Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diniho Ireo Asa Mahatalanjon’Andriamanitra

Diniho Ireo Asa Mahatalanjon’Andriamanitra

Diniho Ireo Asa Mahatalanjon’Andriamanitra

“Nohamaroinao ny [asanao mahatalanjona, “NW” ] sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô​—tsy misy azo ampitahaina aminao”.​—SALAMO 40:5.

1, 2. Inona no porofo ananantsika ny amin’ny asa mahatalanjon’Andriamanitra, ary tokony hanosika antsika hanao inona izany?

REHEFA mamaky ny Baiboly ianao, dia hitanao miharihary fa nanao zavatra mahatalanjona ho an’ny Isiraely, vahoakany fahiny, Andriamanitra. (Josoa 3:5; Salamo 106:7, 21, 22). Na dia tsy manao zavatra toy izany ho an’ny olombelona aza i Jehovah amin’izao fotoana izao, dia maro ireo porofon’ny asany mahatalanjona hitantsika manodidina antsika. Noho izany, dia mety ny hiarahantsika milaza amin’ilay mpanao salamo hoe: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.”​—Salamo 104:24; 148:1-5.

2 Maro no tsy miraharaha na manilika izany porofo mazava ny amin’ny asan’ilay Mpamorona izany ankehitriny. (Romana 1:20). Tsara ho antsika anefa ny misaintsaina momba ireny sy mahatakatra avy amin’izany ny toerana tanantsika sy ny adidintsika manoloana ny Mpamorona antsika. Tena manampy mba hanaovana izany ny Joba toko 38-41, satria ao i Jehovah dia misarika ny sain’i Joba ho amin’ny asany mahatalanjona sasany. Diniho ny raharaha lehibe sasany noresahin’Andriamanitra.

Asa mahery sy mahatalanjona

3. Nametraka fanontaniana momba ny inona avy Andriamanitra, araka ny hita ao amin’ny Joba 38:22, 23, 25-29?

3 Nisy fotoana nanontanian’Andriamanitra an’i Joba hoe: “Moa efa niditra tany amin’ny firaketana ny orampanala va hianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?” Any amin’ny faritra maro eto an-tany, dia mahazatra ny orampanala sy ny havandra. Mbola nanontany ihany Andriamanitra hoe: “Iza moa no nihady làlan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be, sy làlan-kaleha ho an’ny helatry ny kotrokorana, handatsaka ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona, dia any amin’ny efitra tsy misy mponina, mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ando? Kibon’iza moa no nihavian’ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy?”​—Joba 38:22, 23, 25-29.

4-6. Nahoana no lazaina fa tsy feno ny fahalalan’ny olombelona momba ny orampanala?

4 Mety hihevitra ny olona sasany mihazakaza-dava sy tsy maintsy manao dia, fa manakantsankana fotsiny ny orampanala. Olona tsy tambo isaina kosa anefa no mihevitra fa mahafinaritra ny orampanala. Rehefa ririnina mantsy, ka mirotsaka ny orampanala, dia misy toerana lasa tsara tarehy ahafahana manao zavatra manokana. Tadidio ilay fanontanian’Andriamanitra, ka eritrereto hoe mahafantatra tsara ny orampanala ve ianao, na ny endriny fotsiny aza? Fantatsika aloha ny endriky ny orampanala be dia be, satria mety ho efa nahita sarina antontan’orampanala na nahita maso izany isika. Fa manao ahoana kosa ny bohabohan’orampanala tsirairay? Fantatrao ve hoe manao ahoana ny endrik’izy ireny, raha mety ho efa nandinika azy tany amin’ny niforonany ianao?

5 Nandany am-polony taona maro ny olona sasany mba handinihana sy hakana sary bohabohan’orampanala. Mety ho kristaly marefo zato tsara tarehy samy hafa no mahaforona ny bohabohan’orampanala iray. Hoy ilay boky hoe Atmosfera (anglisy): “Malaza ho tsy hita isa ny karazana bohabohan’orampanala. Ary na dia manizingizina aza ny mpahay siansa fa tsy misy lalàn’ny natiora manakana ny hitovian’ny roa aminy, dia mbola tsy nisy nahita bohabohan’orampanala roa nitovy mihitsy. Nitarika fikarohana lehibe dia lehibe (...) i Wilson A. Bentley, izay nandinika sy naka sary bohabohan’orampanala tamin’ny mikraoskaopy, nandritra ny 40 taona mahery, nefa tsy nahita anankiroa nitovy tanteraka mihitsy.” Ary na hisy anankiroa hitovy tanteraka aza, nefa mahalana izany, tsy mbola hahatalanjona ihany ve ny tsy fitovian’ny bohabohan’orampanala be dia be?

