Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ianarantsika Rehefa Mandinika ny ‘Fototry ny Fahamarinana’?

Inona no Ianarantsika Rehefa Mandinika ny ‘Fototry ny Fahamarinana’?

‘Takatrao ny fototry ny fahalalana sy ny fahamarinana ao amin’ny Lalàna.’—ROM. 2:20.

1. Nahoana isika no mila mahatakatra mombamomba ny Lalàn’i Mosesy?

TSY hazava amintsika ny zavatra maro ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, raha tsy teo ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly. Nohazavainy tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, ohatra, fa nanolotra “sorona fampihavanana” indray mandeha tsy miverina i Jesosy, ilay ‘mpisoronabe mendri-pitokisana’, ka afaka mahazo “fanafahana mandrakizay” izay mino an’io sorona io. (Heb. 2:17; 9:11, 12) Nohazavainy koa fa “aloky ny zavatra any an-danitra” ny tranolay masina, ary i Jesosy no Mpanelanelana amin’ny fifanekena iray, izay tsara kokoa noho ny fifanekena tamin’ny Lalàn’i Mosesy. (Heb. 7:22; 8:1-5) Tena nilaina ny fanazavana ny Lalàna toy izany tamin’ny andron’i Paoly, ary tena ilaintsika koa. Manampy antsika izany hahatakatra fa tena sarobidy ny zavatra nataon’Andriamanitra ho antsika.

2. Inona no tombony nananan’ireo Kristianina jiosy, raha oharina amin’ireo Kristianina hafa firenena?

2 Nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma i Paoly, ary nosoratany manokana ho an’ny Kristianina jiosy ny teniny sasany. Nasehony fa nanana tombony ireo jiosy ireo. Noho izy ireo efa nahalala ny Lalàn’i Mosesy, dia takatr’izy ireo ny “fototry ny fahalalana sy ny fahamarinana” momba an’i Jehovah sy ny fitsipiny. Tena tian’izy ireo ny ‘fototry ny fahamarinana’ sady azony tsara, ka afaka mampianatra an’ireo olona tsy mahalala ny Lalàna izy ireo. Manahaka ny nataon’ireo Jiosy tsy nivadika talohany izy ireo raha manao izany.—Vakio ny Romanina 2:17-20.

NAMPAHAFANTARINA MIALOHA NY SORON’I JESOSY

3. Inona no soa raisintsika, rehefa mianatra momba an’ireo sorona nataon’ny Jiosy isika?

3 Zava-dehibe amintsika ilay ‘fototry ny fahamarinana’ noresahin’i Paoly, satria manampy antsika hahatakatra ny fikasan’i Jehovah. Mbola sarobidy ireo lesona tian’i Jehovah hampitaina tamin’ny Lalàn’i Mosesy, na dia amin’izao fotoana izao aza. Hianatra momba an’ireo sorona sy fanatitra notakin’ny Lalàna isika izao. Ho hitantsika amin’izany fa nanampy an’ireo Jiosy nanetry tena mba ho vonona handray an’i Kristy ireny sorona ireny, ary nanampy azy ireo hahatakatra izay notakin’Andriamanitra taminy. Hanampy antsika koa izany mba handinika hoe manao ahoana ny fanompoana masina ataontsika. Tsy miova mantsy ny zavatra tena takin’i Jehovah amin’ny mpanompony.—Mal. 3:6.

4, 5. a) Nampahatsiahy an’ireo Jiosy momba ny inona ny Lalàn’i Mosesy? b) Nampahafantatra mialoha momba ny inona ireo sorona notakin’ny Lalàna?

4 Misy zavatra maro voalazan’ny Lalàn’i Mosesy nampahatsiahy ny Jiosy hoe mpanota izy. Tsy maintsy nidio, ohatra, izay nikasika fatin’olona. Nila nitondra ombivavy mena tsy misy kilema ilay olona mba hatao sorona. Novonoina ilay omby, nodorana, ary notehirizina ny lavenona taminy mba hatao amin’ny “rano fanadiovana.” Nafafy teo amin’ilay olona ilay rano, tamin’ny andro fahatelo sy tamin’ny andro fahafito taorian’ny nampahaloto azy. (Nom. 19:1-13) Nilaza koa ny Lalàna hoe naloto nandritra ny andro vitsivitsy ny vehivavy tera-bao, mba hampahatsiahivana ny Jiosy fa mamindra ota ny olona rehefa miteraka. Nila nanome sorona mba handrakofana ny fahotany ilay vehivavy, aorian’ireo andro ahalotoany.—Lev. 12:1-8.

