Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Aogositra 2014

“Jereo Tsara ny Voro-manidina”

“Jereo Tsara ny Voro-manidina”

EFA nandinika vorona ve ianao? Hita hatraiza hatraiza mantsy izy ireny sady anisan’ny zavaboary mora dinihina indrindra. Samy hafa ny lokony, endriny, feony, ary ny fombafombany, ka mahafinaritra sy mahatsikaiky erỳ ny mijery azy. Afaka andro mihitsy ianao rehefa mandinika azy ireny.

Siketry

Indraindray aza ianao eo am-baravarankely fotsiny dia efa mahatazana karazam-borona: Io fa misy soisoy mihady kankana. Iny koa misy sidintsidina mitady bibikely hohanina. Tsy sasatra mihitsy ilay tsipoy manamboatra ny akaniny. Sahirana kosa ny tsikirity mamahana an’ireo zanany kely mifandrombaka sakafo. Ary jereo ilay domohina lahy fa miedinedina erỳ satria te hambabo ny vavy!

Akanga

Mahavariana ny vorona sasany, toy ny voromahery sy ny hitsikitsika ary ny firasa, rehefa misidina eny amin’ny lanitra. Misy kosa tena mampihomehy, toy ny fody mitsindroka poti-mofo. Eo koa ny voromailala miezaka erỳ manabontsina ny tratrany, satria toa tsy taitra aminy mihitsy ilay vavy. Indraindray koa mankeny ambony tariby mihetsiketsika ireo boloky mavokely sy volondavenona, nefa mitady hianjera ka lasa mitsingoloka eny ambony eny, sady misiotsioka ihany. Misy indray vorona somary  manaitra rehefa mirohotra hifindra monina, toy ny vano isan-karazany. Efa an’arivony taona no nisy nandinika ireny vorona mpifindra monina ireny, ka hita fa afaka mandeha lavitra be izy ireo sady mitovy foana ny fotoana iaingany sy ahatongavany. Nilaza mihitsy ny Mpamorona hoe: “Ny vanobe eny amin’ny lanitra aza mahalala tsara ny fotoana voatondro. Ary samy manaja tsara ny fotoana fahatongavany ny domohina sy ny sidintsidina ary ny tsikorovana.”—Jeremia 8:7.

Miresaka vorona koa ny Baiboly

Matetika ny Baiboly no miresaka momba ny vorona, mba handraisantsika lesona. Tena mahery mandeha, ohatra, ny aotirisy ka hoy Andriamanitra tamin’i Joba: “Rehefa akopakopany ambony ny elany, dia ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy.” * (Joba 39:13, 18) Nanontany koa izy hoe: ‘Noho ny fahiratan-tsainao ve no isidinan’ny hitsikitsika lehibe? Sa noho ny baikonao no isidinan’ny voromahery?’ (Joba 39:26, 27) Inona no lesona avy amin’izany? Mila manaiky ny fahendren’Andriamanitra isika, satria tsy avy amintsika mihitsy ny fahaizan’ny vorona.

Nanoratra momba ny “feon’ny domohina” i Solomona Mpanjaka, satria izany no amantarana fa tonga ny lohataona. (Tononkiran’i Solomona 2:12) Niresaka vorona koa ny mpanao salamo. Te hanompo tao amin’ny tempoly mantsy izy ka nialona kely an’ireo vorona nisidintsidina tao. Hoy izy: ‘Na ny vorona aza nahita trano, ary ny sidintsidina nahita akany hametrahany ny zanany, dia eo amin’ny alitaranao be voninahitra, Jehovah ô!’—Salamo 84:1-3.

“Ny Rainareo izay any an-danitra manome sakafo azy. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?”—Matio 6:26

I Jesosy Kristy no tena niresaka hevitra mahafinaritra be momba ny vorona. Hoy izy, araka ny Matio 6:26: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa ny Rainareo izay any an-danitra manome sakafo azy. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” Tena manohina ny fo izany, sady manome toky hoe sarobidy amin’Andriamanitra isika. Tsy tokony hanahy àry isika, satria hanome izay ilaintsika eo amin’ny fiainana izy.—Matio 6:31-33.

Mbola be dia be ankehitriny no tia mandinika vorona, ka sondriana erỳ amin’ny hakantony, ny siokany, ny sangisanginy, ary ny fihetsiketsehany rehefa hitady vady. Afaka mandray lesona amin’izy ireny koa isika. Tianao àry ve ny mba “hijery tsara ny voro-manidina?”

^ feh. 6 Ny aotirisy no vorona lehibe indrindra mbola misy hatramin’izao. Izy koa no mahery mandeha indrindra, satria mahatratra 72 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany raha lalana akaikikaiky.