I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Ho hitanao ao amin’io boky io ny zava-nitranga rehetra teo amin’ny fiainan’i Jesosy, izay voatantara ao amin’ny Baiboly.

SASIN-TENY

Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Afaka manova ny fiainanao ny fampianaran’i Jesosy sy ny zavatra nataony, izay hita ao amin’ny Filazantsara.

TOKO 1

Hafatra Roa avy Amin’​Andriamanitra

Nampita hafatra sarotra inoana ny anjely Gabriela.

TOKO 2

Mbola Tsy Teraka i Jesosy dia Efa Nomem-boninahitra

Nanome voninahitra an’i Jesosy i Elizabeta sy ilay zaza tao an-kibony. Tamin’ny fomba ahoana?

TOKO 3

Teraka Ilay Hanomana ny Lalana

Nilaza faminaniana lehibe i Zakaria raha vao afaka niteny indray.

TOKO 4

Bevohoka i Maria Nefa Tsy Nanambady

Nino an’​i Maria ve i Josefa rehefa nilazany fa bevohoka noho ny fanahy masina izy, fa tsy nisy lehilahy niaraka taminy?

TOKO 5

Taiza i Jesosy no Teraka ary Oviana?

Ahoana no ahalalana fa tsy teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy?

TOKO 6

Ilay Zaza Nampanantenaina

Naminany momba ny hoavin’i Jesosy ny Israelita roa efa be taona, rehefa nentin’i Josefa sy Maria tao amin’​ny tempoly ilay zaza.

TOKO 7

Nitsidika An’​i Jesosy Ireo Mpanandro

Nahoana ilay kintana hitan’​izy ireo no nitarika azy ireo tany amin’​i Heroda mpamono olona aloha, vao tany amin’​i Jesosy?

TOKO 8

Tsy Tratran’ilay Mpanjaka Ratsy Fanahy Izy Ireo

Faminaniana ara-baiboly telo momba ny Mesia no tanteraka, tamin’i Jesosy mbola kely.

TOKO 9

Nihalehibe tao Nazareta i Jesosy

Firy ny iray tam-po tamin’i Jesosy?

TOKO 10

Nankany Jerosalema i Jesosy sy ny Fianakaviany

Nitaintaina i Josefa sy Maria rehefa tsy nahita an’​i Jesosy. I Jesosy indray gaga hoe nahoana izy ireo no tsy tonga dia nahita ny nisy azy.

TOKO 11

Nanomana ny Lalana i Jaona Mpanao Batisa

Nahoana ny Fariseo sy Sadoseo no nomelohin’i Jaona rehefa tonga teo aminy?

TOKO 12

Natao Batisa i Jesosy

Nahoana i Jesosy no natao batisa nefa izy tsy nanota?

TOKO 13

Ianaro ny Fomba Niatrehan’​i Jesosy Fakam-panahy

Misy zava-dehibe roa momba ny Devoly ho fantatsika, rehefa mandinika ny fakam-panahy nahazo an’​i Jesosy isika.

TOKO 14

Nanomboka Nanao Mpianatra i Jesosy

Inona no naharesy lahatra an’​ireo mpianatr’​i Jesosy enina voalohany hoe nahita ny Mesia izy ireo?

TOKO 15

Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy

Nasehon’i Jesosy ny reniny fa tsy izy intsony no tokony hibaiko azy fa ilay Rainy any an-danitra.

TOKO 16

Nafana Fo Tamin’​ny Fivavahana Marina i Jesosy

Nahoana i Jesosy no tezitra tamin’​ny mpivarotra tao amin’​ny tempoly, nefa ny Lalàna namela ny olona hividy biby tao Jerosalema mba hatao sorona?

TOKO 17

Nampianatra An’i Nikodemosy Tamin’​ny Andro Alina i Jesosy

Inona no atao hoe “ateraka indray”?

