Ireo fanoharana momba ilay Fanjakana
Toko Faha-11
Ireo fanoharana momba ilay Fanjakana
1. Nahoana ireo fanoharana nataon’i Jesosy no mahaliana an’izay rehetra manompo an’Andriamanitra?
FONY izy niaraka tamin’ireo mpianany, dia nanonona fanoharana na ohatra fanazavana maro i Jesosy. Tao amin’ireo dia nasehony izay nentin’ny fahatongavana ho anisan’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny lalana tokony harahin’ny “ondry vitsy” mpandova ny Fanjakana, mbamin’izay rehetra handova ny fiainana mandrakizay eto an-tany eo ambany fanapahan’io Fanjakana io. Ireto voalaza farany, ny “ondry hafa”, dia faly aoka izany koa mahalala ireo faminaniana ny amin’ilay Fanjakana, ka mivavaka amin-kafanam-po ho an’ny ‘fahatongavany’ izy ireo. — Lioka 12:32; Jaona 10:16; I Tesaloniana 5:16-20.
2, 3. a) Nahoana moa Jesosy no nampiasa fanoharana? b) Nahoana ireo mpihaino azy ankoatra ny mpianany no tsy nahazo izany? d) Mifanohitra amin’ireo olona voalazalaza ao amin’ny Matio 13:13-15, nahoana moa isika no tokony hianatra amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra?
2 Taorian’ny nanomezan’i Jesosy anankiray tamin’ireny fanoharana ireny ho an’ny vahoaka, dia nanatona azy ny mpianany ka nanontany azy hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” Izao no navalin’i Jesosy azy ireo:
“Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.” (Matio 13:10, 11).
Nahoana no tsy mba navela ireny olona ireny? Satria izy ireny tsy vonona ny hanao ny fiezahana ilaina mba handalinana ilay raharaha sy hamantarana ny hevitra lalin’ny teniny, mba hahavoatosika ny fony hanao zavatra ho fanohanana ny “vaovao tsara”. Tsy noheveriny ho toy Matio 13:44-46.
ny “harena” ilay Fanjakana na ho toy ny “vato soa”. —3 Notononin’i Jesosy izao faminanian’Isaia manaraka izao tamin’ny fampisehoana fa izany dia nihatra tamin’ireny olona tsy nino ireny: “Handre mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahafantatra; ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita; fa efa adala ny fon’izao olona izao, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho.” (Matio 13:13-15). Tsy isalasalana fa ho tiantsika ny hanalavitra ny fitoviana amin’ireny olona mafy fo ireny. Aoka àry isika hikely aina amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra.
4. a) Karazam-po manao ahoana no tsy mandray soa amin’ny teny? b) Ahoana no mety hahavoatahy antsika raha miezaka hahalala ny hevitry ny teny isika?
4 Tao amin’ny fanoharana nataony voasoratra ao amin’ny Matio 13:3-8, Jesosy dia nampitaha ny tenany tamin’ny “mpamafy” izay namafy “ny tenin’ny fanjakana” tao amin’ny sokajim-po isan-karazany. Ny fon’ny sasany dia azo ampitahaina amin’ny tany eny amoron-dalana. Raha mbola tsy mamaka akory ny voa nafafy, dia alefan’ny Devoly ny mpanohana azy izay, sahala amin’ny “vorona”, dia manaisotra “ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena”. Ny fo hafa dia azo ampitahaina amin’ny tany be vato. Amin’ny voalohany izy ireny dia manaiky ny teny amim-pifaliana, nefa tsy ela dia maina ilay zavamaniry mbola marefo noho ny fitsapana na ny fanenjehana. Misy voa latsaka eo amin’ny “tsilo” izay mangeja azy amin’ny “ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao”. Ao koa anefa ny “voa” izay afafy eo amin’ny tany tsara.
“Izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.” (Matio 13:18-23; Marka 4:3-9, 14-20; Lioka 8:4-8, 11-15).
