Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA

Tsy Aleo ve Mihavana?

Tsy Aleo ve Mihavana?

Mpiray tanàna i Toky sy Setra sady mpinamana tsara. * Nisy fety tao amin-dry Setra, indray mandeha. Efa alina tamin’izay nefa mbola nitabataba be ry zareo. Sosotra àry i Toky, ka nimenomenona tamin’i Setra. Tezitra tamin’ny tenin’i Toky koa anefa i Setra, ka nifamaly ry zareo. Tsy nifampiteny intsony izy roa lahy taorian’izay.

BETSAKA no efa tratran’izany. Rehefa tsy mifanaraka mantsy ny olona roa, dia matetika no samy tezitra sady mifanome tsiny. Tsy hifandray intsony izy ireo, raha tsy mifandefitra.

Efa nitranga taminao ve izany? Azo inoana fa nahasosotra anao ilay izy. Mba te hifandray tsara amin’ny namana sy ny mpiray tanàna mantsy isika. Ahoana anefa raha misy zavatra mahatezitra antsika? Ho vitantsika ve ny hifehy tena sy tsy ho mora tohina ary hamela heloka? Ahoana no azo ifandaminana?

Andao hodinihintsika ilay adin’i Toky sy Setra. Zavatra maromaro, raha ny marina, no nahatonga an’ilay izy: 1) Tsy niraharaha an’i Toky i Setra, 2) tsy nahay niresaka i Toky fa nanao teny mahery tamin’i Setra, 3) samy tsy nahafehy ny hatezerany izy roa lahy, ary 4) samy tsy nandefitra izy ireo.

Tonga saina ihany anefa izy ireo rehefa ela ny ela, ka nifandamina sy nihavana indray. Nahoana? Nahazo torohevitra tsara izy ireo, ka nampihariny. Afaka manahaka azy ireo koa ny mpinamana rehefa misy adiady, ka tsy vitan’ny hoe hihavana avy eo fa vao mainka hifankatia kokoa.

Aiza no misy an’izany torohevitra izany? Tsy aiza fa ao amin’ny Baiboly, ilay boky be mpanana indrindra eran-tany. Mampirisika antsika izy io mba ho tsara fanahy, hisaina tsara, hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa, hanam-paharetana, ary ho be fitiavana. Hanampy antsika hihavana amin’ny hafa ireo toetra ireo, na dia tsy azo ialana aza ny zavatra mankarary fo indraindray.—Ohabolana 14:29; 1 Korintianina 13:4, 5.

 Misy heriny tokoa ny Baiboly, ary manaporofo izany ny tantaran’i Setra sy Toky. Tsy izy ireo ihany, fa be dia be ny olona niova na dia ratsy toetra be aza taloha. Nahery setra be, ohatra, i Robert any Aostralia, nefa lasa tsara fanahy. Toy izany koa i Nelson avy any Timaoro Atsinanana. Fahavalo tena halany no lasa namana tsy foiny. Ahoana no nanampian’ny Baiboly azy ireo? Araho àry fa hanontany azy ireo ny Mifohaza!

FANADINADINANA 1

ROBERT a, nanao ahoana ny fiainanao tamin’ny mbola kely?

Tsy nahafinaritra mihitsy! Nasiaka be ny dadanay, sady namono ahy foana. Indraindray aza aho tsy navelany mihitsy raha tsy naratra be sy tsy nahatsiaro tena. Lasa nasiaka be sy nahery setra koa aho. Nalefa tany amin’ny fitaizana zaza maditra aho nandritra ny roa taona. Nigadra tany amin’ny fonja ho an’ny mpanao heloka bevava mihitsy aza aho tatỳ aoriana. Nifindra teto Aostralia aho rehefa afaka tany, satria mba te hanomboka fiainam-baovao.

Nasiaka sy nahery setra i Robert, ary efa nigadra mihitsy aza

Niova ve ianao rehefa nifindra teto?

Tsy dia izay loatra no nampiova ahy, fa izaho nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na izany aza, dia mbola mora tezitra foana aho, ka lasa kivy sy nahatsiaro ho tsy misy dikany. Nisaintsaina ny Ohabolana 19:11 aho indray andro, hoe “mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.” Mba te hampihatra an’io aho, ka niezaka nahatakatra ny fihetseham-pon’ny olona, sy ny dikan’ny teny lazainy, na ny zavatra ataony. Lasa mora mamela heloka kokoa aho, sady manam-paharetana sy tsy mora tohina.

Mba milazà hoe ohatra iray.

