Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Entanin’ny “Asa Lehibe Ataon’Andriamanitra”

Entanin’ny “Asa Lehibe Ataon’Andriamanitra”

Entanin’ny “Asa Lehibe Ataon’Andriamanitra”

“Ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra?”—ASAN’NY APOSTOLY 2:11.

1, 2. Inona no zava-nahagaga nitranga tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33?

NISY zava-nahagaga nitranga indray maraina tany amin’ny faramparan’ny lohataona, taona 33. Nisy mpianatr’i Jesosy Kristy lahy sy vavy maromaro nivory tao an-tranon’olona iray tany Jerosalema. “Nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy ... Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa.”—Asan’ny Apostoly 2:2-4, 15.

2 Nisy vahoaka be nivory teo anoloan’ilay trano, anisan’izany ny Jiosy hafa firenena, “mpivavaka tsara.” Tonga tany Jerosalema izy ireo mba hankalaza ny fetin’ny Pentekosta. Gaga izy ireo nahare ny mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra.” Ahoana no netezan’izany nefa Galilianina daholo ireo mpianatra ireo?—Asan’ny Apostoly 2:5-8, 11.

3. Inona no noresahin’ny apostoly Petera tamin’ny vahoaka, tamin’ny Pentekosta?

3 Iray tamin’ireo Galilianina ireo ny apostoly Petera. Nohazavainy fa novonoin’ny olona ratsy fanahy i Jesosy Kristy, herinandro vitsivitsy talohan’izay. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty anefa ny Zanany. Niseho tamin’ny mpianany i Jesosy taorian’izay, anisan’izany i Petera sy ny maro hafa nanatrika teo. Vao folo andro izay no niakarany tany an-danitra, ary izy no nandatsaka ny fanahy masina teo amin’ny mpianany. Nisy dikany ho an’ireo tonga nankalaza ny Pentekosta ve izany? Eny tokoa. Noho ny fahafatesan’i Jesosy, dia afaka ny hahazo famelan-keloka sy handray “ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina”, izy ireo raha nino azy. (Asan’ny Apostoly 2:22-24, 32, 33, 38) Inona àry no nataon’izy ireo, rehefa nandre izany “asa lehibe nataon’Andriamanitra” izany? Manampy antsika koa io fitantarana io mba hahita hoe manao ahoana ny fanompoantsika an’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana?

Voatosika hanao zavatra!

4. Faminanian’i Joela inona no tanteraka tamin’ny Pentekosta taona 33?

4 Avy hatrany dia niresaka ny vaovao tsaran’ny famonjena tamin’ny olona, ireo mpianatra tany Jerosalema, noho izy ireo nilatsahan’ny fanahy masina. Ilay vahoaka tafavory tamin’io marainan’ny Pentekosta io aloha no nitoriany. Tanteraka tamin’izany ilay faminaniana miavaka nosoratan’i Joela, zanak’i Petoela, efa 800 taona mialoha. Hoy izy: “Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahi-antitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany . . . alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.”—Joela 1:1; 3:1, 2, 4; Asan’ny Apostoly 2:17, 18, 20.

5. Inona no dikan’ny hoe naminany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

5 Nidika ve izany fa nanangana taranaka mpaminany lahy sy vavy, toa an-dry Davida sy Joela ary Debora, Andriamanitra mba hilaza mialoha ny hoavy? Tsia. Haminany ireo ‘zanakalahy sy zanakavavy ary ny mpanompolahy sy mpanompovavy’ kristianina, amin’ny heviny hoe hatosiky ny fanahin’i Jehovah izy ireo hanambara “ny asa lehibe” efa nataony sy mbola hataony. Ho mpitondra tenin’ilay Avo Indrindra àry izy ireo. * Nanao ahoana anefa ny fihetsik’ilay vahoaka?—Hebreo 1:1, 2.