5 Tsy maintsy nanao sorona biby koa ny Jiosy, teo amin’ny toe-javatra maro, tamin’ny fiainana andavanandro, mba hahazoana famelan-keloka. Na fantatr’izy ireo na tsia, dia mifandray amin’ny sorona tonga lafatra hataon’i Jesosy tatỳ aoriana ireny sorona biby ireny, na sorona tao amin’ny tranolay masina izany na tao amin’ny tempoly. “Aloky” ny sorona hataon’i Jesosy izy ireny, izany hoe nampahafantatra mialoha momba ny soron’i Jesosy.—Heb. 10:1-10.

NY TOE-TSAINA TOKONY HANANANA REHEFA MANAO SORONA

6, 7. a) Inona no fepetra tsy maintsy narahin’ny Israelita rehefa nanao sorona, ary inona no hita taratra tamin’ireny fepetra ireny? b) Inona no fanontaniana mila eritreretintsika?

6 Ny biby “tsy misy kilema” ihany no azo natao sorona ho an’i Jehovah. Tsy tokony ho jamba, na sampona, na maratra, na marary ilay biby. (Lev. 22:20-22) Raha voankazo na voa no atolotra ho an’i Jehovah, dia tokony ho ny “voaloham-bokatra” sy ny “tsara indrindra” no homena. (Nom. 18:12, 29) Tsy neken’i Jehovah ny sorona raha ratsiratsy. Hita tamin’ireny fepetra momba ny sorona biby ireny, fa tsy hisy tsiny sy tsy hisy pentina ny soron’i Jesosy, ary hanome ny tsara indrindra sy ny tiany indrindra i Jehovah mba hatao sorona hanavotana ny olombelona.—1 Pet. 1:18, 19.

7 Tokony ho faly ny Israelita iray hoe hanome an’i Jehovah ny tsara indrindra, raha tena ankasitrahany izay soa rehetra nataon’i Jehovah taminy. Na dia anjaran’ny tsirairay aza no mifidy izay hatao sorona, dia fantatr’ilay olona fa tsy ho faly Andriamanitra raha ratsy ny sorona ataony. Mety hidika mantsy izany hoe heveriny ho adidy fotsiny ny fanaovana sorona, na enta-mavesatra mihitsy. (Vakio ny Malakia 1:6-8, 13.) Manampy antsika hisaintsaina momba ny fanompoantsika izany. Mila mieritreritra isika hoe: ‘Manao ahoana ny fiheverako ny fanompoana an’i Jehovah? Manome azy ny tsara indrindra ve aho? Mila hatsaraiko ve ny fanompoana azy?’

8, 9. Inona no toe-tsaina tokony ho nananan’ny Israelita rehefa nanao fanatitra, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

8 Afaka nanao sorona an-tsitrapo ny Israelita, mba hisaorana an’i Jehovah. Afaka nanao fanatitra dorana koa izy ireo, mba hahazoana sitraka aminy. Sorona an-tsitrapo koa no iantsoana an’io. Tsy sarotra tamin’izy ireo ny nifidy biby hatao sorona, rehefa sorona an-tsitrapo ilay izy. Azo antoka fa ho faly izy ireo hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah. Tsy manao an’ireo sorona notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina ankehitriny. Manao sorona anefa isika, satria mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika mba hanompoana an’i Jehovah. Nilaza i Paoly fa manao sorona mampifaly an’Andriamanitra isika, rehefa ‘manambara ampahibemaso’ ny fanantenantsika, sy ‘manao soa ary mizara amin’ny hafa.’ (Heb. 13:15, 16) Ny toe-tsaintsika na ny antony anompoantsika an’i Jehovah no ahitana raha tena mankasitraka ny zava-drehetra nataony ho antsika isika. Toa an’ireo Israelita àry, dia ilaintsika ny mandinika hoe ahoana no fiheverantsika ny fanompoana an’i Jehovah ary inona no antony anompoantsika azy. Manompo an’i Jehovah an-tsitrapo ve isika?

9 Ahoana anefa raha nanao fahadisoana ny Israelita iray, ka mila manolotra fanatitra noho ny ota, na fanatitra noho ny heloka? Tsy hataony an-tsitrapo ve ilay fanatitra, satria hoe fanatitra notakin’ny Lalàna ka tsy maintsy atao? Hataony tsy sazoka fotsiny ve ilay fanatitra? (Lev. 4:27, 28) Tsy hanao an’izany ilay olona, raha tena te hifandray tsara amin’i Jehovah foana.

