Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

 TOKO 35

Ilay Toriteny Malaza teo An-tendrombohitra

Ilay Toriteny Malaza teo An-tendrombohitra

MATIO 5:1–7:29 LIOKA 6:17-49

  • TORITENY TEO AN-TENDROMBOHITRA

Azo antoka fa reraka i Jesosy rehefa avy nivavaka nandritra ny alina manontolo sy nifidy ny apostoly 12. Mbola nanana hery sy naniry hanampy olona anefa izy rehefa maraina. Nanao izany izy teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia, izay angamba tsy lavitra an’i Kapernaomy, toerana nandaminany ny fanompoany.

Nankeo aminy ny olona maro be avy lavitra. Avy any Jerosalema sy Jodia any atsimo ny sasany. Nisy koa avy any Tyro sy Sidona, tanàna amoron-tsiraka any avaratrandrefana. Tonga teo amin’i Jesosy izy ireo mba “hihaino azy sy hositraniny tamin’ny aretiny”, ary “nahasitrana azy rehetra” izy. Eritrereto ange e! Ireo narary rehetra no sitrana. Nampian’i Jesosy koa ireo “nampahorin’ny fanahy maloto” na anjelin’i Satana.—Lioka 6:17-19.

Nitady toerana marimarina teo amin’ilay tendrombohitra i Jesosy avy eo, ary nanodidina azy ny vahoaka. Teo akaikiny angamba ny mpianany, ary ny apostoly 12 no tena nanakaiky azy. Tena te hihaino an’io mpampianatra mahay fahagagana io ny rehetra. Nanao toriteny nahasoa ny mpihaino azy i Jesosy. Maro koa no mandray soa amin’izy io atỳ aoriana, anisan’izany isika. Miresaka hevitra lalina mantsy ilay izy, nefa tsotra sy mazava. Zavatra nahazatra sy fahita no noresahin’i Jesosy. Nahazo an’izay nolazainy àry ny olona te hanana fiainana tsara kokoa sy niezaka nankatò an’Andriamanitra. Inona no hevi-dehibe ao amin’ilay toritenin’i Jesosy ka mahatonga azy io hahasoa?

IZA NO TENA SAMBATRA?

Te ho sambatra daholo ny olona. Fantatr’i Jesosy izany ka vao nanomboka izy, dia noresahiny hoe iza no tena sambatra. Tena nahaliana ny mpihaino izany. Nisy zavatra nahagaga azy ireo anefa.

Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny ory, fa izy no hampiononina. ... Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no homena fahafaham-po. ... Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ... noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra.”—Matio 5:3-12.

Tsy ilay falifaly toy ny rehefa manao zavatra mahafinaritra no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “sambatra.” Lalina kokoa ny tena fahasambarana. Midika izy io hoe tena faly sady afa-po amin’ny fiainana.

Iza àry no tena sambatra? Ireo mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, sy malahelo satria mpanota, ary lasa mahafantatra an’Andriamanitra sy manompo azy. Halan’ny olona sy enjehina izy ireo satria manao ny sitrapon’Andriamanitra. Sambatra anefa izy ireo satria mahalala fa mampifaly azy sady homeny fiainana mandrakizay ho valisoa.

Maro no mihevitra fa ny harena sy ny fahafinaretana no mahasambatra. Ny mifanohitra amin’izany anefa no nolazain’i Jesosy. Azo antoka fa nampieritreritra ny maro tamin’ireo nihaino azy ilay teniny hoe: ‘Lozanareo manankarena, satria efa azonareo daholo izay nahafa-po anareo. Lozanareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny, fa halahelo sy hitomany ianareo. Lozanareo raha milaza soa momba anareo daholo ny rehetra, fa izany koa no nataon’ny razanareo tamin’ny mpaminany sandoka.’—Lioka 6:24-26.

Nahoana no mitondra loza ny hoe manankarena sy mihomehy ary mahazo teny fiderana? Satria rehefa mankafy an’ireo ny olona, dia mety hanao an-tsirambina ny fanompoana an’Andriamanitra ka tsy ho tena sambatra. Tsy te hilaza i Jesosy hoe rehefa mahantra na noana ny olona dia sambatra. Ireo sahirana anefa matetika no mandray tsara ny fampianarany ka tena sambatra.