Tena ho voatahy isika ary hanjary tena hahavokatra ny
fanompoana masina anompoantsika an’Andriamanitra raha mandray ny teny amin’ny fo feno fankasitrahana isika ary raha mandany hery ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra.“MPAMAFY” HAFA IRAY
5. Fanoharana hafa inona koa no amporisihana antsika mba hohenoina? b) Nahoana moa ilay “lehilahy” resahina no tsy mety ho Jesosy Tompo?
5 Amin’ny Filazantsara rehetra, dia ny an’i Marka ihany no mampanaraka an’io fanoharana ny amin’ny “mpamafy” io amin’ny ohatra fanazavana hafa iray iresahana ny amin’ny “mpamafy” hafa iray. Talohan’ny hanomezana an’io fanoharana io an’ireo mpianany, dia nilaza tamin’izy ireo manokana toy izao i Jesosy: “Diniho izay teny renareo”, dia teny nampiarahiny tamin’izao fanoharana izao:
“Toy izao ny fanjakan’Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ny tany ka matory sy mahatsiaro isan-alina sy isan-andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny.” (Marka 4:24-27).
Miharihary tokoa fa tsy Jesosy Kristy Tompo ao amin’ny voninahiny akory io “lehilahy” io, satria io tsy mila ny matory amin’ny alina intsony toy ny ataon’ny olona. Tsy ho marina koa ny hilazana fa ny Zanak’Andriamanitra izay niara-niasa tamin’ny Rainy tamin’ny famoronana ny zavatra rehetra dia ‘tsy mahafantatra’ ny fomba fitomboan’ny voa afafy (Kolosiana 1:16). Ny teny manodidina àry dia mahatonga antsika hahatakatra fa ny “lehilahy” resahina dia ny kristiana tsirairay avy raisina mitokana izay tokony ‘handinika’ ireo zavatra momba ny “fanjakan’Andriamanitra”.
6. Inona moa ireo zavatra roa tokony hotandreman’ny “mpamafy” tsirairay avy, ary nahoana?
6 Ny “mpamafy” tsirairay avy dia tokony hitandrina ny toetoetra afafiny sy ny toerana manodidina amafazany. Tsy tsapantsika akory fa ny fitomboan’ny toetrantsika dia mety hiharan’ny hery tsara na ratsy arakaraka ny “tany” na karazan’olona ifaneraserantsika raha mbola miezaka hamboly ireo toetra kristiana isika, na olona ao anatin’ny kongregasiona izany na any ivelany (ampitahao amin’ny I Korintiana 15:33). Ho hita fa “feno voa” amin’ny farany ny salohy ka noho izany dia hijinja isika (Marka 4:28, 29). Zava-dehibe tokoa àry ny hitandreman’ireo anisan’ny “ondry vitsy” sy izay rehetra maniry ho velona mandrakizay eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny “voa” afafiny sy ny “tany” amafazany, mba hampitomboana toetra azo ampitahaina amin’ny an’i Kristy. — Efesiana 4:17-24; Galatiana 6:7-9.
FANJAKANA SANDOKA
7. Ahoana no anampian’ireo fanoharana samy hafa nataon’i Jesosy antsika hihevitra ilay Fanjakana?
7 Araka ny Marka, dia izao no teny nanampin’i Jesosy:
“Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?” (Marka 4:30).
Rehefa avy eo dia manasa antsika izy hihevitra ilay Fanjakana amin’ny endriny hafa. Ireny fanoharana ireny tokoa dia manampy antsika hahita ilay Fanjakana amin’ny fomba isan-karazany, toy ny azo andinihana trano iray avy ao anatiny sy avy any ivelany amin’ny zorony samy hafa.
8. a) Nahoana no tsy mety hahakasika ireo mpandova ilay Fanjakana ny fitomboana nahagaga hita tamin’ilay voan-tsinapy? b) Nahoana moa io fanoharana io no ara-dalàna raha mifandray amin’ny “fanjakana” voaforon’ny fivavahana lazaina fa kristiana? d) Ahoana no anamarinan’ny filazalazan’Andriamanitra ny amin’ny Isiraely nivadika izany fiheverana izany?
8 Hoharintsika amin’inona ary ny Fanjakan’Andriamanitra? Izao no avalin’i Jesosy:
“Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ny tany; fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ny voro-manidina itoerana ny alokalony.” (Marka 4:30-32).