10. Inona no “sorona” mety hataontsika, mba hahafahantsika hamitram-pihavanana amin’i Jehovah na amin’ny rahalahy?

10 Mety hanao fahadisoana koa isika ankehitriny. Mety hanao zavatra mampalahelo ny mpiara-manompo amintsika isika, nefa tsy fanahy iniantsika na koa tsy nitandrina isika. Mety hanao zavatra tsy mety koa isika, ka manenjika antsika ny eritreritsika. Raha tena maniry hampifaly an’i Jehovah anefa isika, dia hiezaka mafy hanitsy an’ilay fahadisoana. Mila miala tsiny amin’ilay olona angamba isika, na raha nanao fahotana lehibe, dia tokony hitady ny fanampian’ny anti-panahy. (Mat. 5:23, 24; Jak. 5:14, 15) Toy ny hoe manao “sorona” isika, rehefa manao zavatra mba hanitsiana ny fahadisoana nataontsika tamin’olona na tamin’Andriamanitra. Ho tsara fihavanana amin’i Jehovah sy ny rahalahintsika isika rehefa manao izany, ary hanana fieritreretana madio. Ho resy lahatra isika amin’izay hoe ny fitsipik’i Jehovah no tsara indrindra.

11, 12. a) Inona no fantatrao momba ny sorona iombonana? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny sorona iombonana?

11 Anisan’ny sorona notakin’ny Lalàna koa ny sorona iombonana. Hita amin’io sorona io fa mihavana tsara i Jehovah sy ilay olona manome biby hatao sorona. Nihinana hena tamin’ilay sorona ilay olona sy ny fianakaviany, ary angamba izy io nohanina tao amin’ny efitra iray, tamin’ny efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly. Nahazo anjara tamin’ilay hena koa ny mpisorona nanolotra an’ilay sorona, sy ny mpisorona hafa nanompo tao amin’ny tempoly. (Lev. 3:1; 7:31-33) Nanao an’io sorona io ny olona, satria te hifandray tsara amin’i Jehovah. Toy ny hoe miara-misakafo amim-pifaliana amin’i Jehovah àry izy sy ny fianakaviany sy ny mpisorona amin’io fotoana io, ary mihavana tsara izy rehetra!

12 Toy ny hoe manasa an’i Jehovah ny olona manao sorona iombonana. Voninahitra be ny hoe manaiky an’ilay fanasana i Jehovah, ka azo antoka fa hanome ny tsara indrindra ilay Israelita. Anisan’ny ‘fototry ny fahamarinana’ ao amin’ny Lalàn’i Mosesy io resaka sorona iombonana io. Hita avy amin’izy io fa afaka mihavana tsara amin’ny Mpamorona ny olona rehetra, noho ny sorona lehibe kokoa hataon’i Jesosy tatỳ aoriana. Afaka minamana amin’i Jehovah isika ankehitriny, raha manome an-tsitrapo ny fananantsika sy ny herintsika mba hanompoana azy.

NY SORONA TSY EKEN’ANDRIAMANITRA

13, 14. Nahoana no tsy neken’i Jehovah ny sorona noeritreretin’i Saoly hatao?

13 Neken’i Jehovah ny sorona nataon’ny olona iray, raha nanana toe-tsaina tsara ilay olona. Misy ohatra momba an’ireo sorona tsy eken’Andriamanitra koa anefa ao amin’ny Baiboly. Handinika ohatra roa isika, mba hahitantsika hoe nahoana i Jehovah no tsy nanaiky ny sorona sasany.

14 Nilaza tamin’i Saoly Mpanjaka i Samoela mpaminany fa tonga ny fotoana handringanan’i Jehovah ny Amalekita, ary i Saoly no asainy hanatanteraka izany. Nasain’i Jehovah novonoiny daholo ny Amalekita sy ny bibiny rehetra. Tsy izany anefa no nataon’i Saoly rehefa avy nandresy izy. Tsy navelany hovonoin’ireo miaramila i Agaga, mpanjakan’ny Amalekita. Notsimbininy koa ireo biby tsara indrindra, ary nolazainy fa hataony sorona ho an’i Jehovah. (1 Sam. 15:2, 3, 21) Inona no nataon’i Jehovah rehefa nahita izany? Nolaviny tsy ho mpanjaka intsony i Saoly satria tsy nankatò. (Vakio ny 1 Samoela 15:22, 23.) Inona no lesona azontsika tsoahana? Mila mankatò ny didin’i Jehovah isika, raha tiantsika ny hanekeny ny sorona ataontsika.

