Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mety ve ny Mampideradera Fananana?

Mety ve ny Mampideradera Fananana?

‘Raha manao jinina na fitafiana hafa lafo vidy ny olona iray tsotsotra sy tsy misy mahamarika, dia mety ho lasa mieboebo, ka hiteny hoe: “Izaho ange mba manana ny maha izy ahy e! Jereo fotsiny ny fitafiako raha tsy mino an’izany!”’—Chaytor Mason, psikology.

MISY olona te hoderaina, ka mampideradera ny fitafiany na ny zava-tsarobidy ananany. Milaza, ohatra, Ny Gazetin’i Washington (anglisy) fa “tian’ireo sambany vao nanan-karena” any amin’ny tany iray any Azia ‘ny zavatra lafo vidy toy ny poketra avy any Frantsa sy ny fiara raitra avy any Italia. Mbola tian’izy ireo koa ny mampideradera an’izany.’

Tsy diso isika raha mankafy ny asan’ny tanantsika. Hoy ny Baiboly: “Tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:13) Tsara ve anefa ny mampideradera ny fananantsika? Inona no lazain’ny Baiboly?

‘Maro ny naman’ny mpanankarena’

Namana manao ahoana no mety ho azon’ny olona mampideradera fananana, na manankarena izy na mihambo ho manankarena? Hoy ny Baiboly momba ny olombelona: “Ankahalaina ny mahantra, ary na ny namany aza mankahala azy, fa maro kosa ny naman’ny mpanankarena.”—Ohabolana 14:20.

Midika izany fa ny harenan’ny mpanankarena fotsiny no itiavan’ny olona azy. Fitiavan-tena fotsiny no mahatonga ny olona hinamana aminy sy handokadoka azy. Milaza ny Baiboly fa ‘fetsifetsy’ ny olona toy izany satria ‘mitsiriritra.’—1 Tesalonianina 2:5.

Eritrereto àry hoe: ‘Namana hoatran’ny ahoana no tiako? Namana tena tia ahy sa tia ny fananako fotsiny?’ Asehon’ny Baiboly fa mety ho arakaraka ny toetrantsika ny namantsika.

‘Izay manetry tena no hendry’

Misy antony hafa koa maharatsy ny mampideradera fananana, araka asehon’ny tantaran’i Hezekia, mpanjaka tao Jerosalema. Lazain’ny Baiboly fa nasehony an’ireo manam-pahefana babylonianina “izay rehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany.” Azo inoana fa nampiaiky volana azy ireo izany. Lasa nitsiriritra anefa izy ireo. Nilaza tamin’i Hezekia àry i Isaia mpaminany rehefa lasa ireo olona ireo hoe ‘hoentina any Babylona’ ny harenany ary ‘tsy hisy na inona na inona ho tavela.’ Tanteraka tokoa izany! Niverina ny Babylonianina taona maro tatỳ aoriana, ka nandroba ny harenan’ny fianakavian’i Hezekia.—2 Mpanjaka 20:12-17; 24:12, 13.

Toy izany koa ankehitriny. Mety hafoinao tanteraka ny harenanao na ny ampahany aminy raha mampideradera izany ianao. Hoy ny tatitra iray avy any Meksika, momba ny heloka bevava sy ny aro loza: “Ireo mampideradera fananana no tena lasibatry ny mpangalatra, ao Mexico. Misarika mpangalatra ianao raha manao firavaka na famantaranandro lafo vidy, na mampideradera vola be.” Aleo lavitra ‘tsy mirehareha amin’ny harena’ ananana, araka ny torohevitry ny Baiboly. (Jeremia 9:23) ‘Izay manetry tena no hendry’, hoy ny Ohabolana 11:2.

Jereo ny toetra tsaran’ny hafa

Tsy mieboebo ny olona manetry tena fa faly kosa mahita ny toetra tsaran’ny hafa. Hoy ny Filipianina 2:3: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” Hoy koa ny Galatianina 5:26: “Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.”

Namana hoatran’ny ahoana no tianao? Namana tena tia anao sa tia ny fanananao fotsiny?

Toy izany koa fa fantatry ny olona hendry hoe rehefa mifankatia sy mifanaja ny mpinamana vao tena mifandray akaiky. Hihamafy arakaraka ny fandehan’ny fotoana izany fifandraisana izany fa tsy ho lefy mihitsy, na dia fongana aza ny harena. Hoy ny Ohabolana 17:17: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.” Miezaka mampifaly an’Andriamanitra koa ny olona hendry. Fantany fa tsy ny zavatra eny ivelany no jeren’Andriamanitra fa “ilay toetra miafina ao am-po”, izany hoe ny maha izy ny olona iray. (1 Petera 3:4) Miezaka mafy àry izy mba hanana an’ireo toetra tsara antsoin’ny Baiboly hoe “toetra vaovao.” (Efesianina 4:24) Miresaka ny sasany amin’izany ny Mika 6:8, manao hoe: “Inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?”

Tsy mampirisika ny olona hanetry tena mihitsy ity tontolo ity, ary tsy mahagaga an’ireo mpianatra ny Baiboly izany. Hita ao amin’ny faminaniana momba ny “andro farany” mantsy fa ‘ny olona ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, [ary] ho mpieboebo.’ (2 Timoty 3:1-5) Mihevitra ny olona eto amin’ity tontolo ity fa tsy ratsy ny mampideradera fananana. Mampirisika antsika àry Andriamanitra hoe: “Ialao ny olona toy ireny.” Hanahaka azy ireny mantsy isika, raha tsy izany.