Tena fitomboana mahagaga izany, tsy isalasalana mihitsy fa lehibe lavitra noho ny an’ny “ondry vitsy” voaforon’ny mpandova ilay Fanjakana 144 000 izay ‘sitraky ny Ray ny hanome azy ny fanjakana’. (Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1, 3.) Izany kosa dia fitomboan’ny “hazo” lehibe iray eto, dia fanjakana goavana sandoka, ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadika izay nitombo nanomboka tamin’ny kongregasiona nambolen’i Jesosy (Lioka 13:18, 19). Lehibe tokoa izy io satria mirehareha ho manana mpikambana maherin’ny 900 000 000 maneran-tany ampanantenany anjara any an-danitra. Io fanjakana nivadika io, efa ela be tokoa izay, dia nasehon’ny firenen’Isiraely izay nikomy tamin’Andriamanitra imbetsaka ka nanambaran’i Jehovah hoe: “Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; ka ahoana no nanjary sampany ratsy hianao ho voaloboka hafa?” — Jeremia 2:21-23; jereo koa Hosea 10:1-4.
9. a) Mampiseho inona ny “vorona” sy ny rantsan’ny “hazo”? b) Araka ny II Tesaloniana 1 sy Matio 7, nahoana isika no tokony hanalavitra an’io “hazo” io?
9 Araka ny filazalazana an’io “hazo” io nomen’i Matio, dia “avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin’ny rantsany”. Azo inoana fa izany dia “vorona” sahala amin’ireo voalaza tao amin’ny fanoharana teo aloha izay nandany ny “tenin’ny fanjakana” izay latsaka teny amoron-dalana (Matio 13:4, 19, 31, 32). Ireny “vorona” ireny dia miteronterona eny amin’ny rantsan’ny “hazo” voaforon’ireo Fiangonana an-jatony maro ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izy ireo dia mampiseho “ilay lehilahin’ota”, izany hoe ny klerjy nivadika ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Hafoin’izy ireo ny fiteronteronany voaro tsara rehefa hikapa an’io “hazo” io mbamin’ny fivavahan-diso hafa rehetra Andriamanitra. Mihataha amin’io “hazo” io, satria hidaboka tsy ho ela izy. — Ampitahao amin’ny II Tesaloniana 1:6-9; 2:3; Matio 7:19-23.
10, 11. a) Ao anatin’ny teny manodidina hoe ahoana moa no itantaran’i Matio sy Lioka ny fanoharana ny amin’ny “voan-tsinapy”, ary nahoana no mety izany? b) Fananarana inona ary fampitandremana inona moa no omen’ny fanoharana momba ny masirasira antsika?
10 Amin’ny fomba mampiseho fahendrena tokoa, Lioka dia mitantara ny fanoharana ny amin’ny “voan-tsinapy” taorian’ny namotsipotsiran’i Jesosy indrindra ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra ara-pivavahana tamin’ny androny. Avy eo, toy ny hoe tiany hosoritana ny amin’io Matio 13:32, 33; Lioka 13:10-21.) Rehefa ampiasaina amin’ny heviny ara-panoharana ao amin’ny Baiboly ny masirasira dia misy heviny ratsy foana. Izany no hita rehefa nampitandrina an’ireo mpianany tamin’ny “masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” i Jesosy na rehefa nanoro hevitra ny kristiana ny apostoly Paoly mba hiala amin’ny “masirasira lolompo sy faharatsiana”. — Matio 16:6, 11, 12; I Korintiana 5:6-8; Galatiana 5:7-9.