15. Ahoana no ahitana fa fahazarana fotsiny ny nanaovan’ny Israelita fanatitra?

15 Nisy zavatra toy izany koa tamin’ny andron’i Isaia. Nanao fanatitra ny Israelita, nefa fahazarana fotsiny izany, satria mbola nanao ratsy ihany izy ireo. Tsy neken’i Jehovah àry ny fanatitra nataon’ny Israelita. Hoy i Jehovah: ‘Hataoko inona koa izay sorona be dia be atolotrareo? Leon’ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny tavin’ny biby nohatavezina aho, ary tsy ankasitrahako ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny ran’ny ondrilahy kely ary ny ran’ny osilahy. Aza mitondra fanatitra varimbazaha intsony, fa tsy misy dikany ireny. Ary zava-maharikoriko amiko ny emboka manitra.’ Nahoana no tsy neken’i Jehovah ny fanatitr’izy ireo? Hoy ihany i Jehovah: “Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino aho, fa feno ran’olona ny tananareo. Misasà ianareo, ary midiova. Esory tsy ho eo imasoko ny zava-dratsy ataonareo, ary aza manao ratsy intsony.”—Isaia 1:11-16.

16. Inona no tokony hataontsika, raha tiantsika ho finaritra amin’ny sorona ataontsika i Jehovah?

16 Tsy nampifaly an’i Jehovah ny sorona nataon’ireo olona tsy nety nibebaka. Nekeny kosa ny vavaka sy fanatitra nataon’ireo olona niezaka mafy hankatò ny didiny. Nahalala ny ‘fototry ny fahamarinana’ tao amin’ny Lalàna ireny olona ireny, ka nahatakatra fa mpanota ny tenany ary nila famelan-keloka. (Gal. 3:19) Nanenina mafy izy ireo rehefa nanota, ary nitady famelan-keloka tamin’i Jehovah. Toy izany koa isika ankehitriny. Mila miaiky isika fa mila ny soron’i Kristy, izay tena afaka manampy antsika hahazo famelan-keloka. “Ho finaritra” amin’izay rehetra ataontsika eo amin’ny fanompoana azy i Jehovah, raha takatsika tsara izany sady ankasitrahantsika.—Vakio ny Salamo 51:17, 19.

ASEHOY FA MINO NY SORON’I JESOSY IANAO

17-19. a) Ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka ny sorom-panavotana isika? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Hitan’ny Israelita tamin’ireo lalàna momba ny sorona hoe ahoana no hifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Fantatr’izy ireo fa tokony haniry hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah izy ireo, hampiseho fankasitrahana azy, ary hiaiky fa mila famelan-keloka. Manana tombony isika raha oharina amin’ny Israelita. Ny “aloky” ny fikasan’i Jehovah fotsiny no hitan’izy ireo, fa ny antsika kosa ny tena izy. (Heb. 10:1) Manana ny Soratra Grika Kristianina isika, ka takatsika fa hanafoana tanteraka ny ota sy ny fahafatesana i Jehovah, noho ny soron’i Jesosy. Hitantsika ao koa fa afaka manana feon’ny fieritreretana madio isika, noho io sorona io. Fanomezana sarobidy tokoa ny soron’i Jesosy!—Gal. 3:13; Heb. 9:9, 14.

18 Tsy ampy anefa ny mahatakatra ny atao hoe sorom-panavotana, raha te handray soa avy amin’izy io isika. Ilaina koa ny finoana. Hoy i Paoly: ‘Nanjary mpitaiza antsika ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy, mba ho azo ambara ho marina isika noho ny finoana.’ (Gal. 3:24) Mila asehontsika amin’ny atao koa anefa ny finoana. (Jak. 2:26) Izany no nahatonga an’i Paoly hampirisika ny Kristianina jiosy hoe tokony hampiharin’izy ireo ny lesona noraisiny, avy tamin’ny ‘fototry ny fahamarinana’ tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Raha manao izany izy ireo, dia hifanaraka amin’ny toro lalana ampianariny ny fomba fiainany.—Vakio ny Romanina 2:21-23.

19 Marina fa tsy mitandrina ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina ankehitriny. Mbola mila manao sorona mampifaly an’i Jehovah anefa isika. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba hanaovana izany.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 17]

Tsy miova mihitsy ny zavatra tena takin’i Jehovah amin’ny mpanompony

[Sary, pejy 18]

Iza amin’ireo no homenao an’i Jehovah, raha niaina tamin’ny andron’ny Israelita ianao?

[Sary, pejy 19]

Mahazo sitraka amin’i Jehovah izay manao sorona mampifaly azy