Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AIZA NO MISY FANJAKANA TSY MANAO KOLIKOLY?

Tsy Manao Kolikoly ny Fanjakan’Andriamanitra

Tsy Manao Kolikoly ny Fanjakan’Andriamanitra

Nilaza ny mpanara-maso ny fandoavan-ketra any Nikaragoà hoe tsy mino izy fa ho foana ny kolikoly eo anivon’ny fanjakana. Nanazava izy hoe: “Olom-pirenena ihany ny mpiasam-panjakana, ka raha zatra manao kolikoly ny olom-pirenena, dia ho toy izany koa izy ireo.”

Tsy ekenao tokoa ve fa raha ny fiaraha-monina mihitsy no efa mpanao kolikoly, dia tsy maintsy hanjakan’ny kolikoly koa ny fanjakana eo aminy? Tsy maintsy ho fanjakana tsy naorin’olombelona àry vao azo antoka hoe tsy hanao kolikoly. Milaza ny Baiboly fa hisy izany. Nampianarin’i Jesosy hivavaka ny mpanara-dia azy mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 6:9, 10.

Tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra ary manjaka avy any an-danitra. Hisolo ny fanjakan’olombelona rehetra izy io. (Salamo 2:8, 9; Apokalypsy 16:14; 19:19-21) Hanafoana ny kolikoly io Fanjakana io, sady hitondra fitahiana maro hafa. Andeha isika hijery zavatra enina momba azy io, ka manaporofo hoe tena ho tanteraka izany.

1. MAHERY

OLANA ANKEHITRINY: Ny hetra avy amin’ny vahoaka mazàna no fidiram-bolan’ny fanjakana. Alaim-panahy hangalatra an’ireny vola be ireny ny manam-pahefana sasany. Misy koa mandray tsolotra avy amin’ny olona te hampihena ny hetra na ny vola hafa tokony haloany amin’ny fanjakana. Tsy ampy àry ny vola voarain’ny fanjakana ka ampiakariny ny hetra. Vao mainka anefa izany mampitombo ny kolikoly. Mampalahelo fa ny olona manao ny marina no tena mitondra faisana.

VAHAOLANA: I Jehovah, * ilay Mahery Indrindra, no manome hery ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 11:15) Tsy mila hetra io Fanjakana io vao mahavita zavatra. Hanome fahafaham-po an’izay ilain’ny vahoakany rehetra izy io satria manana “hery lehibe” Andriamanitra sady malala-tanana.—Isaia 40:26; Salamo 145:16.

2. MPITONDRA MANAO NY MARINA

OLANA ANKEHITRINY: Nilaza i Susan Rose-Acker-man, voaresaka tany aloha, fa “tsy maintsy atomboka any amin’ny fara tampony” ny famongorana ny kolikoly. Tsy ho azo itokisana intsony mantsy ny fanjakana raha miezaka manafoana ny kolikoly ataon’ny polisy na ny mpiasan’ny doanina, nefa mamela ny manam-pahefana ambony hanao izany. Nandova ota koa na dia ny mpitondra faran’izay manao ny marina aza, ka mety hanao kolikoly ihany. Hoy ny Baiboly: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.”—Mpitoriteny 7:20.

Nolavin’i Jesosy ny tsolotra goavana indrindra nisy hatramin’izay

VAHAOLANA: I Jesosy Kristy no Mpanjaka nofidin’Andriamanitra hitondra an’ilay Fanjakany. Tsy mitovy amin’ny olombelona i Jesosy satria lavorary ka tsy alaim-panahy hanao ratsy. Nilaza taminy, ohatra, ny Devoly, mpitondra an’izao tontolo izao, fa homeny azy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny”, raha manaiky hivavaka aminy indray mandeha izy. Izany no tsolotra goavana indrindra hatramin’izay. Nanda anefa i Jesosy. (Matio 4:8-10; Jaona 14:30) Tsy nivadika mihitsy koa izy, na dia tamin’izy nampijalina ho faty aza. Tsy nanaiky izy tamin’izay rehefa nomena zava-mahadomelina mampitony fanaintainana sy mety hahatonga azy tsy ho tompon’ny tenany. (Matio 27:34) Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy, ary any an-danitra izy izao. Efa voaporofony hoe mahafeno fepetra ho mpitondra an’ilay Fanjakana izy.—Filipianina 2:8-11.

3. MAFY ORINA

OLANA ANKEHITRINY: Manao fifidianana foana ny firenena maro, ary matetika izany no natao hanesorana ny manam-pahefana tia kolikoly. Rehefa fampielezan-kevitra sy fifidianana indrindra anefa no manjaka ny kolikoly, na dia any amin’ny tany lazaina fa mandroso aza. Manampy an’ireo manao fampielezan-kevitra ny mpanankarena sady manao tetika hafa, ka afaka manao izay tiany amin’ny manam-pahefana am-perinasa sy ireo mbola hahazo seza.

Nilaza i John Stevens, mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina, fa mety hisy vokany ratsy izany satria tsy ho azo lazaina hoe “ara-dalàna sy tsy misy hokianina izay fitondrana hijoro eo, sady atahorana hoe tsy hatokisan’ny vahoaka.” Tsy mahagaga raha olona maro eran-tany no mahita hoe ny mpanao politika no tena tia kolikoly.