Hoy i Jesosy momba ny mpianany: “Ianareo no siran’ny tany.” (Matio 5:13) Tsy sira ara-bakiteny akory izy ireo. Miaro ny sakafo tsy ho simba ny sira. Nisy sira be dia be notehirizina teo akaikin’ny alitara tao amin’ny tempolin’Andriamanitra, mba hatao amin’ny fanatitra. Ilazana zavatra tsy simba na tsy lo koa ny sira. (Levitikosy 2:13; Ezekiela 43:23, 24) Toy ny “siran’ny tany” ny mpianatr’i Jesosy satria miaro ny olona, izany hoe manampy azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra sy tsy ho ratsy fitondran-tena. Mety ho voaro ny ain’izay mandray tsara ny hafatr’izy ireo.

Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” Tsy atao ao ambany sobika ny jiro fa atao eo amin’ny fitoeran-jiro mba hanazava. Nampirisika ny mpianany àry izy hoe: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’—Matio 5:14-16.

NOMENY FITSIPIKA AMBONY NY MPANARA-DIA AZY

Nihevitra an’i Jesosy ho mpandika ny Lalàn’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana jiosy, ka vao haingana no nikaon-doha hamono azy. Sahy nilaza àry i Jesosy hoe: “Aza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lalàna na ny Mpaminany aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka.”—Matio 5:17.

Tena nanaja ny Lalàn’Andriamanitra i Jesosy, ary nampirisika ny hafa hanao izany. Hoy izy: “Izay mandika ny iray amin’ireo didy kely indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany koa, dia tsy mendrika hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.” Hoy koa izy: “Izay mitandrina sy mampianatra ireo didy ireo kosa no mendrika hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.”—Matio 5:19.

Nolazain’i Jesosy fa ratsy na dia ny toe-tsaina mahatonga ny olona handika ny Lalàn’Andriamanitra aza. Notononiny ilay didy hoe “aza mamono olona”, ary hoy izy: “Izay rehetra mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eo anatrehan’ny fitsarana.” (Matio 5:21, 22) Tena ratsy ny mitahiry fahatezerana, satria mety hahatonga ny olona iray hamono olona. Nohazavain’i Jesosy izay tokony hatao mba hihavanana amin’ny hafa. Hoy izy: “Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara àry ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.”—Matio 5:23, 24.

Mandrara ny fanitsakitsaham-bady koa ny Lalàna. Hoy i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:27, 28) Tsy eritreri-dratsy sendra mandalo fotsiny no tiany horesahina. Tiany hasongadina kosa fa tena ratsy ny hoe “tsy mitsahatra mijery.” Miteraka faniriana mafy matetika ny fijerena maharitra. Mety hanitsakitsa-bady ny olona tsy mitsahatra mijery vehivavy, raha vao mahita hirika. Ahoana no isorohana an’izany? Mety hilaina ny mandray fepetra hentitra. Hoy i Jesosy: “Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao. ... Raha ny tananao havanana koa no mahatonga anao hanota, dia tapaho ka ario lavitra anao.”—Matio 5:29, 30.

Misy manaiky ny hanesorana ny tongony na ny tanany marary mafy, mba hamonjena ny ainy. Rariny àry raha nilaza i Jesosy hoe aleo ‘ariana lavitra’ ny zavatra iray, na inona io na inona, mba hialana amin’ny eritreri-dratsy sy izay mety ho vokatr’ilay izy. Mety ho zava-tsarobidy hoatran’ny maso sy tanana mihitsy no hafointsika amin’izany. Nanazava izy avy eo hoe: “Mahasoa anao kokoa ny hamoy rantsambatana iray, toy izay ny vatanao manontolo no ho lasa any amin’ny Gehena.” (Ny Gehena dia toerana nisy fako miavosa sady mirehitra, tao ivelan’i Jerosalema.)

Natoron’i Jesosy koa ny tokony hatao raha misy manisy ratsy na mampahatezitra antsika. Hoy izy: “Aza manohitra an’izay manisy ratsy anao, fa na iza na iza mamely tehamaina ny takolakao havanana, dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.” (Matio 5:39) Tsy hoe tsy mahazo miaro tena akory ny olona iray raha misy manafika izy na ny mpianakaviny. Tehamaina no noresahin’i Jesosy, izany hoe zavatra manala baraka fa tsy mandratra mafy na mahafaty. Te hilaza izy fa tsy tokony hamaly faty isika, raha misy mila ady amintsika na mampahatezitra antsika, ohatra hoe mamelaka na manao teny manambany.

Mifanaraka amin’ilay lalàn’Andriamanitra mandidy antsika ho tia namana io torohevitra io. Hoy àry i Jesosy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” Misy antony lehibe tokony hanaovana izany, satria hoy izy: “Mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.”—Matio 5:44, 45.

