Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

 TOKO 133

Nokarakaraina ny Vatan’i Jesosy ary Nalevina

Nokarakaraina ny Vatan’i Jesosy ary Nalevina

MATIO 27:57–28:2 MARKA 15:42–16:4 LIOKA 23:50–24:3 JAONA 19:31–20:1

  • NESORINA TEO AMIN’NY TSATO-KAZO NY VATAN’I JESOSY

  • NOKARAKARAINA MBA HALEVINA NY VATANY

  • FASANA TSY NISY NA INONA NA INONA NO HITAN’IREO VEHIVAVY

Zoma harivan’ny 14 Nisana tamin’izay. Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro tamin’io ny Sabata 15 Nisana. Efa maty i Jesosy fa mbola velona kosa ireo jiolahy roa teo anilany. Nilaza ny Lalàna fa ‘tsy tokony hajanona eo amin’ny tsato-kazo mandritra ny alina ny faty’, fa tokony halevina “ny androtr’iny ihany.”—Deoteronomia 21:22, 23.

Natao hoe Andro Fiomanana io zoma tolakandro io, satria tamin’io ny olona no nanomana ny sakafo nilaina tamin’ny Sabata sy namita ny asa tsy afaka niandry taorian’izay. Sabata “lehibe” na Sabata roa sosona ilay Sabata 15 Nisana. (Jaona 19:31) Nahoana? Sabata foana ny andro voalohany amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, izay maharitra fito andro. (Levitikosy 23:5, 6) Nifanindry tamin’ny Sabata isan-kerinandro na ny andro fahafito anefa ilay izy tamin’io, ka lasa Sabata “lehibe.”

Nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hatao izay hahafaty haingana an’i Jesosy sy ireo jiolahy roa. Nila notapahina àry ny ranjon’izy ireo. Amin’izay izy ireo tsy afaka mampiasa ny tongony mba hampiakarana ny vatany, dia tsy afaka mifoka rivotra. Notapahin’ny miaramila ny ranjon’ireo jiolahy. Toa efa maty anefa i Jesosy ka tsy notapahina ny ranjony. Tanteraka àry ny Salamo 34:20 hoe: “Arovany daholo ny taolan’izany olona izany, ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.”

Te hahazo antoka ny miaramila iray fa maty i Jesosy ka nolefoniny ny takibany, teo amin’ny nisy ny fony. “Tonga dia nisy ra sy rano nivoaka.” (Jaona 19:34) Tanteraka koa àry ilay hoe: “Hijery an’Ilay nolefoniny izy ireo.”—Zakaria 12:10.

Nanatrika ny famonoana an’i Jesosy i Josefa avy any Arimatia, izay “lehilahy mpanankarena.” (Matio 27:57) Olo-manan-kaja anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy. Voalaza fa “tsara toetra sy marina” izy ary “niandry ny fanjakan’Andriamanitra.” “Mpianatr’i Jesosy” izy “saingy tsy niseho ho mpianany noho ny fahatahorany ny Jiosy.” (Lioka 23:50; Marka 15:43; Jaona 19:38) Tsy nanohana an’ilay didim-pitsarana momba an’i Jesosy àry izy. Sahy nangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato i Josefa. Nanontany an’ilay manamboninahitra niandraikitra ny famonoana an’i Jesosy i Pilato. Nanome toky azy izy io fa tena maty i Jesosy, ka neken’i Pilato ny fangatahan’i Josefa.

Nividy lamba rongony madio sy tena tsara i Josefa ary nesoriny teo amin’ny tsato-kazo ny fatin’i Jesosy, ka nofonosiny an’ilay lamba. Nanampy azy i Nikodemosy, “ilay lehilahy tonga alina tao amin’i Jesosy tamin’ny voalohany.” (Jaona 19:39) Nitondra miora sy hazo manitra lafo vidy nilanja 100 livatra teo ho eo (33 kilao teo ho eo) izy. Nofonosiny lamba niaraka tamin’ireo zavamaniry ireo ilay faty, araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa handevina.

Nanana fasana mbola tsy nandevenana nolavahana teo amin’ny vatolampy i Josefa, tsy lavitra teo. Nataony tao ny fatin’i Jesosy ary nakodia teo anoloan’ilay izy ny vato be iray. Natao haingana izany, dieny mbola tsy nanomboka ny Sabata. Nety ho nanampy tamin’ny fikarakarana ny fatin’i Jesosy koa i Maria Magdalena sy Maria renin’i Jakoba kely. Nody haingana izy ireo avy eo mba “hanomana zavamaniry mani-pofona sy menaka manitra.” (Lioka 23:56) Tiany hahosotra amin’ny vatan’i Jesosy izany aorian’ny Sabata.

Nankany amin’i Pilato ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ny ampitso, izany hoe ny Sabata, ka niteny hoe: “Tsaroanay izay nolazain’iny mpisandoka iny fony fahavelony hoe: ‘Hitsangana aho rehefa afaka telo andro.’ Koa asaivo atao tsara ambina ny fasana hatramin’ny andro fahatelo, sao ho avy ny mpianany ka hangalatra azy ary hilaza amin’ny olona hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy!’ Dia ho ratsy noho ny voalohany izany fisandohana farany izany.” Koa hoy i Pilato: “Manana mpiambina ianareo. Mandehana ataovy tsara ambina araka izay vitanareo ny fasana.”—Matio 27:63-65.

Nankany am-pasana vao maraina be i Maria Magdalena sy Maria renin’i Jakoba ary ny vehivavy hafa, ny alahady. Nitondra zavamanitra izy ireo mba hatao amin’ny fatin’i Jesosy. Nifampiresaka izy ireo hoe: “Iza re no hasaintsika hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana e?” (Marka 16:3) Nisy horohoron-tany anefa. Efa nakodian’ny anjelin’i Jehovah koa ny vato, tsy teo intsony ny mpiambina, ary foana ny fasana.