6 Tadidio ilay fanontanian’Andriamanitra hoe: “Efa niditra tany amin’ny firaketana ny orampanala va hianao?” Maro no mihevitra fa ny rahona no firaketana mitahiry ny orampanala. Azonao eritreretina ve hoe mankany amin’ny trano firaketana toy izany ianao, mba hanao ny lisitr’ireo karazana bohabohan’orampanala tsy hita isa sy hianatra ny fomba niforonan’izy ireny? Hoy ny rakipahalalana ara-tsiansa iray: “Mbola tsy mazava ihany ny toetra sy ny fiavian’ireo vihin-dranomandry, izay ilaina mba hampivaingana ny rano ao amin’ny rahona, rehefa mahatratra 40 degre ambanin’ny zero eo ho eo ny maripana.”​—Salamo 147:16, 17; Isaia 55:9, 10.

7. Feno ve ny fahalalan’ny olombelona ny orana?

7 Ahoana kosa ny amin’ny orana? Nanontany an’i Joba Andriamanitra hoe: “Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ando?” Milaza ilay rakipahalalana teo hoe: “Sarotra takarina ny fihetsiky ny rivotra ary miovaova be ny habetsahan’ny etona sy ny vovoka ao anatiny. Noho izany, dia toa tsy misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany azo omena momba ny fiforonan’ny rahona sy ny rotsakorana.” Raha tsorina dia izao: Nanazava ny orana tamin’ny an-tsipiriany ny mpahay siansa, nefa tena tsy feno tsara ny fanazavany. Mirotsaka ihany anefa ny orana izay tena ilaina, ka mandena ny tany, mamelona ny zavamaniry ary mahatonga ny fiainana hety sy hahafinaritra.

8. Nahoana no mety tsara ny tenin’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 14:17?

8 Moa ve ianao tsy hanaiky ilay fanatsoahan-kevitry ny apostoly Paoly? Nampirisika ny hafa izy mba hahatakatra fa manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ireny asany mahatalanjona ireny. Hoy izy momba an’i Jehovah Andriamanitra: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.”​—Asan’ny Apostoly 14:17; Salamo 147:8.

9. Ahoana no ampisehoan’ny asa mahatalanjon’Andriamanitra ny heriny lehibe?

9 Tsy isalasalana fa manana fahendrena tsy hita lany sy hery goavana ilay Mpanao ireny asa mahatalanjona sy mahasoa ireny. Saintsaino ange ny heriny e! Voalaza, ohatra, fa misy tafio-drivotra arahin-kotroka 45 000 eo ho eo isan’andro, izany hoe maherin’ny 16 tapitrisa isan-taona. Midika izany fa misy tafio-drivotra arahin-kotroka 2 000 eo ho eo maneran-tany, amin’izao isika miteny izao. Ireo rahona misafotofoto mandritra ny tafio-drivotra arahin-kotroka indray mandeha dia mamoaka angovo mitovy hery amin’ny baomba ataomika folo na mahery nalatsaka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Mivoaka amin’ny tselatra ny ampahany amin’izany angovo izany. Tsy vitan’ny hoe mahatahotra fotsiny ny tselatra, fa mamokatra endrika nitrôzenina koa. Tonga amin’ny tany izy io ka lasa zezika voajanahary raisin’ny zavamaniry. Koa endrika isehoan’ny angovo àry ny tselatra, nefa tena mitondra soa koa.​—Salamo 104:14, 15.

Inona no vokany eo aminao?