TOKO 18

Nandroso ny Asan’i Jesosy fa Nihena ny Asan’i Jaona

Nialona an’i Jesosy ny mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa, fa i Jaona kosa tsy nialona.

TOKO 19

Nampianatra Vehivavy Samaritanina Iray i Jesosy

Nilazan’i Jesosy zavatra toa mbola tsy nolazainy tamin’olon-kafa ilay vehivavy samaritanina.

TOKO 20

Fahagagana Faharoa tao Kana

Vitan’i Jesosy ny nanasitrana ankizy iray, nefa nisy 26 kilaometatra teo ho eo ny elanelan’izy ireo.

TOKO 21

Tao Amin’ny Synagoga Tany Nazareta

Inona no nolazain’i Jesosy ka nahatonga ny mpiray tanindrazana taminy hanandrana hamono azy?

TOKO 22

Ho Lasa Mpanarato Olona ny Mpianatra Efatra

Nasain’​i Jesosy hamela ny fanaratoana ny mpianany mba ho lasa mpanarato olona.

TOKO 23

Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy

Namoaka demonia i Jesosy. Nahoana anefa izy ireny no norarany tsy hiteny hoe izy no Zanak’Andriamanitra?

TOKO 24

Nitory Nanerana An’i Galilia i Jesosy

Nankany amin’i Jesosy ny olona mba hositraniny. Nolazainy anefa fa misy antony lehibe kokoa nahatongavany tetỳ an-tany.

TOKO 25

Nangoraka An’ilay Boka i Jesosy ka Nanasitrana Azy

Nasehon’ny teny tsotra nefa manan-danja nolazain’​i Jesosy fa tena miahy ny olona sitraniny izy.

TOKO 26

“Voavela ny Helokao”

Inona no ifandraisan’ny ota sy ny aretina, araka ny tenin’i Jesosy?

TOKO 27

Niantso An’​i Matio i Jesosy

Nahoana i Jesosy no niara-nisakafo tamin’​ny olona malaza ho mpanota?

TOKO 28

Nahoana no Tsy Nifady Hanina ny Mpianatr’i Jesosy?

Nilaza fanoharana momba ny siny hoditra i Jesosy mba hamaliana an’izany.

TOKO 29

Azo Atao ve ny Manao Soa Rehefa Sabata?

Nahoana ny Jiosy no nanenjika an’​i Jesosy noho izy nanasitrana lehilahy narary nandritra ny 38 taona?

TOKO 30

Ny Fifandraisan’i Jesosy sy ny Rainy

Nihevitra ny Jiosy fa nampitovy ny tenany tamin’Andriamanitra i Jesosy. Nilaza mazava anefa izy fa mbola ambony noho izy Andriamanitra.

TOKO 31

Nioty Varimbazaha Tamin’ny Sabata Izy Ireo

Nahoana i Jesosy no nilaza fa izy no “Tompon’ny sabata”?

TOKO 32

Inona no Azo Atao Amin’ny Sabata?

Mpifahavalo ny Sadoseo sy ny Fariseo, nefa nisy zavatra iray nampiray saina azy ireo.

TOKO 33

Nanatanteraka ny Faminanian’​i Isaia i Jesosy

Nahoana ny olona nositranin’​i Jesosy no norarany tsy hilazalaza ny momba azy sy izay nataony?

TOKO 34

Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

Inona no tsy mampitovy ny mpianatra sy ny apostoly?

TOKO 35

Ilay Toriteny Malaza teo An-tendrombohitra

Hazavaina ao ny hevi-dehibe amin’ilay toritenin’i Jesosy.

TOKO 36

Manamboninahitra Iray Tena Nanam-pinoana

Inona no nataon’ilay manamboninahitra ka nahagaga an’i Jesosy?

TOKO 37

Natsangan’i Jesosy Tamin’ny Maty ny Zanakalahin’ny Mpitondratena Iray

Takatr’ireo nahita an’ilay fahagagana ny tena dikan’izy io.

