, izy. (Salamo 90:1, 2) Mahafantatra ny zavatra rehetra izy.—Isaia 40:13, 14.
Ahoana no ampiasan’i Jehovah an’izany fahendrena sy hery rehetra izany? Hoy ny 2 Tantara 16:9: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy”. Hamaha tsotra izao ny olana rehetra mianjady aminao Andriamanitra, na hanampy anao hiatrika izany. Hoy i Kayla: “Vao haingana, raha tao anatin’ny fotoan-tsarotra izahay mianakavy, dia nivavaka tamin’i Jehovah aho. Tsapako fa nanampy anay hiatrika tarehin-javatra sarotra sy olana ary fihetseham-po izay mety tsy ho zakanay izy.” Manatona ilay loharanon’ny fahendrena ianao rehefa miresaka amin’Andriamanitra. Tsy misy zavatra hafa tsaratsara kokoa noho izany.
Andriamanitra tia rariny sy be fitiavana
Ahoana anefa no ahafantaranao fa maniry hanampy anao Andriamanitra? Satria tsy mba ny haben’ny heriny, na ny fahendreny lalina, na ny fitiavany ny rariny tsy azo hozongozonina, no tena ahafantarana azy, fa ny toetrany miavaka dia ny fitiavana. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny 1 Jaona 4:8. Ary io fitiavany lehibe io no mahatonga antsika hatoky fa mamaly ny vavaka ataontsika izy. Ny fomba lehibe indrindra nanehoan’Andriamanitra fitiavana dia ny nanolorany ny Zanany ho avotra mba hahafahantsika hiaina mandrakizay.—Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9, 10.
Tsy tokony hanahy mihitsy ianao hoe hinia tsy hijery anao, na hanao ny tsy rariny aminao Andriamanitra, satria fitiavana izy. “Ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa”, hoy ny Deoteronomia 32:4. Tian’i Jehovah ianao, noho izany dia mihaino anao tsara izy. Izany dia mahatonga antsika tsy hisalasala hilaza aminy ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika manokana.—Filipiana 4:6, 7.
Fisakaizana amin’Andriamanitra
Manasa antsika hiresaka aminy i Jehovah, raha ny marina. Tsy tiany hihafahafa aminy isika. Nanasa olona maro ho sakaizany kosa aza izy, nandritra ny tantara manontolo. Na lehilahy, na vehivavy, na antitra, na tanora, dia nankafy ny fisakaizana taminy ary nankasitrahany. Anisan’izany i Abrahama sy i Davida Mpanjaka ary i Maria renin’i Jesosy.—Isaia 41:8; Lioka 1:26-38 ; Asan’ny Apostoly 13:22.
Afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra koa ianao. Raha sakaizan’i Jehovah anefa ianao dia tsy tokony hihevitra azy ho toy ny mpanao fahagagana, ka rehefa misy zavatra ilaina na rehefa misy olana ihany vao hiantso azy. Tsy tokony hiompana fotsiny amin’ny zavatra ilaintsika ny vavaka ataontsika. Raha tena te ho sakaizan’Andriamanitra isika, dia tokony hifantoka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izany, fa tsy hifantoka amin’ ny sitrapontsika fotsiny. (Matio 7:21) Noho izany, dia nasain’i Jesosy nampifantoka ny vavaka ataony amin’ny zavatra lehibe kokoa ny mpianany. Hoy izy: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10) Tokony ho feno fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra koa ny vavaka ataontsika!—Salamo 56:12; 150:6.
Na izany aza, dia tsy tokony hihevitra isika hoe madinika loatra, na hoe tsy dia misy vidiny ireo zavatra ahintsika, na ilaintsika ka tsy horesahina ao amin’ny vavaka. “Na dia ta hamboraka amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra aza aho”, hoy i Steve, “dia mihevitra aho indraindray fa tsy tokony hanelingelina azy amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana loatra.” Tadidio foana izao tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany izao, rehefa tonga ao an-tsainao ny zavatra toy izany: “Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. ... Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Lioka 12:6, 7) Tsy mampahery ve izany?
Arakaraka ny hahafantaranao tsara kokoa an’i Jehovah no hahavoatosika anao kokoa hanatona azy amin’ny vavaka sy hatokisanao azy kokoa fa hanampy anao izy. Ahoana àry no tokony ho fihetsikao rehefa mivavaka? Tokony ho feno fanajana sy hanetry tena, ary tsy ho tia tena ianao. Heverinao ve fa hisy mpitondra fanjakana hihaino anao raha miavonavona, na tsy manaja azy ianao, rehefa mangataka zavatra aminy? Tsy tokony hahagaga anao àry raha manantena ny hanajanao azy sy ny lalàny i Jehovah, vao hamaly ny vavaka ataonao.—Ohabolana 15:29.
Tanora matahotra an’Andriamanitra an’arivony maro no nianatra ny hamboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra. (Salamo 62:8) “Mahazo hery aho rehefa mamaly ny vavaka ataoko Andriamanitra”, hoy i Brett, “ary tsapako fa eo foana izy ho namako.” Ahoana ny aminao? Ahoana no ahafahanao mankafy fisakaizana toy izany amin’i Jehovah? Izao no nolazain’ny tanora kristianina roa:
Rachel: “Mila mianatra bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra aho mba hahatonga ahy ho akaiky kokoa azy, ary miezaka hampitombo izany faniriana hianatra izany aho.”—1 Petera 2:2.
Jenny: “Tsapako fa manjary akaiky kokoa an’i Jehovah ianao, arakaraka ny anaovanao fanompoana bebe kokoa.”—Jakoba 4:8.
Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no soa azo avy amin’ny vavaka? Hoy ny tanora kristianina iray: “Mety hahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra aho raha miresaka amiko mivantana izy, na mandefa hafatra ho ahy.” Koa satria tsy ren’ny sofintsika ny valin-tenin’i Jehovah rehefa mivavaka isika, nahoana moa no lazaina fa manampy ny vavaka? Horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra any aoriana izany.
[Efajoro, pejy 27]
Valin’ireo fanontaniana, pejy 25
1. Jehovah. Midika hoe “Mahatonga izy”.
2. Fitiavana, hery, fitiavana ny rariny ary fahendrena.
3. Nirahiny i Jesosy, Zanany lahitokana, mba ho faty ho antsika.
4. Tokony hifantoka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izany, fa tsy hifantoka amin’ny sitrapontsika fotsiny.
5. Tokony hanetry tena isika, ho feno fanajana, ary tsy ho tia tena.
[Sary, pejy 26]
Hanampy anao hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra ny fianaranao ny teniny sy ireo zavatra noforoniny