Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

 TOKO 39

Loza no Hanjo An’ilay Taranaka Tsy Nety Niova

Loza no Hanjo An’ilay Taranaka Tsy Nety Niova

MATIO 11:16-30 LIOKA 7:31-35

  • NOMELOHIN’I JESOSY NY TANÀNA SASANY

  • MAMELOMBELONA SY MITONDRA FANAMAIVANANA IZY

Tena nanaja an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesosy. Ary ny ankamaroan’ny olona? Hoy i Jesosy: ‘Ity taranaka ity dia toy ny ankizy mipetraka eny an-tsena sady miantsoantso an’ireo mpiara-milalao aminy, hoe: “Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo. Efa nidradradradra izahay, nefa tsy nikapo-tratra noho ny alahelo ianareo.”’—Matio 11:16, 17.

Inona no tian’i Jesosy holazaina? Hoy izy: “Tonga i Jaona, tsy nihinana na nisotro, nefa hoy ny olona: ‘Misy demonia izy.’ Tonga kosa ny Zanak’olona, nihinana sy nisotro, nefa hoy ihany ny olona: ‘Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay izy, sady naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota!’ ” (Matio 11:18, 19) Nazirita i Jaona ka nanana fiainana tsotra ary nifady divay mihitsy. Nisy nilaza anefa fa nisy demonia izy. (Nomery 6:2, 3; Lioka 1:15) I Jesosy kosa niaina toy ny olona rehetra. Nihinana sy nisotro araka ny antonony izy nefa nampangaina ho tsy nahalala onony. Toa tsy nety afa-po mihitsy ny olona.

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny ankizy teny an-tsena ny taranaka niara-belona taminy. Tsy nety nandihy ireo ankizy ireo rehefa nitsoka sodina ny ankizy hafa, ary tsy mba nalahelo rehefa nidradradradra ny ankizy sasany. Hoy i Jesosy avy eo: “Ny fahendren’ny olona anefa dia hamarinin’izay ataony.” (Matio 11:16, 19) Noporofoin’i Jaona sy Jesosy tamin’izay nataony fa diso ny fiampangana azy ireo.

Rehefa avy nilaza i Jesosy fa tsy nety niova ny mpiara-belona taminy, dia nomelohiny i Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy, tanàna nanaovany fahagagana. Nilaza izy fa ho nibebaka i Tyro sy Sidona, tanàna fenisianina, raha nanao fahagagana tany izy. Notononiny i Kapernaomy, toerana famantanany tamin’ny fotoana sasany. Tsy nandray azy tsara ny ankamaroan’ny olona tao. Hoy i Jesosy momba an’io tanàna io: “Ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo anao.”—Matio 11:24.

Nidera ny Rainy i Jesosy avy eo. Nafenin’ny Rainy “tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina” mantsy ny fahamarinana sarobidy, fa naharihariny tamin’ny olona manetry tena toy ny zaza. (Matio 11:25) Nanasa azy ireny hanatona azy i Jesosy. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30.

Nampitondra enta-mavesatra ny vahoaka ny mpitondra fivavahana satria nandidy azy ireo hanaraka fombafomba manandevo, toy ny fitsipika hentitra be momba ny Sabata. Namelombelona azy ireo kosa i Jesosy rehefa nampianatra ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, izay tsy nisy an’ireny fombafomba ireny. Ary ahoana no nanampian’i Jesosy an’ireo nijaly noho ny fanjakazakan’ny mpitondra sy ireo kivy be noho ny fahotana nataony? Natorony azy ireo hoe ahoana no ahazoany fanamaivanana. Nasehony azy ireo ny fomba ahazoana famelan-keloka sy ny tokony hatao mba hihavanana amin’Andriamanitra.

Afaka manokan-tena ho an’Andriamanitra izay rehetra vonona hitondra an’ilay zioga mora entina atolotr’i Jesosy. Afaka manompo an’ilay Raintsika any an-danitra, izay mahay mangoraka sy be famindram-po, izy ireo. Tsy manavesatra izany satria tsy mitaky zavatra sarotra Andriamanitra.—1 Jaona 5:3.

Fanampim-panazavana

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Tokony Hitandrina ny Sabata ve ny Kristianina?

Raha tsy tokony hitandrina ny sabata izy ireo, nahoana ny Baiboly no milaza hoe fifanekena mandrakizay ny Sabata?

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

“Inona no Voalohany Amin’ny Didy Rehetra?”

Teny iray monja dia efa mahalaza ny zavatra takin’Andriamanitra amintsika.