Tezitra be tamiko ny namako indray mandeha, nefa tsy fanahy iniako ilay izy. Tonga dia novasohiny teo imason’olona aho, ka voadona ny hambom-poko! Tadidiko anefa ilay torohevitry ny Baiboly hoe “aza mamaly ratsy ny ratsy”, ka niala tsiny haingana aho. (Romanina 12:17) Niresaka mitokana taminy aho rehefa tony izy. Hay nisy olana ny fianakaviany. Nifandamina àry izahay, ary nomeny akanjo tsara be aho tatỳ aoriana. Nangovitra aho nieritreritra hoe asa fotsiny izay nitranga raha izaho tamin’ny taloha no nalam-baraka hoatran’iny!

Ahoana no ataonao rehefa misy olana ao aminareo?

Roapolo taona ny zanakay lahy, ary tsy mitovy hevitra izahay mianakavy indraindray, hoatran’ny olon-drehetra ihany. Be dia be anefa ny zavatra nianarako avy ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny manao hoe “azafady.” Mahagaga fa teny kely io nefa misy heriny be raha tena vokatry ny fo, ka mety hampilamina fifamaliana na hisakana an’ilay izy tsy hitranga mihitsy.

FANADINADINANA 2

 NELSON a, marina ve fa nasiaka be ianao taloha fa tsy tsara fanahy hoatr’izao?

Ie, marina. Anisan’ny antoko mpanohitra aho taloha. Tsy tiako mihitsy koa ilay antoko politika saika hifehy ny faritra nisy anay. Nianatra haiady aho tamin’izany, ary tonga dia nasiako daholo izay nanadala ny saiko.

Anisan’ny antoko mpanohitra i Nelson taloha

Inona no nampiova anao?

Nianatra Baiboly aho, ary nampihariko tsikelikely ilay izy. Andinin-teny roa no tena nanohina ny foko. Matio 7:12 ny iray, hoe “koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” Matio 22:39 kosa ny faharoa, hoe “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Hitako fa tena nampihatra an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mifankatia na dia tsy mitovy foko sy volon-koditra aza. Te ho hoatr’izany koa aho. Mino aho fa mba efa niova satria na ny namako taloha aza gaga, sady tsy matahotra ahy intsony.

Nisy fotoana ve ianao mbola nitady hasiaka ihany?

Ie. Efa tsy manao an’izany intsony aho eny imason’olona, nefa mbola sarotra ilay izy rehefa ao an-trano. Indray mandeha aho tezitra be, dia namono ny vadiko. Nanenina be aho avy eo. Izy aloha tsara fanahy dia namela ahy, fa izaho no tapa-kevitra hifehy tena mafy.

Nilaza ianao hoe tsy matahotra anao intsony ny olona. Afaka manome ohatra ve ianao?

Ie. Indray andro, ohatra, dia nifanena izaho sy Augusto, izay lohandohany tao amin’ilay antoko fahavalonay. Mailomailo be izy tamin’ny voalohany. Noarahabaiko tsara anefa izy, hoatr’ireny hoe tsy niady ireny izahay. Nasaiko tany an-trano mihitsy aza izy dia nanaiky. Gaga izy fa niova be aho, ka nanaiky nianatra Baiboly koa izy. Tsy hoe mpinamana be fotsiny izahay amin’izao, fa mpirahalahy mihitsy.

 “Mihavàna amin’ny olona rehetra”

Be dia be ny zavatra mety hampiady ny olona. Tsy ny rehetra koa no hanaiky rehefa mba miezaka hihavana aminy ianao. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Romanina 12:18.

Hita amin’ny tantaran’ireo olona voalaza tato fa tena mandaitra ny torohevitry ny Baiboly. Afaka manova olona izy io, na dia izay manana toetra efa raiki-tampisaka aza. (2 Korintianina 10:4) Hoy ny Ohabolana 3:17, 18 momba ny fahendrena ao amin’ny Baiboly: “Lalana mahafinaritra ny lalany, ary fiadanana ny lalan-kalehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay mitana azy izy, ary izay mifikitra aminy no atao hoe sambatra.”

Mpinamana be izao i Nelson sy Augusto

Te ho falifaly foana sy hihavana tsara amin’olona ve ianao? Tianao ve raha lasa tsy mifankafoy ianao sy ny namanao, na dia misy zavatra tsy mampifanaraka anareo aza? Ampiharo àry ny torohevitry ny Baiboly, dia tsy ho diso fanantenana ianao.

^ feh. 3 Novana ireo anarana.