10. Ahoana no hamalianao ireo fanontaniana ao amin’ny Joba 38:33-38?

10 Eritrereto hoe ianao no Joba nametrahan’ilay Andriamanitra Tsitoha an’ireo fanontaniana ireo. Azo inoana fa hekenao hoe tsy mihevitra firy ny asa mahatalanjon’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Manontany antsika toy izao i Jehovah ao amin’ny Joba 38:33-38. “Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ireny ny tany va hianao? Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va hianao, mba hanafotra anao ny rano mandriaka? Mahay mandefa ny helatra va hianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, ary irerỳ miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ny lanitra, hitambaran’ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?”

11, 12. Inona no anisan’ny manaporofo fa Andriamanitra no ilay Mpanao asa mahatalanjona?

11 Nandinika ny sasantsasany fotsiny tamin’ireo hevitra nasain’i Eliho nosaintsainin’i Joba isika. Nanamarika ny sasany tamin’ireo fanontaniana napetrak’i Jehovah tamin’i Joba koa isika, fony izy nasain’i Jehovah namaly “tahaka ny lehilahy”. (Joba 38:3). “Ny sasany”, hoy isika, satria ao amin’ny Joba toko 38 sy 39, dia mifantoka amin’ny zavaboary hafa mendri-komarihina Andriamanitra. Anisan’izany ny antokon-kintana eny amin’ny lanitra. Iza no mahafantatra ny lalàna rehetra mibaiko azy ireny? (Joba 38:31-33). Nisarika ny sain’i Joba ho amin’ny biby vitsivitsy i Jehovah​—biby toy ny liona sy ny goaika, ny osidia sy ny zebra, ny ombidia sy ny aotirisy, ary ny soavaly matanjaka sy ny voromahery. Raha ny tena izy, dia nanontanian’Andriamanitra i Joba raha izy no nanome an’ireo biby samy hafa ireo ny toetrany mahatonga azy ho velona sy hiroborobo. Mety ho tianao ny hianatra ireo toko ireo, indrindra raha tia soavaly na biby hafa ianao.​—Salamo 50:10, 11.

12 Azonao dinihina koa ny Joba toko 40 sy 41. Ao i Jehovah dia manontany an’i Joba indray momba ny biby roa hafakely. Araka ny fahafantarantsika azy, ireo biby ireo dia ny lalomena (Behemota) goavana sady matanjaka be, sy ny voaiben’i Neily (Leviatana). Samy zavaboary mahatalanjona ireo biby ireo na dia tsy mitovy aza, ary mendrika ny hodinihintsika. Aoka isika izao hijery ny fanatsoahan-kevitra tokony hataontsika.

13. Inona no vokatry ny fanontanian’Andriamanitra teo amin’i Joba, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

13 Asehon’ny Joba toko 42 amintsika ny vokatry ny fanontanian’Andriamanitra teo amin’i Joba. Teo aloha kokoa, dia nanisy fiheverana tafahoatra ny tenany sy ny hafa i Joba. Nanaiky ny fanitsiana tao amin’ny fanontanian’Andriamanitra anefa i Joba, ka nanova ny fomba fisainany. Niaiky izy hoe: “Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.” (Joba 42:2, 3). Eny, rehefa avy nandinika ny asan’Andriamanitra i Joba, dia nilaza fa zava-mahagaga loatra aminy ireny. Rehefa avy nandinika indray ireo zavaboary mahatalanjona ireo isika, dia tokony hiaiky volana toy izany koa ny amin’ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra. Nahoana? Mba hiaiky volana ny amin’ny hery sy ny fahaizana lehibe ananan’Andriamanitra fotsiny ve sa mihoatra lavitra noho izany?

14. Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida nanoloana ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra?

14 Misy tenin’i Davida mitovy amin’izany ao amin’ny Salamo 86. Nilaza toy izao izy tao amin’ny Salamo taloha kokoa: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.” (Salamo 19:1, 2). Tsy vitan’izany anefa, fa nilaza toy izao mihitsy izy, ao amin’ny Salamo 86:10, 11: “Lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra. Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao”. Nanana tahotra niharo fanajana an’ilay Mpamorona i Davida, noho ny zava-mahagaga rehetra nataony. Tsy sarotra ny mahatakatra ny antony. Tsy ta hampahatezitra an’Ilay nanao ireny asa mahatalanjona ireny i Davida. Ary tsy tokony haniry izany koa isika.