6. Voatosika hanao inona ny maro tamin’ilay vahoaka rehefa nahare ny lahatenin’i Petera?

6 Voatosika hanao zavatra ny maro tamin’ilay vahoaka rehefa nahare ny fanazavan’i Petera. “Nandray tsara ny teniny” izy ireo ka “natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.” (Asan’ny Apostoly 2:41) Efa nanana fahalalana fototra ny Soratra Masina izy ireo satria Jiosy ray Jiosy reny ary proselyta jiosy. Izany fahalalana izany sy ny finoany ny zavatra nianarany tamin’i Petera, no nahafahana nanao batisa azy ireo “tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” (Matio 28:19) Mbola “naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly” izy ireo taorian’ny batisany. Nanomboka niresaka ny finoany vaovao tamin’ny olona koa izy ireo. “Niray saina isan-andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly . . . nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra.” ‘Nanampin’i Jehovah isan’andro ho isan’ireo ny olom-bonjena’ noho izany asa fitoriana izany. (Asan’ny Apostoly 2:42, 46, 47) Vetivety dia nisy fiangonana kristianina niforona tany amin’ireo tany nonenan’ireny mpino vaovao ireny. Azo antoka fa anisan’ny antony nahatonga izany ny fahazotoan’izy ireo nitory ny “filazantsara” rehefa tafaverina tany aminy.—Kolosiana 1:23.

Mahery ny Tenin’Andriamanitra

7. a) Inona no manintona ny olona avy amin’ny firenena rehetra ho amin’ny fandaminan’i Jehovah? b) Asehoy fa antenaina ny mbola hisian’ny fitomboana eran-tany sy eto an-toerana. (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

7 Ahoana ny amin’ireo olona maniry ho tonga mpanompon’Andriamanitra ankehitriny? Mila mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo. Ianaran’izy ireo amin’izany fa i Jehovah dia Andriamanitra “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.” (Eksodosy 34:6; Asan’ny Apostoly 13:48) Ianaran’izy ireo koa fa nanao fandaharana feno hatsaram-panahy izy, dia ny avotr’i Jesosy Kristy, ka ny ra nalatsany no manadio azy ireo amin’ny ota rehetra. (1 Jaona 1:7) Velom-pankasitrahana koa izy ireo mahalala ny fikasan’Andriamanitra hoe “hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Mameno ny fon’izy ireo ny fitiavana an’ilay nanao ireo “asa lehibe” ireo, ka voatosika izy ireo hitory izany fahamarinana sarobidy izany. Manolo-tena ho mpanompon’Andriamanitra sy atao batisa izy ireo avy eo, ary “mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.” *Kolosiana 1:10b; 2 Korintiana 5:14.

8-10. a) Inona no zavatra niainan’ny vehivavy kristianina iray, ka mampiseho fa “mahery” ny Tenin’Andriamanitra? b) Inona no ampianarin’io fitantarana io anao momba an’i Jehovah sy ny fomba itondrany ny mpanompony? (Eksodosy 4:12)

8 Misy vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra ny fianarany ny Baiboly. Manosika ny fony sy manova ny fisainany izany fahalalana izany, ary tsy afaka ao an-tsainy mihitsy. (Hebreo 4:12) Mpikarakara ny be taona, ohatra, no asan’ny vehivavy iray atao hoe Camille. Anisan’ny nokarakarainy i Martha, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nila narahi-maso foana izy satria nanjary narary saina. Tsy maintsy nampahatsiahiviny izy hisakafo, eny fa na ny hitelina izay nohaniny aza. Ho hitantsika anefa fa nisy zavatra iray tsy afaka tao an-tsain’i Martha mihitsy.

9 Nanana olana i Camille, ka hitan’i Martha nitomany izy indray andro. Namihina azy izy ary nanasa azy hianatra ny Baiboly taminy. Afaka ny hitarika fampianarana Baiboly ve anefa ny olona toa an’i Martha? Tena afaka izy! Betsaka ny zavatra tsy tsaroany intsony, nefa tsy hadinony kosa ilay Andriamaniny lehibe sy ny fahamarinana sarobidy nianarany tao amin’ny Baiboly. Nandritra ilay fianarana, dia nasainy novakin’i Camille ny fehintsoratra tsirairay. Nasainy nijery ny andinin-teny izy, namaky ny fanontaniana teo amin’ny faran’ilay pejy ary namaly avy eo. Nitohy elaela ny fianarana ka nitombo ny fahalalan’i Camille ny Baiboly, na dia voafetra aza ny vitan’i Martha. Fantatr’i Martha fa tokony hiaraka amin’ny olona mazoto manompo an’Andriamanitra i Camille. Nomeny akanjo sy kiraro àry izy, mba hisy hoentiny hivory voalohany any amin’ny Efitrano Fanjakana.