TOKO 38

Te Hahafantatra ny Hevitr’i Jesosy i Jaona

Nahoana i Jaona Mpanao Batisa no nanontany raha i Jesosy no Mesia? Nisy nampisalasala azy ve?

TOKO 39

Loza no Hanjo An’ilay Taranaka Tsy Nety Niova

Nilaza i Jesosy fa ho mora kokoa ny hanjo an’i Sodoma amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo an’i Kapernaomy tanàna famantanany.

TOKO 40

Nampianatra Momba ny Famelan-keloka i Jesosy

Nilaza tamin’ny vehivavy iray nety ho mpivaro-tena i Jesosy fa voavela ny helony. Te hilaza ve izy fa tsy mampaninona ny mandika ny lalàn’Andriamanitra?

TOKO 41

Iza no Nanome Hery An’i Jesosy mba Hanaovany Fahagagana?

Nieritreritra ny rahalahin’i Jesosy fa narary saina izy.

TOKO 42

Niteny Mafy An’ireo Fariseo i Jesosy

Inona “ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany”?

TOKO 43

Fanoharana Momba An’ilay Fanjakana

Nilaza fanoharana valo i Jesosy mba hanazavana ireo lafiny mampiavaka ny Fanjakan’ny lanitra.

TOKO 44

Nampitsahatra Tafio-drivotra Teny An-dranomasina i Jesosy

Rehefa nampitony rivotra sy onja i Jesosy, dia nampiseho izay hataony rehefa hanjaka izy.

TOKO 45

Nahavita Nifehy Demonia Maro i Jesosy

Mety hisy demonia maro ve ao amin’ny olona iray?

TOKO 46

Nikasika ny Akanjon’i Jesosy Izy ka Sitrana

Hita amin’io tantara mampihetsi-po io fa mahery i Jesosy sady mahay mangoraka.

TOKO 47

Velona Indray Ilay Ankizivavy!

Nihomehezan’ny olona i Jesosy tamin’izy nilaza fa natory ilay zazavavy fa tsy maty. Inona no fantany ka tsy fantatr’izy ireo?

TOKO 48

Nanao Fahagagana Izy Nefa Nolavin’ny Olona tao Nazareta

Nolavin’ny olona tao Nazareta i Jesosy, nefa tsy noho ny fampianarany sy ny fahagagana nataony, fa noho ny antony hafa.

TOKO 49

Nitory Tany Galilia sy Nampiofana ny Apostoly Izy

Inona no tena dikan’ilay hoe ‘efa manakaiky ilay Fanjakana’?

TOKO 50

Nampiomanina mba Hitory na Misy Fanenjehana Aza

Nahoana ireo apostoly no nasain’i Jesosy nandositra rehefa enjehina, nefa izy ireo tsy tokony hatahotra ny ho faty?

TOKO 51

Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana Nisy Vonoan’olona

Tena tian’i Heroda ny dihin’i Salome, ka nampanantena izy fa hanome azy izay rehetra angatahiny. Inona ilay zavatra nahatsiravina nangatahiny?

TOKO 52

Namahana Olona An’arivony Tamin’ny Mofo sy Trondro Vitsivitsy

Tena niavaka io fahagagana nataon’i Jesosy io, ka miresaka azy io daholo ireo Filazantsara efatra.

TOKO 53

Mpitondra Iray Mahavita Mifehy ny Toetrandro

Inona no nianaran’ireo apostoly rehefa nahita an’i Jesosy nandeha teo ambony rano sy nampitony ny rivotra?

TOKO 54

I Jesosy no “Mofon’aina”

Nahoana i Jesosy no nibedy an’ireo vahoaka na dia efa niezaka be aza izy ireo mba ho tonga teo aminy?

TOKO 55

Nanafintohina Olona Maro ny Tenin’i Jesosy

Tafintohina tamin’ny zavatra nampianarin’i Jesosy ny mpianany, ka maro tamin’izy ireo no nandao azy.

TOKO 56

Inona no Tena Mandoto ny Olona?