15. Nahoana no rariny raha nanana tahotra niharo fanajana an’Andriamanitra i Davida?

15 Tsy maintsy ho nahatakatra i Davida fa satria manana hery tsy hita fetra Andriamanitra sady afaka mifehy izany, dia afaka mampiasa izany mba hamelezana izay rehetra tsy mendrika ny fankasitrahany, izy. Loza ho azy ireo izany. Nanontanian’Andriamanitra i Joba hoe: “Moa efa niditra tany amin’ny firaketana ny orampanala va hianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?” Samy fitaovam-piadiany avokoa na ny orampanala, na ny havandra, na ny oram-baratra, na ny rivotra, na ny tselatra. Ary tena mahazendana ny herin’izy ireny!​—Joba 38:22, 23.

16, 17. Inona no mampiseho ny hery mahatahotr’Andriamanitra, ary ahoana no nampiasany izany heriny izany taloha?

16 Tadidinao angamba ny loza iray teto an-toerana nateraky ny sikilaonina, na ny havandra, na ny tondra-drano. Indro misy ohatra: Tamin’ny faramparan’ny taona 1999, dia nisy tafio-drivotra lehibe namely ny faritra atsimoandrefan’i Eoropa. Na ireo manam-pahaizana momba ny toetrandro aza dia gaga tamin’izay. Nahatratra 200 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny rivotra, ka nifaoka tafon-trano an’arivony maro, nandrodana pôtôn-jiro, ary nampivadika kamiao. Alao sary an-tsaina izao: Nanongotra na nanapaka, hazo tokony ho 270 tapitrisa ireny rivo-mahery ireny, ka ny 10 000 tamin’ireo no tao amin’ny zaridainan’i Versailles fotsiny, ao ivelan’i Paris. Tapaka ny jiro tao amin’ny tokantrano an-tapitrisany maro. Efa ho 100 ny olona maty. Fotoana fohy fotsiny no nitrangan’izany rehetra izany. Hery re izany!

17 Mety hisy hilaza fa kisendrasendra ny rivo-mahery, ary tsy misy mpitarika, sady tsy voafehy. Inona anefa no mety hitranga, raha manao asa mahagaga Ilay faran’izay mahery, ka mampiasa sy mifehy ary mitarika ireo hery ireo? Nanao toy izany izy tamin’ny andron’i Abrahama. Ren’i Abrahama fa efa nanombana ny haratsian’i Sodoma sy i Gomora, ilay Mpitsara ny tany rehetra. Ratsy aoka izany ny fitondran-tenan’ny olona tao, ka tafakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainana momba azy ireo. Nanampy ny olo-marina rehetra mba handositra an’ireo tanàna voaheloka ireo àry Andriamanitra. Hoy ny fitantarana: “Ary Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra”. Asa mahagaga izany, izay nitsimbina ny ain’ny olo-marina, fa nandringana kosa ireo ratsy fanahy tsy nety niova.​—Genesisy 19:24.

18. Inona no zavatra mahatalanjona asongadin’ny Isaia toko 25?

18 Tatỳ aoriana kokoa, dia namoaka didim-pitsarana hamelezana ny tanànan’i Babylona fahiny i Jehovah. Izy io angamba no ilay tanàna resahina ao amin’ny Isaia toko 25. Nanambara mialoha Andriamanitra fa ho rava ny tanàna iray: “Efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ny tanàna mimanda dia rava tokoa; ny lapan’ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; tsy hatsangana intsony mandrakizay iny”. (Isaia 25:2). Ankehitriny, dia azon’ireo mpitsidika an’ilay toerana nisy an’i Babylona hamarinina fa tena nitranga izany. Sendrasendra fotsiny ve no naharava an’i Babylona? Tsia. Azontsika ekena kosa izao filazan’i Isaia izao: “Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao [zavatra mahatalanjona, NW ] Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady mahatoky no marina indrindra.”​—Isaia 25:1.

Asa mahatalanjona amin’ny hoavy

19, 20. Inona no fahatanterahan’ny Isaia 25:6-8 azontsika antenaina?