10 Nanohina ny fon’i Camille ny fiahian’i Martha sy ny ohatra nomeny ary ny fiekeny ny zavatra ninoany. Nanatsoaka hevitra izy fa tena zava-dehibe izay niezahan’i Martha nampianariny azy avy tao amin’ny Baiboly. Saika hadinon’i Martha avokoa mantsy ny zava-drehetra, afa-tsy izay nianarany avy tao amin’ny Soratra Masina. Takatr’i Camille fa tonga ny fotoana tokony hanaovany zavatra, rehefa nafindra tany amin’ny trano hafa fitaizana ny be taona izy. Raha vao afaka izy, dia nanaovany ilay akanjo sy kiraro nomen’i Martha, ary lasa izy nankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nangataka ny hampianarina ny Baiboly izy, ary nandroso tsara ka natao batisa.

Voatosika hampihatra ny fitsipik’i Jehovah

11. Ankoatra ny fahazotoana mitory, ahoana koa no ampisehoantsika fa nanosika antsika hanao zavatra ny hafatra momba ilay Fanjakana?

11 Maherin’ny enina tapitrisa ankehitriny ny Vavolombelon’i Jehovah, toa an’i Martha sy Camille, izay mitory ny “filazantsaran’ny fanjakana” eran-tany. (Matio 24:14; 28:19, 20) Manohina lalina ny fon’izy ireo koa “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”, toy ny tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Ankasitrahan’izy ireo ny tombontsoa hitondra ny anaran’i Jehovah sy ny nandatsahany ny fanahiny taminy. Miezaka mafy àry izy ireo mampihatra ny fitsipiny eo amin’ny fiainany, mba ‘handeha mendrika ny Tompo sy hanao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra.’ Miezaka ny hanaja ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitafiana sy fisehoana ankapobe, ohatra, izy ireo.—Kolosiana 1:10a; Titosy 2:10.

12. Inona no torohevitra voafaritra tsara momba ny fitafiana sy fisehoana ankapobe hitantsika ao amin’ny 1 Timoty 2:9, 10?

12 Nanome fitsipika momba ny fisehoantsika ivelany tokoa i Jehovah. Nilaza ny sasany amin’izany ny apostoly Paoly. “Ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, fa amin’ny asa tsara.” * Inona no ianarantsika avy amin’izany?—1 Timoty 2:9, 10.

13. a) Inona no dikan’ny hoe “fitafiana mahamendrika”? b) Nahoana no azo lazaina fa tsy tafahoatra ny fitsipik’i Jehovah?

13 Lazain’i Paoly fa tokony “hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika” ny Kristianina. Tsy tokony haloto sy hisavoritaka ny fitafian’izy ireo. Tsy tafahoatra izany fepetra izany, ka afaka mameno azy io ny rehetra, eny fa na dia ireo mahantra aza, rehefa miakanjo tsara, madio ary milamina. Misy Vavolombelona any amin’ny tany iray any Amerika Atsimo, ohatra, manao dia an-tongotra lavitra manavatsava ala, rehefa hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona. Mandeha lakana mandritra ny ora maro izy ireo avy eo ary tsy mahalana no misy amin’izy ireo latsaka any anaty rano, na voasaringotry ny kirihitra ny akanjony ka rovitra. Koa somary misavoritaka izy ireo matetika, rehefa tonga eny amin’ilay toerana anaovana fivoriambe. Maka fotoana àry izy ireo hanjairana ny bokotra sy hanamboarana ny hidin’akanjony. Sasany sy pasohiny koa ny akanjony hoentina hanatrika fivoriambe. Iriny hifanentana amin’ilay fanasan’i Jehovah hisakafo eo amin’ny latabany ny akanjony, satria zava-dehibe amin’izy ireo izany.

