Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mitandrema Amin’ny Lalivain’ny Fariseo”

“Mitandrema Amin’ny Lalivain’ny Fariseo”

“Mitandrema Amin’ny Lalivain’ny Fariseo”

Hoy i Jesosy: “Mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo, izany hoe ny fihatsarambelatsihiny.” (Lioka 12:1) Te hampitandrina momba ny “fampianaran’ny Fariseo” i Jesosy teo, rehefa jerena ilay tantara mitovy amin’io, ao amin’ny Matio 16:12.

Mampiasa ny teny hoe ‘lalivay’ na leviora, ny Baiboly indraindray mba hilazana zavatra manimba. Nanimba ny olona tokoa ny fampianaran’ny Fariseo sy ny toe-tsainy. Nahoana?

1 Nihevitra ny tenany ho olo-marina ny Fariseo, ka nanambany ny sarambabem-bahoaka.

Manasongadina an’izany ny fanoharana iray nataon’i Jesosy. Hoy izy: “Nitsangana ilay Fariseo ka nivavaka anakampo hoe: ‘Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba toy ny olon-kafa rehetra izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpanitsakitsa-bady, na toa an’itsy mpamory hetra itsy akory aza. Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary manome ny ampahafolon’ny zava-drehetra azoko.’ Nijoro lavidavitra kosa ilay mpamory hetra, ary tsy sahy niandrandra ny lanitra, fa nikapo-tratra foana ka nanao hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.’ ”—Lioka 18:11-13.

Nidera an’ilay mpamory hetra i Jesosy, satria nanetry tena izy io. Hoy izy: “Lazaiko aminareo fa izany lehilahy izany no hita fa marina noho [ilay Fariseo], rehefa nidina tany an-tranony. Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.” (Lioka 18:14) Nalaza ho tsy nanao ny marina ny mpamory hetra. Nanampy an’izay mpamory hetra nihaino azy anefa i Jesosy. Mpamory hetra roa, fara fahakeliny, no lasa mpanara-dia azy, dia i Matio sy Zakaiosy.

Ahoana kosa ny amintsika? Angamba isika manana fahaizana tsy ananan’ny hafa, na manana tombontsoa manokana eo anivon’ny fandaminana. Mahita ny kileman-toetran’ny hafa koa angamba isika. Ahoana anefa raha lasa mihevi-tena ho ambony isika, vokatr’izany? Tokony hesorintsika haingana ao an-tsaintsika ilay fomba fisainana ratsy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa.”—1 Kor. 13:4-6.

Tokony hanetry tena toa an’i Paoly isika. Hoy izy: “Tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota.” Hoy anefa izy avy eo: ‘Izaho no lohany tamin’ny mpanota.’—1 Tim. 1:15.

Fanontaniana hosaintsainina:

Miaiky ve aho hoe mpanota, ary tsy ho voavonjy raha tsy noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah? Sa ve aho mihevi-tena ho ambony, satria efa nanompo an’i Jehovah an-taonany maro, na manana tombontsoa manokana eo anivon’ny fandaminana, na manana fahaizana tsy ananan’ny hafa?

2 Tian’ny Fariseo haseho teny imason’ny olona hoe olo-marina izy. Te halaza sy hahazo anaram-boninahitra miavaka izy ireo.

Hoy i Jesosy momba ny Fariseo: “Ataony mba ho hitan’ny olona izay rehetra ataony. Fa halehibeaziny ny azy ilay boaty ataony ody fiarovan-tena, izay misy andininy amin’ny Soratra Masina, ary ataony lava kokoa ny mikiramborambo amin’ny morontongotr’akanjony. Tiany ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva, ny toerana eny aloha ao amin’ny synagoga, ny hoarahabaina eny an-tsena, ary ny hantsoin’ny olona hoe Raby.” (Mat. 23:5-7) Tsy mba toy izany i Jesosy. Zanak’Andriamanitra izy sady lavorary, nefa nanetry tena. Rehefa nilaza taminy ny olona iray hoe “tsara” izy, dia namaly izy hoe: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” (Mar. 10:18) Nanasa ny tongotry ny mpianany koa i Jesosy, indray mandeha, mba hampisehoana tamin’izy ireo fa tokony hanetry tena foana izy ireo.—Jaona 13:1-15.

Tokony hanompo ny mpiray finoana aminy ny tena Kristianina. (Gal. 5:13) Tena mila manao izany isika, indrindra fa ireo rahalahy miezaka hahafeno fepetra ho mpiandraikitra. Tsara ny hoe “miezaka ho tonga mpiandraikitra”, kanefa ny faniriana hanampy ny hafa no tokony ho tanjona amin’izany. Tsy ambony noho ny hafa ny mpiandraikitra, ary tsy tokony hanjakazaka amin’izy ireo. Mila “manetry tena” toa an’i Jesosy ny mpiandraikitra.—1 Tim. 3:1, 6; Mat. 11:29.

Fanontaniana hosaintsainina:

Mitady sitraka amin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ve aho, satria manantena ny homeny tombontsoa bebe kokoa? Izay karazana fanompoana hahazoana sitraka sy dera amin’ny hafa ve no tena ataoko? Miezaka hisongadina foana ve aho?

3 Nampian’ny Fariseo fitsipika sy lovantsofina ny Lalàna, ka nanjary enta-mavesatra tamin’ny sarambabem-bahoaka.

Nomen’i Jehovah ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita, mba hahafantaran’izy ireo ny fomba hanompoana azy. Tsy nisy tsipiriany be dia be anefa izy io. Nilaza, ohatra, ny Lalàna fa tsy azo atao ny miasa rehefa sabata, nefa tsy nilaza izy io hoe inona no atao hoe asa, ary inona no tsy asa. (Eks. 20:10) Nampian’ny Fariseo fitsipika sy lovantsofina anefa ny Lalàna, satria noheveriny fa nisy banga. Tsy nanaraka an’ireny fitsipika hentitra be ireny anefa i Jesosy, na dia nankatò ny Lalàna aza. (Mat. 5:17, 18; 23:23) Takany ny antony nanomezan’i Jehovah ny Lalàna, ary fantany hoe tian’i Jehovah hamindra fo sy hamela heloka ny olona. Nandefitra izy, na dia rehefa nandiso fanantenana azy aza ny mpianany. Hita, ohatra, izany tamin’ny alina nisamborana azy. Nampirisika ny apostoliny telo izy mba hiambina sy hiari-tory, kanefa resin-tory imbetsaka izy ireo. Nangoraka azy ireo anefa i Jesosy, ka niteny hoe: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”—Mar. 14:34-42.

Fanontaniana hosaintsainina:

Mamorona fitsipika hentitra ve aho, na manizingizina ny hevitro ka lasa toy ny hoe lalàna mihitsy ilay izy? Mahay mandanjalanja ve aho sa mitaky be loatra amin’ny hafa?

Saintsaino hoe inona no tsy itovizan’ny fampianaran’i Jesosy sy ny an’ny Fariseo. Misy zavatra hitanao hoe mila hatsarainao ve? Raha misy, dia miezaha mafy hanatsara an’ilay izy.

[Sary, pejy 28]

Nasian’ny Fariseo boaty kely misy andinin-teny teo amin’ny handriny sy ny sandriny.—Mat. 23:2, 5

[Sary, pejy 29]

Manetry tena sy manompo ny hafa ny anti-panahy, fa tsy toa an’ireo Fariseo manambony tena

[Sary, pejy 30]

Manahaka an’i Jesosy ve ianao, ka tsy mitaky be loatra amin’ny hafa?