Hoy i Jesosy namintina an’iny ampahany amin’ilay toriteniny iny: “Koa tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.” (Matio 5:48) Tsy te hilaza izy hoe afaka ny ho lavorary tanteraka isika. Afaka manana fitiavana bebe kokoa anefa isika raha manahaka an’Andriamanitra, ka ho tiantsika hatramin’ny fahavalontsika. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe: “Mamindrà fo hatrany, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.”—Lioka 6:36.

VAVAKA SY FATOKISANA AN’ANDRIAMANITRA

Nampirisika ny mpihaino azy i Jesosy avy eo hoe: “Mitandrema sao ny mba ho hitan’ny olona fotsiny no antony anaovanareo ny marina eo anatrehany.” Nasehony fa tsy mety ny mihatsaravelatsihy ka miseho ho mpivavaka. Hoy izy: “Rehefa manome zavatra ianao ho fiantrana ny mahantra, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy.” (Matio 6:1, 2) Tsara kokoa raha tsy ampahafantarina ny besinimaro hoe niantra ny mahantra isika.

Hoy i Jesosy avy eo: “Rehefa mivavaka koa ianareo, dia aza manao toy ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny synagoga sy eny an-joron-dalambe mba ho hitan’ny olona.” Hoy kosa izy: ‘Rehefa mivavaka ianao, dia midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny miafina.’ (Matio 6:5, 6) Tsy nandrara ny fanaovana vavaka eny imason’olona i Jesosy satria na izy aza nanao izany. Te hilaza kosa izy fa tsy mety ny vavaka atao mba hampitolagaga sy mba hahazoana dera fotsiny.

Nanoro hevitra ny vahoaka i Jesosy hoe: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao.’ (Matio 6:7) Tsy te hilaza izy hoe tsy mety ny mamerimberina zavatra iray amin’ny vavaka. Nolazainy kosa fa tsy tsara ny vavaka tsianjery na “mitovy foana.” Nilaza vavaka modely izy avy eo, ary misy zavatra fito angatahina amin’izy io. Ireto ny telo voalohany: Mba hohamasinina ny anaran’Andriamanitra, ho tonga ny Fanjakany, ary hatao ny sitrapony. Hita amin’ireo fa manaiky ny zon’i Jehovah hitondra isika sady mahalala ny fikasany. Aorian’izay isika vao tokony hangataka zavatra ho antsika, izany hoe ny sakafo hohanina mandritra ny andro, ny famelan-keloka, ny mba tsy halaim-panahy mihoatra noho izay zaka, ary ny mba hafahana amin’ilay ratsy.

Ahoana no tokony hiheverantsika ny fananantsika? Hoy i Jesosy: “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany, izay misy bibikely sy harafesina manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.” Torohevitra tena mety izany. Mety ho simba mantsy ny fananana, ary simba tokoa izy ireny. Tsy mahatonga antsika hankasitrahan’Andriamanitra koa izy ireny. Hoy àry i Jesosy: ‘Manangòna harena ho anareo any an-danitra.’ Manao izany isika raha manao loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy misy afaka manala amintsika ny fankasitrahan’Andriamanitra na maka an’ilay valisoa ampanantenainy, dia ny fiainana mandrakizay. Marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Any amin’izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.”—Matio 6:19-21.

Hoy i Jesosy mba hanamafisana an’izany: “Ny maso no jiron’ny vatana. Koa raha tsotra ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo, fa raha mifantoka amin’ny zava-dratsy kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo.” (Matio 6:22, 23) Toy ny jiro manazava antsika ny masontsika an’ohatra, raha miasa tsara. Tsy maintsy mifantoka amin’ny zavatra tokana anefa izy io, raha tsy te ho diso hevitra isika. Raha ny vola sy harena mantsy no ifantohantsika fa tsy ny fanompoana an’Andriamanitra, dia midika izany hoe ‘maizina ny tenantsika manontolo’, satria angamba voasarika hanao zavatra maizimaizina isika.

Hoy indray i Jesosy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”—Matio 6:24.

Mety ho nanahy ny olona sasany teo hoe: ‘Dia ahoana ny fivelomana?’ Nanome toky azy ireo i Jesosy fa tsy misy tokony hampanahy rehefa atao loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra. “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa ny Rainareo izay any an-danitra manome sakafo azy.”—Matio 6:26.