14. a) Inona no dikan’ny hoe ‘maotina sy mahonon-tena’ eo amin’ny fomba fitafintsika? b) Inona no hevitry ny hoe miakanjo toy ny ‘olona manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra’?

14 Nilaza koa i Paoly fa tokony ho ‘maotina sy mahonon-tena’ isika eo amin’ny fomba fitafintsika. Midika izany fa tsy tokony ho marevaka loatra izy io, na ho sampontsampona, manaitaitra ny filana, mampihanjahanja, na ara-damaody tafahoatra. Tokony hanome taratry ny “fivavahana amin’Andriamanitra” koa ny fomba fitafintsika. Mampieritreritra izany, sa tsy izany? Tsy hoe rehefa mandeha mivory ihany isika vao mitafy tsara, fa manao an-tsirambina amin’ny fotoana hafa. Kristianina sy mpitory isika andro aman’alina. Tokony ho hita amin’ny fisehoantsika ivelany foana àry fa mpivavaka amin’Andriamanitra isika sady manaja ny fanompoana. Mazava ho azy fa hifanentana amin’izay hataontsika ny akanjo entintsika miasa sy mianatra, nefa tokony ho maotina sy mendrika. Raha ahitana taratry ny finoantsika an’Andriamanitra foana ny akanjontsika, dia tsy hiahotra mihitsy isika hitory tsy ara-potoana, satria tsy hahamenatra antsika ny fisehoantsika ivelany.—1 Petera 3:15.

“Aza tia izao tontolo izao”

15, 16. a) Nahoana no zava-dehibe ny tsy hanahafantsika ny fitafiana sy fisehoana ankapoben’ity tontolo ity? (1 Jaona 5:19) b) Nahoana no mahasoa antsika ny tsy manara-damaody tafahoatra?

15 Manome tari-dalana antsika momba ny fitafiana sy fisehoana ankapobe fidintsika koa ny 1 Jaona 2:15, 16. Izao no voalaza ao: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.”

16 Tena araka ny toetr’andro io torohevitra io! Mahery be ny fitaoman’ny hafa ankehitriny. Tsy tokony ho ity tontolo ity mihitsy anefa no havelantsika hibaiko antsika ny amin’izay akanjo fidintsika. Nikororosy ny fomba fitafy sy ny fisehoana ankapobe tato anatin’ny taona faramparany. Na ny fomba fitafy takina amin’ny mpandraharaha sy ny matihanina aza indraindray, dia tsy mifanentana amin’ny fitsipika kristianina. Vao mainka àry tokony hotadidintsika foana fa tsy tokony ‘hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao’ isika. Eny, tsy tokony hanao izany isika raha irintsika ny hiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra, ka “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.”—Romana 12:2; Titosy 2:10.

17. a) Inona avy no fanontaniana tokony hodinihintsika rehefa mividy akanjo na mifidy didin’akanjo? b) Nahoana ny raim-pianakaviana no tokony hijery akaiky ny fisehoana ivelan’ny mpianakaviny?

17 Tsara ny manontany tena toy izao, alohan’ny hividianana akanjo: ‘Inona no antony itiavako an’ity didiny ity? Akanjo fanaon’ny mpanakanto malaza iray hindrahindraiko ve izy io? Sa fanaon’ny jiolahim-boto na ny olona tsy miraharaha afa-tsy ny heviny sy mpikomy?’ Tokony hojerentsika akaiky koa ilay akanjo. Hatraiza ny halavany raha akanjo na zipo ilay izy? Manao ahoana ny didiny? Maotina sy mifanentana amin’izay ataoko ary mahamendrika ve, sa tery kely sy manaitaitra ny filana na misavoritaka? Manontania tena hoe: ‘Ho tafintohina ve ny olona mahita ahy manao ity akanjo ity?’ (2 Korintiana 6:3, 4) Nahoana isika no tokony hanahy ny amin’izany? Satria hoy ny Baiboly: “Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany.” (Romana 15:3) Tsy maintsy mijery akaiky ny fisehoana ivelan’ny mpianakaviny, ny raim-pianakaviana kristianina. Ho fanajana an’ilay Andriamanitra be voninahitra ivavahany, dia tsy tokony hisalasala izy hanome torohevitra hentitra sy feno fitiavana, rehefa ilaina izany.—Jakoba 3:13.

