Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

 TOKO 42

Niteny Mafy An’ireo Fariseo i Jesosy

Niteny Mafy An’ireo Fariseo i Jesosy

MATIO 12:33-50 MARKA 3:31-35 LIOKA 8:19-21

  • NIRESAKA AN’ILAY “FAMANTARANA NY AMIN’I JONA” I JESOSY

  • TIANY KOKOA NOHO NY FIANAKAVIANY NY MPIANANY

Nolavin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo hoe avy amin’Andriamanitra ny hery amoahan’i Jesosy demonia. Efa nitady hanevateva ny fanahy masina izy ireo. Andriamanitra àry sa Satana no notohanan’izy ireo? Hoy i Jesosy: “Izay iray ambolenareo: Na hazo tsara mamoa voa tsara, na hazo ratsy mamoa voa ratsy, fa ny voany no ahafantarana ny hazo.”—Matio 12:33.

Toy ny namoa voa tsara i Jesosy rehefa namoaka demonia, ka adala izay nilaza fa manompo an’i Satana izy matoa nahavita an’izany. Nohazavain’i Jesosy tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra fa tsara ny hazo fa tsy ratsy raha tsara ny voany. Hita tamin’ilay fiampangana tsy mitombina nolazain’ny Fariseo àry fa namoa voa ratsy izy ireo. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Ry taranaky ny menarana, ahoana moa no ahaizanareo milaza zavatra tsara nefa ianareo ratsy fanahy? Fa izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.”—Matio 7:16, 17; 12:34.

Hita amin’ny tenintsika tokoa ny ao am-pontsika, ary azo itsarana antsika izany. Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa izay teny tsy mahasoa rehetra lazain’ny olona, dia hampamoahana azy amin’ny Andro Fitsarana. Fa ny teninao no hanambarana anao ho marina, ary ny teninao no hanamelohana anao.”—Matio 12:36, 37.

Efa maro ny fahagagana nataon’i Jesosy, nefa mbola nilaza ny mpanora-dalàna sy Fariseo hoe: “Mpampianatra ô, te hahita famantarana avy aminao izahay.” Efa ampy ny vavolombelona nanatri-maso ny fahagagana nataon’i Jesosy, na hitan’ireo lohandohany tamin’ny Jiosy ireo izany na tsia. Namaly àry i Jesosy hoe: “Mitady famantarana foana ny taranaka ratsy fanahy sy mpanitsakitsa-bady, nefa tsy hisy famantarana homena azy afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany.”—Matio 12:38, 39.

Nohazavain’i Jesosy ny teniny ka hoy izy: “Tahaka ny nitoeran’i Jona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro goavana, no hitoeran’ny Zanak’olona telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany koa.” Natelin’ny trondro goavam-be i Jona ary navoakany avy eo, ka toy ny natsangana tamin’ny maty. Te hilaza àry i Jesosy fa ho faty izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo. Tanteraka izany tatỳ aoriana, nefa tsy nino an’ilay “famantarana ny amin’i Jona” ny lohandohany tamin’ny Jiosy. Tsy nety nibebaka sy niova izy ireo. (Matio 27:63-66; 28:12-15) “Ny mponin’i Ninive” anefa nibebaka rehefa nitory tamin’izy ireo i Jona. Homelohin’izy ireo àry ilay taranaka tamin’ny andron’i Jesosy. Nilaza koa i Jesosy fa hanameloka an’ilay taranaka ny mpanjakavavin’i Sheba. Naniry hihaino ny fahendren’i Solomona mantsy izy ary talanjona tamin’izany. “Misy lehibe noho i Solomona anefa eto”, hoy i Jesosy.—Matio 12:40-42.

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray nivoahan’ny fanahy maloto ilay taranaka ratsy fanahy. (Matio 12:45) Tsy nofenoin’ilay lehilahy zavatra tsara ny toerana banga, ka niverina ilay fanahy maloto. Nitondra fanahy fito ratsy noho izy ilay fanahy, ary nifehy an’ilay lehilahy izy ireo. Toa an’io lehilahy io ny firenen’Israely satria nodiovina ka niova. Nolaviny anefa ny mpaminanin’Andriamanitra. Vitany mihitsy ny nanohitra an’i Jesosy, nefa niharihary fa nanana ny fanahin’Andriamanitra izy. Hita àry fa ratsy noho ny tamin’ny voalohany ilay firenena.

Raha mbola niteny i Jesosy, dia tonga tao aorian’ilay vahoaka ny reniny sy ny rahalahiny. Nisy olona niteny teo akaikin’i Jesosy hoe: “Mijoro ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, te hihaona aminao.” Nasehon’i Jesosy taorian’izay fa tena tiany ny mpianany, ka noraisiny ho toy ny rahalahiny sy anabaviny ary reniny. Nanondro ny mpianany izy sady nilaza hoe: “Ireto mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra ireto no reniko sy rahalahiko.” (Lioka 8:20, 21) Nasehony fa na dia sarobidy taminy aza ny havany, dia mbola sarobidy kokoa ny mpianany. Mampahery tokoa ny manana fianakaviana ara-panahy toy izany, indrindra rehefa tsy matoky antsika ny hafa na manakiana antsika sy ny asa tsara ataontsika.