Izay miditra ao am-bavany ve sa izay mivoaka avy ao?

TOKO 57

Nanasitrana Zazavavy Iray sy Lehilahy Marenina i Jesosy

Nahoana no tsy tezitra ny vehivavy iray rehefa nampitahain’i Jesosy tamin’ny alikakely ny mpiray tanindrazana taminy?

TOKO 58

Nampitombo ny Mofo i Jesosy ary Nampitandrina Tamin’ny Lalivay

Azon’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny farany hoe inona ilay lalivay tian’i Jesosy horesahina.

TOKO 59

Iza ny Zanak’olona?

Inona ireo lakilen’ilay Fanjakana? Iza no nampiasa azy ireo ary tamin’ny fomba ahoana?

TOKO 60

Ilay Fiovan-tarehy Nahitana An’i Kristy Nomem-boninahitra

Inona ilay fiovan-tarehy? Inona no dikan’izy io?

TOKO 61

Nanasitrana Zazalahy Nisy Demonia i Jesosy

Nilaza i Jesosy fa tsy sitrana ny zazalahy iray noho ny tsy fahampiam-pinoana. Ilay zazalahy ve no tsy ampy finoana, sa ny rainy, sa ny mpianatr’i Jesosy?

TOKO 62

Lesona Lehibe Momba ny Fanetren-tena

Nandray lesona lehibe avy tamin’ny zaza iray ny lehilahy lehibe maromaro.

TOKO 63

Inona no Hatao Raha Misy Manafintohina na Manota?

Misy dingana telo nolazain’i Jesosy fa tokony harahina mba handaminana olana eo amin’ny samy mpirahalahy.

TOKO 64

Ilaina ny Mamela Heloka

Nilaza fanoharana momba ny mpanompo iray tsy namindra fo i Jesosy. Nasehony tamin’izany fa tena tian’i Jehovah hamela heloka isika.

TOKO 65

Nampianatra i Jesosy Teny An-dalana ho any Jerosalema

Nasehon’i Jesosy intelo tamin’ny resaka fohy nataony ny toe-tsaina mety hisakana ny olona tsy hanara-dia azy.

TOKO 66

Tamin’ny Fetin’ny Tranolay Tao Jerosalema

Nahoana ny olona nihaino an’i Jesosy no nihevitra fa misy demonia izy?

TOKO 67

“Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Tahaka Izany Mihitsy”

Saika ny olona rehetra tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy no nanohitra an’i Jesosy. Iray ihany no sahy niaro azy.

TOKO 68

Ny Zanak’Andriamanitra no “Fahazavan’izao Tontolo Izao”

Hoy i Jesosy: “Ny marina hanafaka anareo.” Hanafaka amin’ny inona ny marina?

TOKO 69

Abrahama sa ny Devoly no Rain’izy Ireo?

Nolazain’i Jesosy hoe ahoana no amantarana ny zanak’i Abrahama. Nolazainy koa hoe iza no tena Rainy.

TOKO 70

Nanasitrana Lehilahy Teraka Jamba i Jesosy

Nanontany ny nahajamba an’ilay lehilahy ny mpianatra. Izy no nanota sa ny ray aman-dreniny? Tsy nitovy ny fihetsiky ny olona rehefa nositranin’i Jesosy izy io.

TOKO 71

Niady Hevitra Tamin’ilay Lehilahy Jamba Taloha ny Fariseo

Nitombina ny tenin’ilay jamba taloha ka tezitra be ny Fariseo. Noroahin’izy ireo avy tao amin’ny synagoga izy, araka ny efa natahoran’ny ray aman-dreniny.

TOKO 72

Naniraka Mpianatra 70 mba Hitory i Jesosy

Nirahin’i Jesosy hitory ny Fanjakan’Andriamanitra tao Jodia ny mpianatra 70 lahy. Tao amin’ny synagoga sa tany an-tranon’olona izy ireo no nirahina hitory?