VAHAOLANA: Ho mafy orina sy haharitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka tsy hisy intsony ny fampielezan-kevitra feno hosoka na ny hala-bato. (Daniela 7:13, 14) I Jehovah no mifidy ny Mpitondra ao amin’io Fanjakana io, ka tsy ho azo aongana izy io, ary tsy mila fifidianana vao hanan-kery. Azo antoka àry fa hitondra soa maharitra ho an’ny vahoakany foana izay ataony.

4. LALÀNA AVO LENTA

Fitondram-panjakana tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra ary manjaka avy any an-danitra

OLANA ANKEHITRINY: Mety hisy hihevitra fa hanatsara zavatra ny fampitomboana ny lalàna. Hitan’ny manam-pahaizana anefa hoe matetika izany no vao mainka mampitombo ny kolikoly. Mandany vola be koa ny mametraka volavolan-dalàna hampihenana kolikoly, nefa zara raha misy vokany izany matetika.

VAHAOLANA: Tsara lavitra noho ny lalàn’ny fanjakan’olombelona ny an’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nanome lalàna be dia be, ohatra, i Jesosy fa niteny fotsiny hoe: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Tsy ny zavatra ataon’ny olona ihany no asain’io Fanjakana io ovana fa ny any am-pony mihitsy, ary izay no tena mampiavaka azy. Hoy i Jesosy: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Mazava ho azy fa hain’Andriamanitra ny mijery raha manaraka tsara ny lalàna toy izany ny olona na tsia. Mahita ny any am-po mantsy izy.—1 Samoela 16:7.

5. MAHAVITA MANOVA OLONA

OLANA ANKEHITRINY: Ny olona tia vola sy tia tena no manao kolikoly. Izany matetika no toetran’ny manam-pahefana sy ny vahoaka. Hitantsika tany aloha, ohatra, hoe nomen’ny mpanorina trano tsolotra ny manam-pahefana tany Séoul, satria izany no ahazoany tombony kokoa noho ny manara-dalàna sy mampiasa fitaovana manara-penitra.

Tsy maintsy ampianarina tsy ho tia tena sy hahalala onony àry ny olona, izay vao ho foana ny kolikoly. Tsy te hampianatra an’izany anefa ny fanjakan’olombelona sady tsy mahavita.

VAHAOLANA: Mampianatra ny olona tsy ho tia tena sy tsy ho tia vola ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireo mantsy no mahatonga ny olona ho tia kolikoly. * Lasa miova ny toe-tsain’ny olona ampianarin’io Fanjakana io. (Efesianina 4:23) Nialan’izy ireo ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola, ka lasa mahay mianina sy mitady izay hahasoa ny hafa izy ireo.—Filipianina 2:4; 1 Timoty 6:6.

6. VAHOAKA TSARA TOETRA

OLANA ANKEHITRINY: Misy foana ny olona manao ny tsy marina sy manao kolikoly, na dia efa ampianarina hanao ny tsara aza izy ary na dia manao ny marina daholo aza ny manodidina azy. Miaiky ny manam-pahaizana hoe izany no mahatonga ny fanjakan’olombelona tsy hahafoana ny kolikoly. Ny misakana azy io tsy hiely be sy ny mampihena ny voka-dratsiny no mba azon’izy ireo atao.

VAHAOLANA: Milaza ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny Kolikoly fa tokony hampirisika ny olona “hanara-dalàna sy hanao ny marina ary ho azo atokisana” ny fanjakana raha te hiady amin’ny kolikoly. Tanjona tsara izany. Ny Fanjakan’Andriamanitra anefa tsy hoe mampirisika ny vahoakany hanana an’ireo toetra ireo fotsiny fa tena mitaky an’izany mihitsy. Tsy handova an’ilay Fanjakana ny “olona manana faniriana tsy mety afa-po” sy “mpandainga”, hoy ny Baiboly.—1 Korintianina 6:9-11; Apokalypsy 21:8.

Azo ankatoavina tsara izany satria efa nahavita izany ny Kristianina voalohany. Saika hanome tsolotra an’ireo apostoly, ohatra, ny mpianatra atao hoe Simona mba hahazoana fanahy masina. Tsy nety nandray anefa ny apostoly sady niteny hoe: “Mialà amin’izao faharatsianao izao.” Tonga saina i Simona hoe nampidi-doza ilay fanirian-dratsiny, ka nasainy nivavaka ho azy ny apostoly mba handreseny an’ilay izy.—Asan’ny Apostoly 8:18-24.

TE HO VAHOAKAN’ILAY FANJAKANA VE IANAO?

Afaka ny ho lasa olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, na aiza na aiza firenena misy anao. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Manao fandaharana io Fanjakana io izao mba hampianarana ny olona eran-tany ho lasa vahoakany. Faly hampiseho anao izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra Baiboly maimaim-poana izahay. Azo atao fohy izy io, ohatra hoe folo minitra isan-kerinandro. Ho afaka hianatra bebe kokoa momba “ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra” ianao, anisan’izany ny hoe ahoana no hanafoanan’io Fanjakana io ny kolikoly. (Lioka 4:43) Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, na midira ao amin’ny tranonkalanay jw.org.

Te hianatra Baiboly maimaim-poana any an-tranonao ve ianao?

^ feh. 8 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

^ feh. 22 Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Azo Atao Ihany ve ny Manao ny Marina?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2012.