hevitra io, Matio sy Lioka dia mampiseho amintsika manaraka izany an’i Jesosy eo am-panomezana ny fanoharana ny amin’ny “masirasira”. (11 Ao amin’io fanoharana io i Jesosy dia mampitaha zava-mitranga mifandray amin’ny “fanjakan’ny lanitra” amin’ny masirasira afenin’ny vehivavy iray ao anatin’ny koba intelon’ny famarana, hany ka mamorivory ny vongana rehetra. Izany dia manazava ny fomba niafaran’ny fahasimbana ankolaka nahazo ny lazaina fa kongregasiona kristiana tamin’ny fanao sy fampianaran-diso avy any Babylona, tamin’ny fananganana fangalaran-tahaka lehibe an’ilay Fanjakana, dia ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tokony ho fampitandremana ho antsika izany. Rehefa heverina amin’ny vokatra mampalahelon’ny fialana tamin’ny marina eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny “ondry vitsy” mpandova ny Fanjakana mbamin’ireo namany dia tokony hitandrina mba tsy hamela na oviana na oviana ny “masirasira”, izany hoe ireo fampianaran-diso sy mamitaka, hanimba ny fanajan’izy ireo amim-pahatsorana ny fahadiovana sy ny fahamarinan’ny “tenin’ny fanjakana”.
NY MPAMAFY SY NY ‘FAHAVALONY’
12, 13. a) Ao amin’ny fanoharana ny amin’ny “vary” sy ny “ahidratsy”, ahoana moa no nampahafantaran’i Jesosy an’ireo olona nandray anjara lehibe indrindra? b) Inona moa ny fijinjana, ary inona no manaporofo fa mitranga amin’izao andro izao izany?
12 Tao amin’ny fanoharana hafa iray i Jesosy dia nampitaha ny “fanjakan’ny lanitra” tamin’ny “lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny”. Genesisy 3:15). Mifanaraka amin’izay nambaran’io fanoharana io, dia nisy kristiana marina nanohy nitombo teo afovoan’ny “ahidratsy” betsaka nampiavaka ny fivadiham-pinoana lehibe niharihary nanomboka tamin’ny taonjato voalohany. Ankehitriny anefa, amin’izao taonjato faha-20 izao, dia tonga eo amin’ny fotoam-pijinjana isika, izany hoe eo amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra iray”, ka ‘anjely no mpijinja’. — Matio 13:24-30, 36-39, MN.
Taorian’izany, “raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary, dia lasa nandeha”. Karazam-bokatra manao ahoana no azo nantenaina fa ho azo avy amin’ny saha toy izany? Rehefa avy eo i Jesosy dia nampahafantatra fa ny tenany, “ny Zanak’olona”, io mpamafy io. Amin’ny famafazana voa momba ilay Fanjakana, dia ho azony ho vokatra ny kristiana azo ampitahaina amin’ny vary, dia “ny zanaky ny fanjakana”. Ny fahavalo, dia “ny Devoly”, ary ny ahidratsy, dia “ny zanak’ilay ratsy”, izany hoe ny voa nafafiny na ‘taranany’ ara-pivavahana mpihatsaravelatsihy (ampitahao amin’ny13 Eo ambany fitarihan’ny anjely, amin’ny farany ny “vary” dia avahana amin’ny “ahidratsy”. Nanjary niharihary ny tsy fitovian’izy roa ireo. Araka ny ho hitantsika, dia porofo maro ny mampiseho fa amin’izao andro izao “ny Zanak’olona” dia manatrika ao amin’ny Fanjakany any an-danitra ary eo am-panangonana ireo kristiana marina, ampitahaina amin’ny vary, ao amin’ny asan’ilay Fanjakana. Fa inona no hiafaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ireo mpampianatra ao aminy niala tamin’ny marina? Miampy toy izao ny tenin’i Jesosy:
“Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka.”
Nandritra ny taonjato maro, ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nahatafintohina olona tso-po maro noho ireo fampianaran-disony sy fitiavany fivavahana ivelany fotsiny. Notsarain’Andriamanitra anefa ireny mpitondra fivavahana ireny ary ao izao ny ‘fitomaniany sy fikitrohany nify’. Amin’izao andro izao izy Matio 13:40-43; ampitahao amin’ny Isaia 65:13, 14.
ireo dia mitoloko satria mamoy ny fanohanan’ny lahika maro sy noho ny fisaratsarahana eo amin’ny laharan’izy ireo. Nefa kosa, ireo mpanompon’i Jehovah, oharina amin’ny vary, dia manao fanambarana amim-pifaliana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mamirapiratra “tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy” izy ireo. —‘FANARATOANA’ NAHAZOANA BE
14, 15. a) Ahoana no nanombohan’i Jesosy ‘fanaratoana’ lehibe? Inona avy moa no karazana ‘fanaratoana’ hafa nitranga hatramin’izay, ary ‘karazan-kazandrano’ inona avy no azo? b) Inona no anjara raisin’ireo anjely, ary inona no ataon’ny “hazandrano”? d) Ny amin’inona no tokony hahavelom-pankasitrahana an’Andriamanitra antsika?