TOKO 73

Nasehon’ny Samaritanina Iray fa Tena Namana Izy

Ahoana no nampianaran’i Jesosy lesona lehibe tamin’ny alalan’ilay fanoharana momba ny Samaritanina tsara fanahy?

TOKO 74

Lesona Momba ny Fandraisam-bahiny sy ny Vavaka

Nitsidika an’i Maria sy Marta i Jesosy. Inona no nampianariny momba ny fandraisam-bahiny? Inona no nolazainy fa tokony hangatahina amin’ny vavaka?

TOKO 75

Nolazain’i Jesosy hoe Inona no Mahasambatra

Niresaka tamin’ny mpanakiana momba ny “rantsantanan’Andriamanitra” i Jesosy ary nilaza fa ‘teo amin’izy ireo ilay Fanjakana.’ Nolazainy koa ny tena mahasambatra.

TOKO 76

Nisakafo tao Amin’ny Fariseo Iray

Nahariharin’i Jesosy fa mpihatsaravelatsihy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna. Inona no enta-mavesatra nampitondrain’izy ireo ny olona?

TOKO 77

Nanome Torohevitra Momba ny Harena i Jesosy

Nilaza fanoharana momba ny mpanankarena nanangana trano fitehirizam-bokatra lehibe kokoa i Jesosy. Nisy torohevitra naveriny momba ny fikatsahana harena.

TOKO 78

Tokony ho Vonona Foana ny Mpanompo Mendri-pitokisana

Nasehon’i Jesosy fa niahy ny fifandraisan’​ny mpianany tamin’i Jehovah izy. Inona no asan’ilay mpanompo? Nahoana no tena ilaina ny ho vonona foana?

TOKO 79

Nahoana Izy Ireo no Horinganina?

Nilaza i Jesosy fa mety ho ringana ireo nampiany raha tsy mibebaka. Nandray ny lesona nampianariny momba ny fifandraisana tamin’i Jehovah ve izy ireo?

TOKO 80

Ilay Mpiandry Tena Tsara sy ny Valan’ondry

Hita amin’ny fifandraisan’ny mpiandry ondry sy ny ondriny ny fiahian’i Jesosy ny mpianany. Hanaiky ny fampianarany ve izy ireo ka hanaraka azy?

TOKO 81

Inona no Dikan’ny hoe Iray Ihany i Jesosy sy ny Ray?

Niampanga an’i Jesosy ho nampitovy ny tenany tamin’Andriamanitra ny olona sasany nanakiana azy. Ahoana no nanaporofoany fa diso izy ireo?

TOKO 82

Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Pere

Nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpihaino izay ilaina hatao mba ho voavonjy. Tena nilaina tamin’izany ny toroheviny. Ary ankehitriny?

TOKO 83

Fanasana Hisakafo

Nilaza fanoharana momba ny fanasambe tamin’​ny sakafo hariva i Jesosy, tao amin’ny Fariseo iray. Inona no lesona lehibe nampitainy tamin’izay?

TOKO 84

Andraikitra Lehibe ny Manara-dia An’i Jesosy

Andraikitra lehibe ny manara-dia an’i Kristy. Nohazavain’i Jesosy izay tafiditra amin’izany. Tafintohina ny olona sasany rehefa nandre ny teniny.

TOKO 85

Fifaliana Noho Ilay Mpanota Nibebaka

Nokianin’ny Fariseo sy mpanora-dalàna i Jesosy satria nifandray tamin’ny sarambabem-bahoaka. Nasehony tamin’ny fanoharana ny fiheveran’Andriamanitra ny mpanota.

TOKO 86

Niverina Ilay Zanaka Very

Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’​i Jesosy momba ilay zanaka adala?

TOKO 87

Miezaha ho Malina ka Tsinjovy ny Hoavy

Tsy nampoizina ny lesona nampitain’​i Jesosy tamin’ilay fanoharana momba ny mpitantana iray fetsy sy tsy nanao ny marina.