Nomarihin’i Jesosy koa ny lisy teo amin’ilay tendrombohitra. Nilaza izy fa “na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny iray amin’ireny.” Izao no tiany hambara: “Raha ny zavamaniry any an-tsaha, izay any ihany anio ary hatsipy ao anaty afo rahampitso, no ampitafian’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo?” (Matio 6:29, 30) Hoy izy avy eo: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ ... Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:31-33.

AHOANA NO HAHAZOANA NY FIAINANA?

Te hampifaly an’Andriamanitra ny apostoly sy ny olon-kafa tso-po nefa tsy mora izany. Maro, ohatra, ny Fariseo tia nanakiana sy nitsaratsara ny hafa, ka hoy i Jesosy tamin’ny mpihaino azy: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina, fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo.”—Matio 7:1, 2.

Nampidi-doza ny nanaiky hotarihin’ireo Fariseo tia manakiana, araka ity tenin’i Jesosy ity: “Ny jamba angaha afaka mitarika jamba? Tsy ho latsaka any an-kady ve izy roa?” Ahoana àry no tokony hiheverana ny hafa? Tsy mety ny manakiana satria fahadisoana lehibe izany. Hoy i Jesosy: “Ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Aleo hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, ry rahalahy’, nefa ianao tsy mijery ny vatan-kazo eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao, dia ho hitanao tsara ny hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”—Lioka 6:39-42.

Nila nahay nandinika anefa ny mpianatr’i Jesosy, na dia tsy tokony hitsaratsara ny hafa aza. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo.” (Matio 7:6) Sarobidy toy ny perla ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Raha misy olona tsy mankasitraka azy ireny àry, dia tokony hiala ny mpianatra ka hitady an’ireo vonona hihaino.

Niresaka momba ny vavaka indray i Jesosy ka nanasongadina fa ilaina ny maharitra amin’ny vavaka. Hoy izy: “Mangataha foana, dia homena ianareo.” Vonona hamaly vavaka Andriamanitra, araka ny nasongadin’i Jesosy hoe: ‘Iza aminareo raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato? Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.’—Matio 7:7-11.

Nanome toro lalana lasa malaza be i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” Tsy isika rehetra ve no tokony handray am-po sy hampihatra an’izany, rehefa mifandray amin’ny hafa? Tsy mora foana anefa izany satria hoy i Jesosy: “Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any. Tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”—Matio 7:12-14.

Hisy hitaona an’ireo mpianatr’i Jesosy hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka nampitandrina izy hoe: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry izy ireny nefa ao anatiny ao amboadia mpiremby.” (Matio 7:15) Nilaza i Jesosy fa ny voan’ny hazo no ahalalana raha tsara ilay hazo na ratsy. Toy izany koa ny olona. Ny fampianaran’ny mpaminany sandoka sy ny zavatra ataony àry no ahalalana azy. Te hilaza i Jesosy fa tsy izay lazain’ny olona fotsiny no amantarana hoe mpianany izy, fa ny ataony koa. Misy mihambo ho manana azy ho Tompo. Ahoana anefa raha tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra izy? Hoy i Jesosy: ‘Hotsoriko aminy amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.’—Matio 7:23.

Hoy i Jesosy namarana an’ilay toriteny: “Izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy. Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy.” (Matio 7:24, 25) “Nihady lalina” ilay lehilahy “vao nandatsaka fototra teo ambony vatolampy”, ka tsy nirodana ilay trano. (Lioka 6:48) Tsy ampy àry ny mandre ny tenin’i Jesosy. Tsy maintsy miezaka mafy “mankatò” azy ireny koa isika.

Ary ahoana ireo ‘mandre ny tenin’i Jesosy’ nefa “tsy mankatò”? Toy ny “lehilahy adala izay nanorina ny tranony teo ambony fasika” izy ireo. (Matio 7:26) Mirodana ny trano toy izany rehefa tratran’ny orana sy tondra-drano ary rivotra.

Talanjona tamin’ny fomba fampianatr’i Jesosy ny vahoaka nihaino an’ilay toriteny. Nampianatra toy ny manana fahefana mantsy izy fa tsy toy ny mpitondra fivavahana. Maro tamin’ireo nihaino azy angamba no lasa mpianany.

Fanampim-panazavana

Tahafo i Jesosy dia ho Afa-po Amin’ny Fiainana Ianao!

Ho afa-po amin’ny fiainana ianao raha mampihatra ny tenin’i Jesosy tamin’izy nitory teny teo an-tendrombohitra. Misy tantara tena nisy manamarina izany.