Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

 TOKO 58

Nampitombo ny Mofo i Jesosy ary Nampitandrina Tamin’ny Lalivay

Nampitombo ny Mofo i Jesosy ary Nampitandrina Tamin’ny Lalivay

MATIO 15:32–16:12 MARKA 8:1-21

  • NANOME SAKAFO LEHILAHY 4 000 I JESOSY

  • NAMPITANDRINA MOMBA NY LALIVAIN’NY FARISEO IZY

Nisy vahoaka be nanatona an’i Jesosy, tamin’izy tao amin’ny faritr’i Dekapolisy teo amorony atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Te hihaino azy sy hositraniny izy ireo, ary nivimbina harona lehibe na sobika nisy vatsy.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany rehefa elaela: “Mampalahelo ahy ny vahoaka, fa efa telo andro izao no nitoerany teto amiko ary tsy manan-kohanina izy. Raha alefako mody tsy mihinan-kanina ireo, dia ho reraka eny an-dalana. Avy lavitra anefa ny sasany.” Hoy ny mpianany: “Aiza atỳ amin’ity toerana mitokana ity no hahitana mofo hahavoky ireo olona ireo?”—Marka 8:2-4.

Namaly i Jesosy hoe: “Manana mofo firy ianareo?” Hoy ny mpianany: “Fito. Ary misy trondro madinika vitsivitsy koa.” (Matio 15:34) Nasain’i Jesosy nandry ilika teo amin’ny tany àry ny vahoaka. Noraisiny ny mofo sy ny trondro, nivavaka izy, ary nasainy nozarain’ny mpianany izany. Mahagaga fa nihinana ny rehetra ary voky. Nangonina ny sisa tsy lany ka nahafeno sobika fito, nefa lehilahy 4 000 teo ho eo no nihinana, ankoatra ny zaza sy ny vehivavy!

Noravan’i Jesosy ny vahoaka ary nandeha sambokely izy sy ny mpianany niampita nankany Magadana, tany amorony andrefan’ny Ranomasin’i Galilia. Te hamandrika azy ny Fariseo sy ny olona sasany avy amin’ny sektan’ny Sadoseo, ka nangataka famantarana avy any an-danitra.

Fantatr’i Jesosy ny tian’izy ireo hatao ka hoy izy: “Rehefa hariva ny andro, dia mahazatra anareo ny miteny hoe: ‘Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.’ Ary rehefa maraina, dia hoy ianareo: ‘Hangatsiaka sy hanorana anio, fa mena ny lanitra saingy manjombona.’ Hainareo fantarina avy amin’ny endriky ny lanitra ny toetrandro, nefa tsy hainareo fantarina ny dikan’ny famantarana ny fotoana voatondro.” (Matio 16:2, 3) Nilaza tamin’ny Fariseo sy ny Sadoseo izy avy eo fa tsy misy famantarana homena azy ireo afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona.

Nandray sambokely i Jesosy sy ny mpianany avy eo ary nankany Betsaida, any amorony avaratratsinanan’ilay farihy. Tonga saina ny mpianatra teny an-dalana hoe nanadino nitondra mofo ary tsy nanana afa-tsy mofo iray. Mbola tao an-tsain’i Jesosy kosa ny fihaonany tamin’ny Fariseo sy ny Sadoseo mpanohana an’i Heroda, ka nampitandrina izy hoe: “Aoka ho mailo hatrany ianareo, ka mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.” Nihevitra ny mpianany fa mifandray amin’ilay izy ireo nanadino nitondra mofo ilay tenin’i Jesosy momba ny lalivay. Hitan’i Jesosy fa diso hevitra izy ireo ka hoy izy: “Nahoana ianareo no miady hevitra noho ny tsy fanananareo mofo?”—Marka 8:15-17.

Vao avy nanome mofo ho an’ny olona an’arivony i Jesosy, ka tokony ho fantatry ny mpianany fa tsy nanahy izy hoe tsy ampy ny mofo. Hoy izy: “Tsy tadidinareo ve ny nanapahako mofo dimy ho an’ny dimy arivo lahy? Nahafeno harona firy ny sombintsombiny voangonareo?” Hoy ireo: “Roa ambin’ny folo.” Hoy koa i Jesosy: “Ary rehefa nanapaka ny mofo fito ho an’ny efatra arivo lahy aho, nahafeno sobika firy ny sombintsombiny voangonareo?” Namaly ireo hoe: “Fito.”—Marka 8:18-20.

Nilaza àry i Jesosy hoe: “Koa nahoana no tsy takatrareo fa tsy mofo no noresahiko taminareo? Fa mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny Sadoseo.”—Matio 16:11.

Tamin’izay vao azon’ny mpianatra ny tiany holazaina. Natao mba hampisy fiovana simika eo amin’ny koba sy hampitombo azy io ny lalivay. Nampiasa ny hoe lalivay i Jesosy teo mba hilazana fahasimbana. Nasainy nitandrina tamin’ny “fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” ny mpianany satria manimba izany.—Matio 16:12.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

Ahoana no nanomezan’i Jesosy sakafo ara-panahy ho an’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany? Mbola hoatr’izany ihany ve no ataony ankehitriny?