TOKO 88

Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy Lazarosy

Mila fantarina aloha ny mifanitsy amin’i Lazarosy sy ilay mpanankarena, izay vao hazava ilay fanoharan’i Jesosy.

TOKO 89

Nampianatra tao Pere i Jesosy Tamin’izy ho any Jodia

Nasongadiny ny toetra hanampy antsika hamela heloka, na dia misy manota imbetsaka amintsika aza.

TOKO 90

“Fananganana ny Maty sy Fiainana”

Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa “tsy ho faty mihitsy” izay maneho finoana azy?

TOKO 91

Natsangana Tamin’ny Maty i Lazarosy

Tsy afaka nanda ny mpanohitra an’i Jesosy hoe tena nisy io fahagagana io, noho ny antony lehibe roa.

TOKO 92

Nahay Nankasitraka ny Boka Iray

Tsy i Jesosy ihany no nankasitrahan’ilay lehilahy sitrana.

TOKO 93

Haharihary ny Zanak’olona

Nahoana ny fanatrehan’i Kristy no ho toy ny tselatra?

TOKO 94

Tena Ilaina ny Mivavaka sy Manetry Tena

Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray ny toetra iray tena sarobidy.

TOKO 95

Ny Fisaraham-panambadiana sy ny Fitiavana ny Ankizy

Tsy nitovy mihitsy ny fiheveran’i Jesosy ny ankizy sy ny fiheveran’ny mpianany azy ireny. Nahoana?

TOKO 96

Namaly ny Fanontanian’ny Tovolahy Iray Mpanankarena i Jesosy

Nahoana i Jesosy no nilaza fa ho mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?

TOKO 97

Fanoharana Momba Ireo Mpiasa tao An-tanimboaloboka

Ahoana no hahatonga ny voalohany ho farany ary ny farany ho voalohany?

TOKO 98

Te ho Ambony Indray Ireo Apostoly

Tsy i Jakoba sy Jaona ihany no te hahazo toerana manokana ao amin’ilay Fanjakana.

TOKO 99

Nanasitrana Jamba sy Nanampy An’i Zakaiosy i Jesosy

Toa tsy mifanaraka ny fitantaran’ny Baiboly ny nanasitranan’i Jesosy jamba iray tany akaikin’i Jeriko. Ahoana no ampifanarahana azy ireo?

TOKO 100

Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo

Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe: “Izay manana dia homena bebe kokoa, ary izay tsy manana, na izay ananany aza halaina aminy”?

TOKO 101

Nisakafo tao An-tranon’i Simona tao Betania

Nanao zavatra niteraka adihevitra i Maria anabavin’i Lazarosy, raha mbola nisakafo i Jesosy. Niaro azy anefa i Jesosy.

TOKO 102

Niditra tao Jerosalema Nitaingina Zanak’ampondra Ilay Mpanjaka

Nanatanteraka faminaniana nosoratana 500 taona mialoha izy.

TOKO 103

Nanadio ny Tempoly Indray Izy

Toa nanao zavatra ara-dalàna ny mpivarotra tao Jerosalema. Nahoana anefa i Jesosy no niantso azy ireo hoe jiolahy?

TOKO 104

Naneho Finoana ve ny Jiosy Rehefa Nandre ny Feon’​Andriamanitra?

Mitovy ve ny hoe mino an’​i Jesosy sy ny hoe manao zavatra mba hanehoana ny finoana azy?

TOKO 105

Nampiasa Aviavy Izy mba Hampianarana Momba ny Finoana

Nampianatra ny mpianany i Jesosy fa manan-kery ny finoana. Nohazavainy hoe nahoana no nolavin’Andriamanitra ny firenen’Israely.

TOKO 106

Fanoharana Roa Momba ny Tanimboaloboka

Hazavaina ao ny fanoharana momba ilay lehilahy naniraka ny zanany hiasa tanimboaloboka sy ilay lehilahy nampanofa ny tanimboalobony tamin’ny mpanompo ratsy fanahy.

