Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ahoana no Hahafahako Hitory?”

“Ahoana no Hahafahako Hitory?”

“Ahoana no Hahafahako Hitory?”

Maro ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika maneran-tany, ka mitory foana na dia manana olana ara-pahasalamana lehibe aza. Ohatra miavaka tokoa izy ireny. Iray amin’izy ireny i Dalia, any Vilnius, renivohitr’i Litoania.

Anabavy 35 taona eo ho eo i Dalia. Vao teraka izy dia nisy lalan-dra tapaka tao amin’ny atidohany, ka nanjary nalemy izy. Tsy afaka miteny tsara koa i Dalia, ary ny fianakaviany ihany no mahazo tsara izay lazainy. I Galina reniny no miara-mipetraka aminy izao sady mikarakara azy. Betsaka ny zava-tsarotra tsy maintsy atrehin’i Dalia, ary eo koa ny fanahiana, nefa miezaka foana izy hijery lafy tsaran-javatra. Ahoana no ahavitany izany?

Hoy i Galina: “Nisy havanay antsoina hoe Apolonija, nitsidika anay tamin’ny 1999. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nahay Baiboly be, ka nametrahan’i Dalia fanontaniana be dia be. Nianatra Baiboly taminy i Dalia tsy ela taorian’izay, ary niaraka taminy aho indraindray mba hanazava ny teniny. Hitako hoe tena nahasoa an-janako izay rehetra nianarany, ka nangataka hianatra koa aho.”

Nisy fanontaniana iray nanahiran-tsaina an’i Dalia, rehefa nihanazava taminy ny fahamarinana. Tsy nilamina mihitsy ny sainy, ka voateniny ilay izy tamin’ny farany. Hoy izy tamin’i Apolonija: “Ahoana no hahafahako hitory nefa aho malemy?” (Mat. 28:19, 20) Nampahery azy i Apolonija hoe: “Aza matahotra fa hanampy anao i Jehovah.” Ary nanampy azy tokoa i Jehovah!

Ahoana àry no ataon’i Dalia rehefa mitory izy? Misy fomba maromaro ataony. Misy rahavavy vitsivitsy manampy azy hitory an-taratasy. Lazainy amin’ilay rahavavy aloha ny hevitra tiany hosoratana, dia ilay rahavavy no manoratra an’ilay izy. Mitory amin’ny alalan’ny hafatra an-telefaonina koa izy. Ary rehefa tsara ny andro, dia misy mpiara-manompo mitondra azy mitory eny amin’ny zaridainam-panjakana na eny an-dalana.

Nandroso tsara foana i Dalia sy ny reniny. Nanokan-tena ho an’i Jehovah izy mianaka, ka natao batisa tamin’ny Novambra 2004. Lasa nisy antoko-mpitory miteny poloney tao Vilnius, tamin’ny Septambra 2008. Nila mpitory bebe kokoa izy ireo, ka nifindra tany izy mianaka. Hoy i Dalia: “Rehefa mipaika ny volana iray, ka hitako hoe ela be aho mbola tsy manompo ihany, dia matahotra aho. Raha vao mivavaka amin’i Jehovah anefa aho, dia misy olona manao fotoana amiko tsy ela aorian’izay mba hiara-hanompo amiko.” Inona no tsapan’io anabavy malalantsika io, na dia malemy aza? Hoy izy: “Nampahalemy ny vatako ilay aretina, fa tsy nampahalemy ny saiko. Faly be aho afaka miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah!”