Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

 TOKO 122

Vavaka Famaranana tao Amin’ilay Efitra Ambony Rihana

Vavaka Famaranana tao Amin’ilay Efitra Ambony Rihana

JAONA 17:1-26

  • NY SOA HO AZON’IZAY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA SY NY ZANANY

  • TAFARAY I JEHOVAH SY JESOSY ARY NY MPIANANY

Tena tia an’ireo apostoliny i Jesosy ka nampiomana azy ireo fa tsy ho ela izy dia handeha. Niandrandra ny lanitra izy ary nivavaka tamin’ny Rainy hoe: “Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao. Fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra izy mba hanomezany fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao azy.”—Jaona 17:1, 2.

Fantatr’i Jesosy fa ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra. Mampahery anefa fa nampanantena fiainana mandrakizay koa i Jesosy. ‘Nomena fahefana amin’ny nofo rehetra’ izy, ka afaka manampy ny olombelona mba handray soa amin’ny vidim-panavotana. Izay manaraka an’ity teniny ity ihany anefa no handray izany soa izany: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Ilaina àry ny mahafantatra tsara ny Ray sy ny Zanaka, ka mifandray akaiky amin’izy ireo. Ilaina ny miezaka mba hitovy fomba fihevitra amin’izy ireo, sy manahaka ny toetra tsara ananany rehefa mifandray amin’ny hafa. Tokony hekena koa fa zava-dehibe kokoa ny manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny mahazo fiainana mandrakizay. Hoy indray i Jesosy momba izany:

“Efa nanome voninahitra anao aho teto an-tany, satria vitako ny asa nasainao nataoko. Koa ankehitriny, Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jaona 17:4, 5) Nangataka ny hatsangana amin’ny maty i Jesosy mba hahazoany indray an’ilay voninahitra nananany tany an-danitra.

Tsy hadinon’i Jesosy koa izay nataony rehefa nitory. Nivavaka izy hoe: “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. Anao izy ireo ka nomenao ahy, ary efa notandremany ny teninao.” (Jaona 17:6) Tsy hoe nanonona ny anaran’Andriamanitra fotsiny i Jesosy tamin’izy nitory. Nampahafantariny an’ireo apostoly ny dikan’ilay hoe Jehovah, izany hoe ny toetran’Andriamanitra sy ny fomba itondrany ny olombelona.

Lasa nahalala an’i Jehovah sy ny andraikitry ny Zanany ary ny fampianaran’izy io ny apostoly. Nanetry tena anefa i Jesosy ka nilaza hoe: “Ny teny nomenao ahy mantsy no nomeko azy ireo, ary noraisiny ka fantany tokoa fa avy taminao aho sady solontenanao. Nino izy fa ianao no naniraka ahy.”—Jaona 17:8.

Nasehon’i Jesosy avy eo fa tsy mitovy amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity ny mpanara-dia azy. Hoy izy: “Mangataka aminao ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao aho fa ho an’ireo nomenao ahy, satria anao ireo ... Ray Masina ô, arovy izy ireo noho ny amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. ... Efa narovako izy ireo, ka tsy nisy ringana na iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana.” (Jaona 17:9-12) I Jodasy Iskariota io “zanaky ny fandringanana” io, ary efa lasa nanao zavatra hamadihana an’i Jesosy izy tamin’izay.

Hoy ihany i Jesosy tao amin’ilay vavaka: ‘Halan’izao tontolo izao izy. Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy. Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.’ (Jaona 17:14-16) Teo amin’izao tontolo izao ny apostoly sy ny mpianatra hafa, izany hoe teo anivon’ny olona nofehezin’i Satana. Nila niezaka mba ho tafasaraka tamin’izy ireo sy tsy nanao ny ratsy fanaony anefa izy ireo. Ahoana izany?

Tsy maintsy niezaka foana izy ireo mba ho masina, na voatokana hanompo an’Andriamanitra, ka hampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Hebreo sy izay nampianarin’i Jesosy. Nivavaka i Jesosy hoe: “Mba hamasino amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Notarihin’ny fanahy masina ireo apostoly tatỳ aoriana, ka nanoratra boky. Lasa anisan’ilay “fahamarinana” manampy ny olona ho masina ireny boky ireny.

Nisy olon-kafa nanaiky ny “fahamarinana” koa anefa tatỳ aoriana. Tsy ho an’ny mpianany efa teo ihany àry no nangatahan’i Jesosy, fa ‘ho an’izay mino azy noho ny tenin’ireo mpianany ireo’ koa. Inona no nangatahin’i Jesosy ho azy rehetra? Hoy izy tamin’ny Rainy: “Mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo.” (Jaona 17:20, 21) Tsy olona iray ara-bakiteny i Jesosy sy ny Rainy. Iray izy ireo satria mifanara-tsaina foana. Nivavaka i Jesosy mba hiray saina toy izany koa ny mpanara-dia azy.

Nilaza tamin’i Petera sy ny hafa i Jesosy taloha kelin’izay fa handeha izy ka hanomana toerana ho azy ireo, izany hoe toerana any an-danitra. (Jaona 14:2, 3) Niresaka momba izany indray izy tamin’ilay vavaka. Hoy izy: “Ray ô, mba tiako hiaraka amiko any amin’izay misy ahy ireo nomenao ahy, mba hahitany ny voninahitro izay nomenao ahy, satria ianao efa tia ahy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jaona 17:24) Nohamafisiny teo àry fa ela be talohan’ny niterahan’i Adama sy Eva, dia efa tian’Andriamanitra ilay Zanany lahitokana, izay lasa nantsoina hoe Jesosy Kristy.

Hoy i Jesosy teo am-pamaranana: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.” (Jaona 17:26) Nasongadiny indray ny anaran’ny Rainy sy ny fitiavan’Andriamanitra ny apostoly sy ireo mbola hanaiky ny “fahamarinana.”