TOKO 108

Vitan’i Jesosy ny Niala Tamin’ny Fandrik’ireo Nanohitra Azy

Nahavita nampangina ny Fariseo sy ny Sadoseo i Jesosy. Niray hina indray izy ireo nefa mbola nataony tsy nahateny.

TOKO 109

Nomelohin’i Jesosy Ireo Mpanohitra Azy

Nahoana i Jesosy no tsy nilefitra tamin’ireo mpitondra fivavahana?

TOKO 110

Ny Andro Farany Nankanesan’i Jesosy tao Amin’​ny Tempoly

Niresaka momba ny mpitondratena mahantra izy, mba hampianarana zava-dehibe iray.

TOKO 111

Nangataka Famantarana ny Apostoly

Tanteraka voalohany ny faminaniany, tamin’​ny taonjato voalohany. Mbola ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa ve izy io atỳ aoriana?

TOKO 112

Mampianatra Antsika ho Mailo Ilay Fanoharana Momba ny Virjiny

Te hilaza ve i Jesosy fa adala ny antsasaky ny mpianany ary malina ny antsasany?

TOKO 113

Mampianatra Antsika Hazoto Ilay Fanoharana Momba ny Talenta

Hazavain’i Jesosy ao amin’io fanoharana io ilay teniny hoe: “Izay rehetra manana dia homena bebe kokoa.”

TOKO 114

Hitsara ny Ondry sy ny Osy i Kristy Mpanjaka

Nampiasa fanoharana manaitra i Jesosy mba hanazavana ny fomba hitsarana ny olona.

TOKO 115

Efa Akaiky Ilay Paska Farany Natrehin’i Jesosy

Nahoana no mahaliana ilay hoe nanaiky hanome sekely volafotsy 30 an’i Jodasy ireo mpitondra fivavahana mba hamadihana an’i Jesosy?

TOKO 116

Nampianatra Hanetry Tena Izy Tamin’ilay Paska Farany

Nanao ny asa fanaon’ny mpanompo i Jesosy ka gaga be ny mpianany.

TOKO 117

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Nasain’i Jesosy nankalaza ny Fahatsiarovana ny mpanara-dia azy isaky ny 14 Nisana.

TOKO 118

Niady Izy Ireo hoe Iza no Lehibe

Hadinon’ny apostoly sahady ny zavatra nampianarin’​i Jesosy azy ireo tamin’io takariva io.

TOKO 119

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Nampianarin’i Jesosy hoe inona no tokony hatao mba hanatonana an’Andriamanitra.

TOKO 120

Sampany Mamokatra Izy Ireo Sady Naman’i Jesosy

Ahoana no hahafahan’ny mpianatr’i Jesosy ‘hamoa’?

TOKO 121

“Mahereza! Izaho Efa Naharesy An’izao Tontolo Izao”

Ahoana no nandresen’i Jesosy an’izao tontolo izao nefa izy novonoin’izao tontolo izao?

TOKO 122

Vavaka Famaranana tao Amin’ilay Efitra Ambony Rihana

Nasehon’i Jesosy fa nahavita zavatra lehibe kokoa noho ny famonjena ny olombelona izy.

TOKO 123

Vonton’alahelo Izy ka Nivavaka

Nahoana i Jesosy no nivavaka hoe: “Esory amiko ity kaopy ity”? Tsy te ho faty mba hanavotana ny olona indray ve izy?

TOKO 124

Nisy Namadika i Kristy ary Nosamborina

Hitan’i Jodasy ny nisy an’i Jesosy na dia tamin’ny misasakalina aza.

TOKO 125

Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i Kaiafa

Tena tsy rariny ny fomba nitsarana an’i Jesosy, nefa mody natao hoe ara-drariny.

TOKO 126

Nanda An’i Jesosy i Petera

Nahoana i Petera no mora nanda an’i Jesosy, nefa izy nanam-pinoana sy tia an’Andriamanitra?