14 “Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra, hoy Jesosy, dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra.” (Matio 13:47). Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanomboka an’io ‘fanaratoana’ io, rehefa nanasa an’ireo mpianany voalohany handao ny haratony mba ho tonga “mpanarato olona”. (Matio 4:19.) Kanefa, nandritra ny fivadiham-pinoana lehibe sy teo ambany fanaraha-mason’ireo anjely, dia nisy antokon’olom-bitsy kristiana nahatoky tetsy andaniny ary ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana tetsy ankilany, nanohy ‘nanarato’ mba hanovana olona. Tonga ‘hazandrano tsara’ daholo ve anefa ireo zavaboary any an-dranomasina ara-panoharana an-jatony tapitrisa maro? Araka ny efa nasainay nomarihina, ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia nanorina ny fampianaran’izy ireo tamin’ny filozofia grikan’i Platon sy tamin’ny ‘zava-miafin’i’ Babylona fahiny. Inona avy no vokatra nentin’izy ireo? Ny fankahalana, ny ady sy ra latsaka be dia be, samy zavatra nanisy pentina teo amin’ireo pejin’ny tantaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana, tsy resahina intsony ny fanohanany an’ireo ady lehibe tamin’izao taonjato faha-20 izao.
15 Tamin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” anefa, dia tonga ny fotoana hisintonan’ireo anjely ny “harato-tarihina”. Matio 13:48-50). Ireo anjely koa anefa dia mifantina ny ‘hazandrano tsara’ ao anatin’ny harato ara-panoharana. Tokony ho faly isika manana fahafahana ny hisaina ho anisan’izany ‘hazandrano tsara’ izany, dia vahoaka voatokana nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hankalaza ny anarany ka mivavaka amim-pahalalana tsara ho an’ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra.
Io dia mampiseho ny fandaminana eto an-tany an’ireo izay milaza ho mpianatr’i Jesosy Kristy, na ny marina izany na ny diso. Ny “hazandrano” heverina fa ‘tsy azo ampiasaina’ ho an’ny “fanjakan’ny lanitra” dia tokony hariana sy hatsipy any amin’ny “fandoroana lehibe mirehitra afo”, izany hoe ny fandringanana. “Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.” (16. Mametraka fanontaniana hoe ahoana avy moa io fanoharana farany io, ary nahoana no tokony hahaliana antsika ny valin’io?
16 Fa inona moa “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” resahin’i Jesosy mafy aoka izany ao amin’io fanoharana farany io? Inona moa ny “andro farany” noresahin’ny mpianatr’i Jesosy maromaro? Miaina ao anatin’izany andro izany ve isika ankehitriny? Ary raha izany no izy, milaza inona izany ho antsika sy ho an’ny taranak’olombelona manontolo?
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 104]
HENOY IREO FANOHARANA NATAON’I JESOSY NY AMIN’ILAY FANJAKANA
● Mampiseho an’ilay Fanjakana ho zava-kendrena faniry izy ireo; ampitahainy amin’ny “harena” na ny “perla” iray izany. Ireo izay mikatsaka azy dia ampitahaina amin’ny “tany tsara”, amin’ny “vary” sy amin’ny ‘hazandrano tsara’.
● Ny fanjakana sandoka dia asehon’ny “hazo” voan-tsinapy maro rantsana sy ny vongan-koba ‘mamorivory’. Ny mpanohana azy dia ny “vorona”, ny “ahidratsy” sy ny ‘hazandrano tsy azo ampiasaina’.
● Amin’ny fandinihana ny fitomboan’ilay Fanjakana amin’ny lafiny samy hafa, dia azontsika atao ny mahatakatra ilay fanontaniana lehibe atrehin’ny olombelona, ary mahazo fampaherezana isika mba hiandany mafy sy amim-pahatokiana amin’ilay Fanjakana.