18. Inona no manosika anao hitandrina tsara ny fitafiana sy fisehoanao ivelany?

18 Avy amin’i Jehovah, ilay ohatra tsara indrindra amin’ny fahamendrehana sy ny fahamasinana, ny hafatra entintsika. (Isaia 6:3) Mampirisika antsika hanahaka azy “tahaka ny zanaka malala”, ny Baiboly. (Efesiana 5:1) Mety hahatonga ny olona hanana hevitra tsara na ratsy momba ilay Raintsika any an-danitra, ny fitafiana sy fisehoantsika ankapobe. Azo antoka anefa fa irintsika ny hampifaly azy!—Ohabolana 27:11.

19. Inona avy no soa raisintsika rehefa mampahafantatra “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra” amin’ny olona isika?

19 Inona no tsapanao rehefa nianatra momba “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”? Tena tokony ho velom-pankasitrahana isika satria mahalala ny fahamarinana! Voavela ny helotsika satria maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy isika. (Asan’ny Apostoly 2:38) Sahy miresaka amin’Andriamanitra àry isika. Tsy matahotra ny ho faty toy ireo tsy manana fanantenana isika. Manome toky antsika kosa i Jesosy fa ho avy ny andro “izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy.” (Jaona 5:28, 29) Tsara fanahy tokoa i Jehovah nampiharihary tamintsika izany rehetra izany sy nandatsaka ny fanahiny tamintsika. Tokony ho voatosika hanaja ny fitsipiny ambony àry isika, raha mankasitraka ireo fanomezana tsara rehetra ireo. Tokony hazoto hidera azy koa isika, izany hoe hanambara ireo “asa lehibe” ireo amin’ny olona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy rehefa nirahiny hiresaka tamin’i Farao izy sy Arona ho tombontsoan’ny vahoakany: “Efa nataoko andriamanitra ho an’i Farao hianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.” (Eksodosy 7:1) Tsy hoe nilaza ny hoavy akory i Arona matoa natao mpaminany, fa nanjary mpitondra tenin’i Mosesy.

^ feh. 7 Vahoaka be no nanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo fanao isan-taona, tamin’ny 28 Martsa 2002. An-tapitrisa amin’izy ireo anefa no mbola tsy tena manompo an’i Jehovah. Mivavaka isika mba ho voatosika hanao ezaka koa ireny olona liana ireny atsy ho atsy, ka hanana ny tombontsoa hitory ny vaovao tsara.

^ feh. 12 Mihatra amin’ny lehilahy sy ny tanora kristianina koa ny toro lalana nomen’i Paoly, na dia navantany tamin’ny vehivavy kristianina aza.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no “asa lehibe” ren’ny vahoaka tamin’ny Pentekosta taona 33, ary inona no nataony ho setrin’izany?

• Ahoana no ahatongavana ho mpianatr’i Jesosy Kristy, ary inona no tafiditra amin’ny hoe tonga mpianatra?

• Nahoana no tena ilaina ny mitandrina ny fitafiana sy fisehoantsika ankapobe?

• Inona avy no tokony hodinihina rehefa manapa-kevitra na mety na tsia, ny akanjo na ny didin’akanjo iray?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nilaza i Petera fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy

[Sary, pejy 17]

Mahatonga ny olona hanana hevitra tsara momba ilay Andriamanitra ivavahanao ve ny fisehoanao ivelany?

[Sary, pejy 18]

Tsy maintsy mijery akaiky ny fisehoana ivelan’ny mpianakaviny ny ray aman-dreny kristianina