TOKO 127

Notsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy ary Nalefa Tany Amin’i Pilato

Niharihary ny tena tian’ireo mpitondra fivavahana jiosy hatao.

TOKO 128

Hitan’i Pilato sy Heroda hoe Tsy Nanan-tsiny Izy

Nahoana i Pilato no nandefa an’i Jesosy tany amin’i Heroda mba hotsaraina? Tsy nanana fahefana hitsara an’i Jesosy ve izy?

TOKO 129

“Indro ny Lehilahy!”

Na i Pilato aza niaiky fa nanana toetra faran’​izay tsara i Jesosy.

TOKO 130

Natolotra ny Jiosy i Jesosy ary Nentina Hovonoina

Nahoana i Jesosy no nilaza tamin’ireo vehivavy nitomany mba hitomany ho an’ny tenany sy ny zanany fa tsy ho an’i Jesosy?

TOKO 131

Nijaly teo Amin’ny Hazo Fijaliana Ilay Mpanjaka Tsy Manan-tsiny

Nampanantena hoavy tsara ho an’ny iray tamin’ireo jiolahy niara-novonoina taminy i Jesosy.

TOKO 132

“Zanak’Andriamanitra Tokoa Io”

Misy dikany ilay haizina mahagaga tamin’ny antoandro sy ilay horohoron-tany ary ny fizaran’ny ridaon’ny tempoly.

TOKO 133

Nokarakaraina ny Vatan’i Jesosy ary Nalevina

Nahoana i Jesosy no nila nalevina haingana talohan’ny filentehan’ny masoandro?

TOKO 134

Foana ny Fasana fa Velona i Jesosy!

Vehivavy iray mpianany fa tsy ny apostoliny no nisehoan’i Jesosy voalohany, rehefa nitsangana tamin’ny maty izy.

TOKO 135

Niseho Tamin’ny Olona Maro i Jesosy Efa Natsangana Tamin’ny Maty

Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy tamin’ny mpianany fa natsangana tamin’ny maty izy?

TOKO 136

Teo Amoron’ny Ranomasin’i Galilia

Intelo i Petera no nampahatsiahivina hoe ahoana no anaporofoany ny fitiavany an’i Jesosy?

TOKO 137

Olona An-jatony no Nahita Azy Talohan’ny Pentekosta

Naverimberin’i Jesosy tamin’ny mpianany talohan’ny hiakarany tany an-danitra hoe inona no ho azon’izy ireo ary ahoana no tokony hampiasany azy io.

TOKO 138

Teo Ankavanan’Andriamanitra i Kristy

Inona no nataon’i Jesosy teo am-piandrasana ny fotoana hifehezany ny fahavalony?

TOKO 139

Hanova ny Tany ho Paradisa i Jesosy ary Hamita ny Asa Nasaina Nataony

Mbola betsaka ny asa tsy maintsy hataon’i Jesosy, alohan’ny hanomezany ny Fanjakana ho an’Andriamanitra Rainy.

Te Hanahaka An’i Jesosy ve Ianao? Miezaha Àry...

Misy toetra valo nananan’i Jesosy foana teo amin’ny fiainany.

Fanondroana Andinin-teny

Ampiasao io fanondroana io mba hahitana hoe aiza ho aiza ao amin’ilay boky no iresahana ny andinin-teny tsirairay ao amin’ny Filazantsara.

Fanondroana Fanoharana

Hita ao hoe toko aiza amin’ilay boky no miresaka ny fanoharana tsirairay.

Faminaniana Vitsivitsy Momba ny Mesia

Hita ao ny zava-nitranga tamin’i Jesosy sy ny faminaniana mifanitsy amin’izany, izay manaporofo fa izy no Mesia. Hita ao ny toko momba izany ao amin’ilay boky.

Toerana Nipetrahan’i Jesosy sy Nampianarany

Hita eo amin’ilay sarintany hoe taiza avy i Jesosy no nanompo.