19 Nanatanteraka an’io faminaniana io Andriamanitra taloha, ary hanao zavatra mahatalanjona koa izy amin’ny hoavy. Ao amin’ilay toko niresahan’i Isaia momba ny “zavatra mahatalanjona” ataon’Andriamanitra, dia misy fampanantenana azo antoka, izay mbola ho tanteraka, tahaka ny nahatanteraka ny didim-pitsarana tamin’i Babylona. “Zavatra mahatalanjona” inona no ampanantenaina? Izao no lazain’ny Isaia 25:6: “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara”.

20 Azo antoka fa ho tanteraka io faminaniana io ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, izay efa akaiky dia akaiky. Hahazo fanamaivanana ny olombelona, amin’izay fotoana izay, satria hesorina ny zava-manahirana izay manavesatra olona maro ankehitriny. Manome toky mihitsy aza ny Isaia 25:7, 8 fa hampiasa ny hery entiny mamorona Andriamanitra mba hanaovana asa iray faran’izay mahatalanjona: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny”. Tatỳ aoriana, dia nanonona io andinin-teny io ny apostoly Paoly, ka nampihatra azy io amin’ny fotoana hamerenan’Andriamanitra ny maty ho amin’ny fiainana, izany hoe hananganany ny maty. Hahatalanjona tokoa izany asa izany!​—1 Korintiana 15:51-54.

21. Asa mahatalanjona inona no hataon’Andriamanitra ho an’ny maty?

21 Hanjavona koa ny ranomason’alahelo, satria hofoanana ny aretina. Nanasitrana olona maro i Jesosy fony izy tetỳ an-tany: nampahiratra ny jamba, nampahalady ny marenina, nanome tanjaka ny kilemaina. Mitantara ny Jaona 5:5-9 fa nanasitrana lehilahy jamba efa hatramin’ny 38 taona, izy. Nihevitra izany ho fahagagana, na asa mahatalanjona, izay nahita izany. Ary marina izany! Nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo anefa fa hahatalanjona kokoa ny fananganany ny maty: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.”​—Jaona 5:28, 29.

22. Nahoana ny mahantra sy ny ory no afaka mibanjina ny hoavy amim-panantenana?

22 Tsy maintsy ho tanteraka izany, satria i Jehovah no mampanantena izany. Matokia fa rehefa hampiasa sy hitarika amim-pitandremana ny heriny lehibe izy, dia hahatalanjona ny vokany. Milaza izay hataony amin’ny alalan’ny Zanany Mpanjaka ny Salamo 72. Hitrebona ny marina amin’izay fotoana izay. Ho be ny fiadanana. Hamonjy ny mahantra sy ny ory Andriamanitra. Mampanantena izy hoe: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza; hiròndròna tahaka ny any Libanona [fahiny] ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ny tany.”​—Salamo 72:16.

23. Tokony hanosika antsika hanao inona ny asa mahatalanjon’Andriamanitra?

23 Mazava fa manana antony tokony handinihana ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra rehetra isika​—dia izay nataony tamin’ny lasa, sy ataony ankehitriny, ary mbola hataony amin’ny hoavy tsy ho ela. “Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; izy irery ihany no manao fahagagana; ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.” (Salamo 72:18, 19). Izany no tokony ho votoatin’ny resaka ataontsika tsy tapaka sy amin-kafanam-po amin’ny havantsika sy ny hafa. Eny, aoka isika ‘hanambara amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary amin’ny firenena rehetra ny asa mahatalanjona nataony’.​—Salamo 78:3, 4; 96:3, 4, NW.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no azo lazaina fa manasongadina ny fetran’ny fahalalan’ny olombelona ireo fanontaniana napetraka tamin’i Joba?

• Inona amin’ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra nasongadin’ny Joba toko 37-41 no nampiaiky volana anao?

• Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika, rehefa avy nandinika ny asa mahatalanjona sasany ataon’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Inona no fanatsoahan-kevitrao momba ireo bohabohan’orampanala be dia be tsy mitovy sy ny tselatra manana hery mahatahotra?

[Sary nahazoan-dalana]

snowcrystals.net

[Sary, pejy 13]

Ataovy anisan’ny zavatra resahinao tsy tapaka ny asa mahatalanjon’Andriamanitra